Odryyy, fa dia gaga aho androany fa mba “nominé” na nisy nifidy ho anisan’ny blaogy gasy tsara hono ity blaogiko ity, ilay fifaninanana BOMBS 2009 e ! Dia izao no hitako tao hoe “sady mahafinaritra no mahatsikaiky koa e !” no fahitan’ilay olona nifidy azy. Misaotra azy indrindra aho nanome fankasitrahana. Ary manainga anareo izay mba mankasitraka koa izay vitako eto aho mba hifidy ahy koa e ! Asa raha haharitra h@ farany fa dia tsofina rano izay tratra farany e ! 

 

Izany eo ihany fa be izay kidaladala voasoratro teto izay, tena niainana anefany an, sy ireo izay tena "sérieux"  notantaraiko teto Kiss hay ve … izy ireny e ! Hum ! Tato ho ato anefany anie aho tsy nahasoratra fa dia mijerijery ny an’ny sasany eny fontsiny ! Maro ireo hevitra tiako avoaka fa mila “mi-filôzôfa” be dia kamo aho. Ny fiainana any Madagasikara, ny fiaraha-monina sy ny kolotsaina malagasy sy ny sisa moa no tena tiako avoaka araka ny fijeriko azy ankehitriny aty ampita. Mbola hamoaka aho fa andraso aloha, fijery hafakely ny ahy ka mila manomana tsara ny mpamaky izay ato an-tsaiko aho mba tsy hanaitra azy ireo.

 

Akoatra izay dia ezahiko atao teny malagasy ny lahatsoratro matetika fa io no hany voatanako nahazoako naoty ambony tany ampianarana fahiny. Sarotra ny teny Malagasy ary tena misy fitsipika mamehy azy ka dia ampihariko hatrany io satria mbola tadidiko tsara, raha tsy nisy fiovany angaha taty aoriana ny fitsipika. Ampiarahiko izany ny fampiharana ny fomba fametraka ireo  maripiatoana isan-karazany (teboka, faingo, sns …) satria ao anaty asan’ny tena ny fanajana ny fampiharana azy ireny. 

 

Izay aloha ny androany fa dia manantena antsika handray anjara hifidy ahy e Wink ! Oadray, androany aho vao nandinika ity fifaninanana ity marina ! May ny endim-boanjo e ! Mahatsikaiky.

 

Kdaombita !  

 
Avy aiza daholo isika malagasy jiaby mandalo eto e ?  Finaritra mahafantatra izay toerana misy anareo, dia asio tantarany kely rehefa mametraka hafatra.
 
" Izaho avy ao Antananarivo, fokontany Mahavoky, manelanelana an'i Besarety sy Andravoahangy, tao no teraka. Rehefa talata no tsenan'i Besarety, ary rehefa alarobia ny an'Andravoahangy. Dia tsy misy olana fa na misy ary ny delestazy ka tsy azo antoka ny vata fampangatsiahana, dia iantsenako matetika io Cool . Misy ny rehetra iny faritra iny ry zareo a ! "