16 Aogositra, 2011 07:23
Mamindra ity an
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Ankapobeny ][ (2) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Aleo aloha asiana diam-penina kely eritreritra mandalo eto anio.
Kamo be aho androany hiasa, kamo ary kamo tena kamo. Tena nanazatra loatra ilay WE lavabe teo sady ny ahy nisy mariazy naleha tamin'ny zoma hariva dia efa hatrany no nanomboka. Asa raha toa ahy ianareo fa amin'izao androna krizy izao dia miandry ny fidinan'ny "bourses" ambany hatrany aho ahitako izay vokany eo amin'ny fiainako andavan'andro, h@ izao aloha mbola mandeha² tsara ihany. Asa mety ho avy indray ve ny guerre mondiale atsy ho atsy ? Toa misy feo kely miteny ato anatiko hoe hivadika ny glaoby, i Afrika no mety hisondrotra moramora eo miampy ireo tany hafa nivoatra be (Brésil, Inde, "URSS", Chine, ... sns)tato ho ato fa vita hatreo ny amin'ireto G8 ireto. Tsy haiko hoe amin'ny fomba ahoana fa miandry hatrany aho. Krizy, krizy ary krizy toy ny hakamoako androany ity e ! hay, ny mahatsara ilay krizy dia mampihena ny vidina lasantsy dia mba ..... mitohy ny fitsangatsanganana raha vao misy azo aleha !!!!!
Lasa aho aloha fa tara sao mihinan'ny fatiko eo aho ..... rariva manampy raha tsy reraka loatra. Tsss, kamo aho izany leity e ! Mazotoa ianareo ka. Atao ngôdangôda ilay soratra dia toy ny hoe be lazaina aho androany, ah ah ah (itony émoticons itony koa dia mbola tsy niampy foana nefa mba efa nivoatra ity blaogy.com ity, pffff)
Ho anareo izay mitady batterie kely androany ity misy ROHY dia vakio na henoy.
Kdoambita !
(Tandremo fa mamindra ity an !)
(Io fa tsinjoko hisy hiteny eto hoe "mazotoa kdaomba a" ! Asa raha handaitra fa dia misaotra mialoha e, ah ah ah)
04 Aogositra, 2011 20:39
Tantara an-tsary kely
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Hehy ][ (10) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
02 Aogositra, 2011 19:14
Hametraka kely aloha
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (2) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
1/ Henoko t@ radio omaly fa hitsangana ny trano avo indd eto @ Oseana Indiana. An'i Orange izy io, ka aiza hoy ianareo no hisy azy ? Eny an-tanindrazana e ! Faly ny saina no lasa ihany ny eritreritra hoe : ho betsaka indray izany ny asa omena ny malagasy, hiena kely indray ny tsy an'asa. Mahafaly ! Saingy mino aho fa ho ao Tananarivo ny hisy azy io, toerana efa misy structures ilain'ny mponina. Dia mampitaha hoe iza no betsaka kokoa ny zavatsoa azo : io ve sa ny nampanofa tany t@ andron'i Ra8 ? Io tany io mantsy ankalamanjana ka voatery manamboatra tanà na sy ny structures rehetra izay mpmboly, mandroso ny tantsaha mahita fahaiza-miasa vaovao, no misy ny rehetra ny toerana musy azy, misy asa koa fa tsy voatery hiakatra an-tanan-dehibe vao mahita, ny hopitaly sy ny sekoly tsy maintsy mitsangana koa. Nefa dia nofehezina @ ilay teny mamparary fon'ny malagasy ilay izy rehefa tsy nohalalinina hoe "mivarotra tanindrazana". Nefa zao ilay tanindrazana mipetraka mangadihady ao, toa ny hafa aza no manararatra ao tsy misy miteny. Fanondranana an-tsokosoko no betsaka. Asa raha hainareo ny tantaran'i Honk-Kong : 99ans no nindraman'ny anglisy azy, efa tapitra ii fepotoana io izao ary jereo hoe manahoana izy zao. Tsy manome tsiny aho satria frantsay no fitaratra tao an-tsain'ny malagasy, koa dia naleony tsy nomena. Leom-boan'anana ny malagasy. Aleo iny any fa asa raha mbola hisy ny opportunités toy izany na tsia.
2/ Fotoanan'ny sôsety zao. Tena tsara tokoa izy ireny fa maivana, misy otrikaina bdb (potassium ...), tsy matavy nefa mora feno ny vavony rehefa mihinana azy, sady be rano (gorgé d'eau). Mampahia no tiako lazaina. Ritina, atao gratin, afangaro @ hena, atao lasary, alona muaraka @ sakay, atao bolety miaraka @ fromage endasina .... Matsiro foana. Azo atao koa ny mi-raper azy atao amin'ny tarehy (masque) rehefa hariva fa manadio hodi-tava. Ny raviny moa dia @ ilay itiavana azy mihitsy : atao ro na ritina mety daholo, tsara tokoa. Ny tahony maina no tsy mbola itako fa henoko hoe mety rariana anaovana harona, ny italiana no mampiasa azy ataony hoe "sac italien" (moa izy izay ?). Akoatra izany dia mora ambolena ny sôsety, ary mandady be : manome vokatra bdb rehefa fotoanany ary azo anaovana trano fialokalofana @ taninandro ao ambaniny, mahafinaritra. Izay ny @ iny koa dia mambole sôsety fa tsy anenenana e ;)
Soava tsara daholo hoy i Kdaombaramita.