" Ary nahoana no manahy ny amin'ny fitafiana ianareo ?

Diniho tsara ny fanirin'ny voninkazo any an-tsaha :

tsy mba miasa na mamoly,

na dia Solomona teo amin'ny voninahiny rehetra aza

tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'ireny "

(Matio 6 : 28-29)

Raha mahatsikaritra ianareo dia isak'ity daty ity aho manoratra eto foana isan-taona Kiss

SSShhh, nanao fety izaho omaly fa tsss ! Aiza ve rangahy ity koa efa isan-taona izao ianao dia lasa foana ilay izy, tsy mahazo miverina ... dia nataoko irery tany an-tsaiko ny fety fa tsy ho tafaverina eo intsony aho hoy aho an'eritreritro. Ny androany no betsaka ny nahatsiaro ahy, mitombo fahendrena no entina namatsiana saina dia vlan !

Hay saika adinoko, mba nanandrana itony hoe bavarois itony aho, nataoko amin'ny voasary dia elabe vao mivaingana tsara ilay zavatra ao anaty vata fampangahatsiahina ao, 12 ora hono no tadiaviny koa dia hajaina izany mba hanamarihana ity vaovao vao tonga androany ity, tsy nisy niova fa tonga vaovao fontsiny an ! Ilay tsy azo anontaniana hoe firy moa izany izao sao mankarary saina. Androm-piravoravoana koa moa ve asiana resaka toy izany tsy tonga dia mandrava laka !

Ny hany tena mba nanamarika ahy teto amin'ity sehatra blaogy ity dia satria vanim-potoana toy izao no nanokafako ity blaogy ity, nataoko ho fanomezana ho ahy tamin'izay, mba nanandrana nampita hevitra dia revo teto ary tsy te-hiala teto intsony fa nanjary manao lalan-kita kisoa ! 

Izay e, nitombo indray ity ny fotoanako, efa nahazo bebe ihany aho teo amin'ny andro-piainako, nisy : fahoriana, fifaliana, fahobiazana, fianarana, fotoan-tsarotra, nefa toa mba nety tsara ihany hatramin'izao. Hoy ilay zokiko vavy izay hoe : raha hevitra ataingina dia voalohandohany ianao nefa toa mety ihany ilay izy. Hevitra ataingina ve izany tokoa moa sa efa voavolavola tsara tao an-tsaina ka mora natao ? Izay ilay fahendrena angambany an ! 

Nitombo fahendrena aho, Y E S ! 

Nampirimina tsara ilay zavatra hoe homena olona fa mbola tsara.

Kinanjo dia maika indray andro dia noraisina indray !

Dia raikitra indray fa aleo anaovana indray aloha mandra-pa, 

Nony kelikely tato aoriana dia hoe aleo ovaina short io indray fa toa lamaody ........

Avy eo dia hoe ovaina ho zipo fohy indray fa mafana loatra ilay andro. 

Nandeha ny segondra, minitra ora, nitambatra ho andro sy herinandro ;

Tapaka teny ihany ny volana, tsy nihetsika teo amin'ny fitoerany ihany ity izy, 

Nitsipalotra nijerijery magazay teny ny maso ary mahita fa tena lafo anie ny zvt hafahafa, 

Nanome hevitra nifanandrify tamin'ny filan'ny ankizy tato an-trano, 

koa dia tonga ny "destiny" an'ilay pataloha jeans :

...... K-I-T-A-P-O, izay mbola ho fiainana faharoa ho lava raha ny fijery azy. 

Tsara jerena, faly ny ankizy, lamaody, tsy very, tsy nandaniana vola, nanome fahafaham-po ho an'ny mpanamboatra azy, ary indd ..... tao amin'ny nilàna azy tsara mihitsy. Dia somary nanome lagy ihany ny nanjaitra azy. 

alt

Mahatsiaro ny kilalao any amin’ny tanàna aho fa akaiky ny fety noely. Maro tokoa moa ny zaza Malagasy izay tsy mba mahazo izany kilalao izany na dia tonga ary ny fety faran’ny taona ahatsiarovana azy ireny, noho ny hasarotan’ny fiainana. Aty ampita aho no lasa an’eritreritra satria toy ny mahazo izay ilainy amin’ny ray aman-dreniny ny ankizy aty, na lehibe na kely io …. Tsy toy ny hitako tamin’izaho tany Madagasikara andro noely mahita ireo zaza milalao.

-        Manao fifaninanana hafainganam-pandehana valala, nahoana tokoa moa ? Izaho koa mba tia milalao valala fahiny, na ny mihazakazaka misambotra ireny ary dia mahafinaritra. Fatorana tady kely ny tongony dia alefa mitsambikina eny, omena sakafo dia mihinana, variana !

-        Ilay bôbina nisy kofehy fanjairan’i mamanay ireny koa alaina rehefa tsy misy kofehy intsony dia asiana lastika miditra ao anatiny, ny tendrony 2 asiana tranona sitlô, dia ahodikodina toy ny fahanana, dia avela avy eo fa mandeha ho azy ilay izy, mandram-pahatapitry ny fahana. Asa fa mbola tsy nasehoko an-janako izany, fa variana mihitsy manao ilay izy.

-        Rehefa tonga koa ny noely dia fotoanan’ny letsia. Dia io no tapahina 2 ny voany dia manao miaramila andaniny sy ankilany dia mifandefa kanety mifampitifitra, izay lany aloha no resy.

-        Ilay harivariva milalao dômy (kilalao mandra-pahafaty io any Madagasikara, hi hi hi ) miaraka amin’ny dandanay izay moa no tena nampihomehy mihitsy. Efa samy tsy manana izahay mianadahy dia mandefa vato tsy izy. Velona amin’izay ny hoe : “tsaramaso tsaramaso”, mifandefa “signal” izahay io fa misy vato tsy miady ao. Akory re ny hatezeran’i Dada avy eo mahita ilay izy, tsy mety nilalao intsony leiry fa lasa nandeha, LOL

-        Ao koa ilay manao fanorona, soritana amin’ny solaitra fotsiny ny raharaha dia mitady vato kely sy bokotra dia vita, afaka milalao tsara. Kapoakanay koa io taloha miaraka amin’ny dadanay.

-        Ireny lôtô ireny moa dia toy ny kilalaom-bazaha ka tsy dia nanaitra anay loatra na dia nisy ary tao an-trano.

-        Ilay misambotra voangory koa no loza, rehefa sendra tafajanona hariva any ambanivohitra dia misambotra hatao laoka. Fa mahafinaritra koa ilay fatorana kely ny tongony dia alefa maniditsidina eny ilay izy, faly ery.

-        Ary ilay mampiady ganifa moa mba hainareo ? Io koa dia kilalaonay teny amin’ny tanàna fahiny. Fa nahagaga fa dia matahotra ala aho ankehitriny. Alaina ny singana oro-kifafa dia atsatoka amin’ny tany. Lasa misambotra ganifa anankiroa miorina anaty ravinkazo. Rehefa azo ireo dia avoaka eo amin’ilay oro-kifafa mitsangana izy ireo hiady, asiana rora ety akaikin’ny fototr’ilay tsanganana mba tsy hitsoaka hidina ireo biby kely. Dia raikitra tokoa ny kombaka.

-        Ary ilay hoe : “torotoroy izay mangetotra ô !” ? Io indray dia bibikely lay (chenille) maitso kely izay. Somary atsipy kely dia tatazana anaty tànana ilay izy, somary fanina kely angambany, dia tazonina ny rambony dia eo amin’izay ankizy marobe manodidina miteny hoe : “torotory izay mangetotra ô !”, dia mihilana kely ny lohan’ilay biby toy ny manondro olona iray, toran’ny hehy ery hoe  io ankizy io anie izany ka nangetotra !!! LOL

-        Ny fangalam-piery, ny jeu de kapoaka, ny dimbazaha, ny saut à élastique moa dia tena mafimafy mihitsy ny hozatra izao nanao ireny fahiny.

 

Izao ve rangahy aiza koa ny any ampianarana avy no mampanao taratasy halefa ho an’ingahy be Noely  hoe indreto ny kilalao tiako alefanao ho ahy amin’ny noely, lelike !!! Sosotra mihitsy aho, dia efa teneniko ny zanako fa ireny ingahy be noely itanao ireny anie ka olona mi-se déguiser e ! Mbola hisy ho voadaroka ireny indray andro any fa nisy ankizy tsy nahazo izay nilainy araka ny lisitra nataony no sady voafitaka. Ny nampihomehy ary dia vao roa andro no nanaovako fety ho an’ilay zanako lahy kely, feno 6 taona, moa tsy ireo kilalao nosoratany tanaty lisitra no azony, nefa lisitra amin’ny noely io.  An an an, dia nisy nafeninay ny sasany tamin’ireo kilalao havoaka rehefa tonga ny noely !


Izay e, an-katoka ny noely ity, afaka 1 volana sisa.

T@ mbola kely izany ny boky famaky tany an-tsekoly dia ilay hoe Méthose Boscher, asa mbola io foana ve no ampiasain'ny kilasy misy ny ankizy kely @ izao. NAhavariana ahy izy io ary nahafinaritra tokoa fa feno sary, ny récitations ao antiny moa dia mbolatadidiko h@ izao ora anoratako eto izao. Dia inona hoy ianareo f dia nividianako io mihitsy ny zanako fa io no nahalehibe ahy sy nitaizanna anay mivady fa toa io koa no nampiasainy tamin'izy mbola kely. Ilay sary kely ao anatiny nampandrevy tokoa, ary diat sy niova mihitsy h@ izao anoratako izao ilay boky. Nanampy io ny boky teny malagasy dia ilay hoe "Handeha hianatra izahay".  Asa re raha mbola misy io boky io ankehitriny. Tadidiko mihitsy ilay hira tao anatiny fa nampalahelo be ahy: 

"Tsy mba renareo ve izany

voromanga tsara feo

toa mihira toa tomany, 

ao anaty hazo eo

 

Ref : Voronkely maty reny, 

izao mihirahira izao

tafasaraka amin-dreny

ny kamboty kely ao

 

Ny papango izay mandalo

toa hifaoka avokoa

tonga maro fahavalo 

fa tsy ao ny reny soa"

 

Ny hafa nanamarika anay koa dia ilay hoe : "Anganon'ny ntaolo". (tohiny)

altaltaltaltaltalt

Ilay amin'ny sary voalohany : où est l'intrus ?

Sary farany : aiza izany toerana izany, ary mbola misy ve ilay volamena ao ? Oviana indray ny teny malagasy no misy teboka 2 eo ambony "e" ? Ah ah ah !

Sary fahadimy : kahie "Akanga" sy kahie "Omby" no tadidiko.

...... Ry neny ô, Bakomanga ô !!!!!

Rehefa tonga ny fotoam-panadinana dia samy manao izay mety hahazoana naoty be indd ny mpianatra, indd eny amin'ny anjerimanontolo. Teny ny tenako tamin'izay, ary dia misy ny mampihomehy mihitsy. Ao ny mianatra alina, io koa moa no fotoana mangina indd, sady tsy misy asa hafa atao, koa dia mikotrana mafy ity ranamana. Iny ny anao vavy mipoitra avy any vao masila, bongo sy mbola mena maso. Mifampitantara daholo moa raha vao mifankahita ny maraina, fa ny azy dia hoe : "kay, tena pôripôrina mihitsy aho izany !", entina ilazana io hoe nanao révisions be izy tamin'ny alina, tsy taitra koa ilay namana iray etsy namely mafy namaly hoe : " ie, vao itako mitsy ianao dia fantatro hoe pôripôrina !", tapaka ny tsinainay avy teo, nitono tena toy ny lalitra nisotro menaka matsiro ! Tsy azoko mihitsy hoa ilay olona miteny² foana momba ny tenany toy ireny hany ka nifoteran'ny teniny ! 


Iny indray ny namana iray avy tany, ilay eny Ankatso koa moa tsy hay be ihany fa milenodenoka be ny bozaka, mahafinaritra ery ny mankeny sy mamindra eny amboniny, DEGS io, ilay ianao variana mandeha sy miresaka iny mamindra eo amboniny, no indro nisy nanitsaka "tsilo malemy" ngezabe ! Sosotra aok'izany ny anao lahy, "lelike, iza koa ary ny olona manao itony ety ? " . Io kosa aloha dia tena découvert be mihitsy izay olona nametraka azy teo fa dia asa loatra izay tena pas-ny, tsy nisy nahita ary ve ? Hoy ny sasany hoe mpams no manao ireny !!!!  Tsy azoko loatra ilay izy raha olona normale mantsy. Fa dia hany heriko namaly moramora ilay namana aho hoe "ka maika ary izy koa !" - "Ka na maika ary ve dia eny no ametrahana ireny ? tsy ho itan'ny rehetra ? " ..... tsy azoko mihitsy tokoa hoa le olona e !


Dia gaga indray ny tena, nahita vorona tsara tarehy izay, tsy afaka nanidina intsony fa tratra atoandro angambany. C'est la perfection comme oiseau quand on l'observe de près, ny lokony, ny .... tout ! Nefa dia aratsiana satria toa @ alina izy no miriaria. Namandry mpams hono. Vorondolo io. Dia variana daholo ny mpianatra nitangorona nijery ilay izy, tsy azoko loatra ilay olona. Dia hoy ilay ankizy vavy iray izay nijery azy fa tena tsy azoko an-tsaina mihitsy ny manjo azy niteny hoe "din, te-handoa be aho izany !" mijery azy  izy io ary tena manao paozina olona te-handoa tokoa !!!! Dia tena mankadoa tokoa ve ny mijery vorondolo e ? ce n'est qu'un oiseau !!! Tsy azoko veroka mihitsy ny eo amin'ny toerany, nijery  koa aho fa tena ontsa ny foko nahita ity biby tsy afaka nanidina fa tratra atoandro torahan'ny olona vato, vorona toy ny rehetra io. Tsy azoko mihitsy hoa ilay olona.  


An an an, de nandalo kely ny fahatsiarovako fa betsaka ny tsy azoko itako maso. Mba niova kely ny fomba fanoratro androany.

Gaga ny tena mahita anareo namana mahita lazaina foana eto an. Azo lazaina ho lany bala ihany aloha i Kdaomba na dia tsy misy fotoana firy aza noho ny asa. Zavatra 2 no tantaraiko eto, tsy dia ho lava fa natao ampuakarana e, sady @ finday ity ka mety ho b diso. Lasa ary :
1/ Henoko t@ radio omaly fa hitsangana ny trano avo indd eto @ Oseana Indiana. An'i Orange izy io, ka aiza hoy ianareo no hisy azy ? Eny an-tanindrazana e ! Faly ny saina no lasa ihany ny eritreritra hoe : ho betsaka indray izany ny asa omena ny malagasy, hiena kely indray ny tsy an'asa. Mahafaly ! Saingy mino aho fa ho ao Tananarivo ny hisy azy io, toerana efa misy structures ilain'ny mponina. Dia mampitaha hoe iza no betsaka kokoa ny zavatsoa azo : io ve sa ny nampanofa tany t@ andron'i Ra8 ? Io tany io mantsy ankalamanjana ka voatery manamboatra tanàna sy ny structures rehetra izay mpmboly, mandroso ny tantsaha mahita fahaiza-miasa vaovao, no misy ny rehetra ny toerana musy azy, misy asa koa fa tsy voatery hiakatra an-tanan-dehibe vao mahita, ny hopitaly sy ny sekoly tsy maintsy mitsangana koa. Nefa dia nofehezina @ ilay teny mamparary fon'ny malagasy ilay izy rehefa tsy nohalalinina hoe "mivarotra tanindrazana". Nefa zao ilay tanindrazana mipetraka mangadihady ao, toa ny hafa aza no manararatra ao tsy misy miteny. Fanondranana an-tsokosoko no betsaka. Asa raha hainareo ny tantaran'i Honk-Kong : 99ans no nindraman'ny anglisy azy, efa tapitra ii fepotoana io izao ary jereo hoe manahoana izy zao. Tsy manome tsiny aho satria frantsay no fitaratra tao an-tsain'ny malagasy, koa dia naleony tsy nomena. Leom-boan'anana ny malagasy. Aleo iny any fa asa raha mbola hisy ny opportunités toy izany na tsia.
2/ Fotoanan'ny sôsety zao. Tena tsara tokoa izy ireny fa maivana, misy otrikaina bdb (potassium ...), tsy matavy nefa mora feno ny vavony rehefa mihinana azy, sady be rano (gorgé d'eau). Mampahia no tiako lazaina. Ritina, atao gratin, afangaro @ hena, atao lasary, alona muaraka @ sakay, atao bolety miaraka @ fromage endasina .... Matsiro foana. Azo atao koa ny mi-raper azy atao amin'ny tarehy (masque) rehefa hariva fa manadio hodi-tava. Ny raviny moa dia @ ilay itiavana azy mihitsy : atao ro na ritina mety daholo, tsara tokoa. Ny tahony maina no tsy mbola itako fa henoko hoe mety rariana anaovana harona, ny italiana no mampiasa azy ataony hoe "sac italien" (moa izy izay ?). Akoatra izany dia mora ambolena ny sôsety, ary mandady be : manome vokatra bdb rehefa fotoanany ary azo anaovana trano fialokalofana @ taninandro ao ambaniny, mahafinaritra. Izay ny @ iny koa dia mambole sôsety fa tsy anenenana e ;)

Soava tsara daholo hoy i Kdaombaramita.

Fetiko androany, no sady fitsingerenan'ny fotoana nidirako nanao ity blaogiko ity. Tamin'ny 2008 aho no tonga teto ary tapa-kevitra tamin'izany fa hanokatra blaogy na dia mbola tsy nahalala izany ary, io itanareo etsy ankilany io ireo volana nodiaviko teto ary dia mbola hita tsara eo ny martsa 2008. Izany hoe nanao fanomezana ho ahy aho no nanaovako ity blaogiko ity tamin'izany. Mbola mipetraka tsara izy ity, ary maro ireo namana virtoaly lasa nifanerasera amiko. Misy koa ireo izay tsy hita matetika eto intsony noho ny anton-draharaha sy ny adidy maro sy ny fisian'ilay fb sy ny twitter sy ny sisa. 

Tsy dia misy ambara firy aho anio satria mafy tamiko ny asako androany, ary mbola niandry ahy koa ny raharaha tato an-tokantrano. Ny andro moa efa crizy rahateo ka manao izay mety. Reraka mafy ny tenako eto ampanoratrana nefa tsy tiako handalo fontsiny ity andro iray anio ity na izany ary, manoratra eto foana aho rehefa 28 mars isan-taona.

Izay ary aloha ny androany, asa raha mbola ho hitako ity afaka 20 taona any fa dia mahareta ny aina ary samby tsara daholo.alt

test

 

Androany no mitsingerina indray ilay fotoana nizarako ny fanahiko tamin’ny olona iray. Fotoana aman-taonany maro izay no lasa …

 

Tao ny nangidy izay niarahana nizaka, fotoana tsy adino satria nanefy anay teo amin’ny fiainana sy ny tokatrano. Fotoana nanamafisana ny fifandraisanay koa, satria ankehitriny dia toy ny voavakiko tsy an-kijery izay ao an-tsaina raha mahita zavatra iray izy, ary izy koa dia mitovy eritreritra amiko, mahagaga ! Ankehitriny dia isaoranay koa ilay Nahary noho ireny fotoan-tsarotra ireny, satria nankahery sy nanome toro-hevitra ary indrindra nitantana hatrany izy noho ny fahatokisanay Azy.

 

Tao koa ny fotoana mamy izay tsy adino, silaky ny aina telo no hanohizanay izao fifankatiavanay izao. Akoatra ny teny mamy sy ny fifaliana niarahana nigoka dia fahasambarana tsy hay lazaina no iainanay. Misy foana ny fotoana maloka, fa toy ny semban-drahona ihany izany : mandalo !

 

Nanefy ny toetrako koa ny tokatranonay : azoko kokoa ilay teny hoe “mandefitra”. Tsy hoe mandefitra voapotsika sy voahitsakitsaka akory, fa mandefitra ampilaminana, mandefitra raha toa ka tsy ahitana vokany tsara na mandefitra mba tsy hisian’ny romoromo … na dia manana ny marina ary dia rehefa tafavoaka ny hevitro dia izay no zava-dehibe, hoe fantatra ny tiako ho lazaina. Tsy eo aminay ihany no hampiharako io toetra io fa eo amin’ny manodidina ahy koa. Samy manana ny heviny mantsy ny olona ka tsy hanery ny hafa hanaiky ny hevitro aho, raha tsy hoe izaho no hiaran’ny rihitra avy eo tsy araka ny nanampoizako azy. Eo aho vao tsy manaiky mihitsy raha izay indray.

 

Izany no ela, fa anio ato aminay : andro mamy, androm-pitiavana, androm-pahasambarana, androm-pifaliana !!!!!!!!!!!!!!!! 

 

 


 
Dans un AIRBUS A380, le commandant de bord dit à ses passagers :
- C'est votre commandant qui vous parle.
Nous perdons de l'altitude et nous n'avons pas assez de carburant pour atteindre notre destination. Donc, nous allons larguer hors de l'avion tous les bagages.
L'avion regagne de l'altitude.

Une demi-heure plus tard, l'avion reperd de l'altitude et la voix du commandant se fait encore une fois entendre dans les hauts parleurs :
- C'est votre commandant qui vous parle. Nous perdons encore de l'altitude et nous ne pourrons pas atteindre notre destination sans jeter quelques passagers hors de l'avion. C'est une mauvaise solution, mais nous allons le faire d'une manière honnête et démocratique. Nous allons utiliser l'alphabet.
Commençons par la lettre A :
Y-a-t-il des Africains, des Antillais ? Personne ne répondit.
Y a-t-il des Blacks ? Toujours pas de réponse.
Y a-t-il des gens de Couleur? Toujours pas de réponse.
Mais, à l'arrière de l'avion, un petit garçon demande à son père :
- Papa, tu m'as toujours dit qu'il fallait être honnête. Tu es d'Afrique et Maman des Antilles nous sommes Black et donc des gens de Couleur.
- Oui, mon fils. C'est vrai. Mais aujourd'hui nous sommes des Nègres et s'il le faut nous serons Zoulous ... 
 
 

Entretien d'embauche

Trois personnes sont convoquées pour un entretien d'embauche en Angleterre. Arrivés au test d'anglais, le recruteur leur dit:

"Faites une phrase avec les 3 mots suivants: green, pink, yellow."

C'est d'abord le Belge qui se lance:
"I wake up in the morning, I eat a yellow banana, a green pepper and in the evening I watch the Pink Panther on TV".

C'est ensuite au tour de l'Allemand:
"I wake up in the morning, I see the yellow sun, the green grass and I think to myself: I hope it will be a pink day".

Enfin, le Français s'avance et dit:
"I wake up in ze mornink, I hear ze phone: green.....green...green...I pink up ze phone and I say "Yellow?"...

 

Un couple de parisiens décide de partir  en week-end à la plage et de descendre au même hôtel qu'il y a 20 ans, lors de  leur lune de miel. Mais, au dernier moment, à cause d'un  problème au travail, la femme ne peut pas prendre son  jeudi. Il est donc décidé que le mari prendrait  l'avion le jeudi, et sa femme le lendemain. L'homme arrive comme prévu et après avoir  loué la chambre d'hôtel, Il se rend compte que dans la chambre, il y a un  ordinateur avec connexion Internet. Il décide alors d'envoyer un courrier à  sa femme. Mais il se trompe en écrivant  l'adresse. C'est ainsi qu'à Perpignan, une veuve qui  vient de rentrer des funérailles de son mari mort d'une crise cardiaque  reçoit l'email. La veuve consulte sa boîte aux lettres  électronique pour voir s'il n'y a pas de messages de la famille ou  des  amis. C'est ainsi qu'à la lecture du premier  d'entre eux, elle s'évanouit. Son fils entre dans la chambre et  trouve sa mère allongée sur le sol, sans connaissance, au pied de  l'ordinateur. Sur l'écran, on peut lire le message  suivant : 
 

" A mon  épouse bien-aimée,
 
Je  suis bien arrivé. Tu  seras certainement surprise de recevoir de mes nouvelles maintenant et de cette  manière. Ici, ils ont des ordinateurs et tu peux envoyer des messages à ceux que tu  aimes. Je viens  d'arriver et j'ai vérifié que tout était prêt pour ton arrivée, demain  vendredi. J'ai hâte de te revoir.  J'espère  que ton voyage se passera aussi bien que s'est passé le mien. 

PS: Il n'est pas nécessaire que tu  apportes beaucoup de  vêtements, il fait  une chaleur d'enfer ici ! "

 

The end .....

 

 

  
 

Indreto sary vitsivitsy itako tetsy sy teroa, ahatsiarovana ny fahiny, misy moa azo t@ izaho mbola tsy teraka koa aloha e. Ilay loharano ao Faravohitra moa dia  izao aho vao mahalala ny fisiany nefa aho nianatra tao amin'ny Lycée Jules Ferry, taiza ho aiza ary izany ? Itanareo ao koa angambany ny tranonareo t@ izany, ny làlana izan-karazany. Jereo tsara anie ! Mbetika koa aho toa mahita ny sarin'ny dadanay sy ny mamanay teny Antanarenina. Ankafizo e !

 

                                                                                                                                           Vita tompoko ô !

Tsy haiko raha manjo anareo ity mpahazo ahy ity. Rehefa misy zavatra itako ahatsiarovako ny taloha dia tena manao "retour vers le passé" ny saiko.

Ohatra hoe misy hira izao, hira tena tiako be mihitsy tamin'izany fotoana na nanamarika ny fiainako, dia miverina mitamberina daholo ao an-tsaiko ireo fahatsiarovana mahafinaritra rehetra, toy ny tsy mipaika tany ny tenako fa lasa, mandrevy ny itako fahiny ! Nisy izao tao amin'ny Fb tao, nisy vidéo napetrak'ilay namana iray miaraka amin'ny hira, fa t@ ireo sary hoy ianareo dia tena nisy zavatra tsaroako tampoka : harivariva tany Madagasikara fahiny. Asa raha mahatsikaritra ianareo fa misy ny hariva toy ny menamena volo daholo ny jerena rehetra noho ny tanamasoandro, dia vao nahita ilay izy ny saiko tonga dia nilamina be nahatsiaro ireo fahiny fony aho tao an-tranon'i Dada sy Mama mitazana eo an-davarangana. Dia iny, nanidina indray ny saiko nanao tamberina. Ny mahatsara ilay izy aloha dia mba ny zavatra tsara matetika no miverina moramora ary indrindra mampifaly saina, fa ny zavatra ratsy dia tsy misy firy. Toe-javatra efa aman-taonany maro io tsaroana io. 

Dia hoy aho hoe : mety hisy ihany ve ny masinina hahavita hampandeha any amin'ny fahiny e ? Asa any aoriana any, fa dia hisy ny higoka ny mamy raha izany tokoa no ho tanteraka. Ny masinina tadiavin-dRaolombelona koa moa dia ahafahany manova ny ankehitriny mihitsyIzaho moa dia mahatsapa izany fontsiny aloha h@ izao @ alalan'ny hira sy ny jery. Mbola manidina kely fontsiny nefa mamy e ...... manonofy tsy mikipy/matory angambany no tena azo ilazàna azy !!! 

Raha ny zavatra mahasosotra indray dia zavatra vao haingana no tsaroana ! Mampiteny irery mihitsy hoe tahaka izay nataoko izao, na novaliako hoe, na ...... Io indray dia misy olona mitovy amiko ary gaga aho fa olona tsy misy ifandraisany amiko mihitsy ny toetrany anefany an, fa sendra tafaresaka izahay indray andro hoe tena mampiteny irery mihitsy ilay izy. Nihevitra mantsy aho hoe sao nivadik'atidoha, hay mpanjo ny olona izany ity tranga ity.

Miasa loatra hoy aho ilay saina, mandeha haingana ny fotoana ka ny taloha no miverimberina ao an-tsaina tiana hiainana maharitra. Matetika ny tokony atao tsy vita mampimenomenona.

Tsetsatsetsa tsy aritra iny ry zareo fa toy ny mangina ny blaogy tato ho ato nefa ny zavatra tiana ho lazaina betsaka. Mbola ho avy i Ketaka fa ny fotoana itendrena masinina no tsy misy ! Soava daholo e !

Variana aho namaky indray ny lahatsoratr'i Simp  izay ela tsy hita teto niresaka hoe inona no hira nanaitra anao folo taona miakatra lasa izay ? Dia hoe nahita ity hiran'i Tempo Gaigy ity koa aho  : ranomaso efa ritra (raha afaka 10 taona dia mety ho io indray no ho lazaiko anao eto ry Simp), noheveriko ho "Tiko foana ianao " no lohateny t@ voalohany dia io no nahatonga ilay lohatenin'ity lahatsoratro ity satria tiako foana ireo hira taloha nanamarika ny fahatanorako (itako fa tsara na izany ary ny hiran'ireto mpihira ireto rehefa nozohiko tao amin'ny iotoba). 

 

Ny ahy TIAKO FOANA ireo hira tamin'ny andron'ny DISCO ! Tadidiko tsara ny lamaody tamin'izany fa fitafiana telo manao totohotra : pataloha disco, lobaka lava asiana pull na gilet teo amboniny, miaraka @ fandihy disco sy ny volo mitovy @ i Travolta ! Dray dray dray, fatratra tokoa ! Ny hira amin'io anie dia : "ah ah ah ah staying alive, staying alive" ......... tsy ratsy tokoa moa ireny bàn-kira ireny leiretsy e ! Fa ny mpihira tiako indd dia ry Bee Gees kosa aloha e, tena reviko mihitsy ny "How deep is your love, Night fever, More than a woman, You should be dancing, Love so right, sns ", misy ilay iray miaraka amin'i Céline Dion any Immortality " no lohateny tena favy be koa na dia taty aoriana ary no nivoaka. Ny mpihira niara-nivoaka taminy aloha koa tsy ratsy mety ho tsaroanareo angamba ry ABBA (io ilay fahatelo tsy tadidiko ary @ hafatra ho an'i Simp ary) sy ry Boney M ... na ity farany ity koa ary tsy ratsy azony lahateny tao anaty Baiboly kristianina no ankabeazany nataony hira, fa aoka fontsiny koa rehefa mahita ilay rangahy mandihy² fatratra ery, mbola itanareo tsara ny fahaizany tamin'izy nandalo taty Dago ireny fa tena mbola raitra na dia efa nandroso ihany aza ny taonany 60 ! Manaova sport ihany ry zareo a, mba mbola ho reharehan'ny zafikely rehefa 60 ans mandihy² miaraka aminy Cool sao voan'ny "coup de vieux" toa an'i Simp rehefa kelikely ka mahatsiaro ho antitra tampoka teo, tandremo sao miakatra ny tosi-drà an'i toi an Kiss !

 

Asa mety handalo eto i Claudine, Liva, Suzy ary Fenomanana, Francine, Lydia namako niara-nianatra nandihy disco tamiko fony izahay teny amin'ny CEG Nanisana, ilay nianatra nandihy teo an-davarangana ! ............Mety handalo eto koa ary i leiry kely t@ izany dia mety ho tonga saina hoe fantatro daholo ireto ankizy voalaza ireto fa naman'i ..... noho izany fantatro i Kdaombaramita, "La terre tournera sans nous" par Alain Barrière raha tadidinao raha toa ka sendra mandalo eto ianao, tantara izany zalahy e ! ha ha ha !

 

Tiako foana ilay hirako ireny e !!!!!!!! 

fetin'ny reny, arahabaina ianao !Ilay reny nidongiana, nitosiana,

tsy nitsahatra nahavatra nampinono.

Na dia maro adin-tsaina mankarary. 

Teo ianao nanome rotsy, 

nampangina, nanambitamby, nanafosafo. 

Na dia be ireo ditrako izay nataoko,

be koretaka any aho ! 

Ianao tsy nibedy, 

fa azonao avy hatrany 

izay rehetra tao am-poko. 

Anjarako anio,

ny mamoaka teny mamy mankasitraka anao, 

teny tsotra nefa

vokatr'ilay foko kely be fitiavana,

                                                                                                                 " TIAKO IANAO RY NENY ! " 

                                                                                                                        (Kdaombaramita 29 mey 2010)

Atolotra ho antsika androany 8 mars ity hira ity ho fankasitrahana antsika.

 

 

 DAME,

Dame, je suis ton chevalier dans une brillante armure et je t’aime
Tu as fait de moi ce que je suis et je suis tien
Mon amour, il y a tant de façons par lesquelles j’aimerais te dire « je t’aime »
Laisse-moi te serrer dans mes bras pour toujours
 
Tu as fait de moi un tel idiot
Je suis si perdu dans ton amour
Et oh, nous sommes faits pour être ensemble
Ne croiras-tu pas en ma chanson?
 
Dame, pendant tant d’années, j’ai cru que jamais je ne te trouverais
Tu es venue dans ma vie et m’as rendu entier
Laisse-moi pour toujours me réveiller et te voir à mes côtés chaque matin
Laisse-moi t’entendre me murmurer doucement à l’oreille
 
Dans mes yeux, il n’y a personne d’autre que toi
Il n’y a pas d’autre amour comme notre amour
Et oui, oh oui je te voudrais toujours près de moi
Je t’ai tellement attendue
 
Dame, ton amour est le seul dont j’ai besoin
Et à côté de moi, c’est là où je veux que tu sois
Parce que mon amour, il y a quelque chose que je veux que tu saches
Tu es l’amour de ma vie

 

 

Gasikarako

 
 
Tsy misy mahalaza ny alaheloko. Any ilay taniko, misy ireo havana tiako sy lalaiko, toerana nitaizan'i Dada sy i Mama ahy, nahitako masoandro, nilalaovako t@ ireo namako fahiny ary toerana nandrotsirotsian'ireo zokiko ahy. Tany koa no nahitako ilay olon-tokana eo amin'ny fiainako. Tsy misy atakaloko azy, fa ny fitadiavana no mahazaka maniraka. Tsy mahafafa ny fitiavako ny halavitan-tany, raha tsy nisy azy dia tsy malagasy aho.  GASIKARA : mirakitra fahatsiarovana mamy maro ato am-poko ianao, ilay diary tsy nosoratako fa nitahiry ho ahy. Mirary anao ho sambatra aho, tsy ianao no ratsy fa ny vola ! Veloma indrindra amin'ireo havako rehetra any, tsy manadino hono hoe ity foko na dia lavitra àry !  Cry

 Lakalaka ihany lahy ity tontolo izay ombàna ; FITIAVANA

Be ny zava-mampanahy sy ny olana ho vahana,

Koa fidio 'zay fiadiana tsara indrindra eto an-tany

Mba hamela fitsikiana ka hanala ny tomany. 

 

Fiadiana avy ao am-po : io no azo ampiasaina

Hitadiavana ny soa sy fifaliana ho zaraina.

Hamamiana tsisy farany ho fiainanao, rahavana ;

Kanto loatra ny anarany : io no atao hoe "Fitiavana"

 

(Benjamina RAZAFINJATOVO 1988) 

 

NB : Ho porofo dia tsidio E T O : lakalaka ny fiainana ! Mahagaga ny fitiavana !

Arahaba ririnina ny tovolahy !Nalahelo ery ity foko, 

nahita ilay hakivianao, 

toy ny olona voafitaka.

                         Vao nahazo kilalao anefa, 

                         toa nihiratra ity endrika ! 

Toa adinoko avy teo 

fa hay efa lehibe ianao, 

mahay mitaingina bisikilety !

                         Andro iray  lehibe iny anaka,

                         andro nahalehilahy anao, 

                         efa sitrana ny fery. 

Mahombiaza eo @ fiainana rahavako .... Neny tia anao.

Mbola mpianatra teny amin’ny lycée razazavavy, kilasy 1ère angaha moa izy izay, nefa efa nanana fofombady. Nifankatia tokoa ireto voromailala ireto, ary niteraka. Tian’izy roa ireo ny zanany, ary nanomezan-drazazalahy toky rakalakely fa ho mandrakizay ny fiarahany. Inty ny hira nampifamihipihina azy roa raha teny ambony fiara, nifampitositosy ery nahare ilay izy, na izaho ary mahatsapa fa malefaka sy tsara ho an’ny mpifankatia tokoa ity hiran’i Jean Freddy " NY ANJARANTSIKA ROA " ity. 
 
Antenaiko tsy ho very, fa hitohy                                                                
Sy ho avy, anjarantsika roa 
Ny masoandro no milaza fa 
mbola hisy sy ho avy, 
anjarantsika roa

ref : 
Ela moa no tsy nahita anao e 
Ka manantena sady miandry akia 
Ela no te-ho eo anilanao e, satria : 
Mbola ho avy, anjarantsika roa (2X)


Ny ampitso no efa iny manambara fa 
Tsy ho nofy, anjarantsika roa
Mba tsinjovy irony andro fa voafidiny
Sy tantanany  
anjarantsika roa 



Feno 18 volana ilay zazakely botrabotra tokoa, sady nahafatifaty ery. Nitoe-jaza indray ny reniny. Amin’ny mahatanora azy anefa no sady mbola nanohy fianarana izy, dia naleony nisafidy ny mbola tsy hanampy lovia iray ambony latabatra. Koa dia noesoriny ity zaza. Tsy fantatro hoe firy volana no efa tao an-kibo. Tsy notantaraina satria zavatra mahamenatra izany any an-tanindrazana. Kinanjo, nivadika ny vintana. Tsy dia olona mpahay azy loatra no nalehan-dry zareo, nefa vita ihany ny notadiavina. Tsy dia salamalama ity razazavavy taorian’izay fisehon-javatra izay. Ary dia nentina tany amin’ny hopitaly ihany rehefa afaka 2 andro tsy netinety. Nampalahelo fa teny ambony fiara teny an-tsandrin’ilay fofombadiny no nandaozany azy sy ny zanany. Tara loatra ny nahatongavany teny amin’ny toeram-pitsaboana fa efa be ny rà very !!!! 

Nampalahelo tokoa ilay tantara. Ary tsy adinoko mihitsy izay zava-niseho izay fa nangalako anatra teo amin’ny fiainana. Dimy volana taty aoriana dia nifanena tamin’ilay tovolahy aho, mbola tao anatin’ny alahelo tokoa ny endriny, nefa atao ahoana fa izay no anjara sy lahatra. Tsy ho tanteraka intsony ity hira “ Ny anjarantsika roa “, kalom-pitia niboiboika tao am-pon'izy roa.
 
 
Hoy ilay olona namana izay taty aoriana hoe : " raha misy ny olona mandao antsika ety an-tany dia eritrereto ho toy ny lasa nandeha fiaramanidina an-tany lavitra izy, saingy tsy afaka mankany ianao satria tsy mahavidy ny saran-dàlana izay lafo tokoa. Hanampy hampionona ny fonao izay ". 
 
 
Antenaiko fa efa nihodina ny tany ... misy ambany sy ambony. 


Tsaroako ilay fotoana iray hanambara amin'ny ao an-trano fa nisy olona iray nifidy ho taolan-tehezany aho ary handao azy ireo ! Taona maro lasa izay no niseho ny tantara ! Saikatra aho, nefa tafavoakako ihany ilay izy. Ny tena moa efa maty ray aman-dreny t@ izay koa dia ireo zoky no nilazana ity vaovao, raha vazaha aho dia tena rakatra mena tanteraka angambany ny endriko. " Hanambady izahay, hoy aho ", izay no itako nilazana azy. Itako toa akona ihany ireto zoky, izaho koa nalahelo ny foko satria handao azy ireo tanteraka. Tao anatin'ny 20 andro no nikarakarana azy ary tanteraka soa aman-tsara ! Madama aho tao anatin'ny 20 andro monja. Resin'ny fitia ihany taty aoriana ilay mbola rohy tao anatiko tamin'ny fianakaviana izay nitaiza ahy mandra-panambady ahy !  Izay monja !

Inty misy tagy kely ho anareo izay mazoto : hanagana saina ve ianao @ izao 26 juin 2009 izao sa tsia ? Lazao ny antony  tsara  (bon côté). Ny ahy eto ambany anombohako azy. 

Atsangako ny sainam-pireneko :

- Tsy hoe akory fankasitrahako ny fahantrana eny an-toerana 

- tsy hoe fandalako ny halatra, ny vonoan'olona, ny tsy fanajana lalàna, ny fampitahorana, ny habibiana, ...

- tsy fanekeko hoe mbola ambany ziogan'i Frantsa ny tanindrazako fa efa mahaleo tena tanteraka 

Fa satria :

" tanindrazanay Malagasy i Madagasikara,

ka hajaiko sy lalaiko"

 

 Dada ……  ho fahatsiarovana ny soa vitanao taminay.Dada fony tanora

Dada olon-tokana, masoandro amam-bolan'ny fiainako. Tsy mitandro hasasarana tsy mety valalanina satria mitsinjo an-janany.

Dada be fitiavana, jiro nanazava ny fiainako, niafy dia niafy ianao nanao izay azonao natao. Isaorako eto ny anaranao.

Ref : Ianao indrindra no nampianatra ahy, hiatrika ny fiainako any aoriana. Niaritra ny mafy ianao tsy hisy hahasolo ny anaranao hitoetra ao am-poko ny fitiavanao. Fitia tsy manam-petra, ny fiainanao rehetra. O ! ry Dada ô, Tena tiako ianao.

Dada olon-tokana, masoandro amam-bolan'ny fiainako, nitaiza sy nanalokolo eny, na dia fotsy volo, ‘zay nataony vokatry ny fo.

Dada be fitiavana, jiro nanazava ny fiainako, nananatra, nampianatra, nikolokolo fatratra. Fitiavana tsy takatry ny loha


(Bodo)

Miarahaba anareo ray rehetra izay mandalao eto, mahità ny soa rehetra ho an'ny fianakaviana mba ho reharehan'ny ankizy sy ny reny.  

Fetin'ny reny ...

NY LAMBANAONY LAMBANAO MIKOPAKOPAKA

Fa tsara sy mahate-ho tia ny lambanao mikopakopaka,
Toa miantso manao hoe avia ny lambanao mikopakopaka,
Ny fihetsikao malemy paika, tsy miraika, toa tsy maika,
Ny fitafy tsy misy haitraitra tena raitra ka manaitra ô !
Tena kanto, eny, kanto aoka izany ny lambanao mikopakopaka,
Ka nambabo ny foko avy hatrany ny lambanao mikopakopaka.

Ny akanjonao tsara didy, tarafin’ny elonao mena,
Mihatsara sy mitombo vidy ravahin’ireo volamena.
Manendrika anao avokoa, nefa asa ho aho, Ramatoa

Dia tonga ny lamaody vao nanampy ny nentim-bahiny,
Nanaraka izany ianao, ka hita fa tsy nisy tsiny.
Kanefa ho famenon’izany : ny lambanao teo ihany.

(H. Ratsimbazafy)                                        

                                        ....... ho fahatsiarovako an'i mama. 

                                   Tsiaro iray ilay nanokafako ny masoko                                                          
Teo an-tratran'i mama, tanaty tsikin'i dada.                              
Andro tokana tsy mety hadinoina 
No mitsingerina anio. 

Taona maro no nilefa, fahendrena no mitombo
Miampy hatrany be fiavy.
Ny volo miova loko, tsiky no hasetry izany satria
Fotoan-dehibe manan-danja no nodiavina..

                                  Eny, firy taona no ho tratra izay homen’ilay Nahary,
                                  Ekeko foana, tokana io manan-jara.
                                  Izy no nanome, Izy no mbola haka : hanararaotra aho izany
                                  Fa tsy hisy intsony indray andro any ity tamberiko.

                                                                                                                                        Nirina 28/03/2009

Alahady hariva fiala-tsasatra, avy orana, matroka andro. Ny zavatra tiako rehefa toy izao dia ao anaty bodofotsy mafana. Niezaka natory ary aho avy nisakafo atoandro io, nefa tsy nety nikipy ity maso re. Nitamberina tao an-tsaina daholo ireo natao fahiny tamin’ny mbola kely. 

Rehefa alahady voalohany dia any ambanivohitra mivavaka maraina any dia hariva vao mody. Raha tsy izany dia matetika dia mandeha mitsangatsangana izahay ao an-trano, tonga hatrany Ambatofotsy atsimo, na manodidina mitovy halavirana toy izany. Sady manararaotra miantsena io, mividy ny entana varotana eny an-tsisin-dàlana eny. 

Fa raha sendra ilay tsy mivoaka iny kosa aloha dia ny lalao eny an-tokontany no atao. Nitamberina tao an-tsaiko ny lalao fanaoko taloha : dimbazà , sabaka, zedelastika, sôtaôtera, tsobato, fangalam-piery, zedekapôka, manao kilalao ... sns. Ary inty iray ity tsy dia fanaoko fa rehefa hoe raikitra io no ataon’ny hafa dia mijery fontsiny aho : "tantara-tantara" no iantsoanay azy, asa raha hainareo ilay manoritra trano amin’ny tany dia vatokely no atao olona ary ampitenenina. Tsy alahady ihany akory no fanovanay ireo fa ny alakamisy hariva sy asabotsy manonolo. Hany ka rehefa asaina mody aho ny hariva² dia tsy maharay tena intsony eo ambony latabatra, nefa asaina misakafo mialoha io, fa mikipy ho azy fontsiny ny maso sisa ! Fa taloha koa rehefa hariva mafana iny dia raikitra ny hoe andao hividy gilasy etsy Ampandrana, dia lasa daholo, na kely ary ny anjaran’ny tsirairay dia faly ery miara-mihinana sy niaraka nandeha tany.

Zavatra iray nahafinaritra ahy koa dia rehefa harivariva iny, ka nahazo naoty tsara tany an-tsekoly, dia entin’i dada sy i mama mandeha etsy Andravoahangy (tsy lavitra anay mantsy io toerana io) dia ividianany zavatra kely fampaherezana ! Tsy ratsy an ! Faly ery ny tena fa tena tia ireo ray aman-dreny. 

Fa efa ho 1 volana latsaka moa izao dia ho tonga ny noely, dia io indray dia tena hafa kely mihitsy fa finaritra ery mandeha mivoaka eny an-tsena, indrindra any Analakely ! Kilalao izany, mitsiriritra, sady efa mijery² ilay kiraro sy ny ravin-damba hatao akanjo ho vidiana ! Tsy maintsy hiakanjo vaovao sy tsara mantsy @ krismasy any ampiangonana ! Dia mararaotra io fotoana io koa mijery izay kilalao tiana ho vidiana @ ilay noely, inona moa fa tsy dinety sy saribakoly matetika ! Dia variana koa mahita an’i Jacques Dallès : manao Père Noël mandalo @ fiara sy mizara vatomamy. Matetika teny Antaninarenina no fahitako azy. Koropaka moa ny olona rehefa sendra azy. Ary ny Mpitsoka mozikan’ny Gouvernemanta koa etsy an-daniny, matetika eo Antaninarenina eo foana koa. 

E e e, tsy adino koa ilay rehefa alakamisy hariva misy angano kely, misinda daholo aloha ny lalao rehefa @ 4 ora sy sasany, samy mamomjy ny any an-tranony avy. 

Fa dia tsy itako intsony ireo kilalaoko nony taty aoriana, very daholo na tsy haiko ve ? Dia tsy hay e, ny fahatsiarovana mipetraka na dia tsy hita intsony ary ireo kilalao sy ny namana tamin’izany fotoana. Nisy iray t@ izy ireo izao nodimandry tamin’ny volana mey teo, nalahelo ery ny fo na dia efa ela tsy hita ary izy talohan’ny nandehanany. 

Izay ilay fiainana e !
 

Maditra, mpandazalaza, mihanta, be tomany, mafy loha, mandreraka, ... nefa dia : mahafatifaty, lalaiko, tsy foiko. Raha hendry ianao sombinaina, tsy misy maha-ory ireo havizanana mampitaraina, tsy tsapako akory. Satria hendry ianao sombinaina, izaho manantena fa manana olona azo antenaina.
Mahafinaritra fa mba nitsangatsagana harivariva omaly dia mahita izao. Asa na izao no atao hoe tatamo na voahirana, tsy haiko loatra ny manavaka ireo. 

 

 

Veloma hono hoe, mampamangy any ho any, ny fitadiavana mahazaka maniraka. Lavi-kavana mantsy izahay reroy, manimanina ny akany tiana tsy fohy.

I Soa kelin'i Dada sy i Mama
 

(Tiako be ity lahatsoratro iray ity dia averiko eto indray na dia efa tamin'ny volana jolay ary !) 

Fony mbola tanora saina, rehefa mitso-drano ireo nahitana masoandro, na tsy voateniny daholo ary ireto teny ireto dia tsapa fa tao anatin'ny tiany ho lazaina daholo. Rehefa miatrika fiainana vao tena mahatsapa azy fa eo ampihainoana azy matetika tsy takatry ny saina mihitsy. Henoy tsara anie rehefa miteny izy ireo fa mifono zavatra lalina ny resaka ataony :


Tsofina rano ireo sombin'ny aina mba ho tafita amin'ny ambony indrindra. Ho olon-kendry sy marina koa, ho reharehan'ny fianakavina sy ny tanindrazana. Ho arahin-jazalahy sy zazavavy, ary ho fenitry ny tanora ankehitriny. (tohiny)

Efa mirefarefa 
sy tsy ho tana ny hazavàna 
Antananarivo no tsara trano ka vakiniadiana no sola vatony.
Ventso ihany sisa 
no voatanisa fa tsy tamàna 
Tsaroako indray e 
Ny any aminay 

Ireo vorona mody e 
misodisody mikopaka eny 
Ampombaiko veloma 
fa tsy hay antsoina 
i Kaky sy i Neny 

Toa hitako sary eto anoloana 
mijinja vary eny am-pamoloana 
Ny nanovo rano 
miloloha siny 
mitantara angano 
toy ny fahiny 

Manako moramora 
toa manakora ny rian-drano 
Ny nofy eny manga 
ny maso foana manganohano 
Singany irery ts'isy mpijery 

Erika mifafifafy ny onja mihamafy 
manao patrakala 
Sarin'ny foko ao anaty 
toa tsy mahatanty 
fa lavi-malala                                                        
(Bouboul) 

Nankaiza daholo ireo "mpibadabada efa zatra" eto amin'ny pejiko ? Toa an-dry : Ikalamako, Pissoa, Lalasoa, Tokinao, Simp, News2dago, Lhltrs, Maintikely, Johary, ... sy ireo mpandalo mamela hafatra. Inty hira namelan-kafatra ho anareo mpitsidika eto, dia araho sioka, tandremo ny manadino solonify ka rivotra no hifofofofo Surprised :  

Rakoto "mafy loha" (Ny Railovy) (tohiny)

 

 

Mère,

 

J’ai de toi une image

Qui ne vit qu’en mon cœur

Là, tes traits sont si purs

Que tu n’as aucun âge.

 

 

Là, tu peux me parler

Sans remuer les lèvres

Tu peux me regarder

Sans ouvrir les paupières.

 

 

Et lorsque le malheur

M’attend sur le chemin

Je le sais par ton cœur

Qui bat contre le mien.

 

 

                                                    Maurice Carême

 

 

  Lasa ny saiko, mitamberina ny fahiny !!! Variana aho mahatsiaro ilay boky nahafinaritra ahy ny namaky azy satria feno tantara maro nitaiza tao anatiny.

  Niatomboka tamin'ny boky tany amin'ny kilasy ambany indridnra ary tena nalaza tokoa : " LALA sy NORO " ! Ha ha ha : " milalao lolo i Lala ... " dray dray dray, misy ilay sarina zazalahy kely milalao lolo ngôdabé !!!!! Tandremo letsy ! Iny ve tsy hanaikitra ? (tohiny)

Iry tendrombohitra tomandavana, soa malomaloka mavamavana, topazo maso fa raha tazanina, manerinerina mahamanina, izay tsy ho manina hoy aho mandainga, fa olon-te hody ka te-hanainga.

Irony aviavy toa maro taroka, mahate-hipetraka hialokaloka, tsy mba arovana tsy mba ambenana, kinanjo atonina itombenana, ny maso mijohy toa patrak'ala, ka  vao tafatombina dia miala ....

Ity ilay tohiny fahatelo fa i Pissoa no nampitamberina azy tato an-tsaiko :

Ity rivodrivotra an-tanin'olona, mitsoka maraina toa mitambolona, hariva ny andro vao mba miritsoka, kanefa malefaka mahaditsoka, raha ny maso no ditsoka leoko ihany, fa ny fo re no ditsoka ka tomany !

                                                                                                                                                                    Ny Havana Ramanantoanina

Any ianao izay ry taniko !
Kdômbitah