20 Oktobra, 2011 13:59
Boky notsongaina
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (2) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
T@ mbola kely izany ny boky famaky tany an-tsekoly dia ilay hoe Méthose Boscher, asa mbola io foana ve no ampiasain'ny kilasy misy ny ankizy kely @ izao. NAhavariana ahy izy io ary nahafinaritra tokoa fa feno sary, ny récitations ao antiny moa dia mbolatadidiko h@ izao ora anoratako eto izao. Dia inona hoy ianareo f dia nividianako io mihitsy ny zanako fa io no nahalehibe ahy sy nitaizanna anay mivady fa toa io koa no nampiasainy tamin'izy mbola kely. Ilay sary kely ao anatiny nampandrevy tokoa, ary diat sy niova mihitsy h@ izao anoratako izao ilay boky. Nanampy io ny boky teny malagasy dia ilay hoe "Handeha hianatra izahay". Asa re raha mbola misy io boky io ankehitriny. Tadidiko mihitsy ilay hira tao anatiny fa nampalahelo be ahy:
"Tsy mba renareo ve izany
voromanga tsara feo
toa mihira toa tomany,
ao anaty hazo eo
Ref : Voronkely maty reny,
izao mihirahira izao
tafasaraka amin-dreny
ny kamboty kely ao
Ny papango izay mandalo
toa hifaoka avokoa
tonga maro fahavalo
fa tsy ao ny reny soa"
Ny hafa nanamarika anay koa dia ilay hoe : "Anganon'ny ntaolo". (tohiny)
10 Oktobra, 2011 09:53
RAha toa moa ka ... ! (pouce za ry Dot a) :)
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Hehy ][ (2) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Une mère rentre dans la chambre de sa fille qu'elle trouve vide. Sur le lit une lettre. Elle imagine le pire en ouvrant la lettre :
Ma Maman chérie,
Je suis désolée de devoir te dire que j'ai quitté la maison pour aller vivre avec mon copain. Il est l'amour de ma vie. Tu devrais le voir, il est tellement mignon avec tous ses tattoos, son piercing et sa super moto. Mais ce n'est pas tout ma petite ...............maman chérie. Je suis enfin enceinte et Abdoul dit que nous aurons une vie superbe dans sa caravane en plein milieu des bois. Il veut beaucoup d'enfants avec moi, c'est mon rêve aussi. Je me suis enfin rendu compte que la marijuana est bonne pour la santé et soulage les maux. Nous allons en cultiver et en donner à nos copains lorsqu'ils seront à court d'héroïne et de cocaïne pour qu'ils ne souffrent pas. Entre-temps, j'espère que la science trouvera un remède contre le sida pour qu'Abdoul aille mieux. Il le mérite vraiment tu sais. Ne te fais pas de soucis pour moi maman, j'ai déjà 16 ans, je peux faire attention à moi toute seule et le peu d'expérience qui me manque, Abdoul peut le compenser avec ses 44 ans. J'espère pouvoir te rendre visite très bientôt pour que tu puisses faire la connaissance de tes petits enfants. Mais d'abord je vais avec Abdoul chez ses parents en caravane pour que nous puissions nous marier. Comme ça ce sera plus facile pour lui pour son permis de séjour. Ta fille qui t'aime. PS : Je te raconte des idioties maman, je suis chez les voisins ! Je voulais juste te dire qu'il y a des choses bien pires dans la vie que le bulletin scolaire que tu trouveras sur ta table de nuit. Je t'aime...
Nicole: tu es 1 ... ange
====> zaza tsy manjary mihitsy itony zaza ankehitriny itony
-------------------------------
05 Oktobra, 2011 09:53
Mihetraketraka Androïd 2.3.3
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Etsy sy eroa ][ (3) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Izao indray ary no azoko entina apetrako eto anio. Hetraketraka satria nanimba sy nanome fo ahy ilay izy ary nandany ny androko tsy araka ny nampoiziko azy.
T@ sabotsy alina aho no nahita tampoka raha nisavasava tao anaty findaiko hoe misy mis à jour vao tonga indray ny momba ny Androïd lasa 2.3.3. Efa tamin'ny 23h30 aho vao nahita ilay izy, saika tsy nahita torimaso fa maika ny ampitso hanaovana ilay izy hoa ! Vao tamin'ny 6 ora sy fahefany aho dia nitsangana ary nampirehitra moramora ordinatera. DIa raikitra ary ny fanaovana ilay izy efa tamin'ny 7ora sy fahefany fa mbola nikarakara ny tao an-trano fa alahady koa moa ka maika handeha nivavaka : sakafo, nipasoka, ... ! Lety e, lany teo ny fotoanako fa nataoko ihany ilay izy hoe ho mora ny ho fandehany. Kanjo ....... tsy vita alohan'ny nandehanana tany ampiangonana ilay izy, fa misy Baiboly moa tao anatiny ka izay no nahamaika ahy hoe tsy maintsy vita io alohan'ny hivoahako ny trano. Kay tena nandà impiry ilay finday fa misy olana foana !!!!! May ny endim-boanjoko dia navelako teo aloha fa lasa aho.
tonga ny atoandro dia notohizana ny raharaha vao avy nisakafo. Tapak'andro teo aho nanao ilay izy foana, sosotra mihitsy ! Tsy hoe tsy mahay fa nanadala ilay finday sy ordinatera ... "nifamaly" ry zareo LOL. Ny hariva efa tamin'ny 7 ora alina vao vitako ihany ilay izy.
Saingy nisy pitsony kely tsy nampoiziko : tena tsy noraharahiny intsony ireo sauvegardes nataoko tanaty carte SD. Lety e, tao daholo anefa ny fika rehetra ..... indrindra ny contacts, sns e ! Sosotra mihitsy. Nony nandeha nijery forum aho, kay voa daholo ny olona rehetra niakatra Androïd 2.3.3 toa ahy : ilay izy hita rehefa jerena anaty ordinatera fa dia tsy fantatr'ilay finday intsony. Nikatso ny raharaha !!!!! Sosotra mafy ny tena, hery very maina, ary nanafatrafatra ny tao an-trano hoe aza ampiakarina aloha ny findainareo fa tena olana ilay izy, ary na ny mpanao ny Androïd ary tsy manana vahaolana. Tsy tafaveriko intsony ireo applications, contacts, ...... teo aloha, ary tsy misy fika hiverenanana amin'ny Androïd teo aloha koa anefany. Ny tena nahasosotra dia toy ny mihidy lakilé ilay carte SD tao anatiny, izaho anefany tsy te-hi formater koa. Dia NIANDRY !
Ny tena nampihomehy tamin'ilay izy dia misy manome solutions ihany fa tsy mety e. Dia nisy iray izay noraisiko ihany ny zavatra nasainy no-télécharger-na, eo ambany izany ireo olona isan-karazany manome fisaorana azy daholo hoe tena nety ilay izy fa misaotra indd fa récupérer toy ny teo aloha ny tao anaty cartes SD-ny sns !!!! Iny koa aho mba lasa naka ary, ary ITY no tao antiny, mety ilainareo ihany fa alaivo dia jereo anie e ! Tapaka be ny tsinaiko fa notehiriziko ato ihany ilay izy aloha fa ilaina koa, ary misaotra azy aho na dia tsy vahaolana nilaiko amin'ny findaiko ary no nomeny.
Betsaka mihitsy ny mpitari-bava vilam-bato
......... mpitari-bato vilam-bava mantsy e ! LOL !
Nahita vahaolana ihany aho omaly no niafarany ary dia natory alina be indray, hi hi hi ! Fa tadidinareo ity lahatsoratro ITY ? Nanome ahy vahaolana momba io Androïd 2.3.3 fa ataoko point d'émetteur wifi ho an'ny ordinaterako izao ilay findaiko ! Milay an
02 Oktobra, 2011 14:23
Flashcode
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Etsy sy eroa ][ (1) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Ela tokoa izany tsy niblaogevana izany. Koa dia manararaotra ity gripa mahazo ahy ity aho anoratako eto : satria misy ny fotoana, ary mba tsy hatoriako fa te-hatory foana aho. Ny zavatra ho lazaiko eto anio, dia zavatra vao itako 5 andro izay, ary nahavariana ahy. Itony finday itony anie ka tena mahavita zavatra betsaka mihitsy ankehitriny e. Mitselatra kely fotsiny dia ahitana vaovao ao anatiny. Amin'ny fomba ahoana nefa no itselarany ? Amin'ny alalan'ny antsoina hoe FLASHCODE. Teknolojia kely vaovao tsotsotra nefa itako betsaka no ilàna azy, indd rehefa miantsena. Izao ary ilay izy :
Ilay FLASHCODE dia code-barre 2D nataon'ny Association Française du Multimédia Mobile, araka izany dia eto France no misy azy. Ny mpikambana ao anatiny dia Bouygues Télécom, Orange, SFR, GESTE ary i ACSEL. Ao amin'ny flashcode izany dia misy zavatra kely efajoro kely be dia be mitambatra, toy ny itanareo eto ambany, afaka vakian'ny finday izay manana famakiana azy. Io famakiana azy io dia application kely afaka télécharger-nareo amin'ny Mobile Market ary mila installer-na, misy ny finday efa misy azy io avy hatrany. Betsaka ny sita internet ahafahana mi-télécharger azy io, arakaraky ny finday io, ohatra iray ITY, fa ny tsara dia ao amin'ny Mobile Market etsy ambony voalazako no akàna azy satria fantany avy hatrany ny momba ny findainao (Androïd, Iphone ...) ary finday misy fankàna sary ihany no mety aminy.
Ny ampiasana azy io dia betsaka, ary efa azo ahitana io izao ny entana rehetra ireo vita frantsay (farafaharatsiny) :
- afaka mahita avy hatrany amin'ny tranokala ianao mikasika ilay produits eo anatrehanao raha tiana ny ahafantatra bebe kokoa azy (io dia rehefa miantsena eny amin'ny grandes surfaces).
- afaka mandefa SMS na MMS na courrier mails ianao (izay mbola tsy nandramako)
- afaka manao carte de visite ianao : apetraka amin'ny taratasy avy aminao na ny orinasanao. Efa ahitako izany ny amin'ny relevé de Sécurité Sociale saingy tsy manome ny antsipiriany satria personnelles daholo ny ao anatiny, fa manome ny numéro an'ilay taratasy fontsiny, interne angamba no ampiasainy azy.
- mijery musique avy hatrany
- afaka mampahafantatra ny blog-nao na site-nao ianao : ity izao ny ahy
Misy karazany izy io : akoatra ny ahy eto ambony (mety ho QR Code na Datamatrix) dia misy koa ny toy ny code barre kely izay, tsy ilay aampiasaina eny amin'ny caisse (iny mandeha ihany saingy alefany amin'ny google ianao mijery ilay entana) fa tena hafa mihitsy, kelikely toy ity forme voalazako ity ilay izy ary tsy misy numéro, saingy tsy nety nahavaky mihitsy aho na iray ary, maninona angaha.
Fa kosa rehefa nandramako, ireo fanafody izay ahitana flashcode dia tsy mamoaka ny momba azy noho ny antony efa fantatrareo angambany : tsy afaka ny hanao dokotera tenany ny olona.
Betsaka ny azo ampiasaina azy noho ny fivoaran'ny finday fa vitsivitsy ihany ireo voalazako etsy ambony ireo. Ary tsy maintsy connecté ianao rehefa mampiasa azy mba anomezany anao ny valiny ao anaty tranokala.
"Alika ny vazaha mopera" !