Androany no mitsingerina indray ilay fotoana nizarako ny fanahiko tamin’ny olona iray. Fotoana aman-taonany maro izay no lasa …

 

Tao ny nangidy izay niarahana nizaka, fotoana tsy adino satria nanefy anay teo amin’ny fiainana sy ny tokatrano. Fotoana nanamafisana ny fifandraisanay koa, satria ankehitriny dia toy ny voavakiko tsy an-kijery izay ao an-tsaina raha mahita zavatra iray izy, ary izy koa dia mitovy eritreritra amiko, mahagaga ! Ankehitriny dia isaoranay koa ilay Nahary noho ireny fotoan-tsarotra ireny, satria nankahery sy nanome toro-hevitra ary indrindra nitantana hatrany izy noho ny fahatokisanay Azy.

 

Tao koa ny fotoana mamy izay tsy adino, silaky ny aina telo no hanohizanay izao fifankatiavanay izao. Akoatra ny teny mamy sy ny fifaliana niarahana nigoka dia fahasambarana tsy hay lazaina no iainanay. Misy foana ny fotoana maloka, fa toy ny semban-drahona ihany izany : mandalo !

 

Nanefy ny toetrako koa ny tokatranonay : azoko kokoa ilay teny hoe “mandefitra”. Tsy hoe mandefitra voapotsika sy voahitsakitsaka akory, fa mandefitra ampilaminana, mandefitra raha toa ka tsy ahitana vokany tsara na mandefitra mba tsy hisian’ny romoromo … na dia manana ny marina ary dia rehefa tafavoaka ny hevitro dia izay no zava-dehibe, hoe fantatra ny tiako ho lazaina. Tsy eo aminay ihany no hampiharako io toetra io fa eo amin’ny manodidina ahy koa. Samy manana ny heviny mantsy ny olona ka tsy hanery ny hafa hanaiky ny hevitro aho, raha tsy hoe izaho no hiaran’ny rihitra avy eo tsy araka ny nanampoizako azy. Eo aho vao tsy manaiky mihitsy raha izay indray.

 

Izany no ela, fa anio ato aminay : andro mamy, androm-pitiavana, androm-pahasambarana, androm-pifaliana !!!!!!!!!!!!!!!!