Raha mahatsikaritra ianareo dia isak'ity daty ity aho manoratra eto foana isan-taona Kiss

SSShhh, nanao fety izaho omaly fa tsss ! Aiza ve rangahy ity koa efa isan-taona izao ianao dia lasa foana ilay izy, tsy mahazo miverina ... dia nataoko irery tany an-tsaiko ny fety fa tsy ho tafaverina eo intsony aho hoy aho an'eritreritro. Ny androany no betsaka ny nahatsiaro ahy, mitombo fahendrena no entina namatsiana saina dia vlan !

Hay saika adinoko, mba nanandrana itony hoe bavarois itony aho, nataoko amin'ny voasary dia elabe vao mivaingana tsara ilay zavatra ao anaty vata fampangahatsiahina ao, 12 ora hono no tadiaviny koa dia hajaina izany mba hanamarihana ity vaovao vao tonga androany ity, tsy nisy niova fa tonga vaovao fontsiny an ! Ilay tsy azo anontaniana hoe firy moa izany izao sao mankarary saina. Androm-piravoravoana koa moa ve asiana resaka toy izany tsy tonga dia mandrava laka !

Ny hany tena mba nanamarika ahy teto amin'ity sehatra blaogy ity dia satria vanim-potoana toy izao no nanokafako ity blaogy ity, nataoko ho fanomezana ho ahy tamin'izay, mba nanandrana nampita hevitra dia revo teto ary tsy te-hiala teto intsony fa nanjary manao lalan-kita kisoa ! 

Izay e, nitombo indray ity ny fotoanako, efa nahazo bebe ihany aho teo amin'ny andro-piainako, nisy : fahoriana, fifaliana, fahobiazana, fianarana, fotoan-tsarotra, nefa toa mba nety tsara ihany hatramin'izao. Hoy ilay zokiko vavy izay hoe : raha hevitra ataingina dia voalohandohany ianao nefa toa mety ihany ilay izy. Hevitra ataingina ve izany tokoa moa sa efa voavolavola tsara tao an-tsaina ka mora natao ? Izay ilay fahendrena angambany an ! 

Nitombo fahendrena aho, Y E S !