Inty indray no arosoko androany fa matsiro tokoa, mora ho an'ny lehilahy ny manao azy ity raha tena tia vady ianareo Kiss. Hoy mantsy ny fitenenana hoe "izay mahakolokolo no manana an'i Soa", koa dia karakarao ary ny anabavindry zalahy e Tongue out LOL. Sao dia toy ny banga mihomehy alina anefa ianareo tsy mbola manambady ka milaza fa tsy anisany ianareo, T S I A mety hampandriana adrisa ity fahaizana manao sakafo ity mba hahazoana ilay tena mba revirevinareo, koa dia asehoy azy fa tena milay be ianareo fa mahay sakafo tsy fahita, indray mandeha fontsiny ny fampisehoana dia vita matavy, ary tena hahazo 20/20 amin'izay ho rafozana manginy fotsiny, mbô kôzy e ! Cool  Sady efa ampiako fanazavana an-tsary etsy ambany izy ity. Tairo izay tairina, rovitra zairina, karakarao ny gamela !!!!!!!!

(Mahavita 11 isa)

Lafarina 180g

Fonosana levure iray

Jambon 150g

Menaka ôliva 150ml

Ronono 150ml

Frômazy voakiky 100g

Atody 3

Voatabia 2 voatetika

Ôliva vitsivitsy

Sira, dipoavatra

Hanitra fanaovana pijà toy ny dità (ravina no ampiasaina)

Hafanao 180°c ny lafaoro

Alaivo ny lovia lalin’aty, afangaroy ao ny lafarina sy ny lévure. Anaty lovia lalin’aty hafa, kapohy ny : atody,  ronono, menaka miaraka. Ary araraho anatin’ilay lafarina io avy eo. Afangaroy tsara, alefaso ao ny frômazy voakiky 50g, ny jambon voatetika madinika, asio sira araka izay tiana sy dipoavatra.

Andefasana ireo anaty lasitra tsirairay, fenoina eo amin’ny ¾ eo avy. Apetraho voatabia voatetika kely avy eo amboniny, araho frômazy kely koa, iray tsongo dità (na ireo hanitra fampiasa amin’ny pijà) ary ôliva iray eo afovoany hamaranan azy.

Ataovy anaty lafaoro 25 mn amin’izay : raha mety ilay mitsoka ny lafaoronao dia ataovy io mitsoka io 15mn voalohany, avy eo vao atao hafanana tsotra.

Mazotoa homana ôôô !