Mbola tsy ampy azy ireo ihany ity nanokatra blaogy anaovany pub eto ity, sy ny fanoratana tsy mety tapitra amin'ny fametrahana hafatra fa dia mbola nahita fika ihany ry lelikam... tato ho ato ary dia tena gaga aho fa tafapetraka soa aman-tsara ilay izy. Sosotra mihitsy aho Izao no ataony ka asa ny anareo raha mba tratrany fa tena nidonàka aho : naveriny nosoratana re ireo hafatro any amin'ny lahatsoratro isan-karazany dia amin'ny farany asiany lien misy ny pub-ny !!! Ary dia tafapetraka sy mivoaka soa aman-tsara tokoa moa izany ataony izany. Izany hoe ilay nomerao tamin'ny nametraka hafatra iny no notsaingohany dia tafapetrany, fa tsy haiko hoe amin'ny fomba ahoana no nanaovany izany ka aza anontaniana ahy !!!! Efa be ihany moa ireo hafatra voasakana fa @ ity indray mitoraka ity izy dia tena itako ho mahery vaika mihitsy. Asa mety tokony soloina ve ny fomba fametrahana hafatra amin'ity blaogy.com ity fa tena ho be ny ho voafitaka izany ato ho ato !!!! Asakasakareo fa izaho aloha efa mivezivezy eto ihany izao tato ho ato satria tiako ity blaogiko ity, tiako ho hita h@ farany ny fandehany.