03 Janoary, 2010 23:25
Maketsy, makery - BOMBS hono aho !!!!!!!
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Hehy ][ (6) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
- Aiza izy teo ?
- Hi hi hi, lasa niakatra any ambony any !
- any ambony any ?
– ie, itako niakatra ny tohotra teo ko !
- Hi hi hi, mihinan’ny fatiny ny any ambony any izany, sady nitokiky izahay !
Feo : PAN !VLAN ! BADABOUM ! KDAOMBARAMITA ! KDOAMBITA ! ............ velona ny vely kibay any ambony !
- Hay fa inona koa ary izany ! sady manoaka io aho mahare fanaka mikisakisaka sy tongotra mihazakazaka @ 3 ora maraina !
- izay ilay voalavo fa tratra ! hoy ny feo teo akaikiko
- grrrrrrrr ! ha ha ha !!!!
- hay, taitra be aho fa nifanena tamina voalavo tao an-tohotra
- ie izaho koa mpifanena aminy rehefa maraina be iny izy midina avy any ambony any
- toa ilay vary amin’ny gony anie no handehanany ao e !
- ie, itako ireny kiloadoaka amin’ny gony ireny fa efa rovitra ilay izy
- dia angambany izy matory ao amin’ny lamba ao koa rehefa avy eo dia iny mody maraina iny ! ha ha ha !
- sady rehefa harivariva manidy trano iny aho no mifanena aminy, mba samy mitsamboatra izahay rehefa mifanena ao an-tohotra fa angaha tsy mampihomehy !
- tandremo ny manopa azy ireny anie fa tena manimba zavatra be mihitsy rehefa opaina hono!
- aiza koa, tena mba minomino foana tokoa ianareo izany koa ! Voalavo ve hahalala izay voalazan’olombelona e !
- eny ary fa ataovy koa.
- “R'ilay voalavo alika maty tsy vanona ity a, matesa faingana” …. Ho hita eo anie rahampitso ary e !
Maraina ny andro, naka akanjo aho ho pasohana :
- andray , tena rovidrovitra daholo ireto akanjo r’itony e !
- aiza ? ……….. io ary ilay nanopa voalavo omaly ! efa nolazaiko fa be kizitina, izao no vokany !