Inty indray zava-niseho tany Suisse taona maromaro izay, tiako ho fantatra ny fahitanareo azy. 
Very ny finday an’ilay olona, andao antsoina hoe Ravery ilay olona io. Ka nandeha nankany amin’ny mpitandro ny filaminana nitory fa i Rahely mpifanolo-bodirindrina aminy no nangalatra ilay izy. I Rahely moa dia vehivavy resin’ny fiainana, ka mifoka daina ary matetika dia tsy mahatsiaro saina loatra, izany hoe efa fantatry ny manodidina izy no sady tsy dia azoazon’ny mpiara-monina noho izany. Tonga ary ny polisy indray hariva nandodona tao amin’ny Rahely, ka izy efa “ manidina ” iny no namoha varavarana. Nitondra azy avy hatrany niala ny tranony nankany amin’ny paositry ny polisy izy ireo, ary dia voatana tany ravehivavy. Nanontany izy ny ampitso nony nahatsiaro saina hoe : “ te-hahita an-janako aho “, nefa dia tsy noraharahian’ireto polisy io fangatahany io. Nandeha ny andro maromaro, ary 8 andro vao nandalo ny anadahiny nijery azy teny. Nanontany ramatoa hoe : “ any aminao ny zanako izao ? “ nefa “ tsia “ no valiny. Teo vao nanantona ny “ assistante sociale “ ity anadahiny nanontany, ary teo vao taitra daholo nandeha nijery tao an-trano. Indro ilay zazakely 18 volana maty teo am-pototry ny varavarana, maty déshydraté fa fotoanan'ny hafanana moa tamin'izay. Teo vao niteny ireo mpifanolo-bodirindrina hoe nahare zaza nitomany nikiakiaka mafy fa samy tsy nisy taitra azony efa mpahare izany avy ao amin-dry Rahely izy ireo. An’iza ary ny tsiny ? Misy olona maro be ao anatin’ny tantara nefa dia indrisy fa namohy ny ainy ilay tsy manan-tsiny. Tena tantara marina izy ity, ary ho lazaiko anareo eto ihany ny voaheloka. Ahoana no fahitanareo azy ? Ny hany azoko ambara aminareo fontsiny dia hita ihany ny findain'i Ravery fa tsy nisy nangalatra akory !!!!