24 Aprily, 2008 11:35
Boky fahiny
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (5) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Lasa ny saiko, mitamberina ny fahiny !!! Variana aho mahatsiaro ilay boky nahafinaritra ahy ny namaky azy satria feno tantara maro nitaiza tao anatiny.
Niatomboka tamin'ny boky tany amin'ny kilasy ambany indridnra ary tena nalaza tokoa : " LALA sy NORO " ! Ha ha ha : " milalao lolo i Lala ... " dray dray dray, misy ilay sarina zazalahy kely milalao lolo ngôdabé !!!!! Tandremo letsy ! Iny ve tsy hanaikitra ?
Niroso ny kilasy dia ilay boky mahafatra-po indray, feno sarisary mahafinaritra : " Méthode Boscher " izay mbola varotana ankehitriny (misy cahier miaraka aminy mihitsy ary @ izao fotoana izao). Tena nampianatra tokoa io boky iray io ! Variana nijery ilay hoe POLKA misy olona 2 mandihy hono izany e !!! Nahay ilay poésies kely tao anatiny tsianjery aho ary mbola tadidiko h@ izao : " L'escargot : où vas-tu ce soir petit escargot ? J'allais t'écraser sous mon lourd sabot. Quand j'ai vu briller ta rose coquille .... " sy ilay hoe " Les petits canards : ils vont les petits canards, tout au bord de la rivière ... " . Tadidiko, tena tadidiko ! Dia ary amin'ny pejy farany misy sarina ankizy kely eran-tany be dia be mifandray tànana eo ambonin'ny globe, dia mifanilika izahay rehefa mijery azy manondro ilay ankizy maity hoditra hoe : " io ianao, i Ranona ity, .... " Ha ha ha ! Aoka re !
Niroso ny dia, dia teo amin'ny kilasy de 7ème : IPAM no nianarana. Nisy ilay sary kely mampiteny dialogue @ teny fantsay (vakiana aloha ilay dialogue dia avy eo tapenana atao tsianjery) hoe : " Michel où vas-tu ce soir ? - Ce soir j'irai me promener ! - Et s'il pleut ? - S'il pleut, j'irai au cinema " ! Dray dray dray ! Fa tsaroako fa tao anatin'io boky io nisy texte momba ilay torerana iray any Majunga atao hoe Ambalakida, toerana iray fanjonoana feno trondro tokoa, falehanay nanao vacances mandeha manjono. Ary tena tantarana fanjonoana tokoa no tantarainy tao ! Asa raha tadidinareo !
Fa ity no tena RAITRA fa tena nahavariana : ilay boky mitondra ny lohateny hoe "Anganon'ny ntaolo " ! Feno tantara isan-karazany milay be ao anatiny. Tantarana zanak'andriana, songomby, Imaitsoanala, .... Izany ka tena angano e ! Mbola any ilay bokinay efa antitra be izay !
Fa faranako ny lahatsoratra amin'ny hoe : mba nisy fitehirizana ireo boky gasy fivarotra teny an-tsisin-dàlana ve ? Ilay misy fampianarana isan-karazany toy ny hoe : Tsiambaratelon'ny vehivavy, Vehivavy mangata-bady, Tsiambaratelon'ny fitiavana, Lakilen'ny fahafinaretana ... Asa raha azonareo an-tsaina, boky manify izay izy, eo amin'ny 30 pejy eo ho eo foana matetika, varotana teny an-tsisin-dàlana. Fa ny tena mampihomehy dia ilay hanifin'ny pejy iray tena gravy be fa tena azo itarafana ny ao am-badika mihitsy ! Asa any amin'ny Bibliothèque nationale any Ampefiloha raha nahatahiry ireny na tsia. Raha mba misy manana dia mba scanner-o dia mba izarao ny namana e !
Izay ary aloha ny anio ! Lasa lavitra ny saina ka mitamberina ireo boky novakiana fahiny ! Nandrotsirotsy ny fahazazazna sy ny fahatanorana ireny ka tsy adino.
Kdômbitah





24/04/2008, 13:37
ka ngô de iray klasy aza tsika mitsà fahiny fa bokinay koh reo...
kdaomtitah !
Zahay mpianatri Rabe dia rehefa misy heure creuse dia mamonjy bibliothèque amoron-dalana : ao ambanin'ireny latabatra ivarotana ireny azo isitrihina dia mipetraka ao zahay mamaky ireo boky lazain'i toi ireo fa tsy azo entina mody sao bedy (tena izao aho vao tpt irery mieritreritra ny hakinga-tsaina fahizany, tsss). Nisy policier koa izy ireny : Moara, sy tsy tadidiko daholo ny lohateny.
Kdaombitah be ilay tamberina fa zah koa ato manana lala sy noro, isambilo ary anganon'ny ntaolo :-)
24/04/2008, 17:06
Izahay tany @ CEG namaky BINA, mbola tsaroako ilay tantaran'izy sy Ikemba hatramizao sy ilay rangahibe nitady ny odin'ny fitiavana. Tamizany tsy mahazo an-tsaina izay hoe fitiavana akory tsinona.
28/04/2008, 10:41
Manahoana daholo,
Tena be hevitra tokoa anie ianareo izay ry i Ikalamako e ! Any ambany latabatra ? Tao @ EPP Rabearivelo ve ianao t@ izany tsy mahita ny tsy famaky ? Sa mba efa lehibe tao amin'ny Lycée ? Izaho teny @ CEG Nanisana + Jules Ferry aho nianatra ka.
Efa namaky ilay Bina io koa aho ry Lalasoa, toa hafahafa izany ilay tantara sady nampanofy ratsy ahy.
Fa tsara e, anisan'ny boky nitaiza tokoa ireny ! Asa ny hafa na inona no mba famakiny na inona.
Hay tamin'ny teny @ CEG koa aho dia ilay bibliothèque verte ireny no famakiko, ilay série Alice moa itako daholo. Ilay Harlequin ireny koa nony lehibebe, dray dray dray, tena amoureuse mihitsy mamaky azy fa dia ..... !
30/04/2008, 01:50
Tapaka ny tsinaiko ry reo mamaky ny paragraphe farany !!! Na génération inona na inona izany dia voasarika tamin'ireny boky ireny ny maso !!! Tamin'ny andronay aloha dia menatr'olona dia tsy sahy fa tsy ampy taona tamin'izany ka natahotra ny iomehazan'ny mpivarotra na mety hisy hitati-bolana amin'ny any an-trano...Rahefa nampitahan-dry zalahy lehibe vao gaga, resaka tsy mandeha amin'ny laoniny fotsiny ilay izy :"lakilen'ny fahafinaretana" no novakiana ka tsy afa-po ! ah!ah!ah!
02/05/2008, 01:17
Tsy afapo ahoana ry Johary a ? Ha ha ha ! Natahotra ny ihomehezan'ny mpivarotra tokoa ry nao a ! Sao siriky ny ao an-trano koa vao aza izay ho tohiny ! 75 francs no vidiny t@izany !