« Mialoha |
Manaraka»
17 Novambra, 2008 00:00

Maditra, mpandazalaza, mihanta, be tomany, mafy loha, mandreraka, ... nefa dia : mahafatifaty, lalaiko, tsy foiko. Raha hendry ianao sombinaina, tsy misy maha-ory ireo havizanana mampitaraina, tsy tsapako akory. Satria hendry ianao sombinaina, izaho manantena fa manana olona azo antenaina.
Hampiditra hevitra
23/11/2008, 17:53
Miarahaba indray!
Noatgeko ianao ka valio aza fady
21/11/2008, 20:28
mahafinaritra ilay fifanoroanareo izay mahasoa fa dia misaotra e :).
20/11/2008, 10:44
Tsy mamaky tsara RaSimp izany klé :))
18/11/2008, 01:12
zanaka, fianakaviana zay mety hoe havana...
tsonane eee
maditra sa tsy maditra izy? :P
17/11/2008, 17:18
Aza hetsiketsehana na tonga dia hampandriana avy hatrany be izy aloha, fa misy manilana foana ny zazakely. Ny natoron'ny dokotera ahy koa dia tsy avela hisotro ronono sans arrêt izy fa asiana stop kely eny antenantenany eny mba tsy ho tafiditra ny rivotra sy mba hidina tsara ny sakafony. Tsy tokony sesefana be koa fa respecter-na ny ora fa mbola marefo ny vavoniny ;)
17/11/2008, 16:18
Inona no ialana @ ilay manilana kely na dia efa avy mandrezatra aza?
17/11/2008, 15:46
Tritriva < physiquement io ohabolana io fa psychologiquemnt tsy mandaitra, hi hi hi !
Michmich < ie tiako io hiran'i Bodo io.
N2D < Aiza re izany e ! Anontanio ahy ihany fa manana traikefa bdbd aho.
17/11/2008, 11:29
Ny ahy ry reto vao manomboka a! sao mba misy afaka manampy manao taiza valiha! hi hi hi!
RaKdaomba zao no be sandry eo afaka makaty mihitsy
17/11/2008, 02:21
Tsy misy mamy hoatry ny zaza, nefa raha manaikitra ny nono dia akifika ihany, :-).
16/11/2008, 23:10
.....fa fitiavana, izay no lovasoa, tsy mety lo, atolotro anao, io no entinao , hamaky inty fianana mafy .... raha toa saraka anao, io fitiavana io, antsoy, f'izy no hamaly, hanansitrana ny aretinao.... (Bodo)
16/11/2008, 21:17
Eny, izay ilay fiainana e !
16/11/2008, 19:11
...
ilay izaho niteraka sy nitaraina,
toa tsy tsaroako ;
fola-damosina anie zany zao,
fony nibaby,
matetika reraka sy nitalaho,
mandraiky marary...
16/11/2008, 18:06
Mahafatifaty mamelombelona aina...