16 Aogositra, 2011 07:23
Mamindra ity an
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Ankapobeny ][ (2) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Aleo aloha asiana diam-penina kely eritreritra mandalo eto anio.
Kamo be aho androany hiasa, kamo ary kamo tena kamo. Tena nanazatra loatra ilay WE lavabe teo sady ny ahy nisy mariazy naleha tamin'ny zoma hariva dia efa hatrany no nanomboka. Asa raha toa ahy ianareo fa amin'izao androna krizy izao dia miandry ny fidinan'ny "bourses" ambany hatrany aho ahitako izay vokany eo amin'ny fiainako andavan'andro, h@ izao aloha mbola mandeha² tsara ihany. Asa mety ho avy indray ve ny guerre mondiale atsy ho atsy ? Toa misy feo kely miteny ato anatiko hoe hivadika ny glaoby, i Afrika no mety hisondrotra moramora eo miampy ireo tany hafa nivoatra be (Brésil, Inde, "URSS", Chine, ... sns)tato ho ato fa vita hatreo ny amin'ireto G8 ireto. Tsy haiko hoe amin'ny fomba ahoana fa miandry hatrany aho. Krizy, krizy ary krizy toy ny hakamoako androany ity e ! hay, ny mahatsara ilay krizy dia mampihena ny vidina lasantsy dia mba ..... mitohy ny fitsangatsanganana raha vao misy azo aleha !!!!!
Lasa aho aloha fa tara sao mihinan'ny fatiko eo aho ..... rariva manampy raha tsy reraka loatra. Tsss, kamo aho izany leity e ! Mazotoa ianareo ka. Atao ngôdangôda ilay soratra dia toy ny hoe be lazaina aho androany, ah ah ah (itony émoticons itony koa dia mbola tsy niampy foana nefa mba efa nivoatra ity blaogy.com ity, pffff)
Ho anareo izay mitady batterie kely androany ity misy ROHY dia vakio na henoy.
Kdoambita !
(Tandremo fa mamindra ity an !)
(Io fa tsinjoko hisy hiteny eto hoe "mazotoa kdaomba a" ! Asa raha handaitra fa dia misaotra mialoha e, ah ah ah)