I Soa kelin'i Dada sy i Mama
 

(Tiako be ity lahatsoratro iray ity dia averiko eto indray na dia efa tamin'ny volana jolay ary !) 

Fony mbola tanora saina, rehefa mitso-drano ireo nahitana masoandro, na tsy voateniny daholo ary ireto teny ireto dia tsapa fa tao anatin'ny tiany ho lazaina daholo. Rehefa miatrika fiainana vao tena mahatsapa azy fa eo ampihainoana azy matetika tsy takatry ny saina mihitsy. Henoy tsara anie rehefa miteny izy ireo fa mifono zavatra lalina ny resaka ataony :


Tsofina rano ireo sombin'ny aina mba ho tafita amin'ny ambony indrindra. Ho olon-kendry sy marina koa, ho reharehan'ny fianakavina sy ny tanindrazana. Ho arahin-jazalahy sy zazavavy, ary ho fenitry ny tanora ankehitriny. (tohiny)

Efa mirefarefa 
sy tsy ho tana ny hazavàna 
Antananarivo no tsara trano ka vakiniadiana no sola vatony.
Ventso ihany sisa 
no voatanisa fa tsy tamàna 
Tsaroako indray e 
Ny any aminay 

Ireo vorona mody e 
misodisody mikopaka eny 
Ampombaiko veloma 
fa tsy hay antsoina 
i Kaky sy i Neny 

Toa hitako sary eto anoloana 
mijinja vary eny am-pamoloana 
Ny nanovo rano 
miloloha siny 
mitantara angano 
toy ny fahiny 

Manako moramora 
toa manakora ny rian-drano 
Ny nofy eny manga 
ny maso foana manganohano 
Singany irery ts'isy mpijery 

Erika mifafifafy ny onja mihamafy 
manao patrakala 
Sarin'ny foko ao anaty 
toa tsy mahatanty 
fa lavi-malala                                                        
(Bouboul)