30 Janoary, 2009 16:12
Désolations : TAFAHOATRA IZAO RY MALAGASY Ô !
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Etsy sy eroa ][ (17) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
AZA MANARAKA AN'I ANDRY TGV INTSONY FA ASAINY MAMONO NY HAVANAREO IANAREO ! IZY MIHINANA SAKAFO MATSIRO FOANA AO AN-TRANO, SADY MANAN-KARENA KOA ANIE IZY INY E !
28 Janoary, 2009 15:37
Iza ary no afaka hitondra an'i Madagasikara ?
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Etsy sy eroa ][ (25) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Amin'izao toe-draharaha misy an-tanindrazana izao, dia lasa ny saiko hoe :
- Iza ary no mety tena afaka hitondra ny firenena raha tafala eo Ravalomanana ?
- Iza no ao ambadik'i Andry ?
- Iza no antenain'ny vahoaka ?
Mba omeo anarana hoe aho ry zareo fa tena very ny saiko ? Biby tsy misy lohany anefa tsy mandeha. Ilay zalahy kely io tsy mbola ampy taona hitondra firenena sy tsy mbola matotra fa manao zaza tsy nahazo kilalao dia tezitra. Ary ilay efa eo toa manao izay saim-pantany sady tsy mety ator no tsy mahalala ny tokony atao anefany. Fa ny tsy fantatra dia hoe izay ilay fahatelo ao am-badika ? Sao dia misy saka manao tampody miverina ary ao ? Ahiko mafy ho diso fanantenana ramalagasy atsy ho atsy !
Misaotra anareo izay haneho hevitra eto, nataoko izy ity mba hahafantarana ny zava-miafina nefa mibaribary fa tsy hay lazaina.
18 Janoary, 2009 19:25
Inona ary izany ?
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Etsy sy eroa ][ (26) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
1 - Rehefa jerena kely, nefa madity mandreraka ?
2 - Rehefa mandeha eny valo no isany nefa tokana ihany ?
3 - Maizina nefa toa matanjaka ?
...... raha mbola mahita hafa ianareo dia tohizo rehefa itanareo ny valiny.
12 Janoary, 2009 10:03
Mahita lazaina
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Etsy sy eroa ][ (7) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
06 Janoary, 2009 06:22
Tsara ilay fety any e !
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Etsy sy eroa ][ (6) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Mahafinaritra ahy ny nijery ny fety noely tao Antananarivo an-tsary. Na ireo sary fontsiny ary dia milaza zavatra satria afaka nifaly ny olona na dia tao anaty fahasahiranana ary. Izaho manokana aloha raha tamin’ny andronay dia faly na dia mijery fontsiny ary, ilay atmosifera mihitsy no miteraka zavatra na tsy mandray anjara ary. Ary mahita fiilina foana ny gasy na dia tsy ary fitaovana ary, toy ny manezy ahodina tànana : ny sôvaly deboa, ny kodiarana goavana fitaingina, ny fiara kely mihodina ho an-jaza, … voa indray ny jirama t@ iny. Ao koa ny nanovana ny lalamben’Analakely ho toerana fandehana tongotra fontsiny. Dia feno sary mahafinaritra ilay sita itako : fiara, elikôptera ary fiaramanidina kely mampifaly ny ankizy, fitaingenana lamasinina kely maginy fontsiny.. Hatramin’ny volombavan’i dada koa ao manome enerzy, ny fiankaviana isan-toko tonga miaraka toy ny toerana fanamafisana rohim-pihavanana, … ets. Raha miakatra ambonimbony ianao dia tonga eo @ zaridainan’Ambohijatovo ahita ireo karazan-dalao fahita amin’ny kazinô fa ankalamanjana, tsy hita izay maharatsy azy ! Toa nisy fiovana be any Dago izany, enga anie ka hitohy ny toy izao fa tsy ho rendriky ny politika ambony latabatra fontsiny ny fiainan’ny malagasy !
Akoatra izay dia mahafinaritra koa ny nijery ireo sary tamin’ny fifaninana maka sary ny fiainana andavanandro malagasy. Tena misy sary tsotra nefa milay e ! Izaho koa mantsy tia makamaka sary izay, ka dia mba nankafy aho mijery ireto sary vitsivitsy voaray nahazo loka !
Oadray manina aho izany ry zareo mahita izao !
04 Janoary, 2009 21:59
Izaho koa mba gaga
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Hehy ][ (5) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Aza alefa lavitra ny saina e !
02 Janoary, 2009 14:28
Firariantsoa 2009
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Etsy sy eroa ][ (9) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]