Inty indray tantara mitanisa fiainana fianakaviana be iray mahantra ao Antananarivo.

T@ andron'ny fanjanahantany dia nisy zazalahy nentin-drainy nakaty Dago, niaina tany Sakay, nanao mécaniciens tany izy. Narary anefa ity ray nony teo amin'ny faha-16 taonan'ity tovolahy ka voatery nandeha nandao an'i Madagasikara ary namela azy irery tany. Tonga ny fahaleovantena ary tavela tany ihany ratovolahy, tamàna, nanohy ny garage-ny izay tsy naharitra hafiriana akory.

Tato aoriana, taona 2006, dia nirahin'ny fianakaviany izahay mba hitady azy raha sendra handeha haka vakansy taty Dago iny. Itanay tokoa izy, mipetraka any Manjakaray, toerana tsy azo antoka fa be jio, ka na izahay nankany ary dia tena natahotra tokoa noho ireo jio mijerijery anay toy ny te-handroba. Azonareo no tiako lazaina. Nisy mihitsy izy ireo tonga tao an-trano nijery anay, saingy narovan'i Goerges izahay, ataontsika hoe izay no anarany. Dia mahantra tokoa io olona io ankehitriny, efa antitra, ary niteraka 5 izay mbola menavava ny farany tamin'izay fotoana izay. Nalainay sary ihany anefa izy mianakavy kely, tao anaty trano bongo mba ho hitan'ny fianakaviany, tena latsaka ambany tokoa ilay olona. Nampalahelo, nefa dia vazaha ny tena, manana papier soa aman-tsara, saingy ......... mila manavao papiers fa efa lany daty ny karatra. Nampaniraka anay izy mba hampandefa ny extrait de naissance avy amin'ny fiankaviany, ary dia todinay ny hafatra, azony io notadiaviny io afaka 2 vola taty aoriana. Nihevitra ny fiankaviany fa hanao ny ttsiny izy dia ho avy, mba hanavotra ireo fianakaviany koa, nefa tsy izay no nitranga fa tsy nataon'i Georges velively ny papiers-ny .... Ireto zanany anefa dia tsy manana nationalité daholo ary tsy afaka ny hitaky izany raha tsy misy papiers ity rainy, raha ho hain'ireo koa ny fanaovana izany na asa raha fantatny ny zony.

Tsapanay koa anefa fa tsy nanafatra azy mianakavy kely ireto fianakaviany, izay tsy atao hoe mahantra mihitsy, fa ny hahatafavoahan'i Georges no vain-dohan'izy rehetra. Tsapanay koa fa mety matahotra hiditra birao no tsy ahavitan'i Georges ny ttsiny, koa dia niteny izahay hoe matahotra miditra birao izy fa rehefa misy mankany ianareo dia ento izy mandeha any amin'ny Ambassade de France, miaraha aminy fa raha tsy be vava koa ny mankany anie ka ho tavela eo e ! Izy efa malotoloto kely iny ve ho asian'ny olona miasa ao hajany ? Asa, tody ihany ve ny hafatray sa tsia ?

Tamin'ny herinandro voalohan'ny aogositra ity izany dia nisy rahalahiny nandeha nijery azy tany. Efa elabe izany no tsy nifankahitany, efa tamin'ny andronan'ny fanjanahantany ! Akory ny hagagany nahita ity toerana misy ny rahalahiny. Niaraka tamin'ny vadiny vazaha koa moa izy ka vao maika kivy ramatoa nahita izany rehetra izany. Nomeny fotoana ity rahalahiny hoe tongava rahampitso any amin'ny hotely misy ahy miresaka. Tonga i Georges ....... sy ny fianakaviany miisa 20 (miaraka amin'ny zafikeliny io). Sadaikatra iretsy nahita vahoaka teo an-tokonam-baravarana sady kivy be. Ny hany mba nomeny ity rahalahiny mahantra dia 50€ fontsiny tao anatin'ny resaka mba ho fanampiana, indrisy ! Ny ampitson'ny handehanany, 3 andro fotsiny ny séjour-ny tany, dia mbola nisy ihany ireo fianakavian-tetezan'ny vavimatoan'i Georges (rafozan'i zanak'i Georges vavimatoa + ireo zanak'ireo olona ireo) tonga nandondona tao @ ilay hotely hoe te-ho any an-dafy izahay.

Tsy te-ho any intsony ity rahalahiny nahita izany rehetra izany. Nampahelo ity tantara ity satria : mahantra be i Georges, tsy mety manao papiers ahazoan'ny zanany miala any Dago, na ohatra ihany aza mba ahazoany allocations familiales amin'ny CAF (natao ho an'ny olona manan-janaka io aty France ho fanampiana ara-bola sy ny hofatrano sy ny kojakojam-piainana rehetra) ary mba ahazoany mitsabo tena Sécurité Sociale). I Georges moa dia efa any amin'ny 72 ans any. Amiko dia tokony ho ataon'ny fianakaviana izay ahatonga ireo zanany ireo ho aty France, tsy haiko mihitsy hoe nahoana no i Georges ihany no tiany hivoaka avy any. I Georges hono indray andro efa nividianan-dry zareo billet nalefany tany, fa tsy tonga mihitsy leiry.

Dia izay ilay tantaran'i Georges mianakavy, mijaly be nefa tsy hainy ny mety mba zony amin'ny maha-frantsay azy !

Ahoana no tokony ho hevitrareo raha eo amin'ny toeran'i Georges ? Tsy misy vola no sady mahantra be, ilay olona malotoloto (tsy manambany aho fa izay no mety hilazako azy mba ho tsapanareo ny situation-ny) ireny anie izy.

Am-bava homana, am-po mieritreritra !

(Mavitrika aho izay an Cool )

 

Manahoana daholo ô, ela tokoa tsy nitsidika teto nefa misy ny zavatra tiana ho tantaraina amin'io an !

Lasa ny saina ry ireto a, mieritreritra ny zava-misy any Dago, ny fiainana andavan'andro tena tsy azo antoka mihitsy ny fandriampahalemana, maro ny vonoan'olona tsy misy antra. Izao anefa : ny ray aman-dreny fahiny dia tena nihady mafy ho anay zanany tokoa, nihary mba hisy havela ho anay aty aoriana. Izao dia mandova tany sy zavatra betsaka. Ny tena aty am-pita lasa saina mafy hoe mba hody rahatrizay ? 

Mba misy fanontaniana kely ity tiako apetraka aminareo mipetraka aty ivelany ireo ka mandalo eto, ary hanampy ihany koa ny hevitrareo eny an-toerana, tsy misy hevitra ambadika na fankahalàna na fireharehana sanatria no arosoko eto.

Nihary tokoa ny ray aman-dreny hoy aho tetsy ambony, ary izao dia misy zavatra betsaka navelany tokoa eny an-tanindrazana. Raikitra ary ny hoe hanao trano ..... hipetrahana rahatrizay rehefa tonga ny fisotroan-dronono. Nefa izao koa : maro ireo olona mipetraka any te-hivoaka, miala mandositra ny fiainana tanteraka lasa nivaralila mitotongana, ka na ny fianarana aza toa tsy dia misy lanjany loatra. Fahiny isika malagasy nirehareha fatratra fa hoe avo fari-piainana noho ireo afrikana, fa izao tena resy tanteraka, rahoviana no hisy fanafany anefa izy ity. Sao ho fatifaty foana any raha tonga hipetraka rahatrizay ? 

Etsy an-daniny koa anefa any no niaviana, misy ny fianakaviana, misy ny razana niandohana sy ny fananana navelany ...... atao ahoana ny handao hoe hilevona irery aty ivelany ? Manontany ny ankizy ato an-trano tenenina hoe hanao trano any Dago : hipetraka any ve isika ? Nahita ny vacances tamin'ny faran'ny taona lasa dia kivy tanteraka ! Asa raha itanareo ilay reportages vao haingana momba ilay tany Nosy Be fa dia naleonay tsy nantsoina nijery izy ireo fa asa fontsiny ny fahitany azy. Miampy ilay reportage tamin'ny Laurent Voulzy nitsidika ilay akany fitaizana ireo zaza teny an-tsisin-dàlana taizana ireny. Mila mafy saina ny mijery ireny. 

Tsy haiko loatra ny handraisana ilay mety ho fiainana any aoriana ho antsika mipetraka aty ivelany. Ianareo ve mihevitra ny hody indray andro sa hijanona ho faty aty an-dafy aty ? Izao koa anefa : ny fianakaviana iray dia rehefa mihitatra midina (sens descendant) dia mifanalavitra tsikelikely, izany hoe rehefa eo amin'ny 4è génération eo dia efa tsy mifankahalala firy intsony ny mpianakavy matetika. Ny tiako ahatongavana dia mety ve ny hanao mafy fo ka tsara ny manadino tsikelikely ireo iray tampo ? Amintsika malagasy mantsy dia mamy ny fihavanana, nefa rehefa samy entin'ny fiainana, tsy voatery hifampikisikisina eo foana nefa ny taranaka aoriana mety tsy hifankahalala intsony anefa any amin'ny 4è génération any ! Izany hoe miforona indray ny fianakaviana vaovao avy aty aoriana tsy misy ifandraisany amin'ny teo aloha. Asa raha azonareo ny tiako lazaina.  

Inona no hevitra : hody ? hijanona aty ? hijanojanona dia hody ? sa ho "very faty tanteraka" aty ivelany ? Fanontaniana mahaliana ahy ny valiny. Mba lazao ahy hoe ny hevitrareo.

Misaotra mialoha. 

1 2 3 ... 38 39 40  Manaraka»