03 Jolay, 2008 10:26
I Soa kelin'i Dada sy i Mama
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (8) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Fony mbola tanora saina, rehefa mitso-drano ireo nahitana masoandro, na tsy voateniny daholo ary ireto teny ireto dia tsapa fa tao anatin'ny tiany ho lazaina daholo. Rehefa miatrika fiainana vao tena mahatsapa azy fa eo ampihainoana azy matetika tsy takatry ny saina mihitsy. Henoy tsara anie rehefa miteny izy ireo fa mifono zavatra lalina ny resaka ataony :
Tsofina rano ireo sombin'ny aina mba ho tafita amin'ny ambony indrindra. Ho olon-kendry sy marina koa, ho reharehan'ny fianakavina sy ny tanindrazana. Ho arahin-jazalahy sy zazavavy, ary ho fenitry ny tanora ankehitriny.
Koa dia ario sy ialao lavitra ny ditra, ny rongony, ny toaka, ny fijangajangana, ny sigara, ny tsy fanajana ray aman-dreny, ny vonoan'olona, ny fialonana, ny tsy fitiavana, fiatsarambelonatsihy, ny fitiavan-tena, ny lolom-po... sns.
Manàna herim-po sy herin-tsaina, mahaiza mandanjalanja ny tokony hatao, aza adino ny fanajana olona, ny firaisan-kina, aza mora kivy satria ny tsy mety atao no angalana anatra eo amin'ny fiainana, hajao ireo ray aman-dreny sy ny fianakaviana, aza mora tezitra, mahaiza misariaka aman'olona sy mandray olona, hajao ny asa fa io no ivelomana ... sns.
Akoatr'ireo ny fampianarana mitondra tokatrano sy ny fahaizana mikarakara izany dia hita tamin'ireo fihetsika andavan'andro izay ataony, toy ny fanasana lamba, ny fandrahoana sakafo, ny fanadiovana ny trano, ny fahaizana manao économie, ny fiantsenana, ... sns.
Eny, betsaka ireo tiany ampitaina satria tiany ho anisan'ny olona feno fahendrena, fahalalàna, fahaizana ary fitiavana i Soa kelin'i Dada sy i Mama. Ireto farany koa dia tia anao lalandava ka na tsy izao ary dia efa tanteraka ireo izay nokatsahany ho anao dia mitohy ihany ny teniny satria fantany fa mipetraka ao an-tsainao izay voateniny ka ho ampiasainao sy ho ampitainao rehefa tonga ny fotoana.
Mahobiaza rahavako.
Kdômbitah






13/05/2008, 10:40
lalina tokoa izany ry Kdaombitah.
lalina ny fahendrena maha-Malagasy.
13/05/2008, 20:06
Sao dia mba niteny koa izy hoe: anaka aza mividy solosaina azo entina mandende marika Fujitsu Siemens, fady ny razambentsika ireny :)
13/05/2008, 21:56
Simp < iny indray no tsy itako sy tsy tadidiko ! tapaka marina ny tsinaiko aminao ity ! Fa dia ho afarana ny fara aman-dimby iny izao fa saika adinoko ! misaotra anao nampahatsiahy :)
14/05/2008, 00:53
Misy Soa koa angaha ny anaran'i Kidaombitah?
Ary ilay hoe: Miteraha hahita! hadinon-dry
15/05/2008, 02:14
Ontsa sy variana mihintsy mahita ireo teny tsodrano sy anatra. Na efa lasa sy adino aza ny zavatra taloha dia marina fa misy ihany ny voasokitra lalina. Misaotra anao betsaka mamerina ireo teny ireo.
Tamin'izany fotoana izany raha nandao ny tanindrazana dia novoriana ny fianakaviana ka teo imason'ny olona rehetra no naka rano dadanay dia ireo teny ireo nisy nolazainy ary avy eo dia notsofana rano toy ny atao baptisa any ampiangonana ireny.
Ny dadanay moa miaramila nalefa niady taloha dia notantarainy anay teo ny anantra sy ny tso-drano natao azy talohan'ny niondranany...Dia teo no nilazany fa ny gasy any am-pita rahefa mifampiantso dia misioka ny ti ti ti ta !!! Gaga daholo izahay dia hoy izy hoe "rahefa misy gasy alefa manao reconnaissance tany an'ady dia misioka moramora ny gasy sasany manao ny ti ti ti ta izay adika amin'ny morse hoe V! Ny dikan'izany hoy izy dia hoe "veloma" satria misy ny tsy tafaverina velona tamin'ireo namany ireo.
Misaotra ê!
16/05/2008, 11:02
Lalasoa < ie, misy Soa ny anarako fa tsy Lalasoa ka ! Ilay hoe miteraha mba hahita toy ny miteny maneso izany, toy ny zvt maharikoriko ny manan-janaka @ ilay fiteny. Asa aloha izay fandraisanareo azy e !
Johary < Hay ve toy izany ny t@ fanjanahantany e ! Fa ity sioka fataony ity ve tsy ilay hoe "kndrt" no dikany dia lasa signal entre gasy aty ampita ?
20/05/2008, 01:22
Taloha anie dia nifanaja sy nahalala menatra ny malagasy na nisy ihany aza ny mpiteny ratsy. Vitsy koa tamin'izany ny gasy afaka niampita ranomasina hafa-tsy ireo miaramila sy olona vitsivitsy azo lazaina fa nanambitana. Tamin'izay nianatra aza dia 70 ny gasy teto amin'ny tanana nefa ankehitriny efa mihoatra ny 2000. Na taiza na taiza tany nalehanao tamin'izany raha vao hoe malagasy dia mampiantrano anao foana ny mpiray tanindrazana. Zavatra niainana izany fa mba ni-clande eran'i France ihany tamin'izay mbola tanora....
Koa azo lazaina fa nisy ny firaisankinan'ny samy malagasy indrindra tamin'ny ady lehibe.
03/07/2008, 23:21
manao verification snapshot hahaha.
kiss njy