Resabe ankehitriny ny hoe hisy crise-na vary hono izao atsy ho atsy fa mbola tsy mbola tonga aty ny fiantraikany, ka hisondrotra 2 na 3 avo heny ny vidiny tsy ho ela. Ary koa toa crise mondiale satria niakatra be ny vidin'entana dia manomboka tsy afaka mividy intsony ireo olona @ tany mahantra. Porofony dia be ny olona efa ela tsy nisakafo any Haïti dia raikitra ny fandrobana isan-karazany noho ny fahefa-mividy tsy misy !!! Mahalasa eritreritra, indraindray dia sorena aho eo ambony latabatra mijery ireto ankizy tsy mety mihinan-kanina. Fa ny tsy azoko tsara hoe : aiza marina no tena niandohan'izany rehetra izany : ny fiakatry ny euros ve, sa natotona ho @ écologie ny vola ve, sa dia ny vidina baril-na pétrole ve lafo loatra sa .... ?

Kdômbitah