03 Jiona, 2009 11:30
Reharehako ny mahamalagasy ahy (Proudly Malagasy)
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (14) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
NY LAMBANAO MIKOPAKOPAKA
Fa tsara sy mahate-ho tia ny lambanao mikopakopaka,
Toa miantso manao hoe avia ny lambanao mikopakopaka,
Ny fihetsikao malemy paika, tsy miraika, toa tsy maika,
Ny fitafy tsy misy haitraitra tena raitra ka manaitra ô !
Tena kanto, eny, kanto aoka izany ny lambanao mikopakopaka,
Ka nambabo ny foko avy hatrany ny lambanao mikopakopaka.
Ny akanjonao tsara didy, tarafin’ny elonao mena,
Mihatsara sy mitombo vidy ravahin’ireo volamena.
Manendrika anao avokoa, nefa asa ho aho, Ramatoa
Dia tonga ny lamaody vao nanampy ny nentim-bahiny,
Nanaraka izany ianao, ka hita fa tsy nisy tsiny.
Kanefa ho famenon’izany : ny lambanao teo ihany.
(H. Ratsimbazafy)
....... ho fahatsiarovako an'i mama.
07/06/2009, 19:59
Sitlo < kirana indray i toi.
04/06/2009, 00:51
Mbola ho avy aloha ny vali-tagiko fa dia miomana tsara daholo eh!
03/06/2009, 20:53
Pitt < efa hafa indray izany resakao izany ka :)
03/06/2009, 14:42
Ny ahy kosa ilay minizipo mikopakopaka ireny no mba hitako "toa miantso manao hoe avia".
30/05/2009, 15:17
Mampahatsiaro ny fahiny ! Misôtra e!
28/05/2009, 23:03
Niafina tany ho any ry kdaomb a!
28/05/2009, 21:29
Izao ilay tena malagasy e !
Mangamaso < taiza foana indry e ?
28/05/2009, 18:53
Mampahatsiaro ny taloha e !
Mahafinaritra
28/05/2009, 17:57
okay e
28/05/2009, 16:56
oeeeeeeeeeeeeeeee
mitafy lamba, dia atao tana evoho ny volo
poketra @ tanana
gasy ka manja wa
;-)