22 Oktobra, 2008 22:18
'Nareo lehilahy ireto tena tssss !
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Hehy ][ (46) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Hihomehy ianareo tantaraiko ity. Tao Antananarivo faran'ny taona t@ izay ! Nandeha nijery² teny Analakely teny ny tena moa. Mifanototra ny olona mikarakara fety faran'ny taona. Sendra ilay làlana teritery iny aho sy ilay olona niaraka tamiko, dia tafasaraka izahay. Nisy olona maromaro nanasaraka anay. Inona hoy ianareo ? Injay reko taorianako nisy nikitika moramora sady somary nisafosafo ny tapako ambany, eo @ ilay faritra mamoafady ! Nitodika aho, inty lehilahy no taorianako. Saika andeha hitabataba azy aho fa nieritreritra kely dia naleoko tsy niteny fa efa sarotra ny fiainana !
Izao ny antony : rehefa nojereko tsara ity lehilahy izay mody tsy taitra taorianako nikitika ahy ity, dia nisy olona nifampitantana taminy nanaraka azy, mino aho fa vadiny ilay izy ! Tsy izay ihany fa nisy olona hafa taorian-dry zareo nifampisarika t@ ilay ramatoa : zanany vavy somary efa teo amin'ny 13 na 14 taona teo !!! Nodinihiko tsara izy mba ho hitany ny masoko nivandravandra azy, izy mody maty etsy toy ny tsy nanao inon'inona ! Fa dia mba tsy hisian'ny ady mivady sy hanala baraka azy @ ity zanany kely, mba manan-janaka ihany ny tena, dia nalefako nihoatra ahy ry zareo sady niandry ilay olona niaraka tamiko aho.
Ô rey olona e, ianareo lehilahy itony dia tena tsy mahay mipetraka mihitsy marina. Mba ampirimo iny tànana iny rehefa mba miaraka amin'ny vady aman-janaka, indrindra mba omeo ny hajany izy ireo ! Hajao koa ny tenanareo sy ny tokatranonareo !
23/10/2008, 21:02
N2D < enao ty an ! tezao tsara ny papouzy fa tss !
Simp < An an an, aza opaina amin'ny ratsy ataon-rainy kosa ity zanany vavy kely re !
Veloo< jereo anie ireto mba hevitr'ireto lhl ireto ka tsy mahagaga e ! hi hi hi !
23/10/2008, 20:02
Dia loza tokoa retsy izany ry kdaomba ka, marina mihitsy ny andry io misy mihtsy ny lahy any Dago mamoa fady. Raha za aloha ny teo dia tezitra be za e tsy aiko mihitsy ny mi-controlny fahatezerako raha otran;ireny hihihihi
23/10/2008, 17:15
Ny ahiako le zanany no nisafosafo loooooooolllll
aleo kosa deraina izy fa tsy nisy nahatratra ee. Izany le hoe "perfect crime" :)
23/10/2008, 13:41
Loza koa zany ry kdaomba! angamba kosa tena gravy be ny ady kle hitany teo alohany teo ka tena mba revo ihany ny anao lahy hitsapatsapa! lol
tsy manjary ihany aloha e! na izany na tsy izany!
23/10/2008, 10:43
Ny là lana tery ary tsy maintsy milahatra mandeha, ka izy no taoriako ka ! Sao dia ise aza ary ilay olona klé :))
23/10/2008, 08:14
Tsy hay kosa, sao dia mba tsy ilay rangahy no nisafosafo fa olona tao akaikiny, na tao ankaviany na tao ankavanany ?
Raha hisafosafo faritra mamoa-fady ihany mantsy, dia angamba tsy hitolo-batana ho evident be eo aoriana eo izy, fa mety somary miafina. Ka izay olona sendrasendra nitsangana eo aorianan' ilay voasafosafo kosa no tonga dia ohatran' ny hoe coupable.
Raha izaho aloha ilay mpanafosafo, dia tsy nataoko hitan' i Kdaombitah hoe i LhlTsRs no nisafosafo teo fa ny tanako fotsiny no ataoko manakatra avy etsy alavidavitra e. hihihi...