Mbola mpianatra teny amin’ny lycée razazavavy, kilasy 1ère angaha moa izy izay, nefa efa nanana fofombady. Nifankatia tokoa ireto voromailala ireto, ary niteraka. Tian’izy roa ireo ny zanany, ary nanomezan-drazazalahy toky rakalakely fa ho mandrakizay ny fiarahany. Inty ny hira nampifamihipihina azy roa raha teny ambony fiara, nifampitositosy ery nahare ilay izy, na izaho ary mahatsapa fa malefaka sy tsara ho an’ny mpifankatia tokoa ity hiran’i Jean Freddy " NY ANJARANTSIKA ROA " ity. 
 
Antenaiko tsy ho very, fa hitohy                                                                
Sy ho avy, anjarantsika roa 
Ny masoandro no milaza fa 
mbola hisy sy ho avy, 
anjarantsika roa

ref : 
Ela moa no tsy nahita anao e 
Ka manantena sady miandry akia 
Ela no te-ho eo anilanao e, satria : 
Mbola ho avy, anjarantsika roa (2X)


Ny ampitso no efa iny manambara fa 
Tsy ho nofy, anjarantsika roa
Mba tsinjovy irony andro fa voafidiny
Sy tantanany  
anjarantsika roa 



Feno 18 volana ilay zazakely botrabotra tokoa, sady nahafatifaty ery. Nitoe-jaza indray ny reniny. Amin’ny mahatanora azy anefa no sady mbola nanohy fianarana izy, dia naleony nisafidy ny mbola tsy hanampy lovia iray ambony latabatra. Koa dia noesoriny ity zaza. Tsy fantatro hoe firy volana no efa tao an-kibo. Tsy notantaraina satria zavatra mahamenatra izany any an-tanindrazana. Kinanjo, nivadika ny vintana. Tsy dia olona mpahay azy loatra no nalehan-dry zareo, nefa vita ihany ny notadiavina. Tsy dia salamalama ity razazavavy taorian’izay fisehon-javatra izay. Ary dia nentina tany amin’ny hopitaly ihany rehefa afaka 2 andro tsy netinety. Nampalahelo fa teny ambony fiara teny an-tsandrin’ilay fofombadiny no nandaozany azy sy ny zanany. Tara loatra ny nahatongavany teny amin’ny toeram-pitsaboana fa efa be ny rà very !!!! 

Nampalahelo tokoa ilay tantara. Ary tsy adinoko mihitsy izay zava-niseho izay fa nangalako anatra teo amin’ny fiainana. Dimy volana taty aoriana dia nifanena tamin’ilay tovolahy aho, mbola tao anatin’ny alahelo tokoa ny endriny, nefa atao ahoana fa izay no anjara sy lahatra. Tsy ho tanteraka intsony ity hira “ Ny anjarantsika roa “, kalom-pitia niboiboika tao am-pon'izy roa.
 
 
Hoy ilay olona namana izay taty aoriana hoe : " raha misy ny olona mandao antsika ety an-tany dia eritrereto ho toy ny lasa nandeha fiaramanidina an-tany lavitra izy, saingy tsy afaka mankany ianao satria tsy mahavidy ny saran-dàlana izay lafo tokoa. Hanampy hampionona ny fonao izay ". 
 
 
Antenaiko fa efa nihodina ny tany ... misy ambany sy ambony. 


Tsaroako ilay fotoana iray hanambara amin'ny ao an-trano fa nisy olona iray nifidy ho taolan-tehezany aho ary handao azy ireo ! Taona maro lasa izay no niseho ny tantara ! Saikatra aho, nefa tafavoakako ihany ilay izy. Ny tena moa efa maty ray aman-dreny t@ izay koa dia ireo zoky no nilazana ity vaovao, raha vazaha aho dia tena rakatra mena tanteraka angambany ny endriko. " Hanambady izahay, hoy aho ", izay no itako nilazana azy. Itako toa akona ihany ireto zoky, izaho koa nalahelo ny foko satria handao azy ireo tanteraka. Tao anatin'ny 20 andro no nikarakarana azy ary tanteraka soa aman-tsara ! Madama aho tao anatin'ny 20 andro monja. Resin'ny fitia ihany taty aoriana ilay mbola rohy tao anatiko tamin'ny fianakaviana izay nitaiza ahy mandra-panambady ahy !  Izay monja !