Tonga ny fialan-tsasatra ity. Hisinda kely koa i Kdaombaramita. Nefa tsy mitovy aminareo. Ianareo hiala voly, izaho hanao raharaha mafotaka : mameno baoritra, dia ampidirina anaty fiara fitanterana, dia mandeha lavitra be .... tssss hainareo ny tohiny :( Tsy ho moramora ny azoko ilazàna azy e ! Asa, inty sisa no farany hametrahako lahatsoratra aloha fa afaka andro vitsivitsy indray vao ho tafaverina. Asa raha hahita izany hoe faritra rakotry ny wifi izany eny an-dàlana eny ka hanokatra internet mba hahazo ilay ranony, fa dia ho hita eo. Ny mpanome ranon'aina azy itony koa moa maharitra vao mahazo valiny araka izay ilaina, koa dia miandry ny fahatapahan-kevitry ry zareo @ fotoana izay heveriny ho mahamety izany. Dia hifanoratra eto ihany isika raha tahiny ka mahita omem-potsiny eny aho :)

 

Eny ary, koa dia mahazoa fahafinaretana daholo ianareo izay mandalo eto, aza adino ny mametraka hafatra fa mahafinaritra foana ny mahita olona mitsidika ity blaogiko ity, tsy adino ny hanihany na tsy mifankahalala ary isika na mifampitra hevitra fontsiny dia efa mahafaly ... Raha toa ka mametraka hafatra ianareo, ka lavalava ilay voasoratra na mety ho nijanona ela teo ianareo dia mety ho mafimafy kely ny fandavorariana izany. Hafatra kely ho an'izay mbola tsy mahalala : alohan'ny hametrahana ilay hafatra dia ataovy copier aloha ilay hafatra, tsindrio ny bokotra F5 (actualiser), dia avy eo ataovy coller, dia fenoy ny sisa dia alefaso avy hatrany, dia izay ! Tsotra foana fa aza misahotaka :)

 

Hira tonga ato an-tsaiko tampoka :

 

" Ento aho hanaraka anao,

hifalifaly sy hilalao,

hitazana ny fahitanao,

madio sy tsotra re ny fiainana ! "

 

(Del Orchestra)

 

Soava daholo ô !