28 Septambra, 2009 09:41
Teniteny fahatany
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Hehy ][ (9) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Ireto lohateny rehetra itako androany 28/09/09 teo amin’ny takelaky ny blaogy.com :
- Tsarovy (Dadarabe)
- Angatra manangantra (Mitoraka blao)
- Alika mivika (Blaogy RTN)
- Tenenina foana fa eee (News de Dago)
- Naka aina kely (Tsiky dia ampy)
- Gasy mora ambakaina (tsetsatsetsa tsy aritra)
- Vavaka maraina (Pitou mi-blaogy)
- Sary nalainay teo Analakely (Radotiana)
- Rado ilay fitiavako fahiny (Blaogin’i Maeva74)
- Andrekakiko ô, ireto izy (Kdaombaramita)
- Taranaka mora jonoina (TAranaka mora jonoina)
- K’aiza e (Blog deChryss)
- Mandrahona ny ho eny Ambohitsorohita ny 25 (Maharesaka veto)
- Satria namako ianao (Fanhaiky)
Natambatro anaty fehezanteny hanome dikany "mety hampihomehy" ary izy ireo ka ity no azoko :
" K’aiza e ireto taranaka mora jonoina : nalaina sary teo Analakely ireo gasy mora ambakaina mandrahona ny ho eny Ambohitsorohita ny 25 sept, toy ny alika mivika. Efa tenenina foana fa eee, dia aleo tohizana foana ny vavaka maraina fatao. Manangatra foana ny angatra na dia efa notenenin’i Rado ilay fitiavako fahiny aza izy ireo hoe : “ Tsarovy fa namako ianao ! “
Andrekakiko ô ireto izy, naleoko naka aina kely aloha ! "
...... teniteny fahatany !
24 Septambra, 2009 13:36
Andrekakiko ô ireto izy !
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Etsy sy eroa ][ (6) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
11 Septambra, 2009 19:41
I am blessed
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Etsy sy eroa ][ (12) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
07 Septambra, 2009 20:51
An'iza ny tsiny ?
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Etsy sy eroa ][ (4) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Very ny finday an’ilay olona, andao antsoina hoe Ravery ilay olona io. Ka nandeha nankany amin’ny mpitandro ny filaminana nitory fa i Rahely mpifanolo-bodirindrina aminy no nangalatra ilay izy. I Rahely moa dia vehivavy resin’ny fiainana, ka mifoka daina ary matetika dia tsy mahatsiaro saina loatra, izany hoe efa fantatry ny manodidina izy no sady tsy dia azoazon’ny mpiara-monina noho izany. Tonga ary ny polisy indray hariva nandodona tao amin’ny Rahely, ka izy efa “ manidina ” iny no namoha varavarana. Nitondra azy avy hatrany niala ny tranony nankany amin’ny paositry ny polisy izy ireo, ary dia voatana tany ravehivavy. Nanontany izy ny ampitso nony nahatsiaro saina hoe : “ te-hahita an-janako aho “, nefa dia tsy noraharahian’ireto polisy io fangatahany io. Nandeha ny andro maromaro, ary 8 andro vao nandalo ny anadahiny nijery azy teny. Nanontany ramatoa hoe : “ any aminao ny zanako izao ? “ nefa “ tsia “ no valiny. Teo vao nanantona ny “ assistante sociale “ ity anadahiny nanontany, ary teo vao taitra daholo nandeha nijery tao an-trano. Indro ilay zazakely 18 volana maty teo am-pototry ny varavarana, maty déshydraté fa fotoanan'ny hafanana moa tamin'izay. Teo vao niteny ireo mpifanolo-bodirindrina hoe nahare zaza nitomany nikiakiaka mafy fa samy tsy nisy taitra azony efa mpahare izany avy ao amin-dry Rahely izy ireo. An’iza ary ny tsiny ? Misy olona maro be ao anatin’ny tantara nefa dia indrisy fa namohy ny ainy ilay tsy manan-tsiny. Tena tantara marina izy ity, ary ho lazaiko anareo eto ihany ny voaheloka. Ahoana no fahitanareo azy ? Ny hany azoko ambara aminareo fontsiny dia hita ihany ny findain'i Ravery fa tsy nisy nangalatra akory !!!!
03 Septambra, 2009 22:01
Tsy anjarantsika roa
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (8) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Sy ho avy, anjarantsika roa
Ny masoandro no milaza fa
mbola hisy sy ho avy,
anjarantsika roa
ref :
Ela moa no tsy nahita anao e
Ka manantena sady miandry akia
Ela no te-ho eo anilanao e, satria :
Mbola ho avy, anjarantsika roa (2X)
Ny ampitso no efa iny manambara fa
Tsy ho nofy, anjarantsika roa
Mba tsinjovy irony andro fa voafidiny
Sy tantanany
anjarantsika roa
Feno 18 volana ilay zazakely botrabotra tokoa, sady nahafatifaty ery. Nitoe-jaza indray ny reniny. Amin’ny mahatanora azy anefa no sady mbola nanohy fianarana izy, dia naleony nisafidy ny mbola tsy hanampy lovia iray ambony latabatra. Koa dia noesoriny ity zaza. Tsy fantatro hoe firy volana no efa tao an-kibo. Tsy notantaraina satria zavatra mahamenatra izany any an-tanindrazana. Kinanjo, nivadika ny vintana. Tsy dia olona mpahay azy loatra no nalehan-dry zareo, nefa vita ihany ny notadiavina. Tsy dia salamalama ity razazavavy taorian’izay fisehon-javatra izay. Ary dia nentina tany amin’ny hopitaly ihany rehefa afaka 2 andro tsy netinety. Nampalahelo fa teny ambony fiara teny an-tsandrin’ilay fofombadiny no nandaozany azy sy ny zanany. Tara loatra ny nahatongavany teny amin’ny toeram-pitsaboana fa efa be ny rà very !!!!
Nampalahelo tokoa ilay tantara. Ary tsy adinoko mihitsy izay zava-niseho izay fa nangalako anatra teo amin’ny fiainana. Dimy volana taty aoriana dia nifanena tamin’ilay tovolahy aho, mbola tao anatin’ny alahelo tokoa ny endriny, nefa atao ahoana fa izay no anjara sy lahatra. Tsy ho tanteraka intsony ity hira “ Ny anjarantsika roa “, kalom-pitia niboiboika tao am-pon'izy roa.