Mba nifoha maraina aho, nikarakara sakafo alohan'ny handehanana. Natokona ny laoka, ary natao anaty 'cocotte minute' mba halemy. Teo ampiandrasana izany dia nijery blaogy aloha ! Kinanjo variana teo ! Tsy tsaroako hoe naharitra no nijanonako teo, ka nony nandeha hijery ilay laoka aho dia SETROKA BE NO TAO AN-DAKOZIA !!!!! Ny olana dia io no mety hatao laoka farany tao anaty frigo ry reto a, izany hoe voatery hiantsena aho izany anio ! Nefa rehefa miantsena raha zavatra kely no kasaina ho vidiana, atsasaky ny caddie no mivoaka ao ! Loza be faharoa ! 

'Ty blaogy-blaogy ity kay ahitan-doza ... Sealed aleo asiana fisainana fa tssss ! Sosotra aho izany, aleo tsy aseho an-drangahy aloha fa asa fontsiny !

Misy fanontaniana faharoa izay nanitikitika ny saiko efa ho 3 andro izay : fotoana maro no laniantsika eto ary misy ary ireo tahiry izay irina tsy ho lefy dia apetraka eto toy ny manao diary. Rahatrizay, mety ho foana ve ity blaogy ity ? Amiko mantsy mety ho jereko rahatrizay izy ity ahatsiarovako ny hatanorako sy ny nataoko fahiny. Ka raha afaka 20 taona, mety mbola ho eto ve izy ity sa ho lefin'ny teknôlôjia vaovao ka ho foana izay voasoratra eto ? Asa !