Alahady hariva fiala-tsasatra, avy orana, matroka andro. Ny zavatra tiako rehefa toy izao dia ao anaty bodofotsy mafana. Niezaka natory ary aho avy nisakafo atoandro io, nefa tsy nety nikipy ity maso re. Nitamberina tao an-tsaina daholo ireo natao fahiny tamin’ny mbola kely. 

Rehefa alahady voalohany dia any ambanivohitra mivavaka maraina any dia hariva vao mody. Raha tsy izany dia matetika dia mandeha mitsangatsangana izahay ao an-trano, tonga hatrany Ambatofotsy atsimo, na manodidina mitovy halavirana toy izany. Sady manararaotra miantsena io, mividy ny entana varotana eny an-tsisin-dàlana eny. 

Fa raha sendra ilay tsy mivoaka iny kosa aloha dia ny lalao eny an-tokontany no atao. Nitamberina tao an-tsaiko ny lalao fanaoko taloha : dimbazà , sabaka, zedelastika, sôtaôtera, tsobato, fangalam-piery, zedekapôka, manao kilalao ... sns. Ary inty iray ity tsy dia fanaoko fa rehefa hoe raikitra io no ataon’ny hafa dia mijery fontsiny aho : "tantara-tantara" no iantsoanay azy, asa raha hainareo ilay manoritra trano amin’ny tany dia vatokely no atao olona ary ampitenenina. Tsy alahady ihany akory no fanovanay ireo fa ny alakamisy hariva sy asabotsy manonolo. Hany ka rehefa asaina mody aho ny hariva² dia tsy maharay tena intsony eo ambony latabatra, nefa asaina misakafo mialoha io, fa mikipy ho azy fontsiny ny maso sisa ! Fa taloha koa rehefa hariva mafana iny dia raikitra ny hoe andao hividy gilasy etsy Ampandrana, dia lasa daholo, na kely ary ny anjaran’ny tsirairay dia faly ery miara-mihinana sy niaraka nandeha tany.

Zavatra iray nahafinaritra ahy koa dia rehefa harivariva iny, ka nahazo naoty tsara tany an-tsekoly, dia entin’i dada sy i mama mandeha etsy Andravoahangy (tsy lavitra anay mantsy io toerana io) dia ividianany zavatra kely fampaherezana ! Tsy ratsy an ! Faly ery ny tena fa tena tia ireo ray aman-dreny. 

Fa efa ho 1 volana latsaka moa izao dia ho tonga ny noely, dia io indray dia tena hafa kely mihitsy fa finaritra ery mandeha mivoaka eny an-tsena, indrindra any Analakely ! Kilalao izany, mitsiriritra, sady efa mijery² ilay kiraro sy ny ravin-damba hatao akanjo ho vidiana ! Tsy maintsy hiakanjo vaovao sy tsara mantsy @ krismasy any ampiangonana ! Dia mararaotra io fotoana io koa mijery izay kilalao tiana ho vidiana @ ilay noely, inona moa fa tsy dinety sy saribakoly matetika ! Dia variana koa mahita an’i Jacques Dallès : manao Père Noël mandalo @ fiara sy mizara vatomamy. Matetika teny Antaninarenina no fahitako azy. Koropaka moa ny olona rehefa sendra azy. Ary ny Mpitsoka mozikan’ny Gouvernemanta koa etsy an-daniny, matetika eo Antaninarenina eo foana koa. 

E e e, tsy adino koa ilay rehefa alakamisy hariva misy angano kely, misinda daholo aloha ny lalao rehefa @ 4 ora sy sasany, samy mamomjy ny any an-tranony avy. 

Fa dia tsy itako intsony ireo kilalaoko nony taty aoriana, very daholo na tsy haiko ve ? Dia tsy hay e, ny fahatsiarovana mipetraka na dia tsy hita intsony ary ireo kilalao sy ny namana tamin’izany fotoana. Nisy iray t@ izy ireo izao nodimandry tamin’ny volana mey teo, nalahelo ery ny fo na dia efa ela tsy hita ary izy talohan’ny nandehanany. 

Izay ilay fiainana e !
 

Tapitra aloha iny tag momba an'i Afrika iny. Fa izao : hoy ny fiteniteny aty an-tany lavitra hoe : 

Relax Max,

Tranquille Bill,

Cool Raoul.

Fa hoy aho hoe mba tena nivaky loha aho nanova io blaogiko io ka izao aho vao mampiasa ireo fiteny ireo mahita ny zava-bitako. Hi hi hi, nataoko ity post ity mba hahitanareo azy sy mba hametrahanareo fitsikerana mety ilaiko na mety tsy ilaiko koa. Atao ahoana e, misy ny azo raisina misy ny tsy azo raisina fa tsy maninona fa mametraha ihany hafatra dia ho hitako eo ! Tsy masiaka aho akory fa mananihany re !  " MILAY VE ? " 

Notsongaina tao anatin’ny maro @ blaogy.com aho koa dia manaja ny safidin’i Jentilisa ary hanohy ity lalao momba an’i Afrika ity. Ataoko teny Malagasy ôfisialy satria afrikana gasy aho ary mbola mahatadidy ireo fitsipika rehetra momba izany. 

Ny tonga avy hatrany ato an-doha aloha vao miresaka an’i Afrika dia FAHANTRANA. Tsy midika fa mahantra daholo ny tany ao Afrika fa ny ampahany lehibe @ io tany io dia mahantra BE mihitsy. Teo ampijerena fahitalavitra aho no mahita zazakely 2 taona mitomany, ary hoy ny teny mitantara hoe : “ Iza no olona mba afaka miandraikitra ny tadiavin’ity zaza ity izao ? ” satria amin’ny tany miady no misy azy. Latsaka ny ranomaso satria vao lohahevitra teo alohan’ity dia mikasika zazakely, ary satria reny ny tena dia malahelo. Na dia ny mijery ireny zaza eny amoron-dàlana ato Tananarivo renivohitra ireny apetraky ny reniny hangataka ary dia ontsa ny fo. Maro ny zava-misy mampalahelo iainan’ny ankizy afrikana, nefa dia tsy hita fa hany mba mampionona ny foko dia hoe : “Mbola ho avy ilay maraina”. 

Ahoana anefa (tohiny)

Maditra, mpandazalaza, mihanta, be tomany, mafy loha, mandreraka, ... nefa dia : mahafatifaty, lalaiko, tsy foiko. Raha hendry ianao sombinaina, tsy misy maha-ory ireo havizanana mampitaraina, tsy tsapako akory. Satria hendry ianao sombinaina, izaho manantena fa manana olona azo antenaina.


Manahoana daholo e ! Henoko tamin'ny radio vao teo fa "journée internationale de la gentillesse" anio. Dia misy ny olona izay nalaina feo tamin'ny radio milaza ny nataony : 

- J'ai emmené des croissants pour mes collègues ce matin, hé hé hé !

- J'ai donné 2 euros à un sdf, ce n'est pas beaucoup mais c'est déjà pour s'acheter un café 

- C'est pas fatigant ? hoy ny mpanontany. Valiny : "Oui, sourire avec tout le monde fatigue le visage, mais je me reposerai demain !" (tapaka ny tsinaiko) 

Izaho kosa izao vao nahare ity andro ity h@ izay niainako ary itako fa tsara. Tsy fantatro izay mbola hataoko fa dia efa reko izao, na dia rahampitso ary tsy maninona fa hoy ny vazaha hoe : "Mieux vaut tard que jamais". Soa aloha fa mba gentille tamin'ny tenako aho nividy zavatra niriko h@ izay, sady efa feno kilalao eny amin'ny magasins ! ha ha ha ! (Inona ary izany hoy ny sasany ?).

Fa ny anareo : inona no mba mety hataonareo izao na dia tara kely ary tsy maninona e ! Raha nisy olona nahasosotra tany ho any dia mba zakaina ny @ ity indray mitoraka ity dia hadinoina noho ity andro voatokana ity e, samy hahasoa ny andaniny sy ny ankilany izay e ! Sa ahoana ?

Izay ary, mazotoa daholo ô ô ô ! 

"BISOUX SPECIAUX" androany ho anareo rehetra Kiss 

Mahafinaritra fa mba nitsangatsagana harivariva omaly dia mahita izao. Asa na izao no atao hoe tatamo na voahirana, tsy haiko loatra ny manavaka ireo. 

 

 

Veloma hono hoe, mampamangy any ho any, ny fitadiavana mahazaka maniraka. Lavi-kavana mantsy izahay reroy, manimanina ny akany tiana tsy fohy.

Dia manal’azy ity miresaka amin’ny mpiray tanindrazana eto ity. Lany eto anoloan’ny tarazava ny ora, ary raha atambatra dia efa mahavita andro maromaro. Faly ery ny ratsana toy ny misy masony tsirairay avy manindry ireto bokotra mamoaka soratra. Dia amboamboarina eto izay felana efa vonona voatolotra, mampihaingo araka izay mety sisa azo atao, na dia ovaovaina loko eo ary dia atao ampy, hi hi hi !  

Dia variana tokoa mamaky ny hevitra maro sy mamoaka mba hitovy amin’ny besinimaro. Indraindray dia misy ny teny fihaviako tena izy, nefa mbola mila fanitsiana. Misy ny “fiteny finday” no hita, hi hi hi, tsy maninona fa rehefa fantampatatra izay tiana ho lazaina dia izay, hi hi hi ! Io ary fa misy mamay an, tandremo ny tosidrà re ! Any moa misy ilay iray izay tena tsy laitra akisoka mihitsy
Money mouth, ho hitanareo eo izy e, fa milay ka !  

Ny mampihomehy matetika dia rehefa varibariana mamoaka ilay hevitra, be koa ny mpamaky varimbariana mametraka ! Misy ireo nanindry bokotra an’arivony maromaro dia isa vitsivitsy no mifanandrify. Ny mpahazo tsindraindray dia hoy izy roa vavy hoe : “andao ka”. Dia mipetraka ihany ny fankasitrahana mba ho fampaherezana. 

Fa ny tena mahasosotra dia rehefa mba vonona ny hiteny ianao dia tapenan’ny Nety maso, tsy mahazo mijery eto hono !!!! Dray dray dray, ny sasany efa manindry in-5 mbola eo ihany no eo. Rehefa sokafana anefa ny fandrindrana dia io eo, miteny irery ianao hoe :” misy mazoto be izany !”, hay ilay teo ihany no teo. Akoatr’izay io koa misy masinina mametraka vaovao ratsy, soa ihany !

Manal’azy hoy aho izy ity, mandany andro fa faran’ny herinandro. Amin’izay koa mbola manginy fontsiny dia tsy miasa hono nefa efa tsy miasa androany, voa daholo ny mpiasa 5 andro rehetra tamin’ity indray mitoraka ity. Koa samia manao izay mety ary e ! 

Kdômbitah