04 Mey, 2009 21:12
Jesosy an-tsary
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Etsy sy eroa ][ (7) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Mahavariana sa mahatsikaiky sa …. Inona re no ilazako azy e ? Ity zava-niseho tetsy @ nosy La Réunion ity. Niseho an-tsary hono i Jesosy !!!!
Tao Cambuston, faritra atsinanan’ilay nosy misy ny vohitr'i Saint-André, ny tantara no niseho : misy fiangonana katolika iray malaza tokoa @ io toerana voalazako io. Niseho an-tsary tamin’ny fiketronan’ny lamba fiankin-tsezan’i môpera ny endrik’i Jesosy hono. Tamin’ny fotoanan’ny karemy moa izy io koa, zoma hariva 13 marsa 2009 t@ izay. Nidonàka tokoa ny olona, ary tonga marobe nilahatra poa toy izay no niafarany nandrina ny 2 andro. Satria ny sabotsy alina dia nanjavona ilay sarin’endrika, tsy nisy intsony. Ny nahagaga anefany dia indro niverina ihany ilay sary ny alahady harivan’io (moa izy izay ?). Ny môpera katolika teny an-toerana moa dia nanamafy fa hafatra avy @ i Jesosy io. Rehefa jerena kosa aloha ilay izy dia manome endrika ny mahita azy. Dia tapitra iny ny alahady, fa nanjavona ilay sary, izany hoe : “déplié” ilay lamba.
Vao tamin’ny 1er mai teo indray, nisy nahita indray ny endrik’i Jesosy ihany, hono tany amin’ny fiangonana katolika any Trois-Bassins, faritra andrefan’ilay nosy indray. Mora kokoa ny ahitana azy amin’ny fakan-tsary telefaonina. Mandresy lahatra ihany ny mahita ilay sary satria manome endrik’olona tokoa ilay izy. Ny kreôla moa mora minomino foana izay koa dia mandaitra be ny toy itony. Poa toy izay koa dia tonga maro ny olona, saingy t@ ity indray mitoraka ity dia noesorin’ilay môpera mpitondra ilay fiangonana nahitana ilay misary endrika ilay izy satria tsy nahatokisany ny zava-niseho.
Lasa ny saiko hoe :
- misy olona mahay manamboatra “ pliures à distance ” fatao amin’ny lamba any ho any angambany ve ?
- sa fifanojoana mahatonga finoanoam-poana ?
- fa nahoana koa moa no voatery ho endrik’i Jesosy ilay izy fa tsy endrik’olon-kafa ? Na endrik’i Ingahibe Noely, na mety ho endrik'i satana mihitsy ary satria io koa dia mahay maka ny endriky ny maro ? H@ izao mantsy dia mbola tsy nisy na manam-pahaizana ary nahay namoaka ny tena endrik’i Jesosy, h@ izay dia endrika noeritreretina avokoa no itantsika etsy sy eroa dia manjary hoe rehefa mitovy @ iny endrika iny dia Jesosy. Na izahay ary moa rehefa mahita olona be volombava sy maka endrik'olona malemy fanahy somary lava volo dia velona ny hoe : “ohatran’i Jesosy” !!!