26 Febroary, 2010 12:25
Ho an'ny mpinety rehetra :)
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Ankapobeny ][ (6) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Bonne journée e !
21 Febroary, 2010 20:50
Tara @ sipa ny bandy hono e !
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Hehy ][ (12) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Mahatsikaiky ahy ity notantarain'ny namako ahy ity fahiny fa mbola tonga ato an-tsaiko foana ilay izy matetika. Mety hahatsiaro ahy izy raha mandalo eto mahita ity. Izao ary ilay izy.
Nisy bandy namany izay hono nanana sipa. Taty aoriana dia tsy te-hiaraka taminy intsony ilay sipa io, nefa leiry mbola tara be mihitsy. Dia nitalaholaho teny ny bandy mba hijanonan'ilay sipa hiaraka aminy :
- Inona no tianao ataoko na omeko anao mba tsy hisarahantsika ary e ?
Namaly an'avona i rakalakely nahita lazaina tampoka, zavatra tsy azo eritreretina ny navaliny azy :
- Volamena iray gony !
Sadaikatra ihany leiry satria valin-teny tsy azo tanterahina mihitsy ity nomena azy, koa dia any heriny mba ho fara-doboka nataony dia namaly izy hoe :
- Raha mba soloina fasika ve ilay atao anatiny tsy mety ?
Ilay namako io nitsikanikany nitantara ahy ilay izy t@ izany, fa rehefa nodinihiko ilay izy dia tena nampihomehy tokoa ! Ataoko fa nilaozan'olon-tiana ihany ilay bandy no niafarany raha izany.
Angano angano, arira arira, fa zava-nisy io !
03 Febroary, 2010 15:54
Nandrombaka ny "Prix Shoan '09" aho
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Ankapobeny ][ (11) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Misaotra anareo aho fa nandrombaka ny "PRIX SHOAN" (coup de coeur public '09). Raha vao nanokatra mail vao maraina dia ity no hafatra tonga tao :
Ce matin, j'ai reçu ce courriel :
Mankasitrana anareo sy ny hafatra ary ny fifaneraserana aminareo aho na dia tsy mifankahafantatra ary isika. Amin'ny mahasamy malagasy antsika no ifandraisana ary tohizantsika amim-pifanajana ny tsirairay izany. Fifaliana, teny tsotra, eritreritra mandalo, fahatsiarovana, fifampitantarana fiainana no eto koa dia malalaka ny sehatra ho antsika tia fihavanana, fifandraisana. Tohizantsika ny mahamalagasy antsika na dia eran'ny vazan-tany ary ny tsirairay.
Mahazo toraka bà kely daholo izay mandalo eto any ho any
Je vous suis reconnaissante d'avoir voté pour moi, de vos passages et de nos échanges sur mon blog même si on ne se connaît pas personnellement. Continuons de partager la joie, la vie, des petits mots simples, des souvenirs, des pensées en flash et cela dans le respect de chacun. Certains sont loin de la terre de nos ancêtres, mais les blogs (entre autres) sont là pour nous rappeler le "Fihavanana" (lien d'amitié) notre coutume précieuse malgache
Biz à tout le monde.
KDAOMBARAMITA