08 Mey, 2008 23:04
Sombin'ny fiainako
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (12) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Tsaroako ilay fotoana iray hanambara amin'ny ao an-trano fa nisy olona iray nifidy ho taolan-tehezany aho ary handao azy ireo ! Taona maro lasa izay no niseho ny tantara ! Saikatra aho, nefa tafavoakako ihany ilay izy. Ny tena moa efa maty ray aman-dreny t@ izay koa dia ireo zoky no nilazana ity vaovao, raha vazaha aho dia tena rakatra mena tanteraka angambany ny endriko. " Hanambady izahay, hoy aho ", izay no itako nilazana azy. Itako toa akona ihany ireto zoky, izaho koa nalahelo ny foko satria handao azy ireo tanteraka. Tao anatin'ny 20 andro no nikarakarana azy ary tanteraka soa aman-tsara ! Madama aho tao anatin'ny 20 andro monja. Resin'ny fitia ihany taty aoriana ilay mbola rohy tao anatiko tamin'ny fianakaviana izay nitaiza ahy mandra-panambady ahy ! Izay monja !





09/05/2008, 00:37
ntsooo ! santimaka be izy zany...
(nety ilay en-tête :-P)
09/05/2008, 03:48
Roa-polo andro monja ve dia lasa madama ? :)
vetivety lahy izy zany ...
09/05/2008, 13:58
niko,
Las Vegas aza adiny 1 kle :)
Ny tena marina, matetika consomme alohan'ny hanasoniavana azy ny mariazy @ zao fotoana eee haha
fa omaly nga ny annif ny mariazin'i kdomitah?
09/05/2008, 17:12
Tsy lefy tokoa ny fahatsiarovana zava-dehibe toy izany amin'ny fiainana. Ny ahy koa toy izany. Fifaliam-be tamin' ny niantombohany teny ampiangonana sy teny amin' ny lapan'ny tanana, ny fikatsahana izay mahasoa ny ankilany foana nandritra ny taona maro, ny nanolorana azy izay tratry ny herin'ny tena rehetra, ary ny fiononana tamin' ny niafarany teny an-tanan'olo-kafa...
:-)
09/05/2008, 20:59
Waaow ! Hay ve big deal be ohatran'izany io resaka io e :)
Mampite hanambady radem izany resaka eto izany rankizy a.
Simp : aiza ao Vegas tsara zany ? hi hi hi.
09/05/2008, 22:43
pissoa ==> manahoana akia Pissoa kely a ;-) Hoy ilay hiran'i Rossy hoe: "aza maika manambady" :-)
10/05/2008, 01:48
razaordira : oups ! sorry ! Ny fiainana moa lakalaka amin'ny hiran'i Raindimby (hain-drizareo gènération 80 ve io hira io ? :-P )
pissoa : ireny any Végas et ses alentours ireny no tena vizana vetivety. Tsy taitra tsy maika nefa tsy tara ihany hono no ady eo...
sa ahoana ry kdaombaramita ?
kdaombitah !!!
10/05/2008, 10:00
Vetivety tokoa izany hoe 20 andro izany an. Angamba kosa nomena tapi-maso ampy tsara ireto zoky satria ny zandry nanambady mialoha azy ireo izany e ?
10/05/2008, 12:26
Eto ampihainoana ilay hiran'i Nono hoe "Fito taona" aho no mamaly anareo. Tsy fito taona akory ny anay fa mihoatra bdb, fa niainana daholo ny voalazan'ny hira ao. Efa tamin'ny janvier ny annif ry Simp a ! Itako fa haingana tokoa ny 20 andro nikarakarana azy, nefa vita ihany satria nisy dia maika tsy maintsy natao izay no antony. Fa rehefa atao anie ny kaoty efa t@ 1987 izahay no nifankahita e (tsy fantats'injy izy ry Ikalamako raha manontany tena njy :-) ). Ny mariazy no 5 taona taoriana no natao ary mbola mpif hatrany izao izahay ry Razaoridira, mampalahelo izany "niafarany teny an-tanan'olo-kafa..." izany klé, nefa dia nifanaiky tsara izao teo anoloan'Andriamanitra sy ny ambanilanitra, eny samy manana ny fiainany ny olona rehetra. Haiko io hira hoe "Lakalaka ô ity fianinana ity e !", fa aza maika ny hanambady izany ry Pissoa raha tsy mahafantatra tsara ilay olona e, tsy ny tantara no mampi-te hanambady fa ny FITIAVANA sy ny FAHATOKISANA. Ary hoy ny toriteny tamin'ny mariazinay hoe : "L'amour rend aveugle, mais le mariage rend la vue" ! Courage daholo ho an'ireo tsy mbola manambady ary courage ihany koa ho an'ireo efa manambady ary mbola courage ihany koa ho an'ireo izay nisaraka, bref, courage ho antsika rehetra e !
11/05/2008, 10:33
Misaotra an' i Kdaombitah tamin' ny fandravonana.
Ny azoko hanampiana an'ireo hevitra ireo angamba dia ny hoe: tsara ny mifankatia, tsara koa ny manorina tokantrano, ary tsara lavitra noho izany koa ny mikojakoja azy haharitra.
Isaky ny tsingerintaonan' ny fanambadianareo, dia nahazo "tombon'andro" mendri-kafaliana ianareo.Fahasoavana lehibe mendri-pisaorana ho an' ny Zanahary sy ho an' ilay andefi-mandrinao izany. Marobe mantsy ireo toa anay izay mba niezaka ihany nanao izay vita rehetra kanefa niverina tsy fidiny ho mpitovo indray...
Mirary soa lalandava. Tratry ny fetin' ny pentekosta isika rehetra.
11/05/2008, 20:31
Hi hi hi ! Mananihany re aho rey olona a. hi hi hi.
Manararaotra miarahaba ny reny rehetra mandalo eto fa Mothers day androany aty aminay. Mifanatera amin'ny zanaka maditra e :-P
Mirary soa ho an'ny rehetra e.
12/05/2008, 17:26
ndrooo mahafinaritra ilay post fa nostalgique @ilay ao tsara mihitsy :)
dia hitohy hatrany ny fifankatiavanareo e :)