INDRISY …..!

Alahady ny andro voalohan’ny taona tamin’izay. Koa dia nangina ny maraina fa sasatry ny nanao fety ho fanaovam-beloma ny taona sy ho fiarahabana ny vaovao 2010 ny rehetra. I Ketaka moa tafody tao an-trano tokony ho tamin’ny 5 ora maraina naterin’i Harena sy i Tsiry. Reraky ny alina ka tonga dia nidaboka natory avy hatrany vao tonga tao an-trano rehefa somary avy nijery fitaratra nieritreritra hoe : “ohatran’izany bikako niaraka tamin’i Harena teo ?”.

 

            Adino koa ny nanapika ny finday ka dia ny antso no nanaitra azy rehefa tokony ho tamin’ny mitatao vovonana iny :

- allo ? hoy ny feony mbola matory

- mbola matory angaha ndry izany ? hoy I Harena nanontany. Nanao ahoana ny havizanana ?

- hay ve ianao e, tsy maninona fa mbola matory aho no naneno. Efa natory tsara aho aloha ka, fa ahoana ?

- Ketaka,tadidinao moa ilay dadabenay noteneniko anareo hoe mipetraka any Tuléar ? Maty androany maraina tamin’ny 10 ora izy.

- Izany ve ? Mamangy amin’ny fahoriana Harena. Dia ahoana no ho ataonareo ?

- izay indrindra no iantsoako anao. Handeha ho any anio I Dada sy I Neny ka voatery hiaraka aminy aho, mba tia ahy tokoa izay dadabenay izay. Handalo aty aminao aho rehefa avy eo alohan’ny handehananay.

- hay, miandry anao aho ary e, hoy ny valiny somary nalahelo

Niomana haingana I Ketaka, nanamboatra endrika mbola bongo mason’ny fiaretan-tory. Fa maika koa anefa hahita ity olon-tiana handalo, satry foana tsy hisaraka isaky ny mifankahita, satry foana hifankahita rehefa misaraka ….

Tonga sahady I Harena, injao ren’i Ketaka miarahaba tratry ny taona ny ray aman-dreniny ao ambany ao.

- Ketaka a, ao ny sipan-dry, hoy ny feo kelin’i Fanilo niantso azy moramora tao an’efitrano.

- mba tian-dry ve izy io ry Fanilo ? hoy I Ketaka nitsapa an-jandriny mody nananihany

- hmmm, dia hivady ve ianareo ? fanontanian-jaza nefa madio.

- mbola tsy fantatra izany ry Fanilo a, fa hatramin'izao aloha mbola tsy misy resaka izany.

- Ketaka a, hoy rainy, misy mitsidika indry fa avia e ! Sady misy vaovao koa re fa faingana e !

- Manahoana I Harena. Sady natolony ny tanany tsy sahy nanoroka azy teo imason’ny ray aman-dreniny.

- manahoana ny havizanana ry i Ketaka ? Izaho salama tsara, fa araka ny nolazaiko anao dia handeha anio ho any Tuléar izaho sy I Dada sy I Neny fa maty I Dadabe. Navelan’ny ray aman-dreniny irery tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny izy roa, toa azony an-tsaina ny zavatra tadiaviny. Vao dify izy mivady dia nifamihina izy roa.

- maharitra hafiriana any ianareo kay ? Malahelo anao sahady aho izany.

- vao voalevina ny razana dia hiakatra izahay. I Tsiry hijanona eto Antananarivo ihany.  Tokony eo amin’ny folo andro eo ho eo angambany. Aza malahelo fa hiantso anao matetika aho, na hifandefa hafatra isika an !

- eny e, tsy maninona fa adidy tsy maintsy atao daholo izany. @ firy ianareo no manainga ?

- ie, handeha mihitsy aho izao. Fa izao, inty misy rojoko apetrako aminao, ahatsiarovanao ahy. Dia etsy ianao alaiko sary amin’ny findaiko hataoko fijerijery eny.

- misaotra Harena. Alaiko sary koa ianao raha izany ka.

Dia nivanivany nifampaka sary teo izy roa, malaina hisaraka nefa dia voatery ifandao ka maso manganohano no nilaozan’i Harena. Hany heriny namboraka ny tao am-pony izy : “Ketaka, tiako ianao, hiverina tsy ho ela aho fa aza malahelo an !” . Natodiny ny lohany dia lasa koa izy sao tsy tafala teo anilan’ilay tiany.

 

            Nisosa ny andro, ary variana tamin’ny fianarana I Ketaka. Ary tonga ihany ny hafatra avy amin’ny Harena nandrasany mafy dia mafy : “Miala aty izahay” . Nidoboka ity fo keliny, nihiratra ny endriny fa ho afaka ora vitsy sisa, hirahira no tao an-tsainy. Ny androtr’io tena amin’ny trano famakiam-boky no naneno ny findainy. I Tsiry no niantso azy tao.

- manahoana I Ketaka ? aiza ianao izany ?

- hay, manahoana I Tsiry ? ela izany tsy niresahana izany, tamin’ny réveillon isika no nifankahita farany. Ka ahoana, raikitra ihany ilay handeha hanao tennis isika rehefa tonga I Harena ? Vitaiko daholo anio ny fianarako dia lasa isika telo,sa ahoana ?

- Ketaka a, ianao irery angaha no ao sa miaraka amin’olona ianao ?

- Izaho irery ka, mianatra aty amin’ny trano famakiam-boky mantsy aho izao. Fa ahoana ?

- Ketaka a, misy vaovao ity, mipetraha aloha ianao dia lazao ahy hoe aiza ianao izao.

- fa misy inona e ? vaovao ahoana ? tsara sa ratsy e ?

- mampalahelo ry i Ketaka a, hoy i Tsiry tsy nahatàna ny tomaniny intsony. Efa tetsy Antsirabe ry zareo. Nefa dia nisy loza nahazo azy ireo fa nivadika ny fiara nitondra azy.

- an ? dia ahoana ? tsy misy naninona ?

- Ketaka, tsy naninona I dada sy I neny fa mbola eny amin’ny hopitaly fontsiny izy ireo  miandry an’i Harena

- fa ahoana? maninona I Harena no andrasana, fa angaha naratra ?

- tsy mbola hay ny mahazo azy, fa tsy mahatsiaro tena fontsiny izy izao aloha. Mety misy maratra azy any anaty lohany any hoy ny dokotera. Lazao ahy hoe aiza ianao fa alaiko any dia mandeha miaraka mijery azy eny amin’ny hopitaly isika.

Kepoka tsy nahateny I Ketaka segondra maromaro. Fotoana vitsy taorian’izay dia indro izy roavavy nandeha niakatra ny tohatry ny hopitaly maika ery hijery ilay olon-tiana sy anadahy.

 

            Maloka i Ketaka, toa nitamberina tao an-tsainy ireo ora farany nifanaovany veloma, ilay sary nalainy sy ny hanihany nifanaovany teo am-pakana izany, ary …… ilay rojo. Niezaka niantso an’I Harena izy nahita azy teny amin’ny hopitaly, toy ny fanaony rehefa misy marary tsy mahatsiaro tena mba hiverenan’ny sainy, nefa dia toa very maina izany. Tsy namaly I Harena. Mba hanaitra azy dia noresahiny ny fotoana farany nihaonany :“tadidinao ve ny noteneninao ahy farany ry Harena ? Ketaka, tiako ianao, hiverina tsy ho ela aho fa aza malahelo an – Mifohaza Harena a, efa tafaverina ianao !” Nanganohany indray ireto dobo kely roa, ka naleony nangina aloha, nofihininy mafy ny tanany sao mba misy valiny, nefa toa lasa lavitra amin’ny torimasony ity tovolahy, reraky ny dia sy ny loza nahazo azy angaha.

 

            Nandeha ny volana, nefa dia mbola natory foana I Harena. Toa kivy ireto dokotera, na I Ketaka mpianatra ho mpitsabo ary nanaraka akaiky ny fahasalamany fa toa tsy nisy fivoarana firy loatra. Ity fo koa nalahelo mafy mahita ity olon-tiana tsy afaka mamihina sy miresaka toy ny taloha. Tsy nitsahatra nivavaka ho azy koa izy etsy an-daniny :“Andriamanitra mahay mandahatra ny zava-drehetra ka ny tsy hain’olombelona hain’Andriamanitra”.  Asa, nataon’ilay Avo indrindra ho azy ve ity olon-tiany marary mafy ity ka ho fitsapàna ihany izao ? Sa ho fisedràna ny tena fitiavany ? Na koa … mety tsy ho izy no nitana ilay taolan-tehezan’I Harena ? "ASA" no valiny. 

 

            Efa ho roa taona izao no narary tsy mahatsiaro saina eny @ hopitaly izy. Mpitsabo manokana ny momba ny olona voan’ny loza mitranga no nantsoina nitsabo azy. Ary toy ny misy fanantenana ihany no fijery omen’io dokotera io. Mety ho fahatairana no mety hanaitra azy hoy izy. Koa iresaho matetika izy fa mety hampiverina ny sainy ny mandre ny zava-misy resahinareo.

 

            I Ketaka kosa, vita fianarana ihany. Naka safidy ny handeha hanohy any ampita. Eny, te-hanadino ny fahoriany sy ny alahelony an’I Harena izy, nefa toa tsy mety. Koa dia nanapa-kevitra ny hiala ao Madagasikara hanalavitra azy aloha. Ny hariva mialoha ny handehanany no tonga nitsidika farany izy, eny fa na dia tsy ren’ilay malalany aza izany fanapahan-kevitra izany :

“ Harena,ianao moa dia tsy mety mifoha e, efa ela anie ianao no natory e ! Izaho ary efa nahavita ny fianarako dia ilaozanao matory fontsiny eo, tahaka’izay mba samy efa dokotera isika. Harena, mbola tiako foana ianao. Tsy misy olon-kafa afaka haka ny toeranao ato am-poko. Tazomy mafy ny tànako raha renao izany lazaiko anao izany Harena. Fa izao : handeha hanohy ny fianarako any ampita aho. Rahampitso aho no hanainga. Renao ve izany e ? “ ……. Injay toa reny namihina azy ny tànany taorian’io. Taitra I Ketaka “ fihino indray hoe ny tànako raha renao izany lazaiko izany ? “ Injay toa somary nihamafy ilay fihina nataon’I Harena. Nojereny ny milina ka miakatra tokoa ny tsosi-dràny ! “Harena sokafy ny masonao anie hijery ahy e ! Mifohaza amin’izay e!“ Toa nipendrapendrana moramora ilay maso te-hisokatra, niantso ilay dokoterany I Ketaka. Maso efa nisokatra kely no novantanin’ity farany ity.

 

  Niverina nifoha i Harena iray andro mialohan’ny handehanan’I Ketaka hanohy fianarana any am-pitan-dranomasina. Niantso an’i Tsiry izy ilaza vaovao, ary tonga avy hatrany ny fianakaviany nahare izany vaovao mahafaly izany. Nanazava azy ireo ny fandehan-javatra teo I Ketaka, ary dia nisaotra azy ny ray aman-drenin’i Harena. Fantatr’izy ireo tsara ny fahendren-drazazavavy sy ny fitiavany an-janany lahy, koa dia nitso-drano sy nampahery azy amin’ny fianarana no nataon’izy ireo, nanome toky koa ny hanome vaovao tsy tapaka azy momba an-janany. Nifamihina teo izy no tonga nilaza vaovao ny dokotera hoe afaka mijery azy ianareo, fa mandeha tsirairay. Nandeha nijery azy ny ray aman-dreniny aloha, I Ketaka no namarana :

- Manahoana I Harena ? hoy I Ketaka nitsiky fatratra nahita ireto masony roa nibanjina azy!

- manahoana tompoko, no valiny

(Hatory kely kosa aho fa toa lavabe ny redirediko izany androany an, amin’ny manaraka e!)

 

FARAN'NY TAONA TAMIN'IZAY ...

 

Tonga ihany ny krismasy 2009. Somebiseby ery ny rehetra niakanjo vao, hamonjy fivavahana. Andro malaza tokoa mantsy izany eo amin’ny malagasy kristianina. I Ketaka koa niakanjo mainjaika ara-damaody, miloko fotsy misy bokotra maity sy fehitratra maity koa, ny bikany koa manifinify rahateo ka nanendrika azy ery izany. Jejo ery ny anao vavy mihodikodina eo anoloan’ny fitaratra rehefa avy nanao lokomena tsy nandoko ireo sisin’ny masony, ravahan'izato volo lava ka dia soa aok’izany. I Fanilo kosa etsy akaikiny faly @ izato akanjo midoroboka miloko mavokely, ny volo voahaingo voninkazo. 

 

- Tsara ve izaho ry i Ketaka ?

 

- Ie, tsara mihitsy sady mahafatifaty kely toy ny zanak’andriana ! 

 

- izaho koa izaho rehefa lehibe hitovy amin’i Ketaka lasa tsara tarehy

 

- f'angaha indry izao moa ratsy tarehy ? ha ha ha 

 

- ohatran’ny somary mitovy amin’i dada ny endriko fa tsy mitovy ny an’i Ketaka ka! 

 

- tsy maninona re izany fa izay no mahazanak’i dada andry e ! Tsy ny endrika ihany no mahaolona fa ny hatsaram-panahy koa. Na tsara tarehy ary i Fanilo ka ilay olona ratsy fanahy be tsy mba tia hantra ireny dia lasa ratsy ho azy. Andraso aho aloha hiantso an’i Harena hiarahaba azy tratry ny krismasy. 

 

Naneno ny finday nefa toa tsy nisy namaly : “Efa lasa any ambanivohitra namonjy fivavahana niaraka amin’ny fianakaviany izy izay”. Nipika sary tamin'ny findainy izy mba ho fiarahabany, hajejoana koa no betsaka, dia nalefany sady nasiany hafatra hoe : "tratry ny krismasy Harenan'ny foko"  

 

- andao amin’izay sao tara fiangonana isika r’ankizy a ! hoy ny reniny nivoaka nytrano namonjy ny vadiny efa tongotra mby an-dakana ao anaty fiara.

 

 

 

 

Afaka herinandro dia higadona tokoa ny faran’ny taona. Roa andro taorian’ny krismasy no nifanao fotoana nihaona tao amin-dry Ketaka ny mpiara-mianatra : Lalaina, Solo, Tiana,ary Harena, izay vao nifankahita indray ireto mpifankatia. 

 

- niantso anao aho tamin’ny krismasy maraina fa tsy namaly ianao, hoy I Ketaka mantsy an’i Harena vao nahita azy,

 

- adinoko ny namahana ny findaiko dia tsy nandeha intsony ny maraina tsy ampy intsony ny tao anaty vaton’aratra. Misaotra @ ilay hafatra, sady nipika maso an'ila azy i Harena nitsiky,  

 

- ka inona no hataonareo amin’ny herintaona ? hoy i Tiana nanontany ny rehetra

 

- Tena mbola tsy haiko izay ho hataoko, efa nangataka hanao stage any amin’ny hopitaly any Fianarantsoa aho fa any koa ts’inona ny ray aman-dreniko, avy  eo aho miverina eto

 

- izaho dia hanohy ny etsy amin’ny hopitaly Andrianavalona fa tiako ilay eny, hary fitaovana ry zareo, hoy i Solo

 

- dia ho tafaraka foana izany isika roa ry i Solo, hoy i Lalaina, milay akiaizany fa mba tsy irery aho.

 

- ny ahy indray raha mba fantatrareo moa ity zavatra nataoko ? Nanao fifaninanana hiditra hanao “hôtesse de l’air” aho, itako hoe tsy sarotra ihany aloha ilay izy fa dia be dia be ny mpifaninana e ! hoy i Ketaka

 

- inona a a ? hoy izy efatra niara-niredona

 

- an an an, mba efa faniriako hatrizay ny hanao io dia nataotaoko tany fontsiny e! ha ha ha ! mba hijereko ny laharako mihoatra amin’ny hafa fontsiny.

 

- nefa koa tsy ratsy fa mahita tany maro no tsara karama an ! hoy i Lalaina 

 

- dia tsy hahita anao eny Ankatso intsony aho izany raha voaray ianao ? hoy i Harena sady lasa saina

 

- ô ry Harena a, tsara ihany tokoa anie io asa io e ! izany hoe tsy misy ifandraisany amin’ny fianarana ataony ankehitriny fontsiny e ! Ny dokotera koa anie efa feno.

 

- tsy dia mirona any loatra aloha ny saiko izao re ! hoy i Ketaka. Fa dia mitohy koa ny ahy eny amin’ny Hopitalin’i Soavinandriana e !

 

- ny ahy indray dia mety hidina kely any Toamasina aho amin’ny janoary io, handeha hijery an’i dadabenay any fa efa ela izahay no tsy nihaona. Efa antitra ihany izy ka aleo manararaotra mba mitsidika azy sady tena tia ahy izy izay. Afaka miaraka aminay sy i Tsiry i Ketaka raha te-handeha.

 

- mino aho fa tsy ho afaka sady tsy hamela ahy hiaraka aminao any an-tany lavitra any koa ny ray aman-dreniko.

 

- eny ary e ! Fa izaho manana fandaharana amin’ny faran’ny taona raha afaka ianareo : dia hisy alin-korana ao an-tranonay any Analamahitsy. Koa dia manasa anareo aho ho tonga, afaka mitondra olona iray avy ! Indreto ny karatra fanasàna, koa dia manantena ny fahatongavanareo namako aho, hoy i Harena

 

- andao ho any daholo e, hoy i Ketaka, raikitra an ?

 

- raikitra ! hoy izy rehetra nanaiky avy hatrany. 

 

 

 

Tonga ny faran’ny taona, somebiseby ery izay olona rehetra hita eny an-dàlana vonona ny handao ilay taona 2009. Indro zatovo 2 mifampitantana eny an-dàlana, toa mandinika azy ireo daholo izay mifanena aminy. 

 

- tiako tsy hifarana intsony ny fotoana toy izao ry i Ketaka

 

- izany ve ? Rahariva ihany anie isika dia hifankahita indray e !

 

- eny e, ka tsy izany anie no tiako ho lazaina e ! Sady norohan’i Harena ny takolany tandrify azy.

 

Tamin’io alina io no nifankahalalan’i Ketaka t@ ireo ray aman-dreniny izay tsapany fa tia azy koa. Rehefa samy avy nifampiarahaba tratry ny taona ny olona rehetra tonga tao @ ity lanonana, dia nandeha nisinda tany amin’ny efitra iray izy roa. Dina sy toky no nifanomezan’izy ireo tany ?

Ho vakianao amin’ny manaraka ny tohin’ny redirediko LOL !

AOKA ALOHA

 Alahady maraina tamin’izay. Raha mbola teo ampihomanana handeha hivavaka i Ketaka, dia naneno ny finday :

- allô ?

- manahoana i Ketaka ? I Harena ihany ity.

- Hay, manahoana ianao. Tsy mbola hariva anie ny andro e ! hoy i Ketaka nananihany. Sa misy fiovam-potoana ?

- an an an, mba te-hahazo vaovao vao maraina avy aminao aho. Tsy dia nahita tory loatra aho alina nieritreritra anao, tsara tarehy anie ianao ity e !

- hayyyy, ianao koa dia manatsafa loatra, toy ny rehetra ihany aho re ! Miala tsiny fa tsy afaka ny hitafa ela aminao aho fa efa miandry ahy ny ato an-trano fa handeha hivavaka izahay.

- eny ary e, rahariva an ! tsy andriko ery izany hiara-hitsangatsangana aminao izany. Veloma I Ketaka.

. . . . . . 

Injay nisy nandondona tao ambaravarana, reniny no namoha :

- manahoana tompoko, ao ve i Ketaka izay ?

- Iza moa ianao raha tsy mahadiso ? Izaho no reniny

- I Harena tompoko.

- Hay, ilay hiaraka aminy ho eny Ivato ? Andraso fa antsoiko izy, mandrosoa ianao dia mipetrapetraha ary aloha.  

- efa ity aho ry mama. Izy no Harena iray kilasy aminay, ary izy no ray aman-dreniko.

- faly mahafantatra, hoy rainy, fa aiza ianao no mipetraka ?

- Any Analamahitsy tompoko, fa ny raibeko no mipetraka efa elabe etsy Andravoahangy ambony eo akaikin’i “Tsiro”, ilay trano biriky menamena. Dia any aho no mody mandritra ny herinandro rehefa fotoam-pianarana

- Hay ? Sao ingahy Rabesata no anarany ?

- izy indrindra.

- hay zafikeliny ise e ! ise ve izany zanak’i Voahangy vavitokany e ? Mpiara-milalao aminay izy iny fahiny, hoy rainy.

- Voahangy tokoa no anaran’ny reniko. Hay mifankahalala ianareo ?

- ie, nisy fotoana izahay mpiray tanàna teto no niara-nilalao dia rehefa harivariva mandeha mividy gilasy ery amin’ny “Fleur de neige” ery Ampandrana. Nahafinaritra tokoa I Voahangy fa tia namana sy sariaka.

- dada, mila mandeha izahay fa tokony ho tonga eny Ivato amin’ny 3 ora.

- eny ary e, aza alim-pody loatra ihany na izany ary. Mitandrema tsara amin’ny fifamoivoizana fa be ny olona @ izao krismasy efa manakaiky izao.

- eny tompoko, aza matahotra ianareo.

Dia lasa nandray fiara ireto tanora. 

- hay, tsy nampoiziko indray iny hoe mifankahalala ny ray aman-drenintsika, hoy i Harena. Misy ho tantaraina amin’ny neny iny an !

- izaho koa mba gaga !  

- natory tsara ve ianao tamin’ny alina ry Ketaka ?

- ie, natory tsara aho ka, hoy razazavavy nanafina ny fahafaliam-pony sy ny fanontaniana niboiboika tao an-tratrany saika tsy nahandrasany ilay fotoana.

- izaho tsy natory firy anefa nieritreritra anao, hoy ny valiny sady nitsiky nangalam-pijery azy. Saika hiantso t@ finday mihitsy aho saingy efa tara loatra!

Dia nitohy resaka fianarana ny namenoana ny dia, ary betsaka tokoa ireo hevitra nifandraisany. Samy miomana ho mpitsabo moa izy ireo koa  dia tsy nahagaga raha nahita resahina ny momba izany.

. . . . . . 

Nony efa tafainga ny fiaramanidina dia nandeha nisotro zava-pisotro izy roa :

- misy olona miaraka aminao ve izao ry Ketaka ? sao dia misy mahita ka sao ahitàna angano

- tsia re ry i Harena a, ianao no asa, sao dia lazain’ny olona fa miaraka isika.

- maninonamoa raha lazaina ary fa miaraka isika ? tsy mampaninona ahy aloha e !  Fa tsy manana sipa izany aho ka. Vao mitady, hoy izy nibanjina azy.

Niondrika i Ketaka nahare izany, nidoboka ity fony no somary menatra izy.

- Ketaka, menatra angaha ianao ?

Tsiky no nasetrin’i Ketaka izany, sady nangovitra ny tanany.

- mbola tsy fantatrao ihany ve ry Ketaka fa . . . misy olona miaraka amiko izao ?

- Hay ? ka sao dia ahitan-doza ary fa aleo tsy be mpahita toy izao e ! Na ireo namanao teo azy toa nanontany maso anao daholo nahita ahy koa !

- Ketaka, tsy mampaninona izany. Sady noraisiny ny tanan’i Ketaka no notazoniny. Misy olona miaraka amiko eto akaikiko izao. Sady efa ela no nandinihiko azy, fa izao aho vao afaka miresaka malalaka aminy. Fantatrao ve hoe iza izany e ?

- eny e, izaho irery no eto akaikinao izao, hoy ikala nihomehy. Izaho anie tsy mbola mahay tsara ny momba anao e. Mpiray kilasy isika no niara-nijery sinemà omaly dia izay.

- Ketaka a, mbola tsy dia hariva loatra ny andro fa raha tianao dia afaka ny mandehandeha miresaka ery amoron-dranon’Ambohibao isika na folo minitra fontsiny ary.

- . . . . 'ndao ary e, hoy i Ketaka somary nihaotratraotra ihany, nefa nanaiky nony nieritreritrafa mifankahalala ny ray aman-dreniny.

Afaka 15 minitra dia tonga teny amoron-drano izy roa, betsaka ihany ireo olona no mbola manararaotra ny harivariva manjono sy mbola tsy maika ny hody.

- Ketaka, efa fantatrao ny anabaviko. Akoatra izay dia efa niaraka tamin-javavavy izay aho teo aloha, eny e, raha azo lazaina ary hoe niaraka izahay satria tsy naharitra akory ny fiarahanay. Tokony ho 1 volana teo dia niaraka tamin’olon-kafa izy, ary nilaza tamiko ny marina. Izaho koa moa tsy dia niraika loatra taminy ny fitiavako ka tsy nampaninona ahy.

- fa rehefa ahoana dia miraika ny fitiavanao ry Harena ? ary manao ahoana izany ?

- Ketaka, misy zavatra mampanintona ahy aminao, sady nanakaiky ny tarehiny izy, efa ela no naniriako ny ho eo anilanao toy izao. Tsy tsapanao ve izany e ? Ketaka a . . . . . . 

Nanoroka azy moramora teo amin’ny molony izy, toa nanaiky norohany koa i Ketaka, ary dia hoy ny eritreriny hoe : “miaraka izahay”. Naharitra segondra vitsivitsy izany ka raha tsy voadona ilay fandefasana kapila mangirana nandefa ilay hira hoe : “Endless love” no nampisaraka moramora azy ireo.

 

Nitokelaka izy roa, hoy i Harena :

- misy ahatsiarovana izao fotoana izao izany hira izany.  

- Harena, tsy mbola niaraka tamina tovolahy izany aho.

- matokia ahy ianao fa tiako ny manaja olona

Nifamihina indray izy roa, toy ny vetivety, nefa ny andro efa nanomboka ho maizina.

- andao isika hody fa efa miandry izay i dada sy i mama.

- eny ary e.

Nizotra moramora namakivaky ny vahilava, nihazo an’Ambohimanarina sy Ankazomanga. Faly ery ny maso nijery itony jiro miloko maro manaingo ny sisin’arabe sy eran’ny mpivarotra. Efa akaiky ny krismasy tamin’izay.

- Ketaka, matoky izay voalazako ve ianao e ?

- eny, matoky aho, hoy izy nitsiky malefaka, nifandray indray ireo tànana tao anaty fiara. Fa izao : ny fiaranarako dia tsy ho ataoko ambanin-javatra na dia eo ary ny fiarahantsika, tiako ho tafavoaka ho dokotera aho ry Harena, izay no kinendriko eo amin’ny ho aviko.

- ho avintsika izany ry Ketaka. Izaho koa te-hamita ny fianarako. Aza manana ahiahy ianao fa tsy hanakana ny dianao aho akory. Vao maika ary ho tafara-dia isika satria mitovy ny atao, iza mahita any aoriana any !

Tonga sahady teo Mahavoky ny fiara.

- Ianao izany hody any Analamahitsy izao ?

- ie, tsy maintsy mody any aho fa mbola any ny fitaovako sy ny fitafiako amin’ity herinandro ity.

- Harena, rahampitso indray isika mihaona ny Ankatso an ! veloma ianao

Tsy naharitra i Harena fa avy hatrany dia nanoroka azy sy namihina azy alohan’ny handehanany :

- Ketaka a, tsy andriko ny rahampitso ahitana anao.

Lasa i Ketaka nody moramora sady nikopa-tànana azy tery lavitra tery. Ny finday no nanaitra azy vao niditra ny trano :

- manahoana indry ry Ketaka, i Lalaina ihany ity e.

- inona akia no vaovao a ?

- any amindry izao no misy ? nanao ahoana ny sinéma ?

- tsara ka, mandehana anie jereo e !

- an an an, tsy izay no tiako ho lazaina akia !!! Ianareo sy Harena ?

- hay indry ity koa mba tena te-hahalala be ka ! nahafinaritra akia izy sy ny anabaviny a ! Dia androany izahay niaraka teny Ivato nanatitra ny namany.

- dia ahoana ?

- izao ary e, sady nihomehy kely i Ketaka, miaraka izahay !

- miaraka a ? mifampisipa ve ?

- eny akia!

- fa ahoana no anaovandry izany ? f'angaha . . . . . 

- mifankatia akia izahay a, raha tiandry ho fantatra bebe kokoa akia dia nifanoroka izahay androany.

- io akaikiko io i Solo e, renay daholo izany akia. “Beau couple“ kosa ianareo roa koa !  

- ny fianarako aloha akia izao no tsy tiako atao ho ambanin-javatra. Rahampitso hariva ilay hiaraka hianatra isika telo an, aza adino ! Sady hikarakara ny dossiers any amin’ny hopitaly koa sao tara loatra.

- eny ary akia. Rahampitso miresaka bebe kokoa !

- Veloma akia.

Roa herinandro taty aoriana an-katoka ny krismasy. Nitohy ny fiarahan’i Harena sy i Ketaka, mifanao fotoana mianatra koa. Ary lasa mpinamana izy efatra mianadahy. Talata ny andro ary teo ampiandrasana an’i Solo sy i Lalaina i Ketaka sy i Harena tao Andravoahangy ambony. Injay niantso i Solo nilaza fa tsy ho afaka fa voatery miandry trano, ary toa nanambara koa fa mety tsy ho tonga i Lalaina fa toa milaza marary. Niantso i Ketaka naka vaovao momba an'i Lalaina :

- efa amin’ny 2 ora sasany anie izao e, tamin’ny 2 no fotoana sao adinondry

- tsy ho afaka ny ho tonga aho akia, efa teny an-dàlana aho no niverina fa mahatsiaro ho fanimpanina, voan’ny gripa.

- hay, aza manam-be ary akia. I Solo koa tsy ho avy fa efa niantso teo. Izahay sy I Harena irery izany sisa. Makà aina tsara akia fa efa akaiky koa ity ny fety a ! Avelako ary indry hiala sasatra e !

Nilaza ny vaovao tamin’i Harena i Ketaka nony avy eo. Ary dia niezaka nianatra izy roa.Tokony ho efa tamin’ny 4 ora teo dia nanomboka efa reraka ny sainy ka nandeha ny karajia sy ny tokelaka. Ary dia tapa-kevitra fa hajanona aloha ny lesona. Rehefa samy nihomehy teo dia niafara tamin’ny fanorokoroka. Toy ny natao ho azy ireo irery koa ny trano fa nifanojo tamin’ny nandehan’ny raiben’i Harena tany ambanivohitra. Nanafosafo ny endriny ery i Harena no nandinika azy.

- tsy mbola nahita tovovavy tsara endrika toa anao aho ry Ketaka, sady norohany indray.

- Harena

- ahoana izay ? 

- sao lasa lavitra lahy izao ataontsika izao, fa andao hivoaka, sady efa hiverina koa izay ny dadabenao.

- dadabe tsy miverina raha tsy rahariva ka, izay no nahatonga ahy niantso anareo hianatra ato an-trano androany, tsy ho voahelingelina. Matahotra ve i Ketaka ?

- Harena, hainao ny tiako lazaina. Na izaho na ianao mety samy tsy hahatohitra ny fankam-panahy.

- Ketaka, ateriko ianao rehefa avy eo. Tsy mbola ho tonga izao i dadabe.

Nosafosafoiny ny volon’i Ketaka sady nifanoroka izy roa, nangoro vitsika i Ketaka. Tovovavy tsy mbola nahalala fitiavana izy, nakafy ny safosafo sy ny oroka nataony. Nibitsika moramora tao an-tsofiny i Harena nanambara zavatra mbola tsy reny hatramin’izay niarahany :

- Ketaka, tsy mbola nitia olona toa anao aho, ary mbola tsy nanao toy izao tamin’olon-kafa afa-tsy ianao

- Harena, nefa nilaza tamiko ianao anefa fa efa niaraka tamin’olona teo aloha

- eny e, fa hoy aho taminao fa “raha azo atao hoe niaraka ary” satria tsy naharitra ela izany, tsy nikasika azy toy izao aho, ianao no olona voalohany ataoko toy izao

- Harena, izaho koa tsy mbola nanaiky nataon’olona toy izao raha tsy taminao.

Nangina ho azy ny molotr’izy roa sady nifanena indray. Injay toa namaha ny bokotr’akanjon’i Ketaka i Harena no taitra tampoka ikala.

- Harena, tsy mbola vonona aho. Nataoko ho an’ny vadiko ny fahadiovako.

Sady natosiny moramora ny tanany.

- eny ary fa hanaja anao aho. Marina ny teninao.

Samy tsy nisy niteny, re nanidina ilay lalitra tokana, toy ny samy menatra. Harena no namaky ny fahanginana voalohany :

- aza matahotra ianao fa na ny ray aman-dreniko koa ary mananatra anay ny momba izany. Eto aho vao mahatsapa fa sarotra ihany ilay mitandrina, tsy araka ilay hafatra fontsiny. Handao haka rivotra handehandeha isika roa.

eny, izay no mety angamba ! 

Indreny ny olona mitanjozotra avy niasa, mamonjy mijery bazary noely. Nanararaotra koa izy roa nifampitantana tsy ho tafasaraka. Toy ny vao maika nanamafy ny fitiavany ny hevitra nomen’ny ray aman-dreniny azy ireo momba ny fiarahan’ny tanora. Nampirimin’i Ketaka tsara tao anaty kitapony indray ilay karatra misy soratra “aoka aloha“ nozaraina ho an’ny tanora. Ary dia tsiky no nasetriny ny eritreriny niteny hoe : "soa ihany" nony tao am-pandriana izy. Tsy adinony ilay hira fony izy nifanoroka voalohany, ka nohenoiny teo ampitadiavana torimaso.    

FITIAVANA SA FIHETSEMPO MANDALO ?

Zoma alina tamin’izay, efa manomboka ny faran’ny herinandro, nefa mbola hianatra i Ketaka ny sabotsy maraina. Koa tsy naharitra h@ 11 ora sy sasany izy fa vao vitany ny lesona momba ny lalàna dia natory avy hatrany izy, mbola hianatra vao maraina. Rehefa avy nanapika jiro izy dia indro nitamberina tao an-tsainy ny resany tamin’ny namany teny an-dàlana, momba ilay trano misy matoto etsy Ankadifotsy. Manangatra tokoa moa izy io araka ny tantaran’ny maro, ary nanamafy izany ny fitantaran’i Lalaina  :“ny rihana voalohany no tsy azo ipetrahana mihitsy, indrindra amin’ny alina fa raha matory ao dia eny an-tokotany no mifoha maraina, izany hoe misy mibata eny hono”. Natahotra mafy ikala nieritreritra izany, ny andro alina rahateo koa dia norakofany lamba lohany mba hanafana azy haingana ahitany torimaso. 

Feo niantso tampoka no nanaitra azy nony efa tamin’ny 3 ora maraina. Nitomany ity zandriny ka nifoha izy nampangina azy :

- Ketaka, Ketaka, aza ilaozana aho fa matahotra !

- ssss, mangina fa maninona ianao ?

- aza ilaozana aho fa matahotra

- manonofy ianao fa matoria. Eto akaikinao ihany aho fa tsy lavitra e !

Rendriky ny torimaso indray ity zaza nangina tampoka, tena tao anaty nofy tokoa. Ity zoky vavy kosa niverina naka torimaso koa. Injay anefa nisy nandehandeha tao an’efitranony. Feona dia tongotr’olona mandehandeha manao kapa “scoubidou”. Tsy misy manana ireny anefa ao an-trano. No tao anaty aizina koa ilay izy. “I Mama na I Dada angambany izany nahare an’i Fanilo nitomany teo, nefa toa tsy fombany ny mikiraro ao an-trano”. Rehefa nieritreritra kely izy dia raiki-tahotra ka nasitriny ny lohany tao anaty bodofotsy. Tsy sahy nitsikilo intsony izy. Afaka 5 minitra teo dia tsy nahare inon’inona intsony izy. Navoakany moramora ny lohany tao anaty aizina, nosokafany tsirairay ny masony, ka … injay feo nandondona mafy ny rindrina teo akaikiny avy aty anatiny no henony ary io misy vaingan-javatra boribory maitimaity mivezivezy eo amin’ny rindrina manome ilay feo.

- “Tena matoto ity”, hoy izy anakampo.

Saika hiantsoantso mafy :

- “Dada a aa !”, nefa tsy tafavoakany ny feony fa toy voahidy mafy ireto molony roa, toa tsy hainy ny nanokatra azy na dia nampiasa hery ary izy. Tsaroany tampoka ilay teny tamin’ny toriteny tany ampiangonana hoe : “antsoy Jesosy @ androm-pahorianao fa hamaly anao izy”

-  “Jesosy ô, ampio aho, reseo io matoto io Tompo ô” , hoy ny vavaka tany an’eritreriny … Poa toy izy dia nijanona tokoa ilay dobodoboka ary nanjavona ilay zavatra.

Mbola tafatory kely izy nony avy teo mba hamono eritreritra hiatrika ny andro vaovao. Nefa tsy naharitra ela izany fa voatery nahandro vary sosoa sy nanendy kitoza izy ny maraina atao sakafo.

Rehefa tafahomana, izy dia nifanena tamin-dreniny :

- maika aho fa tara, toa efa nifoha i Fanilo ao raha tsy diso aho

- fa nisy inona retsy iny maraindraina iny no nitomany ilay zaza ?

- nanonofy ratsy fontsiny izy angambany, ho tantaraiko aminareo ny nahazo ahy rehefa tafaverina aho, fa lasa aloha sao tara, "bonne journée" mama sy dada. Efa ao ny sakafo maraina.

Raha teny ambony fiara fitaterana izy dia nitady izay zavatra hanalany andro @ ity sabotsy ity. Tapa-kevitra ny anao vavy fa “hitsaty” @ ireo namana amin’ny internet, manantena ny ho tafaresaka amin'i Marina, Beby, Raedy na i Maeva. Nikasa hijery sary mihetsika koa anefa, asa raha mba misy namana afaka miaraka.

- manahoana i Ketaka, injay feo nanakatra hiresaka aminy

- manahoana ianao, hoy izy nitsiky t@ ilay tovolahy iray kilasy aminy teo akaikiny

Tovolahy tsara endrika, ranjanana, zarazara hoditra, mirijarija fitafy, maotina nefa sariaka i Harena.

Dia nitohy ny resaka :

- inona no vaovao ? Hainao ve fa nivoaka androany ilay film 2012 ? niresaka be avy hatrany.

- tranon-tsinemà aiza no misy azy ? izany ve tsy ilaharana be ! hoy i Ketaka

- izay aloha e ! Izaho hijery hiaraka amin’ny anabaviko rahariva, mbola misy tapakila famandrihana iray aty amiko raha hijery ianao.

- an an an, izany mandeha irery izany tsy laitrako kosa ka !

- ka miaraka aminay anie no tiako lazaina e ! Sady nitsiky i Harena nijery azy nanontany.  

- tsy mahasosotra ny anabavinao ve izany ?

- ka saika ho an’ny namany io toerana io fa tsy afaka tampoka ilay olona dia niteny ahy izy mba hitondra namana. Tsy maninona re izany e, mahafinarita anie ny zokiko e, ho hitanao rehefa miresaka aminy ianao. Sady mba te-hahafantatra bebe kokoa anao aho fa efa volana vitsy ihany izay nahairay kilasy antsika izay nefa toa mbola tsy nisy fotoana nifankahalalantsika hatramin’izay.

- izany tokoa moa ? eny ary e, amin’ny firy ny fotoana ? ary aiza ny ilay sinemà ?

- etsy amin’ny KANTO ilay izy, tsara raha eny no mifankahita rahariva amin’ny 3 ora sy sasany.

Toy ny olona efa nifankahafantatra h@ ela ireto tanora roa, tonga dia niara-dàlana sy tafara-nipetraka tamin’ny dabilio iray fa efa nanomboka ny fampianarana. Faly ery i kala nahita handaniana faran’ny herinandro aloha fa be loatra izay lesona izay, i Harena koa jenitra sy faly tafara-dàlana tamin’ity tovovavy mahafatifaty …

Tonga ihany ny mitatao vovonana : 

- rahariva ary e, hoy ity tovolahy nanafatrafatra ihany sao diso fanantenana

- eny ô, misaotra mialoha

- Ketaka a, sao hody hiaraka aminay indry fa misy toerana iray ato anaty fiara ? hoy ny feon’i Lalaina sy i Solo etsy niandry azy.

- an ? ie, ho avy tokoa aho akia fa efa noana izany. Rahariva Harena a, mazotoa homana e !

- misaotra e !

Tao anaty fiara : (tohiny)

SAIKA VOATETIKA I KETAKA

     Andro vitsivitsy taty aoriana. Nody atoandro hisakafo tany an-trano izy. Toy ny  mahazatra moa dia mody haingana mba ho tafaverina haingana, mba tsy ho tara any ampianarana sao hindrana lesona amin’ny namana indray ny hariva ! Dia indro nisisika ho tafiditra amin’ny fiara fitanterana indray. Tafiditra ihany ny anao vavy t@ ity indray mitoraka ity, tsy dia be ny ankizy nody moa no niafiany tao koa. Olona telo izy no nidina, niala teo Andravoahangy ambony, teo ampitan’ny Sekoly Rasalama. Nisongona azy ireo ilay fiara fitaterana lasa, mbola feno be ka mino aho fa nisokatra daholo izay ny mason’ny olona na lahy na vavy tao anatiny nahita an’i ramatoakely.

             Tampoka teo, injay feo niantso azy :

- Eee, azafady anie akia, misy tataka be ny patalohan-dry aoriana, hoy ity tovovavy iray.

- An ? Aiza izany ? hoy izy sady niezaka nijery sy nitsapa.

- Eto, sady noraisin’ity niantso ny tanany napetrany teo amin’ilay faritra nisy loaka.

Hay tena tataka tokoa ilay pataloha. Saingy tsy tata-jaitra na rovi-damba akory, fa ……… hita be izao fa nisy nanataka tamin’ny "Gillette".

- Misaotra akia, hoy i Ketaka sady akona.

Akona tsy noho ny henatra ihany, satria tena teo amin’ny tandrifin'ny ny fitombenany ilay izy ka tazana koa ny nanolo sosona ilay pataloha. Akona fa rehefa nitamberina tao an-tsainy dia tsaroany fa olona iray avy no teo alohany sy tao aoriany tao anaty fitaterana, sady lasa eritreritra ihany izy hoe : “Soa fa tsy ny tenako no voaratra tao ! Asa izay nanjo raha izay no zava-nisy ! Ary maninona koa moa ny olona no misy ratsy toetra toy izany ? Dia tena misy tokoa ny marary saina mianatra eny Ankatso ve ? Faly ery ve izay ilay olona io nitazan-davitra ahy e ? Asa lahy !“ hoy izy anakampo. Dia iny i Ketaka nanao dia tongotra maika, sady nanakona ny taoriany tamin’ny kitapony.

                        Nony hariva efa folak'andro iny, tokony ho tamin’ny 4 ora teo ho eo, tapitra ny taranja tokony natrehiny androany. Iny izy nanatona ireo zatovo namany vitsivitsy niresaka tamin’izy ireo. Nifanao fotoana moa ireo hoe handeha tongotra hody dia mba miresaka eny an-dàlana eny no mba miala amin’ny mahazatra kely ny saina efa reraky ny fianarana. Eny ary fa dia raikitra ny hody tongotra.

Kli … kli … kli … naneno ny finday  :

- allo ? Mama ?

- izaho ihany ity e ! Aiza ho aiza indry izao e ?

- efa hody aho fa somary tara kely fa handeha tongotra hiaraka amin’ny namako aho

- tokony @ firy indry no tonga mba asaiko miantsena kely hatao sakafo androany hariva fa tsy afaka aho fa somary reradreraka kely izany !

- vao miala aty izahay izao, fa inona anefa no tokony ho vidiana ary e ?

- saika hoe vary amin’anana izao no manafana tsara @ izao ririnina izao e !

- hay, tena tiako izany ry mama. Andraso fa vidiako aty ny fangaron’anana : anamamy, anatsonga sy anandrano moa ?

- ie izay mihitsy, sa vidiandry any rehefa mandalo ny tsenan’i Besarety indry ? Dia aza adino ny mividy voatabia iray toko, ny tongolo maitso moa efa misy ato an-trano.

- tsy misy adino ve izany ry mama ô ?

- inona indray moa no tokony ho adino eo ?

- ny hena atao aminy e !

- indry ity koa mba tenda-kanina mihitsy kah ! ha ha ha ! angaha ny ntaolo voatery mihinana hena @ vary amin’anana izany ? indrindra rehefa hariva fa mavesatra ny hena !

- hay y y y, mama koa, hoy ny feony niangoty, asio hena re azafady fa mba reraka koa anie izahay ankizy amin’ny fianarana e !

- an an an, efa misy saosisy ato ary e, raha tiandry dia hanendy kely vitsivitsy aho hatao laoka ary e !

- hay, vao maika tsara ! misaotra mama an ! aleo fa karakaraiko izany rehetra izany raha reraka i mama ary e.

- hay, miandry andry ary ny raharaha ato e ! rehefa avy eo retsy e !

         Nitsiky I Ketaka nanapika ny findainy nitodika niresaka tamin’ireo namany. Samy niresaka ny laoka tena tiany sy ny fikarakarana izany moa izy ireo nanalàna ny dia. Ny an’i Tiana henakisoa sy vorontsiloza fatao andro fety hono, ny an’i Solo kosa ny “hors d’oeuvre” no tena hankafiziny indrindra rehefa iny mangatsiatsiaka avy nivoaka ny vata fampangatsiahina iny ilay izy, ary ny an'i Lalaina ron’akoho sy sakamalaho no tena ahazoany aina rehefa reraka iny fa ahatsiarovany ny fahazazany teny ambanivohitra. Ny an’i Ketaka moa dia efa fantantsika fa ny saosisy nisaotsaorany ny reniny teo !!! Teo Betongolo teo amin'ny "Infirmerie de garnisons" no nivily làlana i Tiana fa any Avaradoha no mipetraka ka nihazo ny toby miaramila R3A iny no làlany. Izy sy ireo namany sisa kosa nanohy hatreo Besarety teo akaikin’i mpivarotra “Tselatra”, ity roa vavy namany moa etsy Ampandrana no nody, ary i Ketaka nandeha niantsena araka ny hafatry ny reniny avy eo alohan'ny hodiany etsy Mahavoky.

         Vao tonga tao an-trano izy dia ny hikarakara sakafo no vaindohan-draharahany. Io reniny mijery tranokala avy namaky ny “bolongan’i Jentilisa” fa tia manaraka politika koa mantsy izy.

- avia indry raha hijery ity, hoy reniny nahita an-janany tonga

- aiza ? noheveriko ho blaogin’i Jentilisa anie no fijerin’i mama, hay i Kdaombaramita ? Ie, efa fijeriko matetika io ka, misy mahaliana ihany indraindray !

- vao avy namaky ny Maresaka Veto mihitsy aho io, mahaliana tokoa ilay iakalahy io raha hamoaka hevitra ka ! I News2Dago koa tsy ratsy ny heviny.

- marina mihitsy izany, tena natao ho an'ny mpanaraka politika an. 

- fa jereo ity poezia kely "Fiadiana tsara indrindra" napetrak'i Kdaombaramita ity anie, mahafinaritra ery ! Hoy reniny. 

- ary efa itan'i mama ve ilay lahatsoratr’i Kdaombaramita mitondra ny lohateny hoe “Ianareo lehilahy ireto tena tsss … !” fa mahatsikaiky tokoa ilay tantara sy ny fifanakalozan-kafatra e, vakio anie ! Fa lasa aho aloha hikarakara sakafo avy hatrany dia mba malalaka rehefa avy eo.                

          “Notetehiny madinika ireo anana avy nosasana, ireo voatabia telo sy ny tongolo maitso koa, novoasany ny silaka tongolo gasy roa dia nototoiny t@ laona vato. Avy eo nendasiny aloha ny voatabia, narahiny tongolo maitso sy ireo voatoto, ary rehefa afaka dimy minitra teo dia narotsaka ireo tetik’anana mba ho mendy miaraka, nasiany atsasaka "omby volamena". Tsy dia nataony masaka loatra ireo na izany ary fa manjary maty ny otrik’aina entiny. Nataony ambony fatana ny saosisy avy notsindrotsindromina t@ sotro rovitra mba hivoaka tsara ny saosy alohan'ny anendasany azy. Natokony ny vary, ka rehefa masaka dia nafangarony @ anana @ izay, ary rehefa nangotra-tokana dia novonoiny ny afo. Ny sira, iny moa dia samy eny an-dovia moa no samy manisy ny azy, fa araka ny hafatry ny dokotera dia tsara kokoa ny sira manta noho ny mihinana sira masaka”. Matsiro tokoa izany vary amin’anana sy saosisy @ andro hariva an !!!

         Rehefa vita izany dia nandeha nisaika mba hanala havizanana izy, no indro koa niditra ny trano ny rainy. Tafahaona izy efa-mianaka kely ny hariva teo ambony latabatra no samy nitantara ny zavatra itany avy ny androtr'io. Gaga sy sosotra ery rainy nahare ny nanjo ity zanany vavimatoa tao anaty fiara fitaterana. I Fanilo zandriny moa efa nanomboka nihidy ireto dobo kely roa ka tsy naharitra nihinana tsindri-tsakafo fa nobataina nankany am-pandriana fontsiny no niafarany.

         Vita ny sakafo ary iny I Ketaka namonjy ny fandriany ao an’efitrano misy ny zandriny izay efa nanidina ny lanitra fahafito, nianatra lesona h@ iraika ambiny folo ora alina.

 Tafandria mandry kosa ary ianareo izay mamaky ity redirediko ity ô !!!   

 

(Hahita ny tantara kelin’i Ketaka ianao eny antsefatsefany eny rehefa tsy mahita soratana i Kdaombaramita. Izy ity dia fanazarako ny tenako manoratra @ teny malagasy fontsiny) 

 NB : Aza adino ilay lalao BOMBS 2009 Kiss

         I Ketaka dia itony zazavavy jejojejo itony Kiss, manao fitafy manara-damaody. Izay andalovany ny tovolahy miherika avokoa, maniry na dia ny hiresaka aminy fontsiny aza sao mba tojo izay taolan-tehezany izy ireny ! Izy moa mpianatra teny amin’ny ambaratonga ambony teny Ankatso. Azo lazaina fa be namana sy tia mivazivazy, tia misariaka amin’olona. 

 

TENA NAMANA

         Tonga ny hariva amin’ny 6 ora sy sasany. Indro nivoaka ny efitrano fianarana izy, toy ny rehetra. Efa maizina ihany moa ny andro satria ririnina t@ izay. Namonjy ilay toerana fiantsonan’ny fiara fitanterana ramatoakely. Efa bebe ihany ireo zatovo no niandry  teo. Tsy ampy ireny fiara ireny rehefa mirava faobe toy izao ny mpianatra eny Ankatso. Koa azo an-tsaina fa rehefa misy iray miala any dia ifanenjehana ny ho tafiditra ao anatiny, maika ny hamonjy ny tranony avy moa ka tsy misy mifanome tsiny intsony. Anisan’ny mba nifandrombaka ny ho tafiditra koa i Ketaka tamin’ity indray mitoraka ity. Kinanjo moa sady nikisaka moramora ilay fiara fitanterana, ka ny tovolahy be sandry no nahazo vahana. Koa dia mazava ho azy fa niala maina izy. Io izy tafajanona, toa niondrikondrika irery tao anaty aizina. Niantso ireo namany toa nitady fanampiana .......... Hay nisy nanitsaka ny kirarony havanana, ka tafala teny an-tongony, maity ny lokony ka sarotra ny nahita azy tao anaty aizina. Niarahan’ireto zatovo vitsivitsy nitady ka indry tery lavidavitra tery no indro hita ihany. Nisaotsaotra ery ikala no sady niaraka nivanivany izy rehetra avy eo. Mana-namana tokoa i Ketaka manampy amin’ny fotoan-tsarotra!

 

(Hahita ny tantara kelin’i Ketaka ianao eny an-tsefatsefany eny rehefa tsy mahita soratana i Kdaombaramita. Izy inty dia fanazarako ny tenako manoratra fontsiny fa tsy hoe mifaninana amin’ny kalaza toa an’i Maeva74 ankafiziko indrindra akory Tongue out)