T@ mbola kely izany ny boky famaky tany an-tsekoly dia ilay hoe Méthose Boscher, asa mbola io foana ve no ampiasain'ny kilasy misy ny ankizy kely @ izao. NAhavariana ahy izy io ary nahafinaritra tokoa fa feno sary, ny récitations ao antiny moa dia mbolatadidiko h@ izao ora anoratako eto izao. Dia inona hoy ianareo f dia nividianako io mihitsy ny zanako fa io no nahalehibe ahy sy nitaizanna anay mivady fa toa io koa no nampiasainy tamin'izy mbola kely. Ilay sary kely ao anatiny nampandrevy tokoa, ary diat sy niova mihitsy h@ izao anoratako izao ilay boky. Nanampy io ny boky teny malagasy dia ilay hoe "Handeha hianatra izahay".  Asa re raha mbola misy io boky io ankehitriny. Tadidiko mihitsy ilay hira tao anatiny fa nampalahelo be ahy: 

"Tsy mba renareo ve izany

voromanga tsara feo

toa mihira toa tomany, 

ao anaty hazo eo

 

Ref : Voronkely maty reny, 

izao mihirahira izao

tafasaraka amin-dreny

ny kamboty kely ao

 

Ny papango izay mandalo

toa hifaoka avokoa

tonga maro fahavalo 

fa tsy ao ny reny soa"

 

Ny hafa nanamarika anay koa dia ilay hoe : "Anganon'ny ntaolo". Ataoko fa mahafantatra io daholo ianareo , boky misy angano malagasy be dia be. Izany songomby izany moa dia ataoko fa nisy tao Madagaskara taloha satria misy ao anatin'ny tantara ao anatin'io boky io. Biby misy tandrony izy io ary vaventy be no matanjaka be araka ny tantara satria rehefa misy défi asaina ao anaty tantara dia hoe maka tandroka songomby ilay izy. Io biby io dia ataoko fa rhinocéros angambany no fahazoako azy. Ao anatin'io boky io koa ny tantaran'i Imaitsoanala, izay tsy dia hain'ny tanonra ankehitriny loatra ny tantarany, nahavariana ahy tokoa, anarana nentiko ry Hery tamin'izany fotoana rehefa tafiditra tao amin'ny karajia aho, efa elaela ihany izay, tany amin'ny taona 1999 tany angambany. (I Simp ve mpakao amin'ny karajia taloha fa ohatran'ilay mpivaro-boanjo eny amoron-dàlana mampiasa ordinateur no fahalalako anao, raha tsy fantatrao io code io tsy ianao izany ilay olona noeritreretiko mpiresaka tamiko tao)

Fa izao aho mijery ny an-janako sy ireo izay manintona azy fa mihomehy mihitsy azony tena misy mahafinaritra sy mahasondriana anay mianakavy rehefa mahita azy, indd ilay hoe "Où est Charlie ?" . Izy io dia boky misy olona iray izay (journaliste na marin ny paoziny) asaina tadiavina ao anaty olona bdb na zavatra bdb ..... ilay boky nefa ngezangeza ihany fa dia tapitra mihitsy ny andro matetika mitady an'i Charly, LOL, CHarly nefa olona kely juste mety ho ny masony fontsiny no itanao manarangarana eny na sombiny kely fontsiny. INdray andro raha nandalo teo anoloan'ny sekoly misy ny zokiny izaho sy ny zanako kely, dia hoy aho hoe jereo fa mety itantsika eto ny zokinao, sendra ilay ankizy eo ampakana rivotra moa ka vahoaka be, hoy leiry hoe : "où est Charlie ?" !

 alt

Ireny boky ireny anie ka nahitana zavatra maro tokoa e, ny anaran'ny bitron'ny zanako manga izay izao dia hoe Croquinou no anarany satria boky misy an'i Croquinou izahay ary bitro manga koa ilay izy, tsy itako eto amin'ny internet io boky io na ny miresaka io fa mahagaga ahy.

Dia ny tantara izay nahavariana an-janako koa dia YOk-YOk, olona kely mipetraka anaty coquille de noix. Rehefa mihaino ny hirany ka mahafantatra ny tantarany dia mahafinaritra ery. 

alt

 

Betsaka ny boky mahafinaritra rehefa mbola kely ny tena, ahitana zavatra tsy noeritreretina mihitsy, dia mahafinaritra ny mijery azy sy mihaino ilay tantarany. Ianao lehibe efa aza mbola midonaka ihany koa ! Ohatran'ny ho fenoiko ireny ny valiziko raha tonga any amin'ny tanàna any aho klé.

Okay fa samia manao tamberina kely izay tadidiny ny tsirairay ho jerena.