09 Aogositra, 2010 06:14
Aody ry Analamanga
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (24) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Indreto sary vitsivitsy itako tetsy sy teroa, ahatsiarovana ny fahiny, misy moa azo t@ izaho mbola tsy teraka koa aloha e. Ilay loharano ao Faravohitra moa dia izao aho vao mahalala ny fisiany nefa aho nianatra tao amin'ny Lycée Jules Ferry, taiza ho aiza ary izany ? Itanareo ao koa angambany ny tranonareo t@ izany, ny làlana izan-karazany. Jereo tsara anie ! Mbetika koa aho toa mahita ny sarin'ny dadanay sy ny mamanay teny Antanarenina. Ankafizo e !
Vita tompoko ô !
25/08/2010, 21:14
Hay tsy izaho irery koa : Raosy Jamba sa Raosijamba no tena marina e ........ Ho fandravonana azy angambany dia aleo ekena ity Rasosy Jamba voapetako tsy nahy teto ity ;) Ha ha ha !
25/08/2010, 14:44
Tsy hitako indray iny fa raha tsy izany aho tonga dia nisendaotra. Aiza ka lasa Rasosy Jamba ny anaranay !!!
Tsy ahoako anefa fa aoka aloha aho hangina, tsy hidongy na hanao lava molotra !!!
Hifaliako aloha ny mahita ireto sary, indro tazako eny lavidavitra eny ilay tanindrazana tsy foiko !!!
25/08/2010, 13:47
matio < misaotra anao nitsidika ny blaogiko.
raha te-hanokatra blaogy ianao dia mandehana ao amain'ny "blaogy.com" (tsy misy 3w an !) dia ao no manoro anao ny fisoratana anarana dia afaka manokatra blaogy ho anao ianao. Ilazao vaovao aho rehefa misokatra ny blaoginao. Mazotoa
25/08/2010, 10:14
mlè lé filing fa aona oa ny miditrato @ty blog ty e!!mba valio rapoins fotran mlè liz!!
09/08/2010, 10:34
Rasosy Jamba < izahay koa nanana 403 sy 404 familiales daholo (monospace hoy ny ankehitriny) !! Fiara tena mafy toto ireny an ! Hi hi hi !
13/02/2010, 19:29
Iarivo Iarivo Iarivo tiako no Edena ankamamiana
;-)
07/02/2010, 20:59
Dety < Misaota nandalo e ! Hay rehefa nodinihina dia hoe HCC io trano io, izany hoe vao mivoaka ny tunnel toy ny ho any Anosy dia ato an-kavanana. Mialoha ny Fivondronana fakà na permis. Ouf, tena efa ela ny fahiny an !
07/02/2010, 15:53
ireto tahirin-tsary ireto , tsara be , saingy tsy ampy kely ilay sary eo amin'ny tohatoha-baton'i Lido , sa ahoana ?
iza no tsy mba naka sary teo ?
07/02/2010, 15:49
tena mahamanina ! any mantsy no tanananay !
izaho koa mba velom-panontaniana ny amin'ny hotel du sécrétariat général ! Heveriko fa angamba tokony na Anjohy na place Goulette taloha , izany hoe Ambohijatovo ambany ( actuel ministère de la jeunesse et des sports ? bon , actuel peut-être plus , d'ailleurs ! )
03/02/2010, 17:52
Misaotra betsaka nizara eh :)