TENINDRAZAKO

Ilay teny, tenindrazako
Dia haiko tsy nindramiko
Nanaovana ny lelako
Ka haiko tsy avelako


Lalaiko f'io ny teniko
Iombonako amin-dreniko
Tsy afaka ao am-bavako
Mambabo ny fitiavako

 
Vao vaky ny fibadako
Teo an-trotron'i dadako
Dia io no nisantarako
Ny angolam-pahasambarako

 

Fiteny aombiazako
'Lay teny soa an'ny razako
Nanaovana ny fiainako
Namboatra ny fisainako.
   

Kdômbitah !