09 Aogositra, 2010 06:14
Aody ry Analamanga
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (24) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Indreto sary vitsivitsy itako tetsy sy teroa, ahatsiarovana ny fahiny, misy moa azo t@ izaho mbola tsy teraka koa aloha e. Ilay loharano ao Faravohitra moa dia izao aho vao mahalala ny fisiany nefa aho nianatra tao amin'ny Lycée Jules Ferry, taiza ho aiza ary izany ? Itanareo ao koa angambany ny tranonareo t@ izany, ny làlana izan-karazany. Jereo tsara anie ! Mbetika koa aho toa mahita ny sarin'ny dadanay sy ny mamanay teny Antanarenina. Ankafizo e !
Vita tompoko ô !
03/02/2010, 17:31
malagsycool < misaotra anao, dia tsy hay mihitsy izay hetahetam-po tokoa tamin'izany fotoana izany. Miankina amin'ny vanim-potoana io, ny hitako tena betsaka eto izao dia sary t@ fanjanahan-tany koa dia miankina @ izay angambany ny fitsiriritana ao ampon'ny tsirairay !
03/02/2010, 16:01
Tsy dia mitodika loatra amin'ny lasa ny malagasy, hany ka metatika tsy fantatra intsony ny toerana niaingana.....
Mba inona loatra re ny hetahetam-pon'ireo olona niaina tamin'ireny fotoana ireny ? Mitovy amin'ny nakehitriny ve ?
03/02/2010, 12:04
Fa hono ho aho ry zareo :fataiza kay no nisy io "hotel du secrétaire général" io fa tena tsy azoko an-tsaina mihitsy ?
03/02/2010, 11:47
Fali < mbola ho avy ny tantaran'i Ketaka ... lany inspiraka aloha h@ izao, ha ha ha ! Misaotra anao nandalo teto ! Izaho koa toy ny te-hody tampoka izany mahita ireo sary ireo toy ny hoe hahita izao raha tonga any nefa toa diso ny fanantenako !
MBola ho avy i Ketaka ka, aza matahotra.
03/02/2010, 11:32
misaotra e ! tena saika tazana teo mihintsiny ny tanananay an ! mahafinaritra aloha e ! za tena tiako be ny mijery azy ireny. Kdaomba a !tsy tazako intsony ange i Ketaka sy ny tantarany e ! sa za ve no tsy maharaka ?
02/02/2010, 22:53
tena nilamindamina mintsy angamba t@izany ri kdaomba,fa ankehitriny dia toa zary lasa nofy sisa,fa lazaiko anareo fa ny zavatra tiako dia ny mihaino ireo ray aman-drenibe taloha mitantara ny fahiny de avy eo za mametraka fanotaniana de varina eo,fa mba ampio we ilay sary raha mbola misy
02/02/2010, 15:30
Misaotra Kdamb fa mahafinaritra ny mijery ireto sarin'ny fahiny.
Tiako be ireny fiara taloha ireny.
Miandry ny tohin'ny sary ary e !
02/02/2010, 15:16
Bambou < toa ilamindamina tokoa ny fiainana tamin'izany e ? Araka ny tenin'i Maeva hoe "mahamanina ilay fahiny mandinika izao zava-misy ankehitriny izao dia te- hiverin- dalana nefa indrisy"
MAHEREZA e !
02/02/2010, 14:29
indrisy ry fahiny,na dia tsy nihainako aza de toa te hiverina @nao aho kanefa ho zary lasa nofinofy zany,mbola tanora aho kanefa tsy mankasitraka ny fahatanorako ankehitriny,fahatanorana izay tsy tahaka ny taloha intsony,na dia tsy nihainako aza ireo sary reo dia toa mampanembona ahy ka tiako hiainana kanefa averiko indray fa indrisy!!!mba ampio raha mbola misy sary hafa raha azo atao,de misaotra betraka ny pametraka sary
02/02/2010, 14:22
Misaotra ny rehetra nandalo sy nametraka hafatra.
N2D < mbola ho tadiavina !