Dia hoy aho hoe handeha hijery ny blaogy sao mba misy hafatra, na rehefa tsy misy dia aleo mametraka bonne année ho anareo tsirairay na tsy hisy valiny ary fa maimai-poana.

 

Tamin’ity indray alina ity dia nahafinaritra ahy ny fety. Tetsy andaniny moa dia ny sakafo no tsara ary rehefa nataoko ny kaonty dia toy ny tena mihoatra ny vola naloako ny sakafo naroso, fitiavana izany hoy aho. Tetsy ankilany kosa dia nanaitra maso ireo hazavàna sy ny firefodrefotry ny afomanga isaky ny tendrombohitra misy tanàna maro no nanaitra ny maso, ary ny oroka sy ny firariantsoa samy hafa nomen'ny rehetra nony tonga ny taona vaovao. Manampoka izany ny hira sy ny dihy fa samy mpianakavy moa no tafahaona koa dia ny masoandro "mihiratra" no mampalahelo, na ny marina dia ny havizanana no nandroaka nody fa raha ny sitraky ny fo dia ny hijanona no tao an-doha, eo koa ireo ankizy efa reraky ny nilalao ka aleo ny làlana mody no nasiana olona. Ny taona vao ? Ny ampitso no hilaza azy ka anararaotako eto ny hanome tsodrano ho anareo rehetra mba ho tsara ny ho avy @ ity taona ity.

 

Fa talohan’ny nandehanako dia nisy film  "Au commencement” mitantara ny tao anaty Baiboly nanaitra ahy nojereko, asa raha fantatrareo ny tantaran’ny mpirahalahy Esaü zokiny sy i Jacob zandriny. Nangalatra fizokiana i Jacob. Izany hoe : nialona ilay zandriny fa toa nanana préférence tamin’ny zokiny ilay rainy, normale satria zokiny i Esaü. Rehefa narary be ity rainy ka efa jamba dia niantso an’ity zokiny fa hanome tsodrano azy. Nefa talohan’izany dia nirahiny hihaza ilay zokiny. Teo no nampiavaka ilay tantara : nahafantatra izany ity reniny koa dia nanome hevitra an’i Jacob haingana mba handrombaka ilay tsodrano ho azy fa tsy ho an’ilay zokiny, ka naniraka ity zanany lahy faharoa mba haka ilay biby ao an-tokotany mody hatao hoe io ilay haza, ary dia ni-déguiser azy ho toy ny zokiny. Nandaitra tokoa ny hevitr’ity reniny, ka lasan’i Jacob ilay tsodrano. Nony tonga ilay tena zokiny niaraka tamin’ny haza vao tonga saina fa nomen’ilay rainy an’ilay zandriny ireo teny mamy tokony ho azy !!!!!!! Hasosorana moa ny azy izany, satria niteny ity rainy fa efa lasan’i Jacob ilay tsodrano ary tsy mety haverina intsony na annuler-na ! Ilay iraika lahy amin’izany dia nampadosirin'ny reniny lavitra haingana avy eo natahotra ny valifatin'ny rahalahiny.

 

Eny hoy aho, hoy ny fomba Malagasy “ny tso-drano zava-mahery” !  Tsaroana tokoa rehefa misy kabary (fanambadiana, hasoavana, … sns) dia voateny foana io teny io. Mahazo daholo na ny kely na ny lehibe. Vao kely  dia efa mahazo daholo avy amin’ny ray aman-dreny. Hay izy ireny tsy mety annuler-na intsony izany raha araka ny baiboly. Eto aho dia mahatsiaro ireto zanako aho hoe aleo omena tsodrano hatrany, tsy hialam-bola no sady maro an’isa ! Fa izao kosa aloha e, nony nojerena ny tantaran’i Jacob taty aoriana dia toy ny nanody azy ny nataony satria na teo ary ilay tsodrano azony dia tratran’ny "tournant" ihany leiry (vakio Genesisy 29:14). Taty aoriana izy dia voafitaka tokoa ary nahatsiaro ny ratsy nataony, tapaka ny tsinaiko t@ ilay tantara. Fa zava-mahery ilay tsodrano satria misy fiantraikany eo amin'ny fiainanana tokoa ilay izy, hita ny fahatanterahan'izany aty aoriana.

 

Ka aleo ry zareo dia tsy hiloaka zavatra tsy mety ny vava fa sao ahitana angano ho an’ny ho avin’olona sy ny taranany. Matetika mantsy rehefa sendra voan’ny olona dia manopaopa mihitsy, nefa mpanjo ny rehetra ny tezitra fa aleoko “tsy manozona” ! Raha  toa moa efa misy ozona voateny dia ny mi-annuler ilay ozona eo anoloan’Andriamanitra no tena mandaitra. Tsy afaka manova ilay olona niteny raha araka ny tantara, fa kosa ny tsy hain’olombelona hain’iza moa ho ny teny ?

 

Ho famaranako azy dia mirary anareo taona vaovao feno fahasambarana aho :

- tsy ho ao anatin’ny olana ara-bola fa na misy ary izany dia mba irariako manokana ny isian’ny vahaolana aingana na amin’ity janvier iny ary,

- ny tsy salama moa irariako ny hahatanjahany aingana,

- ny tsy an’asa kosa dia hahita asa tsy ho ela,

- ny malahelo hahita fahafaliana hamenoana ny banga,

- ny ory hahita fitoniampo,

ny mpianatra ahavita soa aman-tsara ny fianarany ka ho tafita amin'ny ambony indrindra, ho tonga olo-manga feno fahamarinana,

- ary indrindra ny tena firariantsoa vokatry ny foko dia ny ahitan’ny Malagasy masoandro mihiratra indray eo amin’ny fiainana andavan’andro. Hifanatitra sy hifanaja ny lehibe sy ny tanora ao anatin'ilay nosintsika.

 

Aza manana ahiahy ianareo fa araka ilay tantara eo ambony dia ny ratsy atao loza mihantona, ny tany no tsy asian-dratsy ny lalao mbola ho ela. Ary Andriamanitra tsy andrin’ny hafa andrintsika ihany, sa ahoana ?