Mila tohanana ny toy itony, manohana ny mahantra sy ireo kamboty, mampianatra sy manentana azy ireo mba hiasa ary manome fianarana koa.
Azonareo jerena ny tranokalany ato : 
 
http://villagedelajoie.servhome.org/ 
 
Marihiko fa vao haingana no notafihina andian'olona mirongo fiadiana ny tranon'ireo olona mpitaiza ireo, ao anatin'io toerana fitaizana io izany. Nisy poa-basy tamin'izany. Voalaza fa jiolahy sy miaramila niala tsy voafehy no nanafika tao miaraka amin'ny basy nangalariny tany aminy. lasany daholo ny télé, vidéo, informatika, téléphone sns ... Lasa daholo ny fitaovam-piasana am-birao rehetra. Soa aloha fa tsy nisy aina nafohy. 
 
Ny mampalahelo dia izao : "toe-tsaina". Olona manampy ny mahantra ve no robaina toy izany e ? matoa ianao mangalatra dia mahantra, nefa dia maninona no mifanitsaka ? Tena latsaka ambany tokoa ilay toe-tsaina raha izany. Tsy mahagaga koa moa fa ny mpitarika dia olona mpangalatra sy mpamono olona, ka aiza ireo foza naterany no ho tsara ? Nalahelo mihitsy ny foko teo am-pandrenesana izany tantara izany. 
 
Ka izao, nangataka ireto olona ireto mba HIVAVAKA ho azy ireo satria an-dohalika ny ranom-bary, kivy tokoa ny saina rehefa ny zavatra nanaovana tahiry maharitra ela no nisy vokany nefa norobaina (azonareo jerena ny zavatra tafatsangany tamin'izany). Tsy azo eritreretina ny tahotr'ireo zaza notezainy tamin'izany : ny olona miahy azy no misy manafika ! Tsy hoe olona nanao ratsy akory anefa ny tenany fa olona tsotra te-hanampy ny mpiara-belona aminy. Raha misy moa ny te-hanampy ara-bola ho an'ity "Village de la joie" ity dia efa natolotro io ny site-ny ka afaka mi-contacter azy mivantana ianareo. misy koa ny fanampiana azo atao, dia ny "volontariat". Koa raha misy azonareo atao dia aza misalasala.  
 
Izay no izy koa dia soava tsara daholo. Misaotra anareo izay hanampy sy mivavaka ho azy ireo.