Valin'ity sujet nataon'i Simp ity no soratako eto anehoako ny hevitro .

Mahalasa eritreritra koa lé resaka ka aleo valiana Cool ! Ny niandohan’io tantara io dia resaka finoana silamo tokoa fa tsy lainga, ary nampiozongozona ny sezan’i Rashida ny hevitra navoakany noho io minisitra frantsay io d’origine arabe musulman.

 

Fa izao hoy aho e : raha atao resaka tsy ara-pivavahana ilay izy dia izao no itako :

 

- Ny lhl dia be no mitady tokoa rehefa miaraka amin-jazavavy ! Ary ny tena loza dia hifampireharehany io zavatra io. Maivana amin’izy ireo mihitsy izany satria “Kapain-tsy hita fery” izy ireo hoy ny fitenenana. Ary ara-batana dia tena tsy hitovy zo mihitsy isika na oviana na oviana fa ara-tsaina sy fiainana ara-tsosialy ihany ny fitovian-jo !

 

- Ny vhv indray tsarovy fa akoatra ny “makorelina” sy ny “vhv frivoles” dia raha manome anareo io sombin’ny fiainany io izy dia misy fitiavana ao izay. Tsy maintsy misy io ny zavatra andrasan’ny vhv matetika manome, io ny anisan’ny Intérêt voalazanao ry Simp ! Vokany dia be ny voafitaka satria tsy mitovy ny sentiments misy eo amin’olona 2 : ny iray mpamitaka ny iray “sentimentique romantale” . Lazaiko anao ary fa na ireo sokajin’olona 2 voalazana entre guillemets etsy ambony dia voadonan’io fitiavana io daholo matetika no nahatonga azy ireo ho tonga amin’io sokajy io ka lasa manimba tena.

 

Ny mampalahelo dia ataon’ny manodidina fihomehezana sy horakorahana rehefa misy tratra ny vhv, tsy mba ny lhl izany ! Tsy araka ny voateninao hoe tsy voafaritra ny virginité eo amin’ny lhl, fa tsy hita maso na dia fantatra ary. Noho izany dia mora ny manala baraka vhv. Io zistoara voalazanao tany Lille io dia tsapa ho afabaraka ilay vhv, fa ilay fanontaniana mipetraka dia hoe ilay lhl kosa ve mba vierge koa ? TSIA no valiny, raha lhl vierge tsy tokony hahafantatra ilay vhv hoe tsy vierge intsony, ataovy ny fandinihina ny "pitsopitsony" rehetra ! Eo ilay “intérêts” anareo lhl no mi-jouer : rehefa tsy ahazoana izay tadiavina ravhv dia atao daholo ny fika rehetra hisarahana aminy quite à lui casser la baraque ! Eo no ahitana ny lhl ratsy toetra sy ny tsara toetra.   

 

Ny tokony ho sainina ankehitriny dia rehefa tsy vierge intsony ianao na ilay sipa dia tsy tokony hi-exiger izany amin’olona tokony ho vadinao. Ary moa ve io toetra ara-batana io no tokony hitondra ny ho avinao ? Betsaka ny sipa voadona, tsy vierge intsony, fa tsara fitondra-tena ary afaka ny hampiadana anareo lhl. Na inversement : betsaka ny sipa ratsy fitondra-tena fahiny ka tsy vierge intsony, niova fa nahatsapa ny tsy nety nataony ary afaka ny hifampitana ara-tsaina, ara-panahy, eny hampiadana anareo lhl ihany koa.

 

 Raha atao resaka ara-kristianina indray : TSY MISY TSARA NOHO NY "FIFAMELANA" EO AMIN'NY FIAINANA. HAHASOA NY ANDANINY SY NY ANKILANY IZANY.

 

Farany : azo hitsaràna vhv ve ity resaka VIRGINITE ity ? Betsaka ny toetra tsara tokony ho reharehanareo lhl ny fananan’ny vadinareo azy, fa tsy ny lasany akory no hakoraina azy mandra-maty. Ny mampihomehy ary dia hoe rehefa bevohoka tampoka ramatoakely fa voafitaka dia takiana fatratra ilay zaza avy eo hoe : ahy iny ka ananako “droit” ny mitaiza azy ! Ôdôié ! Tandremo ry tovolahy sao tara loatra eo amin'ny fiainana ka lasan'ny hafa ny sipa tsara !

 

Kdômbitah