Gaigy be fa indray hariva aho tato an-trano, sendra teto anoloan'ny ordinateur, injay fa nisy nitselatra tao aorian'ny télé, maty koa ny ordinateur. Tampotampoka teo koa dia reko feo hafahafa tany amin'ny efitra hafa tany, ary ny tao an-dakozia moa dia nisy nirefotra mihitsy. Tsy sahy nivoaka aho avy eo fa saika nisydia nalehako satria nisy fofona zavatra may tao an-trano. Hainareo ny antony fa dia nisy surtension ny courant éléctrique. Tsy haiko aloha ilay zavatra may fa nitady eran'ny trano aho fa tsy nahita. Eto ary no manomboka ny tantara. 

Niresaka tamin'ny voisins izahay fa ny azy dia may ny machine à laver. Ny anay aloha hatreto dia mbola tsy hay hoe inona no voa, fa rehefa tsy naninona ny télé sy ny frigo ary ny ordi dia efa fambara tsara izay.  Nony hamana sakafo maraina vao fantatra fa ny micro onde no tsy mandeha intsony, ary 2 andro tato aoriana vao fantatra fa ilay radio réveil no may nisy fofona tato an-trano, takona dia tsy hita fa vacances koa ny ankizy dia tsy mijery iny tato ho ato.

Raikitra ary ny fiantsoana ny EDF, ary dia natao ny constat ..... be be ihany no voa tato amin'ny quartier misy anay, ary dia efa ho 1 volana sy tapany izao vao tonga ny remboursement momba ilay micro onde maty, nilamina iny aloha. Fa dia mba nanokatra ilay micro onde ihany izahay hoe inona no maty tao sao dia ny fusible no ni-sauter fontsiny ..... hay tena ilay carte éléctronique no maty ! Eto ary no olana satria voatery hividy vaovao ny tena. Ka ny tiana dia mba hoe hisikotra ireo izay tsy simba tao anatiny alohan'ny hanariana ity fananana ity, sao mety hisy ilaina azy any aoriana any. Betsaka tokoa izany raha ny tokony ho izy no azo alaina ao satria carte d'affichage iray manontolo izay no tsy mandeha fa ny sisa mety daholo. Mipetraka ny olana : raha hividy carte hanoloana toy ny hividy vaovao ny vidiny, raha haka ireo ao anatiny dia atao inona anefany satria tsy mitovy ny micro onde rehetra, ariana ilay zavatra marary ny fo hoe mbola be zavatra interessantes ao, ary hangonina hanabe vovoka ato an-trano fotsiny ? Dia mieritreritra fa tsy manarinary foana ny vazaha fa hay tsy misy azo atao rehefa sendra ny toy itony. Izay ilay hoe Société de consommation. Dia mieritreritra mihitsy hoe raha any amin'ny tanàna io izao tena hafa mihitsy ny fandehany an ! 

Fa dia izay e, voatery hariana ity zavatra ity, tsy mandeha fa be pièces azo alaina, tsy any amin'ny tanàna ka voatery hariana. Fusible fontsiny no azo alaina. Dia torak'izany koa ilay ordinateur portable ato, carte mère no voa efa elaela izay ........  

(Gaigy be ry loray ato fa tafiditra foana !)