23 Jiona, 2009 14:01
Saina Malagasy (tagg)
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (10) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Inty misy tagy kely ho anareo izay mazoto : hanagana saina ve ianao @ izao 26 juin 2009 izao sa tsia ? Lazao ny antony tsara (bon côté). Ny ahy eto ambany anombohako azy.
Atsangako ny sainam-pireneko :
- Tsy hoe akory fankasitrahako ny fahantrana eny an-toerana
- tsy hoe fandalako ny halatra, ny vonoan'olona, ny tsy fanajana lalàna, ny fampitahorana, ny habibiana, ...
- tsy fanekeko hoe mbola ambany ziogan'i Frantsa ny tanindrazako fa efa mahaleo tena tanteraka
Fa satria :
" tanindrazanay Malagasy i Madagasikara,
ka hajaiko sy lalaiko"





28/06/2009, 19:11
MISAOTRA ANAREO REHETRA NAMALY TAGG SAMY NANEHO NY HEVINY. FA LASA IHANY INY NY 26 JUIN 2009.
25/06/2009, 21:24
N2D misaotra nandray anjara e ! Mahasosotra tokoa ilay zava-misy aloha mais bon.
Finoanaranoray : dia i madama izany no nampiadana anao nahita hazo no niafarany !!! Miadana tokoa ny lhl raha toa azy daholo ny vhv.
24/06/2009, 23:03
Ny ahy saika nahahako tamin'ny fanahazan-damba ny saina (nasiana pince)...fa tsy mbola nahavidy hazo tahony aho no bedin'ny madama raha ny tahon-na rideau no samborina...
soa fa naihita hazo ihany Madama...
24/06/2009, 17:03
Nandray anjara koa i Rasoa Malagasy na dia tsy henoheno ary. Misaotra antsika isika e !
24/06/2009, 16:54
tsy manana antony aho...
manangana no normal amiko ka ra tsy misy antony tsy tokony hanganana dia asehoko ny ahy 8)
24/06/2009, 16:15
Misaotra anao ry Pissoa nandray anjara @ ity tagy ity. ela tokoa tsy hita ianao tao anatin'ny adidy maro nefa nivoaka namaly ny antsoko.
Misaotra bdb akia Mangamaso a ! Itako ny masondry mangamanga tary, mignons !!!!
24/06/2009, 10:45
Misaotra an'i Simp tsy nanadino ny fiandrianam-pirenena
24/06/2009, 00:47
Izay fa napetrako ilay saina malalantsika.
Misaotra akia Kdaomb nampahatsiaro :-).
23/06/2009, 23:48
Misaotra mandrisika anay hiblaogy e. Dia ho tratry ny asaramanitra daholo ary an.
23/06/2009, 22:32
Misaotra an'i Ikalamako namaly hafatra.