Nifanojo ve ny eritreritray sy i Hery ? Indreto no "Fampiasa" (izay no itako mety andikana ny teny "application" ho an'ny androïd) vao azoko ofak'omaly. Tena mahavariana, sady mahafinaritra ny zava-bita malagasy. Dia misaotra ireo izay nanamboatra, maka telina ary mandrisika azy ireo hanao bebe kokoa. 

Ilay dictionnaire moa dia sady mandika teny gasy no mandika teny frantsay koa. Ny tsininy kely dia misy diso ny hevitry ny dikateny fa ara-teknika dia ao tsara.

Ilay SmartBaiboly kosa dia tena tsara tokoa : misy Baiboly protestanta sy ny Fihirana FJKM + fanampiny ao anatiny. Misy mbola tsy ampy kely fa tsy manahy, miandalana ny fanatsarana. Dia efa am-paosy izany ny finday rehefa miangona fa tsy mila mivimbina be intsony. Dia samy manokatra ny azy avy ao am-piangonana (mi-fb raha toa ka tsy miditra ny toriteny au lieu de mitily sipa LOL). Efa mampiasa ny habetsahan'ny olona ao amin'ny Fiangonana misy ahy. Ny tena marina dia any am-paosy ny tenin'Andriamanitra isan'andro mety sokafana sy vakiana rehefa tonga ny fotoana, tsy misy fialàna bala intsony Foot in mouth 

Inty fanorona inty kosa dia milay beuuhh mits fa tsy mety maharesy aho, ha ha ha, ahatsiarovako ny milalao @ dadanay rehefa harivariva iny taloha. Tsy ratsy ! Merci au dévéloppeur.

Ary farany, io no fampiasa kely Baiboly katôlika nataon'i Hery vao haingana noresahiny tato amin'ny blaoginy tato, bravo Hery ! Il faut que je me mette au java 1 2 C 4 !

          Nataon'i Hery blaogy.com

Tiako ny Androïd noho ny Windows sur smartphone. Mazotoa e !

NB : Graves koa ry loray mianakavy fa tena feno tao, mba tsidio ihany ny toerana fandrindranareo ry blaogera ô !

 

Apetrako eto ity tantaran'Ambondrombe ity satria nahaliana ahy, fahiny izy ity no nandeha radio. Tiako ho tehirizina eto, koa mazotoa mamaky ary e. Misaotra ilay olona nametraka azy tatsy amin'ny forum tatsy.

 

Misiterin’Ambondrombe, Mitantara Ing. Latimer Rangers

 

Nahoraka tato ho ato ny resaka Ambondrombe. Manjavozavo amin’ny maro, fa indrindra ho an’ireo tanora vao misandratra ny nomba ity tendrombohitra feno misitery ity. Heverinay fa hampisinda, na ny ampahany fotsiny aza, amin’ireo fanontaniana mifamahofaho mikasika ity toerana manan-tantara ity ny famohazana indray ny fitadidian’Ingahy Latimer Rangers, ilay mpanao gazety fahiny tao amin’ny radiom-pirenena malagasy, fanta-daza efa nihanika ny tampon’Ambondrombe.

Ohabolana fampiasa matetika tety Imerina ny hoe : « Rafotsibe maty andro nandroana, sady tsy henina ny ety, no tsy henina ny any Ambondrombe ! ». Tsy vao androany no nampisy sahoan-dresaka momba an’ity faritra manan-tantara ity. Fahiny, ny finoana nentin-drazana dia nametraka fa mamonjy an’Ambondrombe daholo ny fanahin’ny malagasy rehetra izay nodimandry, fa tsy mankany an-danitra na any amin’ny helo akory. Raha faritana tsotsotra ara-jeografia, manolotra avaratry ny tendrombohitra Andringitra, ao anatin’ny distrikan’i Ambalavao Tsienimparihy, no ahitana an’Ambondrombe. Ny kaominin’Ambohimahamasina no mamaritra azy, izay sahabo ho 50 km miala ny tanànan’Ambalavao Tsienimparihy, faritra Matsiatra Ambony. (tohiny)

«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8 ... 38 39 40  Manaraka»