28 Martsa, 2011 19:32
Fetiko androany
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (10) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Fetiko androany, no sady fitsingerenan'ny fotoana nidirako nanao ity blaogiko ity. Tamin'ny 2008 aho no tonga teto ary tapa-kevitra tamin'izany fa hanokatra blaogy na dia mbola tsy nahalala izany ary, io itanareo etsy ankilany io ireo volana nodiaviko teto ary dia mbola hita tsara eo ny martsa 2008. Izany hoe nanao fanomezana ho ahy aho no nanaovako ity blaogiko ity tamin'izany. Mbola mipetraka tsara izy ity, ary maro ireo namana virtoaly lasa nifanerasera amiko. Misy koa ireo izay tsy hita matetika eto intsony noho ny anton-draharaha sy ny adidy maro sy ny fisian'ilay fb sy ny twitter sy ny sisa.
Tsy dia misy ambara firy aho anio satria mafy tamiko ny asako androany, ary mbola niandry ahy koa ny raharaha tato an-tokantrano. Ny andro moa efa crizy rahateo ka manao izay mety. Reraka mafy ny tenako eto ampanoratrana nefa tsy tiako handalo fontsiny ity andro iray anio ity na izany ary, manoratra eto foana aho rehefa 28 mars isan-taona.
Izay ary aloha ny androany, asa raha mbola ho hitako ity afaka 20 taona any fa dia mahareta ny aina ary samby tsara daholo.
22 Martsa, 2011 20:08
Voambolana malagasy
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Etsy sy eroa ][ (4) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Manohy ny resak'i Simp amin'ilay hoe "andao ho fenoina ny voambolana malagasy aho" eto. Herinandron'ny teny malagasy hono any amin'ny fb, efa itako io talohan'ny nialako tany (sao misy milaza indray eo fa hay mitsikilo any aho, ha ha ha), fa tsy tafa any intsony aho dia eto no anehoako ny ahy.
Ny ahy indray ny mba tiako ho asiana fanagasiana dia ny mikasika ny "ordinateur", efa nisy siosion-dresaka ihany izy ity taona 2 na 3 lasa izay tany amin'ny fifanakalozan-kevitra (forum) moov tany. Tsy haiko aloha na efa nisy voambolana vaovao mikasika ireo fitaovana @ ordinatera toy ny : souris, écran, clavier, unité centrale, ordinateur portable ...... sy itony momba ny téknolojia vaovao mivoaka toy ny : tabs, Ipod, Ipad, mp3, lecteur dvd ..... Tsaroako fa raikitra ny resaka tao amin'ny forum tamin'izay fa nisy olona tao nilaza fa mpiasan'ny académie malagasy (moa ?) ka naka ny hevitry ny olona manome teny vaovao mikasika ny ordinatera, dia ny natolotro momba ny écran tamin'izay dia hoe tarazava, izany hoe fitaratra+mazava no nakambana, ny souris dia totozy ihany, nefa mety misy tsara noho io ohatra hoe "biby maloto" LOL !
Ny curseur ohatra dia atao hoe : maivana, sa maninona mihitsy moa raha atao hoe tsirelanja satria tsy heno akory ny lanjany nefa dia mora afindra, LOL, unité centrale : foibe mpiketrika na koa hoe fiketrehana, clavier ohatra dia hoe tendry, ....
Anareo ny ambiny raha misy teny itanareo fa mety hanendrena ireo fitaovana ireo, dia ho itantsika eo fa hahafinaritra ny mahita teny malagasy fahiny mipoitra moramora ampiasaina amin'ny zava-baovao ankehitriny. Be mantsy ny tenindrazana izay tsy hay intsony ny mampiasa azy na tsy fantatra intsony ny fisiany nefa maro ny mitaraina fa tsy ampy ny voambolana malagasy hanehoana hevitra.
----------------------
Fa izany eo ihany fa ity anaran'ny blaogiko KDAOMBARAMITA ity no tiako asiana teny kely satria voambolana malagasy koa izy ity no nalaiko :
kidoana (fototeny "doana") + varatra + mita : misy diso kely izany ilay Kdaombaramita anaran'ny blaogiko fa tokony hoe KIDOAMBARAMITA no tena teny malagasy, fa tsy maninona fa efa io anarana io no ahafantaran'ny be sy ny maro ny blaogiko.
Dia ny mahatonga ilay hoe KIDOAMBITA aorian'ny ilay teny kidoambaramita dia satria :
kidoana + vita izany hoe vita ilay feo nikidoana be teo.
Fa io teny io dia entina ilazana ny feon'aponga tany fahiny midobodoboka, hany ka entina manaraka ny fidoboky ny aponga ireo teny roa ireo matetika.
KIDOAMBARAMITA KIDOAMBITA !!!!!!
17 Martsa, 2011 22:05
Mandefa hira i Rasoa
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Etsy sy eroa ][ (5) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Nalahelo mafy aho nijery ity blaogiko faharoa ity : http://rasoamalagasy.blogspot.com/, nahare ireo hira fahiny mandeha tao. Nitady sary tato anaty solosaina aho fa tsy nahita amborahako ny fahatsiarovako an'ilay tanindrazako. Tsaroako tampoka ilay alakamisy hariva fihainoko ny tantara ho an'ny ankizy rehefa amin'ny efatr'ora. Dia teo koa ilay hira milamina ahatsiarovako ny bà-kira malagasy. TE-HODY kely aho hijery ilay ambanivohitra malagasy !!!!!! Nefa raha izao aho no lasa any tsy ho tafaverina vetivety !!!!! Henoy kely anie ilay hira ao dia ho hitanao.
'Zany eo ihany fa dia mahavariana ahy loatra ity sary fahiny iray ity. Tena mbola toy ny zazakely ilay sipa nefa jereo ity hafalian'ilay rangahy mpiampofo azy haka azy ho vady, mahalasa sain-dratsy ..... asa fa dia maso mijery ny ahy. Dia ireo manodidina koa misy azo lazaina, ha ha ha !
(Adinoko ny milaza fa 'fifamofoana' io sary io)
09 Martsa, 2011 11:31
Ekolojika
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Ankapobeny ][ (16) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Tapaka ny hevitro fa ho dioviko izaho ihany ny menaka nanendasako sakafo dia hampiasaiko hanendasako ihany, sady mahazo tombony aho, tsy mandoto, no tsy miala vola. Nijery nety dia nahita hevitra ! Izao ary ilay anaovany azy :
- tatavanina @ lohana paompy ny menaka nampiasaina mba ho afaka ireo poti-kanina may. Ny ahy eto dia ilay fanatatavanana plastika miaraka @ kaftiera no ampiasaiko.
- maka ilay fanatatavanana kafe jetable ireny indray ary dia apetraka ambony entonnoir io, dia alefa ao ilay menaka tetsy ambony. Haharitra kely ny raharaha eto fa tsy maninona. Averina indroa ity dingana faharoa ity dia hahazo menaka madio toy ny vao avy novidiana hono.
Asa fa mbola tsy nanandrana aho, fa itako fa ho mety ! Farafaharatsiny mba tsy manimba tontolo iainana, satria hono raha araraka @ tany ny menaka dia afaka 400 taona vao azo ampiasaina ilay tany, izany hoe tsy ekolojika ny menaka raha ariana ! Ary azoko raha tsy mety mandray ny déchetterie. Ny menaka fiara ihany no raisiny aloha h@ izao.
Ouf, tafablaogy an-telefona ihany ! Kdoambita !