13 Jolay, 2008 22:46
Hira namelan-kafatra
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (23) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Nankaiza daholo ireo "mpibadabada efa zatra" eto amin'ny pejiko ? Toa an-dry : Ikalamako, Pissoa, Lalasoa, Tokinao, Simp, News2dago, Lhltrs, Maintikely, Johary, ... sy ireo mpandalo mamela hafatra. Inty hira namelan-kafatra ho anareo mpitsidika eto, dia araho sioka, tandremo ny manadino solonify ka rivotra no hifofofofo
:
Rakoto "mafy loha" (Ny Railovy)
Ho takona tsy ho tazana any ambadika
Any ho any ilay tananako.
Ho saraka tsy ho hita hanoloana ny tavako ‘reo havako.
Hofa-tanan’olon-tiana, kopakopaka mosara no ilaozako.
Morontsiraka mafana, torapasika mandoro, no hovantaniko.
Any an-dranomasina any,
Ambany lanitra mangina no honenako.
Alin-kintana amam-bolana sy rivotra madio no malalako.
Eny an-tokontanin-tsambo miaraka @ gitara no hirako
Ireo hira izay fikalo, ‘reo hirahirantsika tena mamiko.
Ref : Veloma ry Iarivo, ry Iarivo mamin’ny fo.
Veloma mandram-pihaona, tsy hanadino
Anao, Rakoto matlo.
La la la la la la,
Raha sendra embonembona any ho any
Ka voatonona ny anarako.
Dia tsarovy fa manjoy anareo any koa ny eritreritro.
Ireo sarin’ny sakaiza sy ny sarinao ry tiana no fandrianako.
Isan’andro vao mifoha, na ny alina hatory, ho voajeriko.
Mety taona maro angamba,
Eny mbola tsy voafetra no hiverenako.
Aza malahelo foana, fa antenaiko
Hisy fihaonana ny anjarako.
Amin’izay fotoana izay, hifampiantoraka isika, hifamihina.
Ho eo imolotro indray irony teny mamintsika fahizay.





14/07/2008, 00:02
Eto ihany aho misiotsioka Veloma ry Iarivo, ry Iarivo mamin'ny fo ... mbola ho ela vao hihaona ... mbola miandry foana ikala lalasoa! :-)
14/07/2008, 00:29
eto ihany re a! sahiran'ny fiainana :)
tsara ny hira malagasy e?
Tena tsy adino ny solonify fa kidaombaramita angaha aona! :))
14/07/2008, 01:20
ireto iany zahay e :).
Mampanembona tokoa io hira io fa misaotra e!
Veloma ry Iarivo, ry Iarivo amin’ny fo.
Veloma mandram-pihaona, tsy hanadino Anao, Tokinao Matilo.
La la la la la la,
Tiako Iarivo, Mamiko i Madagasikara.
14/07/2008, 02:14
zah koa eto ihany fa misaotra mampanembona "an-dRakoto pataloha".
Kdaombtah !
14/07/2008, 02:42
Hi hi - noheveriko fa tany aminay ihany no natao hoe mafy loha Rakoto io !
Veloma ry Iarivo aaaa
14/07/2008, 08:11
Nandao an'i Iarivo Rakoto matlou
Nikarenjirenjy tetsy ry terou.
Tongany @ sambo daholo, partout,
Hatrany Miami, ka hatrany Malibu.
Kanefa hafa ihany hono i Gasikara soa
14/07/2008, 15:27
Ity ihany koa: jereo eto
Embona sy hanina snif sniff
14/07/2008, 17:05
Izaho manokana dia tia an'ilay hira! na dia tsy mpitsidika matetika be aza dia mamela hafatra tsindraindray e!
15/07/2008, 18:06
Tantara sisa no tavela fa tsy hay vonoina
Ny lasantsika anefa aoka mba ho hadinoina
Na ao anaty diarinao, na eny ambany sary
Na eo imolotrao na any anaty fo marary
Mba angalao gaoma kely ange ka azafady fafao
Vonoy ny anarako
15/07/2008, 18:13
Zay rehetra sitrakao lazao
Ho tanterahiko avokoa
Sambatra aho eny sambatra
Mamaky ny blaogy-nao !
Ampy ve ny fiteny
Hilazako ny fitiavako
Raha izao tontolo izao ry aiko foiko noho hianao
15/07/2008, 20:09
Ikalakely : tena mahafinaritra mihitsy io hira io na ny bàn-kira ary !
Dia tena ahatsirovana ny fahiny daholo ireny hira rehetra ireny e !
Johary : Hay tena mahasambatra mihitsy ny mamaky ny blaogiko ? HA HA HA ! Handefasako hira ise any amin'ny hira fahiny rehefa avy eo, spécialement pour toi.
16/07/2008, 15:43
Tiako koa raha tiako Faniriako Ny hiara-hikalo aminao Kanjo tanteraka izy izao Be ireo hirako efa vita Nataoko ireny mba ho hita Fa manan-javatra ho lazaina Ny fo, fanahy sy ny saina Anefa tsy ampy 'zay vita izay Raha tsy misy koa izay hira iray Hiarahan'ny feonao sy ny feoko Ka ity no hira mahafapo izay omeko 'Zay tsy sahiko tenenina Anefa tsy azoko hafenina Dia tiako mba hialana nenina Atao an-kira hiverimberina
16/07/2008, 17:24
spécialement pour moi ?
sambatra aho!
eny sambatra !
mitoetra eo anilanao!
Aiko ve ny hiteny !
Hilazako ny asambarako !!!!
16/07/2008, 22:15
" ... Raha izao tontolo izao ry aiko foiko noho ianao ! "
Haiko tsara ireny hira taloha ireny sao heverin'ise ho gisitra aho ! Itan'i toi ilay hira tamin'ny hira fahiny spécialement pout toi tamin'ny taona 1945 ? Omeko ny accords i toi raha mila mihitsy ! Ha ha ha !
17/07/2008, 21:53
ary niova filatro ange ny havana ato izany e,
tsara tarehy kosa ity izy, toa milamindamina, miala amin'ny mahazatra ny maso.
17/07/2008, 22:05
Eny akia Ikalamako a, manandrakandrana eto dia nahita dia hoy aho hoe "raikitra ity" ! Misy tsy hitako any amin'ny karazany hafa itako ato !
20/07/2008, 19:02
Rahefa voapetraka moa ny hafatra dia rahefa avy eo "ento aho ratongotra sao dia mahazo iraka amin'ny manaraka" ?
Tandritandremo ihany fa ny zavatra tsy azo lazaina mivantana fa apetraka an-kolaka amin'ny hira namelan-kafatra dia manambara tsotra izao fa Fatahorana ny masony nefa tia hividy ny lohany.
Ohatry ny mafinaritra izany mitifi-borona izany kale !!!Pan! Pan! Pan!
20/07/2008, 19:20
!Pan!!!Aza matahotra fa basy atifi-baratra ny ahy ka ny kely indray no atifitra ny lehibe!!! Mba manaova moa ohatry ny keliray tezitra ê! Ny maso no adiridiry...Sao mantsy dia manao keliray mahazo jiolahy ka velona ny "tano fa azoko!!! vonjeo aho ra-olona fa lasany!!!" Ohabolana namela-kafatra fotsiny ny ahy an!!!
20/07/2008, 20:38
Manao manjamanja anie (ny blaogin'i) Kdaombaramita izany e ! hi hi hi
Milay ka.
21/07/2008, 00:41
Tsaroako tsara tokoa fa ny alina nialohan'ny nandehanany dia niara-nisotrosotro teo ny troupy niaraka ny tamin-Rakoto dia hoy izy taminay hoe:
"Rahampitso vao maraina aho
Dia handao izany lasy
Veloma namako ô
Salut la compagnie !!"
Nalahelo rey izahay ka nampiany hoe:"
"Aza arahina alahelo aho
Aza arahina tomany
Fa ny hariva toy izao raha mahatsiaro ahy ianareo
Dia aza adino ny anarako raha manoroka ilay fisaka !"