Nalahelo mafy aho nijery ity blaogiko faharoa ity : http://rasoamalagasy.blogspot.com/, nahare ireo hira fahiny mandeha tao. Nitady sary tato anaty solosaina aho fa tsy nahita amborahako ny fahatsiarovako an'ilay tanindrazako. Tsaroako tampoka ilay alakamisy hariva fihainoko ny tantara ho an'ny ankizy rehefa amin'ny efatr'ora. Dia teo koa ilay hira milamina ahatsiarovako ny bà-kira malagasy. TE-HODY  kely aho hijery ilay ambanivohitra malagasy !!!!!! Nefa raha izao aho no lasa any tsy ho tafaverina vetivety !!!!! Henoy kely anie ilay hira ao dia ho hitanao. 

 

'Zany eo ihany fa dia mahavariana ahy loatra ity sary fahiny iray ity. Tena mbola toy ny zazakely ilay sipa nefa jereo ity hafalian'ilay rangahy mpiampofo azy haka azy ho vady, mahalasa sain-dratsy ..... asa fa dia maso mijery ny ahy. Dia ireo manodidina koa misy azo lazaina, ha ha ha !

(Adinoko ny milaza fa 'fifamofoana' io sary io)

Fifamofoana fony fahazanatany 

Mba lasa ny saiko fa mandreraka le dechetterie aty @ misy ahy fa tsy mety mandray menaka nanendasana. Nefa tsy azo ariana anaty fanarian-drano koa anefa satria mandoto ny tontolo iainana hono. Ny fiarako koa anefa tsy mety le mandeha @ menaka ! Akory atao hoy Rasaraka ?

Tapaka ny hevitro fa ho dioviko izaho ihany ny menaka nanendasako sakafo dia hampiasaiko hanendasako ihany, sady mahazo tombony aho, tsy mandoto, no tsy miala vola. Nijery nety dia nahita hevitra ! Izao ary ilay anaovany azy :

- tatavanina @ lohana paompy ny menaka nampiasaina mba ho afaka ireo poti-kanina may. Ny ahy eto dia ilay fanatatavanana plastika miaraka @ kaftiera no ampiasaiko.
- maka ilay fanatatavanana kafe jetable ireny indray ary dia apetraka ambony entonnoir io, dia alefa ao ilay menaka tetsy ambony. Haharitra kely ny raharaha eto fa tsy maninona. Averina indroa ity dingana faharoa ity dia hahazo menaka madio toy ny vao avy novidiana hono.

Asa fa mbola tsy nanandrana aho, fa itako fa ho mety ! Farafaharatsiny mba tsy manimba tontolo iainana, satria hono raha araraka @ tany ny menaka dia afaka 400 taona vao azo ampiasaina ilay tany, izany hoe tsy ekolojika ny menaka raha ariana ! Ary azoko raha tsy mety mandray ny déchetterie. Ny menaka fiara ihany no raisiny aloha h@ izao.

Ouf, tafablaogy an-telefona ihany ! Kdoambita !
«Mialoha   1 2