Sendra nandeha hiditra banky aho eto France dia nahita malagasy nivoaka avy tao, menamenatra ery izy nefa tsy nahoako. Nahoana izy no menatra ? Satria avy nanadio ilay banky ny nialany tao. Izany hoe menatra izy satria “mpanadio trano” ny asany !!!!!

 Aty  amintsika dia tsy ny olona rehetra no miasa manadio trano fa matetika “mpiasan-trano”, hainareo angambany ny lanjan’ilay asany rehefa voateny io teny io. Matetika izy ireny dia olona nalaina avy any ambanivohitra, ankizy tsy mahalala ny momba ny aty an-drenivohitra mba ho mora baikona, na ohatr’izany …. Ambany ny karama satria na voafetran’ny lalàna ary ny tokony ho karama ambany indrindrra, dia vitsy ny manaraka sy  mankato izany fa manao izay tsy hialan’ny vola am-paosiny betsaka loatra noho ny halafon’ny fiainana. Ny fitaizana malagasy dia mbola zanaka an-trano ny ankizy rehefa mbola tsy manambady, io ihany angambany aloha no fomba andaozana ny ray aman-dreny ara-dalàna hatramin’izao, akoatra ny fianarana lavitra izay ny ray aman-dreny ihany no miantoka azy.

 Fa nony nahita ny fianana aty ivelany aho dia nalahelo nahita ilay olona menatra nivoaka ny banky. Satria mbola nihevitra izy angambany fa mbola ho toy ny fijery any Dago ihany ny fahitana azy aty raha manao mpiasan-trano. Nefa diso ny heviny fa toy ny olona manana ny hajany rehetra izy amiko satria manana asa, ny andro efa sarotra rahateo vao mahita asa izao. Ny karamany dia voafaritra tsara ara-dalàna tsy misy voambaka mihitsy na ny andaniny na ny ankilany, ary mamelona tsara ny vady aman-janany ara-dalàna izy rehefa atao ny kaonty. Amiko dia toy ny olona rehetra izy.

 Matetika maro ny mihevitra fa rehefa manao “serveur”, na “femme de ménage”, na “livreur”, na ... (misy hafa maro fa ireo no ato an-dohako aloha) dia ambany izay ianao rehefa mandeha ny fosa aty an-tanindrazany, misy mihitsy ny sahy miteny aty hoe “livreur anie ny asan’iny e”, “mpiasam-bazaha” …. sns. Ny tsy fantatry ny aty Dago dia na livreur ary izy, dia mahazo vola afaka miaina tsara. Matetika moa dia ny mpianatra no tena manao io asa io aty satria tsy afaka miahy azy ireny intsony ny ray aman-dreniny noho ny fidangan’ny vola aty ivelany miohatra amin’ny vola gasy, izy ireny indray ary no mandefa vola ho an’ny fianakaviany aty. Sady izao koa e : rehefa afaka bac ny ankizy dia mandeha mandao na alefan’ny ray aman-dreniny miaina irery mitady vola no sady mianatra, miantoka ny fianarany izy izany. Tsy mahamenatra izany rehefa tsy asana makorelina na trafiquants no ataony amiko …. izany hoe tsy mivari-lavo (ataoko fa tsy misy ray aman-dreny maniry ny zanany hanao ireo asa roa farany ireo eto an-tany !)

 Koa tsy mampaninona ahy ny mahita gasy manao femme deménage sy livreurs … sns aty satria io ahafahany miahy ny retraite-ny sy ny fianakaviany. Raha toa ka sanatria very asa izy na tapitra ny CDD dia ny faharetan'iny fotoana niasany iny no ahafahany mahazo indamnités de chômage amin'ny ASSEDIC maharitra volana maromaro : mandray vola izy na eo ampitadiavana asa ary aloha. Ireo izay manana asa maharitra amin’io moa, CDI, dia misy tena manana trano milay be mihitsy. Efa nahita izay tranga izay koa aho tany Australie : mpiavy italiana izy mivady efa nipetraka ela tany, ary efa antitra, mpanadio trano ny asany nefa dia kirana be aho nahita ny tranony sy ny 4X4-ndry zareo !

 Izay ilay izy, samy manao izay ahatafitany am-panajana io ka tsy arahina hamohamo na esoeso raha toa ka mitovy asa amin’ny ambany karama indd aty Dago ny olona mipetraka any ivelany. Tsy mitovy ilay fari-piainana. Izaho efa niteniteny foana koa mantsy fahiny mahita ireo gasy tonga avy aty ivelany ka niteny hoe : ”nanao mpiasam-bazaha”, kay ilay izy asa mitombona tsara kay. Tsy mbola maty ilay fiteny Malagasy hoe : “aza manao ory hava-manana”.

 PS : Efa ela aho no saika hiresaka ny momba io fa izao vao nisy fotoana, ary tsy mitifitra an’iza na iza aho sao dia misy miakatra tosi-drà indray eo an Tongue out