01 Mey, 2008 23:11
Saoferana taxi
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Etsy sy eroa ][ (3) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Nandray taxi (R5 efa "reraka be") tetsy Belaire izahay ho any Vavambiby (anelanelan’I Soarano sy ny tohatohabaton’Ambondrona). Ny amboteiazy eto Ampandrana moa tsy hay lazaina intsony ka dia lasa ny tantara mahonenan’ity saofera. Satria tsy ho afaka hanodidina ary Soarano anoloan’ny Pochard hono izy fa tena tena mandany esansa no mbola ho mafy koa ny amboteiazy mandra-pahatonga any fa dia hapetrany etsy @ tohatohabaton’Ambodrona hono izahay. Izao ilay tantara :
“Indray andro nisy olom-pantatro akaiky ahy ho tonga taty Tananarivo ary efa nanafatrafatra ahy tsara izy hoe ho tonga amin’ny 5 ora hariva ery amin’ny vahilavan’Anosizato aho fa tandremo aza adinonao anie. Eny, hoy aho fa aza matahotra ianao ! Tonga ny andro ary itako fa ho tonga aloha aho raha nandeha satria mbola tamin’ny 3 ora hariva efa ery Mahamasina, iny nisy olona nisakana ahy hoe haterina any Anjanahary, nitondra entam-be. Ny ahy moa mba vola kely miditra io, koa dia zarako aloha mandany andro mampiditra vola. Kinanjo nanomboka avy ny orana ary tena orambe. Nanomboka tonga ny amboteiazy, sady niakatra avobe ny rano tao Besarety. Tsy afaka nandroso aho no tsy afaka niverina koa mba hanafaingana ny diako hanatitra ity klià etsy an-daniny ny ora mandeha. Koa dia inona fa tsy lasa nanohy tongotra ilay klià no niafarany niaraka amin’ny etam-be, tsy naka vola koa aho satria ataoko ahoana izy ary miaraka amin’ny entam-be anaty orana iny tsy tonga amin’ny làlana haleha. Kanjo koa ity tômôbila nanondrana fa maty tao anaty rano, voatery natosika, ny rano hatreny an-dohalika. Tena tsaroako voa mafy aho fa sady menatra mafy ilay olona tokony nalaiko no tsy nahazo vola, ny fiarako indray no nanefa. Voatery miasa mafimafy aho mba hanonerako ny vidin’ny piesy nosoloina tanteraka fa voan’ny rano, tsy ahy ny tômôbila ! Izao dia mangatsiaka ny fihavanako @ ilay olom-pantaro, hatezerana ny azy niandry ahy h@ 7 ora hariva, koa etsy an-daniny. Aleoko miasa manao toy izay raha mifanaraka isika fa tsy mampaninona ahy. “
Nahonena tokoa ity fitantaran’ilay saofera ilay tantara, na dia nitakimokimo ihany ary izahay tao anaty fiara satria nitondra 5 packs de jus mantsy nefa ho hapetrany aty Ambondrona hono, ny trano ary ambany ary, izahay olona 3 ! Tapa-kevitra mantsy ranamana fa hibata ireo jus-nay mandram-pahatonga tany an-trano toy izay hanalavi-dàlana handalo Soarano sy Pochard vao miakatra (tsy nahavanky izay hiteny izahay hoe mba batao tsirairay koa izahay r'ingahy a !) Nanaiky izahay fa atao ahoana moa ? Mba olombelona ihany ny tena ka dia samy nandray packs izay zakany izahay sy ny saofera, izaho kosa niandry ilay fiara tary ambony tary sao mbola ho lasan’olona indray ity fitaovam-piasana ity ! Tsy angano izany fa zava-misy any an-toerana !
Kbômbitah