Hein ? 11 taona no nanokafako ity blaogiko ity .... mbola tiako ho hita rehefa ampy 20 taona aza. Asa, manoratra eto aho fa vao avy namaky ny billets sasantsasany sy ny hafatra napetrakareo rehetra teto, nanjary misy namama moa izany ireo mpamaky, moa mbola ato avokoa ve ianareo rehetra mpitsidika ity e e (New2dago, Sitlo, Ikalamako, Maeva, Finoanaranoiray, Hery, Maintikely, Pissoa, Razaordira, Lehilahytsiresy, Simp, DadaRabe, Mangamaso, Tokinao  ..... sns) ? Asio valiny etsy ambany hoe azafady raha mbola mpandalo eto ihany ??? sa efa lasa any amin'ilay réseau sociale malaza be iry ? 
Ny vaovao avy aty amiko moa izany dia betsaka tokoa. Ohatra : vao avy nifindra trano aho afaka 1 volana izay, rehefa nataoko ny isan'ny fifindrako trano h@ 2008 dia in-5, niahahahaha Cool !!! gravy be !!!! Leo cartons aho, ary mbola mamoha fona h@ izao, tsy hifindra intsony aho, leo, leo ary .... leo !!! Nefa koa ny fitadiavana mahazaka maniraka e. 

Asa re ry lay e, mbola malaza foana ve ny blog izao sa efa lasa any amin'ny réseaux daholo ny olona ? bonne question ! 

Fa dia soava daholo ianareo izay mandalo eto e, mbola handalo ihany koa aho.   

Inty indray tantara mitanisa fiainana fianakaviana be iray mahantra ao Antananarivo.

T@ andron'ny fanjanahantany dia nisy zazalahy nentin-drainy nakaty Dago, niaina tany Sakay, nanao mécaniciens tany izy. Narary anefa ity ray nony teo amin'ny faha-16 taonan'ity tovolahy ka voatery nandeha nandao an'i Madagasikara ary namela azy irery tany. Tonga ny fahaleovantena ary tavela tany ihany ratovolahy, tamàna, nanohy ny garage-ny izay tsy naharitra hafiriana akory.

Tato aoriana, taona 2006, dia nirahin'ny fianakaviany izahay mba hitady azy raha sendra handeha haka vakansy taty Dago iny. Itanay tokoa izy, mipetraka any Manjakaray, toerana tsy azo antoka fa be jio, ka na izahay nankany ary dia tena natahotra tokoa noho ireo jio mijerijery anay toy ny te-handroba. Azonareo no tiako lazaina. Nisy mihitsy izy ireo tonga tao an-trano nijery anay, saingy narovan'i Goerges izahay, ataontsika hoe izay no anarany. Dia mahantra tokoa io olona io ankehitriny, efa antitra, ary niteraka 5 izay mbola menavava ny farany tamin'izay fotoana izay. Nalainay sary ihany anefa izy mianakavy kely, tao anaty trano bongo mba ho hitan'ny fianakaviany, tena latsaka ambany tokoa ilay olona. Nampalahelo, nefa dia vazaha ny tena, manana papier soa aman-tsara, saingy ......... mila manavao papiers fa efa lany daty ny karatra. Nampaniraka anay izy mba hampandefa ny extrait de naissance avy amin'ny fiankaviany, ary dia todinay ny hafatra, azony io notadiaviny io afaka 2 vola taty aoriana. Nihevitra ny fiankaviany fa hanao ny ttsiny izy dia ho avy, mba hanavotra ireo fianakaviany koa, nefa tsy izay no nitranga fa tsy nataon'i Georges velively ny papiers-ny .... Ireto zanany anefa dia tsy manana nationalité daholo ary tsy afaka ny hitaky izany raha tsy misy papiers ity rainy, raha ho hain'ireo koa ny fanaovana izany na asa raha fantatny ny zony.

Tsapanay koa anefa fa tsy nanafatra azy mianakavy kely ireto fianakaviany, izay tsy atao hoe mahantra mihitsy, fa ny hahatafavoahan'i Georges no vain-dohan'izy rehetra. Tsapanay koa fa mety matahotra hiditra birao no tsy ahavitan'i Georges ny ttsiny, koa dia niteny izahay hoe matahotra miditra birao izy fa rehefa misy mankany ianareo dia ento izy mandeha any amin'ny Ambassade de France, miaraha aminy fa raha tsy be vava koa ny mankany anie ka ho tavela eo e ! Izy efa malotoloto kely iny ve ho asian'ny olona miasa ao hajany ? Asa, tody ihany ve ny hafatray sa tsia ?

Tamin'ny herinandro voalohan'ny aogositra ity izany dia nisy rahalahiny nandeha nijery azy tany. Efa elabe izany no tsy nifankahitany, efa tamin'ny andronan'ny fanjanahantany ! Akory ny hagagany nahita ity toerana misy ny rahalahiny. Niaraka tamin'ny vadiny vazaha koa moa izy ka vao maika kivy ramatoa nahita izany rehetra izany. Nomeny fotoana ity rahalahiny hoe tongava rahampitso any amin'ny hotely misy ahy miresaka. Tonga i Georges ....... sy ny fianakaviany miisa 20 (miaraka amin'ny zafikeliny io). Sadaikatra iretsy nahita vahoaka teo an-tokonam-baravarana sady kivy be. Ny hany mba nomeny ity rahalahiny mahantra dia 50€ fontsiny tao anatin'ny resaka mba ho fanampiana, indrisy ! Ny ampitson'ny handehanany, 3 andro fotsiny ny séjour-ny tany, dia mbola nisy ihany ireo fianakavian-tetezan'ny vavimatoan'i Georges (rafozan'i zanak'i Georges vavimatoa + ireo zanak'ireo olona ireo) tonga nandondona tao @ ilay hotely hoe te-ho any an-dafy izahay.

Tsy te-ho any intsony ity rahalahiny nahita izany rehetra izany. Nampahelo ity tantara ity satria : mahantra be i Georges, tsy mety manao papiers ahazoan'ny zanany miala any Dago, na ohatra ihany aza mba ahazoany allocations familiales amin'ny CAF (natao ho an'ny olona manan-janaka io aty France ho fanampiana ara-bola sy ny hofatrano sy ny kojakojam-piainana rehetra) ary mba ahazoany mitsabo tena Sécurité Sociale). I Georges moa dia efa any amin'ny 72 ans any. Amiko dia tokony ho ataon'ny fianakaviana izay ahatonga ireo zanany ireo ho aty France, tsy haiko mihitsy hoe nahoana no i Georges ihany no tiany hivoaka avy any. I Georges hono indray andro efa nividianan-dry zareo billet nalefany tany, fa tsy tonga mihitsy leiry.

Dia izay ilay tantaran'i Georges mianakavy, mijaly be nefa tsy hainy ny mety mba zony amin'ny maha-frantsay azy !

Ahoana no tokony ho hevitrareo raha eo amin'ny toeran'i Georges ? Tsy misy vola no sady mahantra be, ilay olona malotoloto (tsy manambany aho fa izay no mety hilazako azy mba ho tsapanareo ny situation-ny) ireny anie izy.

Am-bava homana, am-po mieritreritra !

(Mavitrika aho izay an Cool )

 

Ohatran'ny mahaliana ahy ilay fanamboarana application ho an'ny androïd. toa efa feno amin'ny internet izao manampy amin'ny fanaovana azy ireny tsotsotra. Andraso ary fa hanao aho. Inty izao ny site arahiko sao mahaliana anao koa :

http://www.makemedroid.com/fr/

Mbola tsy hay izay ho hapetraka ao aloha fa dia ho dinihina miandalana eo ilay izy.

Mandram-pihaona indray. Raha mahita fanamboarana tsotra noho io ianao dia mba atoroy aho. 

Fanontaniana kely : moa ve raha vita ny fanamboarana ny atsasany dia mety tohizana any amin'ny site hafa ny tapany faharoa ? Ho anareo efa nampboatra izao mahalala ny valin'ny fanontaniako.

 

Manahoana daholo ô, ela tokoa tsy nitsidika teto nefa misy ny zavatra tiana ho tantaraina amin'io an !

Lasa ny saina ry ireto a, mieritreritra ny zava-misy any Dago, ny fiainana andavan'andro tena tsy azo antoka mihitsy ny fandriampahalemana, maro ny vonoan'olona tsy misy antra. Izao anefa : ny ray aman-dreny fahiny dia tena nihady mafy ho anay zanany tokoa, nihary mba hisy havela ho anay aty aoriana. Izao dia mandova tany sy zavatra betsaka. Ny tena aty am-pita lasa saina mafy hoe mba hody rahatrizay ? 

Mba misy fanontaniana kely ity tiako apetraka aminareo mipetraka aty ivelany ireo ka mandalo eto, ary hanampy ihany koa ny hevitrareo eny an-toerana, tsy misy hevitra ambadika na fankahalàna na fireharehana sanatria no arosoko eto.

Nihary tokoa ny ray aman-dreny hoy aho tetsy ambony, ary izao dia misy zavatra betsaka navelany tokoa eny an-tanindrazana. Raikitra ary ny hoe hanao trano ..... hipetrahana rahatrizay rehefa tonga ny fisotroan-dronono. Nefa izao koa : maro ireo olona mipetraka any te-hivoaka, miala mandositra ny fiainana tanteraka lasa nivaralila mitotongana, ka na ny fianarana aza toa tsy dia misy lanjany loatra. Fahiny isika malagasy nirehareha fatratra fa hoe avo fari-piainana noho ireo afrikana, fa izao tena resy tanteraka, rahoviana no hisy fanafany anefa izy ity. Sao ho fatifaty foana any raha tonga hipetraka rahatrizay ? 

Etsy an-daniny koa anefa any no niaviana, misy ny fianakaviana, misy ny razana niandohana sy ny fananana navelany ...... atao ahoana ny handao hoe hilevona irery aty ivelany ? Manontany ny ankizy ato an-trano tenenina hoe hanao trano any Dago : hipetraka any ve isika ? Nahita ny vacances tamin'ny faran'ny taona lasa dia kivy tanteraka ! Asa raha itanareo ilay reportages vao haingana momba ilay tany Nosy Be fa dia naleonay tsy nantsoina nijery izy ireo fa asa fontsiny ny fahitany azy. Miampy ilay reportage tamin'ny Laurent Voulzy nitsidika ilay akany fitaizana ireo zaza teny an-tsisin-dàlana taizana ireny. Mila mafy saina ny mijery ireny. 

Tsy haiko loatra ny handraisana ilay mety ho fiainana any aoriana ho antsika mipetraka aty ivelany. Ianareo ve mihevitra ny hody indray andro sa hijanona ho faty aty an-dafy aty ? Izao koa anefa : ny fianakaviana iray dia rehefa mihitatra midina (sens descendant) dia mifanalavitra tsikelikely, izany hoe rehefa eo amin'ny 4è génération eo dia efa tsy mifankahalala firy intsony ny mpianakavy matetika. Ny tiako ahatongavana dia mety ve ny hanao mafy fo ka tsara ny manadino tsikelikely ireo iray tampo ? Amintsika malagasy mantsy dia mamy ny fihavanana, nefa rehefa samy entin'ny fiainana, tsy voatery hifampikisikisina eo foana nefa ny taranaka aoriana mety tsy hifankahalala intsony anefa any amin'ny 4è génération any ! Izany hoe miforona indray ny fianakaviana vaovao avy aty aoriana tsy misy ifandraisany amin'ny teo aloha. Asa raha azonareo ny tiako lazaina.  

Inona no hevitra : hody ? hijanona aty ? hijanojanona dia hody ? sa ho "very faty tanteraka" aty ivelany ? Fanontaniana mahaliana ahy ny valiny. Mba lazao ahy hoe ny hevitrareo.

Misaotra mialoha. 

Gaigy be fa indray hariva aho tato an-trano, sendra teto anoloan'ny ordinateur, injay fa nisy nitselatra tao aorian'ny télé, maty koa ny ordinateur. Tampotampoka teo koa dia reko feo hafahafa tany amin'ny efitra hafa tany, ary ny tao an-dakozia moa dia nisy nirefotra mihitsy. Tsy sahy nivoaka aho avy eo fa saika nisydia nalehako satria nisy fofona zavatra may tao an-trano. Hainareo ny antony fa dia nisy surtension ny courant éléctrique. Tsy haiko aloha ilay zavatra may fa nitady eran'ny trano aho fa tsy nahita. Eto ary no manomboka ny tantara. 

Niresaka tamin'ny voisins izahay fa ny azy dia may ny machine à laver. Ny anay aloha hatreto dia mbola tsy hay hoe inona no voa, fa rehefa tsy naninona ny télé sy ny frigo ary ny ordi dia efa fambara tsara izay.  Nony hamana sakafo maraina vao fantatra fa ny micro onde no tsy mandeha intsony, ary 2 andro tato aoriana vao fantatra fa ilay radio réveil no may nisy fofona tato an-trano, takona dia tsy hita fa vacances koa ny ankizy dia tsy mijery iny tato ho ato.

Raikitra ary ny fiantsoana ny EDF, ary dia natao ny constat ..... be be ihany no voa tato amin'ny quartier misy anay, ary dia efa ho 1 volana sy tapany izao vao tonga ny remboursement momba ilay micro onde maty, nilamina iny aloha. Fa dia mba nanokatra ilay micro onde ihany izahay hoe inona no maty tao sao dia ny fusible no ni-sauter fontsiny ..... hay tena ilay carte éléctronique no maty ! Eto ary no olana satria voatery hividy vaovao ny tena. Ka ny tiana dia mba hoe hisikotra ireo izay tsy simba tao anatiny alohan'ny hanariana ity fananana ity, sao mety hisy ilaina azy any aoriana any. Betsaka tokoa izany raha ny tokony ho izy no azo alaina ao satria carte d'affichage iray manontolo izay no tsy mandeha fa ny sisa mety daholo. Mipetraka ny olana : raha hividy carte hanoloana toy ny hividy vaovao ny vidiny, raha haka ireo ao anatiny dia atao inona anefany satria tsy mitovy ny micro onde rehetra, ariana ilay zavatra marary ny fo hoe mbola be zavatra interessantes ao, ary hangonina hanabe vovoka ato an-trano fotsiny ? Dia mieritreritra fa tsy manarinary foana ny vazaha fa hay tsy misy azo atao rehefa sendra ny toy itony. Izay ilay hoe Société de consommation. Dia mieritreritra mihitsy hoe raha any amin'ny tanàna io izao tena hafa mihitsy ny fandehany an ! 

Fa dia izay e, voatery hariana ity zavatra ity, tsy mandeha fa be pièces azo alaina, tsy any amin'ny tanàna ka voatery hariana. Fusible fontsiny no azo alaina. Dia torak'izany koa ilay ordinateur portable ato, carte mère no voa efa elaela izay ........  

(Gaigy be ry loray ato fa tafiditra foana !)

Elaela tokoa aho no tsy nipoitra teto, na ny mipetraka eto anoloan'ny ordinatera ary tsy dia nahavantana ahy firy tato ho ato.

Hafa indray ny fihodin'ity tantara iray ity, bizn mahavelona ho an'ny maty eritreritra. Efa misy tokoa ve ny reny mpitondra vohoka eto Madagasikara ? Ny efa reko koa taty ivelany dia ny renin-drakalakely efa 50 taona no nanaiky hitondra vohoka ho an-janany vavy tsy afaka miteraka, ka tonga amin'ilay fitenenana hoe : " mandeha ho azy toy ny karatr'i Naivo naloan-drafozana " 


DSC_0238.jpg 

(Azafady fa mba miolana kely raim fontsiny ny loha mamaky ity fa no-mailer-ko izy ity mantsy dia tsy mety atao rotation)

Ry Ikala Zakilina mahay an'itony koa ahoana no tsy mba ataoko ?

Ho tohin'ny resako etsy ambany dia INTY ilay émission itako tamin'ny tv teto France, "Inventeur de l'année" 2011 ilay izy.  

--------------------

Zavatra mandresy ny fahantrana ity resehako ity indray, itako fa mafotaka loatra ny fandrobana (izay tsy ho resahiko eto intsony fa betsaka ny lahatsoratra momba io) sy ny fahalanian'ny ala any Madagasikara noho ny fomba fiainana any. 

Kianina loatra ireo any ambanivohitra sy ambanivolo amin'ny fampiasàna kitay sy ny fanaovana saribao @ fiainana andavan'andro fa tsy omena azy ireny kosa ny fomba mety hanoloana izany. Vokatr'izany mantsy dia maro ireo hazo tapahina mba hanaovana saribao. Ray aman-dreninay izao no efa nivarotra ala tamin'ny olona mpanao saribao, tsy nahalala tamin'izany fa ratsy be ity fomba ity ankehitriny satria mety hahatonga an'i Madagasika ho tany karakaina (desert) atsy ho atsy. Narary mihitsy ny foko tamin'izaho nandeha tany Majunga nahita ilay renirano menabe mikaoka ny tany. Misy ala-olana iray anefa ary tena efa miparitaka tokoa izy ity any Inde, izay iantsoana io firenena iray io hoe "pays de l'énergie solaire".  

Sendra nijery documentaire tamin'ny tv aho tamin'ity herinandro ity, ka nahita tampoka ny vehivavy bdb tany Inde ampianarina manamboatra capteur solaire. Nijery teo aho ary gaga nahita olona marobe isan-karazany tsy mitovy firenena : afrikana, amerikana tatsimo, mongolienne, birmanes, ..... nefa any Inde. Kay izy ity ny fandehany dia izao : nisy ingénieur(-s) manao association naka vehivavy samy hafa firenena marobe teo amin'ny 200 isa teo (moa angaha izay raha tsy diso aho), reny sy renibe tsy miasa izy ireo, izany hoe olona mpikarakara tokatrano no sady mahantra no nalainy ampianarina manamboatra fatana sy jiro amin'ny fomba tsotra indrindra satria maro amin'izy ireo no tsy mahay mamaky teny, noho izany dia misy loko no anavahany ireo zavatra ampiasaina amin'izany. Mora vita ilay zavatra noho izany nefa mahomby tokoa satria no-tester-n'ilay ingénieur teo imason'ireo mpaka sary ilay izy hoe tena mamay tokoa ve : nampandaloviny taratasy fotsiny teo amin'ilay vy dia tonga dia nirehitra ilay taratasy. Ny jiro moa dia fotoana fohy mihitsy dia mety maharitra elabe ny hazavana azo avy aminy rehefa hariva. Ilay programa izay maharitra andro vitsivitsy moa dia natao ho an'ny vehivavy mihitsy ilay izy, izay nomena fandraisana manokana izay tonga tany mandritra ny fijanonany tany : trano sy sakafo, satria hono ny lehilahy rehefa mahay zavatra dia mandao ny tananany mandeha miakatra tanan-dehibe ka tsy handroso mihitsy ilay tanàna tokony anaparitahany ny fahaizany. Ny tanjon'ilay association dia ny hanaparitaka ny fahaizana manao ireo zavatra 2 ireo ho an'ireo olona tsy ampy fivelomana @ tany mahantra, tsy haiko raha nisy gasy tao na tsia fa ahiko ho tsy nisy noho ny zava-misy aty (na nisy tokony ho lasa ary mety lasan'olona ny billet-ny nanaovany vaks Cry)

Nisy émission izay koa moa itako tamin'ny tv, teto France izy io, ka samy mitondra ny inventions-ny ny olona dia tsaraina izay tsara indd sy mety ilaina, ka omena financement ilay olona hi-lancer-na azy. "La France a du talent" moa izay, tsy tadidiko intsony. Fa olona 1 nitondra zavatra tanaty boaty, dia nosokafany sy nampiakariny tao anatin'ny segondra vitsy ny tao anatiny, fatana à énergie solaire ilay izy, mety entina hoy izy raha manao picnique na ohatr'izay satria maivana sy mifitina tsara rehefa voapirina ary vetivety dia mafana .... masoandro fotsiny no ilaina, tsara e ! Nidonàka aho nijery azy fa tena nevitra mety tokoa, ary dia anisan'ny nekena ny zava-bitany. Fa tena miaiky aho fa tena tonga amin'ilay hiran'i Lalatiana hoe : "ny masoandro hitondra hafanana, ho an'izay mahay mandray ny azy".

Ka hoy aho hoe, maninona moa raha mba io no ihezahan'ny fanjakana atao any Dago ho an'ny olona rehetra any ambanivohitra any, tena manatsara fiainana, miaro ny tany sy mety betsaka ny zavatra haterany, ary mety ampianarina ny daholobe maro an'isa izay anatin'ny fahantrana tokoa, indd hampidina ny vola aloa amin'ny JIRAMA Cool. Atao tsy lafo ny fanamboarana azy, ary aparitaka faobe sy malalaka ny teknika dia vita ! Ho betsaka ny zavatra aterak'izany fa mino mihitsy aho indd aty amintsika izay mahita hevi-baovao foana. Sarotra mantsy raha lazaina fotsiny ny olona hoe : "manimba sy manapotika ny tany ianareo" nefa tsy omena azy ireo ny fahaizana sy ny fampahalalana ary indd ny vahaolana amin'izany. Itako efa nisy ihany nandeha tamin'ny tv momba ny fampahalalàna ny malagasy any ambanivohitra io zavatra io, fa tsy nampianarina azy ireny sy omena azy ireny ny fitaovana. Na dia atao mora be aza ve dia tsy hety e ? Vitan'ny hafa ve tsy ho vitantsika e ? Ho tara eto indray isika raha mbola tsy ho tafiditra amin'io herinaratra iray io.

Tsy haiko aloha ilay ilaina amin'ilay izy fa tena tsotra be ilay fampianarana nomena ireo vehivavy tamin'ilay itako ka ataoko fa ho mora ny fanaovana izany. Tsy tadidiko akory hoe taiza moa no nahitako ilay documentaire fa notadiaviko fa tsy itako intsony. Izaho koa ary mba te-hianatra izao hoe ahoana marina moa ny fanaovana izany, tsy kapoakako mantsy ny momba ny herinaratra (na dia kdaombaramita ary ny anaran'ny blaogiko) fa mety tsy ho sarotra araka ny noeritreretiko azy h@ izay raha izany.  

Dia izay hoy aho e, am-bava omana am-po mieritreritra. Vidina bodofotsy + menaka 1 litatra ve tsy hahavita io raha ampiana kely ?

Jereo ity 

" Ary nahoana no manahy ny amin'ny fitafiana ianareo ?

Diniho tsara ny fanirin'ny voninkazo any an-tsaha :

tsy mba miasa na mamoly,

na dia Solomona teo amin'ny voninahiny rehetra aza

tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'ireny "

(Matio 6 : 28-29)

Nifanojo ve ny eritreritray sy i Hery ? Indreto no "Fampiasa" (izay no itako mety andikana ny teny "application" ho an'ny androïd) vao azoko ofak'omaly. Tena mahavariana, sady mahafinaritra ny zava-bita malagasy. Dia misaotra ireo izay nanamboatra, maka telina ary mandrisika azy ireo hanao bebe kokoa. 

Ilay dictionnaire moa dia sady mandika teny gasy no mandika teny frantsay koa. Ny tsininy kely dia misy diso ny hevitry ny dikateny fa ara-teknika dia ao tsara.

Ilay SmartBaiboly kosa dia tena tsara tokoa : misy Baiboly protestanta sy ny Fihirana FJKM + fanampiny ao anatiny. Misy mbola tsy ampy kely fa tsy manahy, miandalana ny fanatsarana. Dia efa am-paosy izany ny finday rehefa miangona fa tsy mila mivimbina be intsony. Dia samy manokatra ny azy avy ao am-piangonana (mi-fb raha toa ka tsy miditra ny toriteny au lieu de mitily sipa LOL). Efa mampiasa ny habetsahan'ny olona ao amin'ny Fiangonana misy ahy. Ny tena marina dia any am-paosy ny tenin'Andriamanitra isan'andro mety sokafana sy vakiana rehefa tonga ny fotoana, tsy misy fialàna bala intsony Foot in mouth 

Inty fanorona inty kosa dia milay beuuhh mits fa tsy mety maharesy aho, ha ha ha, ahatsiarovako ny milalao @ dadanay rehefa harivariva iny taloha. Tsy ratsy ! Merci au dévéloppeur.

Ary farany, io no fampiasa kely Baiboly katôlika nataon'i Hery vao haingana noresahiny tato amin'ny blaoginy tato, bravo Hery ! Il faut que je me mette au java 1 2 C 4 !

          Nataon'i Hery blaogy.com

Tiako ny Androïd noho ny Windows sur smartphone. Mazotoa e !

NB : Graves koa ry loray mianakavy fa tena feno tao, mba tsidio ihany ny toerana fandrindranareo ry blaogera ô !

 

Apetrako eto ity tantaran'Ambondrombe ity satria nahaliana ahy, fahiny izy ity no nandeha radio. Tiako ho tehirizina eto, koa mazotoa mamaky ary e. Misaotra ilay olona nametraka azy tatsy amin'ny forum tatsy.

 

Misiterin’Ambondrombe, Mitantara Ing. Latimer Rangers

 

Nahoraka tato ho ato ny resaka Ambondrombe. Manjavozavo amin’ny maro, fa indrindra ho an’ireo tanora vao misandratra ny nomba ity tendrombohitra feno misitery ity. Heverinay fa hampisinda, na ny ampahany fotsiny aza, amin’ireo fanontaniana mifamahofaho mikasika ity toerana manan-tantara ity ny famohazana indray ny fitadidian’Ingahy Latimer Rangers, ilay mpanao gazety fahiny tao amin’ny radiom-pirenena malagasy, fanta-daza efa nihanika ny tampon’Ambondrombe.

Ohabolana fampiasa matetika tety Imerina ny hoe : « Rafotsibe maty andro nandroana, sady tsy henina ny ety, no tsy henina ny any Ambondrombe ! ». Tsy vao androany no nampisy sahoan-dresaka momba an’ity faritra manan-tantara ity. Fahiny, ny finoana nentin-drazana dia nametraka fa mamonjy an’Ambondrombe daholo ny fanahin’ny malagasy rehetra izay nodimandry, fa tsy mankany an-danitra na any amin’ny helo akory. Raha faritana tsotsotra ara-jeografia, manolotra avaratry ny tendrombohitra Andringitra, ao anatin’ny distrikan’i Ambalavao Tsienimparihy, no ahitana an’Ambondrombe. Ny kaominin’Ambohimahamasina no mamaritra azy, izay sahabo ho 50 km miala ny tanànan’Ambalavao Tsienimparihy, faritra Matsiatra Ambony. (tohiny)

Tantara fitiavan-janaka indray no itako nahavariana sy tiako farany : TAKEN 2. Asa lahy fa tia ny zanany daholo ny olona fa ny tsy itovizany dia misy ny afaka manavotra ny zanany amin'ny heriny rehetra, toy ny tao anatin'ity tantara iray, ary misy ny tsy afaka. Nandeha niaraka tamin'ny namany taty Europa ilay zanany vavy 17 taona, saika tsy nety ity rainy satria fantany tsara ny zava-miseho aty, niasa tao anatin'ny sécurité gouvernementale mantsy ny rainy teo aloha. Kinanjo dia nony tonga tao amin'ny aéroport tao Paris, dia efa nisy nitily ireto zazavavy 2, nataony izay nahitany ny hotely nipetrahany ary dia niverenany nojonoina tao. Atao inona anefany ? hangalarina ho varotana ny tenany, izany hoe ho droguer-na dia alefa mivaro-tena na amidy amin'irony mpanana tia miliba @ vehivavy 2 - 3 - 4 na mihoatra, ary dia tsy ho itan'ny fianakaviany faty intsony. Teo am-piresahana tamin-drainy tamin'ny finday iny indd izy no tonga ireto mpangalatr'olona libanais ary dia lasa tokoa razazavavy, nentina an-keriny. Teo no taitra ny rainy fa henony daholo ny zava-niseho sy ny nahalasa ny zanany, ka nataony izay nahatongavany taty France nitady an-janany t@ fomba rehetra. Tsara ilay tantara, misy hetsika maro, fikafika maro, ary olona mpamadika maro. Nahafinaritra ny fivoatr'ilay izy. Hany ka nahatonga saina hoe mahina ihany mamela ny ankizy handeha hi-voyager irery izany.

 

Iray hafa koa no itako farany : "The expendables 2" izay ahitana ireo be sandry rehetra amin'ny horonantsary. Ny fototry ny tantara tsy dia milay loatra fa ny hetsika nataony mahery vaika no betsaka tao. Fa tena feno herisetra mahatsiravina izany. Ny nahasosotra ahy fontsiny dia ilay sipa kely tara tamin'i Stalone efa konka, pffff, aiza koa no hisy izany ! Tongue out  

Indice : ao Madagasikara moa misy uranium ? Jereo ny fiadivan'ny olona azy.

Tsara aaaa ! 

kdoambaramita

  Mbola ho avy hono i Kdaomba e,

  Blaogy mavitrika hono i Kdaomba e,

  rehefa tsy hita anaty tabilao elaela

  dia iny nipoitra ho mavitrika ho azy e, 

  fa ahoana marina no fandehan'izy ity ary ? 

  Kidoam-bara-mita kidoam-bita !!! 

  BAM BAM BAM BAM ..... BAM BAM !


 

Itako tamin’ny  fahitalavitra 3 andro angambany izay ny momba an'i Mozambika.

Resaka krizy eran-tany izao no malaza. Voatanisa teo aloha teo fa misy tany 5 vaovao vao miala amin’ny fahantrana (pays emmergeants) izay mety tsy hiharan’io krizy io satria mandroso tokoa ara-toe-karena, izay antsoina hoe BRICS izay tsy iza moa izany fa : Brésil, Russie, Inde, Chine, South Africa, (saika tao anatiny I Madagasikara raha tsy nisy io putch io). Ny nahavariana ahy dia vao haingana no itako fa nihantra amin’i Chine sy I Brésil ihany ilay krizy anefa ary manomboka  mimenomenona ny mponina miaina amin’ireo tany ireo. Fa ny nahalasa ny eritreritro kosa dia hoe : tsy tokony hiaran’io krizy eran-tany ioi Afrika satria tsy miankina @ euros sy dollars. Tokony hampiakatra ireo tany anatiny ary io krizy io. Nefa nahoana ary mbola tsy hita miakatra ihany hatramin’izao ? Efa ela no naniriako hoe hivadika ny glaoby ka ireo tany mahantra no ho lasa mpanana ary hanao ahoana no ho fandehan’ireo olona miaina amin’ny tany manan-karena amin’izay fotoana izay ? Dia nisy namaly aho hoe : korontanina foana I Afrika mba tsy hisy izany …… ooaay kosa e !

Izao ary, manomboka mihatra ao Portugal koa ny krizy ary dia inona hoy ianareo no mitranga @ izao itenenantsika izao : ireo tanora be diplaoma tsy an’asa portugais dia lasa miverina amin’ny zanantaniny taloha mandeha miasa any Mozambika ! Betsaka tokoa ireo tanora ireo, an’arivony maro, no tonga any ary dia lasa entrepreneurs daholo. Lasa mandeha be io tany iverenany io ankehitriny satria mitondra asa ho an’ny eo an-toerana ireo tonga izay mahazo vola be in-3 na 4 avo heny amin’ny tokony ho raisiny raha miasa any Portugal izy ary raha hahita. Tsy misy ny kredy an, fa samy mahazo izay ilainy ny an-daniny sy ny an-kilany ; ny mozambikana mahazo asa ary  migalabona tokoa ireo portugais any, tena miaina tsara tokoa !

Ka lasa ny eritreritro hoe izay ve no mety ho fivoatri’ity krizy ity, samy hamonjy ny zantaniny fahiny daholo ireo mpanjanaka taloha, ka ampitombo ny toe-karena sy ny ara-tsosialy eny an-toerana ?

Asa aloha fa raha izay no hiverina ao Madagasikara dia asa loatra fa hifanjevo ao ny frantsay izay azoi lazaina fa namela voa ratsy ho an’ny Malagasy. Tonga amin’ilay fiteny hoe : “ny kianja no tsy asian-dratsy ny lalao mbola ho ela”.  Ho zakantsika ve izany ? Sa asiana conditions ny fipetrahan’izy ireny ary raha toa ka mba tonga toy ireo mpiavy portugais any Mozambika ? Sa ho zakantsika ny amerikana, ny rainiboto, sy ireo avy amin’ny tany hafa raha toa ka hiavy any (raha avelan’ny France, bien sûr !!!!! ) ? Nefa koa raha toa ka handà isika, moa ve isika samy Malagasy afaka hahavita tena irery koa anefany ?

Fanontaniana mipetraka anatiko io. Ho poinsa sa tsia ? Hanaiky ve sa hiolon’olona ? Hahavita tena ve isika na dia ara-politika ihany aza satria ankehitriny dia toa miandry ny fanapahan-kevitra avy any ivelany foana h@ izao mba handamina ny eny an-toerana. Sa inona no mety hatao ?   

Nahita hevitra iray aho nefa tsy hisy hanaiky koa ny malagasy eny an-toerana, azonareo an-tsaina io hevitra io fa anjaranareo ny maminany azy. Fetim-pirenena koa moa izao koa dia ARAHABAINA TRATRY NY ASARAMANITRA e, am-bava homana am-po mieritreritra ! 

(PS : Itako ihany omaly ilay film Limitless ry Hery, drôgy gaigy be leizy)

 

Itantarako ity ianareo fa mba nampalahelo ahy. 

Izahay moa dia mipetraka ambany rihana, izany hoe misy vehivavy iray nilaozan'ny vadiny mipetraka sy birao ray no ao ambony, dia izay. Tamin'ny zoma 18 mey aho no nantsoin'ilay tao amin'ny birao ao ambony hoe : 

- oviana no itanao farany ilay ramatoa ato ? 

- toa tamin'ny talata izy izay, hoy aho, araka ny nolazain-janako. 

- Fa maninona ?  

- tsy izany fa araka ny filazan'ny olona mandalo rehetra ato dia misy fofona maimbo ao an-tohotra ao, ary misy lalitra mihaodihaody.

- An an an, raha misy manjo azy tokony ho efa nivezivezy tao ny fianakaviany satria toa mankany foana izy isan'andro mikarakara an-dreniny moa sa rahaviny misy kilema.

- Ka inona no tokony ataoko izany ? hiantso pompier ve izaho sa ahoana ? sa hiantso ny angence immobilière ? 

Lasa tokoa aho nijery ary dia nisy fofona hafahafa tokoa, fofona maimbo. Asa raha mahatsikaritra ianareo rehefa mandalo cimetière fa izahay rehefa mandalo ireny dia misy fofona maimbo foana, anaty fiara io dia re an. Ary dia nandondona tao amin-drafotsy, fa efa mandroso taona ihany ity olona mipetraka irery no sady misotrosotra rahateo. Tsy nisy namaly, ary dia norohoko ny manodidina ny varavarana ka injay tokoa ilay fofona fandreko, ary dia misy lalitra mihaodihaody tokoa manodidina eo. Koditra aho ! Ary dia niantso ny angence immobilière mitantana ny trano. Nilaza io anefa fa tsy manana ny numéro téléphone-ny, efa fantatro fa tsy tian-drafotsy nomena io izy, fa hijery ny dossiers-ny ihany sao mahita numéro tampoka ao. Nony kelikely dia naneno ny téléphone-ko hoe : "maty izy, fa nahazo ny rahavaviny aho, ary toa eo am-pandevenana mihitsy izy araka ny fandrenesako ny manodidina tamin'izaho niantso azy" hoy ny  agence .... Izany hoe tsy maty ao an-tranony kay izy izany fa maty tany amin'ny havany ! Ouf ! Maika aho fa fantatro fa tsy maintsy ilay fiangonana catho etsy ankilanay etsy no tsy maintsy hidiran'ny fatiny, koa raha iny ndeha hanontany ny olona efa nijorojoro teo iny aho hoe iza no olona maty andrasanareo eto, dia indro ny vadiny itako nitondra ny voninkazo mialoha ny corbillard. Izany hoe 5mn taorian'ny naharenesako hoe maty ilay olona no nidiran'ny fatiny ny fiangonana tetsy. Tampoka loatra tamiko ilay izy. Efa voalazako aminareo TATO moa fa ny aty raha maty anio dia rahampitso dia tonga dia alevina. Hatramin'izao anoratako izao aho dia mbola tsy mino foana hoe ilay olona fiarahabako isa-maraina sy mpanome voankazo anay iny tsy eo intsony ! Ny nahalasa saina ahy moa dia hoe mba nisy fampandrenesana "nataony taminay" ihany izany ny nahafatesany, tsy mitompo teny fatratra ny fahamarian'izany aho fa mba izay fontsiny no tato an-tsaiko amin'ny mahanofo sy rà ahy, tsy haiko izay fandehan'ny zava-mitranga any an-koatra any fa dia mahalasa saina fontsiny hoe mba nisy signe ka nahafahanay nanotrona azy farany tao ampiangonana izahay. Izahay rahateo moa sy nifanerasera tamin'ny fianakaviany satria tsy mpakao aminy ireo olona ireo. Ny vadiny izay nandao azy no hany fantatray.

 

Zavatra hafa indray ity resahako ity. Voamariko fa isaky ny misy olona maty ao amin'ny fianakavianay, dia misy olona teraka koa ao anatiny. Izany hoe fotoana fohy aoriana na mialoha ilay fahafatesana io zava-mitranga io. Fanamarihana fotsiny ny ahy fa tsy araka ny anaty Baiboly izay inoako. Ka mahalasa ny saiko hoe moa ve ny fanahin'ireny maty ireny omen'ilay Nahary 2ème chance indray fa nisy tsy fahatanterahana tsy hahazoany miditra ny fiainana mandrakizay, ka averiny hiaina fanindroany indray ? Eritreritro fotsiny io hoy aho an. Asa re, fa soa fa tsy afaka ny hanamarina izany aho. Ka raha toa ary ka ho faty ny tsirairay dia soa fa tsy misy tadidiny ny zava-nitranga teo aloha.

 

Amin'ny manaraka .................

......... vita teo ny fiainana ! "Tornade" na tadio no nisy teny amin’ny masoandro tamin’ny 25 septembre 2011 lasa teo. Izy ity dia niseho teny amin’ny fanambonin’ny masoandro : rivotra mamay mahatratra 2 000 000°C no voatsikaritri’ireo manampahaizana britanika, mahatratra 300 000km/h kosa no fifindrany teny amin’ny habakabaky ny masoandro. Ny habeny dia mahatratra in-5 ny haben’ny tany izany, ary azony natao tsara mihitsy ny nitroka ny tany raha tsy voatanan’ny endrambin’ny masoandro ilay izy. Asa raha azonareo an-tsaina ny nitranga tany Japon, ilay nanapoahan'ny amerikana baomba atomika, fa tena may kila daholo ny olona manodidina, tsy haiko na nahatratra diry ny manodidina tratra, fa izay mbola velona dia nitondra takaitra. Koa raha ny masoandro no ho tonga aty dia asa fotsiny fa dia tena na ny maty anaty volokano aza mbola tsy mety hahalaza azy, pitika lavenona toy ny loham-panjaitra sisa no hiafarana angambany an ! Pouaaahhh !

Dia mivanaka ny saina hoe : tsy ny fananako eto an-tany mihitsy anie no hanavotra ahy rehefa ho tonga ny farany. Mahita ireny olona lasa mialoha ireny ny saina dia lasa an’eritreritra hoe misaraka 2 ny olombelona : vatana ny fanahy, ilay natsofok’Andriamanitra tamin’ny fofon’ainy tanatin'ilay fotaka misarin'olona tamin’ny andro fahafito. Rehefa maty ny olona dia ilay vatana miverina ho tany tsy misy ahafantarana azy intsony. Tsy ilay olona manam-pahaizana sy tsara tarehy sy nanao ratsy na ny tsara intsony fa mitovy daholo : VOVO-TANY. Fa ilay ambiny faharoa kosa, dia miakatra miverina amin’ilay nanome azy. Eo dia fantatra fa tsy hisy hahalala intsony ianao satria efa fanahy sisa, Izy irery ihany no mahafantatra anao. Lasa manidina amin’ny hafainganam-pandehan’ny hazavana “année de lumière” ianao eny anabakabaka eny, adino daholo ny rehetra, tsy misy tadidy intsony ny teo aloha (fianakans, fahaizana, fananana, ….) nilaozana daholo izany rehetra izany ! Fa izao kosa : ny tsy hitovizan’ny rehetra dia nikarakaranao io fanahinao iny fony tety an-tany. Izay nahakarakara izany mba hiverenany amin’ilay Nahary dia hiverina any.

Ny tiako ahatongavana dia hoe : mety ho tonga tampoka ny tsy ampoizina atsy ho atsy, voasolelaky ny tadio mahamay anabakabaka toy io voalazako etsy ambony io ohatra, ka ho fongana sy misy ho raisina intsony fa lasa lavenona tsy ho lasa vovo-tany akory ary. Koa samia mikarakara ilay fanahy fony izao mbola velona izao mba hiverenany amin’ilay nanome azy rehefa tonga ilay fotoana tsy ampoizina.

Marefo dia marefo ny fiainan’ny olombelona mihoatra amin’ny zava-miseho amin’ny habakabaka. Moa tsy izany ve no nahafongana ny dinoazaoro fahiny ? Soa anefa fa maty daholo izy ireny fa raha tsy izany dia ny “raptor” sy ny tyrannosaures sns no ho fahavalo tsy mety ho resintsika.  eto 

Tadio teny amin'ny masoandro

O ry lehilahy ô ? Dia nahoana loatra ianareo no nomen’Andriamantra fahafahana manan-janaka maro ao anatin’ny segondra vitsy ? Efa ho 1 million no omenareo rehefa mahatsiaro fahasambarana iny, ny an’ny vehivavy anefa 1 isam-bolana. Natao mba ahafahanareo manana chance ve izany ? Dia manararaotra loatra ity rangahy iray ity kosa ka, fa dia inona loatra no tena mba mampanintona ny tovovavy aminy ary ?

Jammie Cumming, lehilahy anglisy, 34 ans, tsy an'asa, nefa dia manana zazakely 16 isa tamin’ny vehivavy maro isan-kazarany mbola tanora kely daholo. Ataoko angaha hoe tena bôgany ve leiry, nefa dia io bôgôsite io ve mitondra mankaiza rehefa tsy mahavelona e ? Tsy ataoko hoe “nymphomane” akory satria raha toa ka izay, dia tsy hoe ny hiteraka no tena vaindohan-draharaha fa nanala azy fotsiny. Fa ity tena gravy satria aina maro no naterany. Tsy vitan’ny 16 ihany ny zanany, fa mbola misy 2 efa an-dàlana koa any, gravy faran-tampony ?!?!

Ilay vehivavy koa ary ve no voafitaka sa dia tena mba tia ? Sa tsy nikaoty andro ? Sa ilay tsy mba nijery fitaratra ireny ka tonga dia miantsampy amin’izay tonga mandom-baravarana voaloha eo ? sa lany zara ? sa …… . Tena hafa kely indray ity "addiction" iray ity marina ka ! Ataoko fa ao daholo ireo valiny ireo. Ianareo lehilahy anie ka tena mba mahita sampona mihitsy e. Misy ny tena expert amin’ny fikaotina sy famitahana sy fandaingàna rehefa resaka sipasipa, pff tsy ho voatanisako eto ….. Odoie !

Sao dia izao kosa ary ilay fanitarana taranak’olombelona ? Na hoe pérénnité de l’éspèce humaine ? Hu hu hu, Dia ho azy irery ve ny tanàna atsy ho atsy ? Dia ho resy ny lehilahy hafa, satria taranak’i Jamie Cumming no ho betsaka eto an-tany raha mbola hitohy ny exploits ataony. Vao 34 ans monja mantsy izy, mbola tanora ihany e. Koa dia manasa anareo lehilahy aho hietsiketsika raha izany mba hifandanja ny isan’ny ho taranakareo sao ho voazanaka eo ny taranakareo ho lasa vitsy kely atsy ho atsy. Mahaiza mietsiketsika toa an’i Jammie, ataontsika hoe “mouvement jammieing” no anarany, izany hoe hetsika fahaizana manao zaza betsaka indd eran’ny vazamototra. Ny fotoana efa hafahafa ihany koa tokony ka mba akory re raha raikitra any Dago io hetsika iray io mba tsy ho tara ny Malagasy, sady mora atao an ! Ny bandy gasy tsy tokony ho tara mihitsy, indrindra ho anareo izay tena mbola ao anatin’ny fahatanorana. Fa zao fotsiny : aleo atao tonga saina ihany ny zazavavy alohan’ny fiandohan’ilay hetsika hoe misy io, dia mba somary mivaky loha kely fontsiny ny lehilahy mandresy lahatra fa tsy ataotao foana akory. Ny tiako lazaina hoe : mba hisy intelligence kely ihany ilay zaza vita eo satria mba nisaina sy nivaky loha “kely bolitika” ihany ilay lehilahy talohan’ny nanaovana azy, sao dia vitam-boka fotsiny eo. Ha ha ha ! Raikitra a ?

Ho ela velona anie i Jammie hifanantitra amin’ny zanaka aman-jafiny, ka ireo no hamelona azy atsy ho atsy, satria tsy ho velony na oviana no oviana ireo zaza ireo na hiasa 7/7j ary 24h/24h ary izy. Fa tsy ho adala toa an-drainy. Mampihomehy be ihany ilay cas an. Aza mifanena amin’ny Jammie ihany indray andro any, hoy ny teny Malagasy hoe “aza mifanena amin’ny mpaka kitay” …… adinoko, mety efa betsaka ny jammies ao Dago ngambany fa izaho no tsy kôpy ve ?  

Bon WE daholo ary, bon défi avec Jammie !

(efa t@ 09 desambra 2011 ity no nivoaka teto fa mba nahafinaritra ahy ilay volon'i Jammie ohatran'ny kofafa kely dia naveriko eto indray Sealed !

Rien ne se perd, rien ne se crée, tout se transforme.

...... ao tsara an ?

 

Raha mahatsikaritra ianareo dia isak'ity daty ity aho manoratra eto foana isan-taona Kiss

SSShhh, nanao fety izaho omaly fa tsss ! Aiza ve rangahy ity koa efa isan-taona izao ianao dia lasa foana ilay izy, tsy mahazo miverina ... dia nataoko irery tany an-tsaiko ny fety fa tsy ho tafaverina eo intsony aho hoy aho an'eritreritro. Ny androany no betsaka ny nahatsiaro ahy, mitombo fahendrena no entina namatsiana saina dia vlan !

Hay saika adinoko, mba nanandrana itony hoe bavarois itony aho, nataoko amin'ny voasary dia elabe vao mivaingana tsara ilay zavatra ao anaty vata fampangahatsiahina ao, 12 ora hono no tadiaviny koa dia hajaina izany mba hanamarihana ity vaovao vao tonga androany ity, tsy nisy niova fa tonga vaovao fontsiny an ! Ilay tsy azo anontaniana hoe firy moa izany izao sao mankarary saina. Androm-piravoravoana koa moa ve asiana resaka toy izany tsy tonga dia mandrava laka !

Ny hany tena mba nanamarika ahy teto amin'ity sehatra blaogy ity dia satria vanim-potoana toy izao no nanokafako ity blaogy ity, nataoko ho fanomezana ho ahy tamin'izay, mba nanandrana nampita hevitra dia revo teto ary tsy te-hiala teto intsony fa nanjary manao lalan-kita kisoa ! 

Izay e, nitombo indray ity ny fotoanako, efa nahazo bebe ihany aho teo amin'ny andro-piainako, nisy : fahoriana, fifaliana, fahobiazana, fianarana, fotoan-tsarotra, nefa toa mba nety tsara ihany hatramin'izao. Hoy ilay zokiko vavy izay hoe : raha hevitra ataingina dia voalohandohany ianao nefa toa mety ihany ilay izy. Hevitra ataingina ve izany tokoa moa sa efa voavolavola tsara tao an-tsaina ka mora natao ? Izay ilay fahendrena angambany an ! 

Nitombo fahendrena aho, Y E S ! 

"Asa arahin-kira, toa vita tsy natao"

Iza no manana sary amin'izao fotoana izao mba ahitàna ny fivoatran'ny tanàna ? Ireo trano aoriana any amin'ny Pergola itako eto izao dia tsy niova firy eto amin'ny sary tamin'izany fotoana izany. Betsaka no azo ambara.


Tiako be ny nanaovany ity hira ity, fatratra aok'izany na ny hira sy ny fandehan'ny feonkira(mélodie), na ny arrangement, na ny manodidina, na ireo mpihira (toy ny mpifankatia tokoa, maninona moa ?) sy ny fihetsika ataony ! MAmpahatsiaro ahy an'i Ketaka sy Harena, mbola hitohy e.

Endrey, mampientana ny fo

Ny diantsika roa, maharitra tokoa.

Endrey, ao an-tsaiko izao, fa io ilay endrikao.

Mbola mamiko hatrizao.

Rehefa fetin’ny mpifankatia,

Ianao mamiratra toa fararanon’ny fitia,

Ka dia misarika ahy hampahatsiahy

ilay voaloham-pitia indray,

Ilay fontsika roa nifandray,

tena mamy izay.

 

Ref : 

Fa toy ny vao omaly ny fitiavako anao,

Tsy lefy hatram’izao, vao maika mihavao,

Fa toy ny vao omaly ny fitiavako anao,

N’inon’izay miseho, tsy natao hankaleo.

Enga anie ho samy tokam-po

Ka hanjaka ao ny soa, ilay fiainantsika roa.

 

Endrey ao an-tsaiko izao

Fa io ilay endrikao, mbola mamiko hatrizao.

Rehefa fetin’ny mpifankatia ,

Ianao mamiratra, toa fararanon’ny fitia.

Ka dia misarika ahy hampahatsiahy

ilay voaloham-pitia indray

Ilay fontsika roa nifandray,

tena mamy izay.

 

Mikipy kely dia mireritreritra an'i leiry isika ry zavavy amin'izao hira izao. Araho feo kely ary ilay hira raha tiana fa apetrako eto ambany ny tonony.

Anisan'ny mpihira tiako indd ity mpihira iray lasa ity, nandrotsirotsy ahy tao anatin'ny fitiavana ny hirany rehetra.

"Mmmmmm tiako loatra ianao Rahavako na dia tsy mpandalo eto ary !"

I used to cry myself to sleep at night
But that was all before he came
I thought love had to hurt to turn out right
But now he's here--it's not the same
It's not the same

(Chorus:)
He fills me up, he gives me love
More love than I've ever seen
He's all I've got, he's all I've got in this world
But he's all the man that I need

And in the morning, when I kiss his eyes
He takes me down and rocks me slow
And in the evening, when the moon is high
He holds me close and won't let go
He won't let go
 

(Misaotra ry Hery, oufff, nety ihany, fa inona kay no tsy nety tao ?)

Inty indray no arosoko androany fa matsiro tokoa, mora ho an'ny lehilahy ny manao azy ity raha tena tia vady ianareo Kiss. Hoy mantsy ny fitenenana hoe "izay mahakolokolo no manana an'i Soa", koa dia karakarao ary ny anabavindry zalahy e Tongue out LOL. Sao dia toy ny banga mihomehy alina anefa ianareo tsy mbola manambady ka milaza fa tsy anisany ianareo, T S I A mety hampandriana adrisa ity fahaizana manao sakafo ity mba hahazoana ilay tena mba revirevinareo, koa dia asehoy azy fa tena milay be ianareo fa mahay sakafo tsy fahita, indray mandeha fontsiny ny fampisehoana dia vita matavy, ary tena hahazo 20/20 amin'izay ho rafozana manginy fotsiny, mbô kôzy e ! Cool  Sady efa ampiako fanazavana an-tsary etsy ambany izy ity. Tairo izay tairina, rovitra zairina, karakarao ny gamela !!!!!!!!

(Mahavita 11 isa)

Lafarina 180g

Fonosana levure iray

Jambon 150g

Menaka ôliva 150ml

Ronono 150ml

Frômazy voakiky 100g

Atody 3

Voatabia 2 voatetika

Ôliva vitsivitsy

Sira, dipoavatra

Hanitra fanaovana pijà toy ny dità (ravina no ampiasaina)

Hafanao 180°c ny lafaoro

Alaivo ny lovia lalin’aty, afangaroy ao ny lafarina sy ny lévure. Anaty lovia lalin’aty hafa, kapohy ny : atody,  ronono, menaka miaraka. Ary araraho anatin’ilay lafarina io avy eo. Afangaroy tsara, alefaso ao ny frômazy voakiky 50g, ny jambon voatetika madinika, asio sira araka izay tiana sy dipoavatra.

Andefasana ireo anaty lasitra tsirairay, fenoina eo amin’ny ¾ eo avy. Apetraho voatabia voatetika kely avy eo amboniny, araho frômazy kely koa, iray tsongo dità (na ireo hanitra fampiasa amin’ny pijà) ary ôliva iray eo afovoany hamaranan azy.

Ataovy anaty lafaoro 25 mn amin’izay : raha mety ilay mitsoka ny lafaoronao dia ataovy io mitsoka io 15mn voalohany, avy eo vao atao hafanana tsotra.

Mazotoa homana ôôô ! 

Nem akondro sy smarties manitra vanila : 

- tetehana boribory ny akondro + siramamy (raha tiana) ary endasina anaty dibera tsy ela loatra mba mba tsy ho potika, asiana vanila (essence) dia avela mangatsiaka @ izay

- Fonosina @ izay ny ny nem : akondro sy smarties vitsy² (3 na 4 ohatra dia ampy) no atao anatiny (azo soloina sôkôla ny smarties)

- endasina anaty menaka mandrampahamenany tsara

- raha tiana dia afaka manisy saosina sôkôla hanina miaraka aminy ambony latabatra. 

Tsaraaaa, fa mampatavyyyy, hi hi hi ! 

Ny marina dia tia manao sakafo aho Cool

(Noesoriko ilay "Pti dej" fa noheverindry zalahy hoe Dj hono, ôdôiéé !!! )

Saika mbola misy mametsifetsy ihany

 

 

               

Alefa Zakline a ! 

Manahoana daholo ary dia tratry ny taona 2012 soa aman-tsara. 

Fa izao e, vaovao ny taona dia ity mba misy lalao kely atolotro ho fanamarihana izany fa vaovao tamiko mantsy izy ity (mety efa misy mahalala koa anefany). Tena variana mihitsy aho ary gaga sy talanjona : AKINATOR no anarany, bandy masosotra izay, ary dia miseho milay mahafantatra ity olona rehetra eritreretina ity, hainy vinaniana daholo izay ato an-tsaiko rehefa ametrahany fanontaniana maromaro aho ka tsy mandainga kosa anefany an ! Asa fa dia variana izahay mivady miresaka amin'ilay iakalahy io, ary rehefa fantany dia hoy izy hoe : " génial, encore trouvé, j'adore jouer avec toi ! " ... pff, sosotra mihitsy izahay rehefa fantany, indray² ihany vao fanina izy. Jereo anie ity sary eto ambany ity fa dia h@ i Dada avy fantany e ! Mandehana anie mankany e, dia ilazao aho hoe iza ilay olona nanontanianao azy. Ha ha ha, mampamangy hono hoe rehefa itanao i Akinator. 

Lasa ary dia tantarao ahy rehefa avy eo. Tandremo sao midonàka e !

     

Mirary soaho anao amin’ity taona vaovao ity aho.

Hitondra fahasalamana, fahombiazana ary fifaliana

ho an’ny fianakaviana Malagasy tsirairay amin’izay ny taona rehetra ho avy. 
 
 

Nampirimina tsara ilay zavatra hoe homena olona fa mbola tsara.

Kinanjo dia maika indray andro dia noraisina indray !

Dia raikitra indray fa aleo anaovana indray aloha mandra-pa, 

Nony kelikely tato aoriana dia hoe aleo ovaina short io indray fa toa lamaody ........

Avy eo dia hoe ovaina ho zipo fohy indray fa mafana loatra ilay andro. 

Nandeha ny segondra, minitra ora, nitambatra ho andro sy herinandro ;

Tapaka teny ihany ny volana, tsy nihetsika teo amin'ny fitoerany ihany ity izy, 

Nitsipalotra nijerijery magazay teny ny maso ary mahita fa tena lafo anie ny zvt hafahafa, 

Nanome hevitra nifanandrify tamin'ny filan'ny ankizy tato an-trano, 

koa dia tonga ny "destiny" an'ilay pataloha jeans :

...... K-I-T-A-P-O, izay mbola ho fiainana faharoa ho lava raha ny fijery azy. 

Tsara jerena, faly ny ankizy, lamaody, tsy very, tsy nandaniana vola, nanome fahafaham-po ho an'ny mpanamboatra azy, ary indd ..... tao amin'ny nilàna azy tsara mihitsy. Dia somary nanome lagy ihany ny nanjaitra azy. 

alt

Fanazavana tena tsotra sady marina. Saingy ........... MAVESATRA ! Tapaka ny tsinaiko amin'ilay olona tena matotra be manazava. Asa re, inona no zavatra hafa koa mety hazavaina toy izao e ? Asiana fivoriana kely mihitsy tena milay angambany an, ah ah ah ! Vetivety ihany ilay izy fa jereo anie.

Izao androntsika izao no manomboka mandao io fitaovana iray io, koa ataoko fa amin'ny taona 2025 any no teny mety handeha ity vidéo ity satria ny ankizy teraka amin'izao vanin'andro iainantsika izao no hila hampahafantarina azy io amin'izay fotoana izay ; Izany hoe eritreretiko ho feno 14 ans izy amin'izany. 

ETO

(Efa nikaon-doha mafy aho fa tsy nety nahatafiditra ilay vidéo iotiba teto, tsy haiko ny mahatonga izany !!!!!!!)

Aleo aloha mba hanala azy kely fa tsss, nindramiko ny lohatenin'ny lahatsoratrareo vitsy² itako eto amin'ny blaogy.com androany nataoko comm's kely teny ho eny ! 

Tadidinareo moa ireto hira fahiny ireto (Hirahira ho anareo manatrika eto)  ? Tsy haiko intsony hoe iza no mpihira azy fa asa raha mba manao toa ahy ianareo fa misy dia tena lasa "parodie" mihitsy ilay hira indraindray ka raha vao avadika kely ny teny sasany ao anatiny dia mampihomehy be ilay izy. Indreto hira 2 ireto tena mba mampihomehy ahy mihitsy, ilay voalohany aloha dia efa nataoko manga ireny ireo teny avadika kely ny dikany dia lasa zavatra hafa ary tena mety mihitsy Cool. Nasiako hoe "v" sy "l" fontsiny rehefa tokony ho feom-behivavy no mihira azy na an-dehilahy. Ilay faharoa dia tena tsy mila novaina fa dia tonga dia ao tsara mihitsy Laughing (natao ho an'ny mpivady : manala sorisory fotsiny fa tsy hitolona LOL)

VERY VAKANA

l- Very vakana aho zavavy

indro tonga mba iangavy

v- vakana inona hono izany

sao mba itako eny ihany

l- vakana iray toa arivo

filamatra koa ka tsiahivo

alevina tsy mety levona

totoina vao maika matevina

 

v- Tena vakana tsara indrindra (l- Tena vakana tsara indrindra)

v- tsy miova ary tsy mba mifindra (l- tsy miova ary tsy mba mifindra)

v+l - pepoina, pepoina vao maika madio

v+l - tsarovy sy mba tadidio

io ilay vakam-pirenena

tena kanto raha jerena

(Miditra mandritra ny prolongation !!!)

SAMBONDANITRA  

l- Misosa misosa ilay sambondanitra 

v- misosa misosa ka mahafinaritra 

l- miakatra ambony ka tsy mba ketraka

v- ka eny amin'ny volana no mipetraka 

v+l- ka eny amin'ny volana no mipetraka

(Lalina ihany ity politika ity, LOL)

Andramo hirainareo mivady ao an-trano anie ity faharoa ity e ! HA HA HA .............. Tantarao eto avy eo Tongue out 

 (ça veut dire ce que ça veut dire !!!)

Mahatsiaro ny kilalao any amin’ny tanàna aho fa akaiky ny fety noely. Maro tokoa moa ny zaza Malagasy izay tsy mba mahazo izany kilalao izany na dia tonga ary ny fety faran’ny taona ahatsiarovana azy ireny, noho ny hasarotan’ny fiainana. Aty ampita aho no lasa an’eritreritra satria toy ny mahazo izay ilainy amin’ny ray aman-dreniny ny ankizy aty, na lehibe na kely io …. Tsy toy ny hitako tamin’izaho tany Madagasikara andro noely mahita ireo zaza milalao.

-        Manao fifaninanana hafainganam-pandehana valala, nahoana tokoa moa ? Izaho koa mba tia milalao valala fahiny, na ny mihazakazaka misambotra ireny ary dia mahafinaritra. Fatorana tady kely ny tongony dia alefa mitsambikina eny, omena sakafo dia mihinana, variana !

-        Ilay bôbina nisy kofehy fanjairan’i mamanay ireny koa alaina rehefa tsy misy kofehy intsony dia asiana lastika miditra ao anatiny, ny tendrony 2 asiana tranona sitlô, dia ahodikodina toy ny fahanana, dia avela avy eo fa mandeha ho azy ilay izy, mandram-pahatapitry ny fahana. Asa fa mbola tsy nasehoko an-janako izany, fa variana mihitsy manao ilay izy.

-        Rehefa tonga koa ny noely dia fotoanan’ny letsia. Dia io no tapahina 2 ny voany dia manao miaramila andaniny sy ankilany dia mifandefa kanety mifampitifitra, izay lany aloha no resy.

-        Ilay harivariva milalao dômy (kilalao mandra-pahafaty io any Madagasikara, hi hi hi ) miaraka amin’ny dandanay izay moa no tena nampihomehy mihitsy. Efa samy tsy manana izahay mianadahy dia mandefa vato tsy izy. Velona amin’izay ny hoe : “tsaramaso tsaramaso”, mifandefa “signal” izahay io fa misy vato tsy miady ao. Akory re ny hatezeran’i Dada avy eo mahita ilay izy, tsy mety nilalao intsony leiry fa lasa nandeha, LOL

-        Ao koa ilay manao fanorona, soritana amin’ny solaitra fotsiny ny raharaha dia mitady vato kely sy bokotra dia vita, afaka milalao tsara. Kapoakanay koa io taloha miaraka amin’ny dadanay.

-        Ireny lôtô ireny moa dia toy ny kilalaom-bazaha ka tsy dia nanaitra anay loatra na dia nisy ary tao an-trano.

-        Ilay misambotra voangory koa no loza, rehefa sendra tafajanona hariva any ambanivohitra dia misambotra hatao laoka. Fa mahafinaritra koa ilay fatorana kely ny tongony dia alefa maniditsidina eny ilay izy, faly ery.

-        Ary ilay mampiady ganifa moa mba hainareo ? Io koa dia kilalaonay teny amin’ny tanàna fahiny. Fa nahagaga fa dia matahotra ala aho ankehitriny. Alaina ny singana oro-kifafa dia atsatoka amin’ny tany. Lasa misambotra ganifa anankiroa miorina anaty ravinkazo. Rehefa azo ireo dia avoaka eo amin’ilay oro-kifafa mitsangana izy ireo hiady, asiana rora ety akaikin’ny fototr’ilay tsanganana mba tsy hitsoaka hidina ireo biby kely. Dia raikitra tokoa ny kombaka.

-        Ary ilay hoe : “torotoroy izay mangetotra ô !” ? Io indray dia bibikely lay (chenille) maitso kely izay. Somary atsipy kely dia tatazana anaty tànana ilay izy, somary fanina kely angambany, dia tazonina ny rambony dia eo amin’izay ankizy marobe manodidina miteny hoe : “torotory izay mangetotra ô !”, dia mihilana kely ny lohan’ilay biby toy ny manondro olona iray, toran’ny hehy ery hoe  io ankizy io anie izany ka nangetotra !!! LOL

-        Ny fangalam-piery, ny jeu de kapoaka, ny dimbazaha, ny saut à élastique moa dia tena mafimafy mihitsy ny hozatra izao nanao ireny fahiny.

 

Izao ve rangahy aiza koa ny any ampianarana avy no mampanao taratasy halefa ho an’ingahy be Noely  hoe indreto ny kilalao tiako alefanao ho ahy amin’ny noely, lelike !!! Sosotra mihitsy aho, dia efa teneniko ny zanako fa ireny ingahy be noely itanao ireny anie ka olona mi-se déguiser e ! Mbola hisy ho voadaroka ireny indray andro any fa nisy ankizy tsy nahazo izay nilainy araka ny lisitra nataony no sady voafitaka. Ny nampihomehy ary dia vao roa andro no nanaovako fety ho an’ilay zanako lahy kely, feno 6 taona, moa tsy ireo kilalao nosoratany tanaty lisitra no azony, nefa lisitra amin’ny noely io.  An an an, dia nisy nafeninay ny sasany tamin’ireo kilalao havoaka rehefa tonga ny noely !


Izay e, an-katoka ny noely ity, afaka 1 volana sisa.

Selon les plans des financiers internationaux tout l’argent liquide (papier monnaie et pièces de métal) va disparaître complètement pour être remplacé par l’argent électronique qui sera d’abord utilisé au moyen des cartes à puce, qui seront elles-mêmes remplacées par la micropuce implantée sous la peau de l’individu. La technologie requise a été testée pendant des décennies sur des animaux et actuellement elle est testée sur des êtres humains.

Achats sans argent ni carte

 

En mai 2002, une nouvelle de Houston, Texas, nous apprenait que les clients du magasin Kroger pouvaient obtenir leurs grosseries sans numéraires, sans chèque, ni carte de crédit, mais seulement en utilisant une nouvelle machine appelée «Touch-n-Pay (toucher et payer). Le client pose son doigt sur la machine (lecteur biométrique). L’empreinte du doigt est examinée et le montant des achats est automatiquement déduit du compte de banque de l’acheteur.

En mai 2002, on annonçait aussi que par l’implantation d’électrodes de la taille d’un cheveu dans les cerveaux des rats, les scientifiques des Etats-Unis pouvaient contrôler à distance ces rongeurs en les faisant tourner, grimper, sauter…

Une nouvelle carte d'identité

 

En septembre 2002, une nouvelle carte d’identité a été présentée, qui sera imposée à tous les citoyens américains. Dans la partie supérieure à gauche de la carte nous y lisons les mots: «United State identification» avec les lettres USID. Les mots «Department of Homeland Security» (Le Ministère de la sécurité intérieure) apparaissent en dessous du numéro de l’assurance sociale et en dessous de ce numéro la date de naissance. Ensuite, il y a le nom de la personne avec des informations de base telles que la ville du résident. Complètement à droite sur la carte d’identité se situe la photographie de l’individu, gravée au laser avec un mécanisme d’identification à fréquence radio sur la photo.

Puce électronique sous la peau (tohiny)

T@ mbola kely izany ny boky famaky tany an-tsekoly dia ilay hoe Méthose Boscher, asa mbola io foana ve no ampiasain'ny kilasy misy ny ankizy kely @ izao. NAhavariana ahy izy io ary nahafinaritra tokoa fa feno sary, ny récitations ao antiny moa dia mbolatadidiko h@ izao ora anoratako eto izao. Dia inona hoy ianareo f dia nividianako io mihitsy ny zanako fa io no nahalehibe ahy sy nitaizanna anay mivady fa toa io koa no nampiasainy tamin'izy mbola kely. Ilay sary kely ao anatiny nampandrevy tokoa, ary diat sy niova mihitsy h@ izao anoratako izao ilay boky. Nanampy io ny boky teny malagasy dia ilay hoe "Handeha hianatra izahay".  Asa re raha mbola misy io boky io ankehitriny. Tadidiko mihitsy ilay hira tao anatiny fa nampalahelo be ahy: 

"Tsy mba renareo ve izany

voromanga tsara feo

toa mihira toa tomany, 

ao anaty hazo eo

 

Ref : Voronkely maty reny, 

izao mihirahira izao

tafasaraka amin-dreny

ny kamboty kely ao

 

Ny papango izay mandalo

toa hifaoka avokoa

tonga maro fahavalo 

fa tsy ao ny reny soa"

 

Ny hafa nanamarika anay koa dia ilay hoe : "Anganon'ny ntaolo". (tohiny)

Une mère rentre dans la chambre de sa fille qu'elle trouve vide. Sur le lit une lettre. Elle imagine le pire en ouvrant la lettre :

Ma Maman chérie,

Je suis désolée de devoir te dire que j'ai quitté la maison pour aller vivre avec mon copain. Il est l'amour de ma vie. Tu devrais le voir, il est tellement mignon avec tous ses tattoos, son piercing et sa super moto. Mais ce n'est pas tout ma petite ...............maman chérie. Je suis enfin enceinte et Abdoul dit que nous aurons une vie superbe dans sa caravane en plein milieu des bois. Il veut beaucoup d'enfants avec moi, c'est mon rêve aussi. Je me suis enfin rendu compte que la marijuana est bonne pour la santé et soulage les maux. Nous allons en cultiver et en donner à nos copains lorsqu'ils seront à court d'héroïne et de cocaïne pour qu'ils ne souffrent pas. Entre-temps, j'espère que la science trouvera un remède contre le sida pour qu'Abdoul aille mieux. Il le mérite vraiment tu sais. Ne te fais pas de soucis pour moi maman, j'ai déjà 16 ans, je peux faire attention à moi toute seule et le peu d'expérience qui me manque, Abdoul peut le compenser avec ses 44 ans. J'espère pouvoir te rendre visite très bientôt pour que tu puisses faire la connaissance de tes petits enfants. Mais d'abord je vais avec Abdoul chez ses parents en caravane pour que nous puissions nous marier. Comme ça ce sera plus facile pour lui pour son permis de séjour. Ta fille qui t'aime. PS : Je te raconte des idioties maman, je suis chez les voisins ! Je voulais juste te dire qu'il y a des choses bien pires dans la vie que le bulletin scolaire que tu trouveras sur ta table de nuit. Je t'aime...

Nicole: tu es 1 ... ange

====> zaza tsy manjary mihitsy itony zaza ankehitriny itony Laughing 

------------------------------- 

alt

Izao indray ary no azoko entina apetrako eto anio. Hetraketraka satria nanimba sy nanome fo ahy ilay izy ary nandany ny androko tsy araka ny nampoiziko azy.

T@ sabotsy alina aho no nahita tampoka raha nisavasava tao anaty findaiko hoe misy mis à jour vao tonga indray ny momba ny Androïd lasa 2.3.3. Efa tamin'ny 23h30 aho vao nahita ilay izy, saika tsy nahita torimaso fa maika ny ampitso hanaovana ilay izy hoa ! Vao tamin'ny 6 ora sy fahefany aho dia nitsangana ary nampirehitra moramora ordinatera. DIa raikitra ary ny fanaovana ilay izy efa tamin'ny 7ora sy fahefany fa mbola nikarakara ny tao an-trano fa alahady koa moa ka maika handeha nivavaka : sakafo, nipasoka, ... ! Lety e, lany teo ny fotoanako fa nataoko ihany ilay izy hoe ho mora ny ho fandehany. Kanjo ....... tsy vita alohan'ny nandehanana tany ampiangonana ilay izy, fa misy Baiboly moa tao anatiny ka izay no nahamaika ahy hoe tsy maintsy vita io alohan'ny hivoahako ny trano. Kay tena nandà impiry ilay finday fa misy olana foana !!!!! May ny endim-boanjoko dia navelako teo aloha fa lasa aho. 

 

tonga ny atoandro dia notohizana ny raharaha vao avy nisakafo. Tapak'andro teo aho nanao ilay izy foana, sosotra mihitsy ! Tsy hoe tsy mahay fa nanadala ilay finday sy ordinatera ... "nifamaly" ry zareo altLOL. Ny hariva efa tamin'ny 7 ora alina vao vitako ihany ilay izy. 

 

Saingy nisy pitsony kely tsy nampoiziko : tena tsy noraharahiny intsony ireo sauvegardes nataoko tanaty carte SD. Lety e, tao daholo anefa ny fika rehetra ..... indrindra ny contacts, sns e ! Sosotra mihitsy. Nony nandeha nijery forum aho, kay voa daholo ny olona rehetra niakatra Androïd 2.3.3 toa ahy : ilay izy hita rehefa jerena anaty ordinatera fa dia tsy fantatr'ilay finday intsony. Nikatso ny raharaha !!!!! Sosotra mafy ny tena, hery very maina, ary nanafatrafatra ny tao an-trano hoe aza ampiakarina aloha ny findainareo fa tena olana ilay izy, ary na ny mpanao ny Androïd ary tsy manana vahaolana. Tsy tafaveriko intsony ireo applications, contacts, ...... teo aloha, ary tsy misy fika hiverenanana amin'ny Androïd teo aloha koa anefany. Ny tena nahasosotra dia toy ny mihidy lakilé ilay carte SD tao anatiny, izaho anefany tsy te-hi formater koa. Dia NIANDRY ! 

 

Ny tena nampihomehy tamin'ilay izy dia misy manome solutions ihany fa tsy mety e. Dia nisy iray izay noraisiko ihany ny zavatra nasainy no-télécharger-na, eo ambany izany ireo olona isan-karazany manome fisaorana azy daholo hoe tena nety ilay izy fa misaotra indd fa récupérer toy ny teo aloha ny tao anaty cartes SD-ny sns !!!! Iny koa aho mba lasa naka ary, ary ITY no tao antiny, mety ilainareo ihany fa alaivo dia jereo anie e ! Tapaka be ny tsinaiko fa notehiriziko ato ihany ilay izy aloha fa ilaina koa, ary misaotra azy aho na dia tsy vahaolana nilaiko amin'ny findaiko ary no nomeny. 

 

Betsaka mihitsy ny mpitari-bava vilam-bato 

......... mpitari-bato vilam-bava mantsy e ! LOL !

 

Nahita vahaolana ihany aho omaly no niafarany ary dia natory alina be indray, hi hi hi ! Fa tadidinareo ity lahatsoratro ITY ? Nanome ahy vahaolana momba io Androïd 2.3.3 fa ataoko point d'émetteur wifi ho an'ny ordinaterako izao ilay findaiko ! Milay an alt

Ela tokoa izany tsy niblaogevana izany. Koa dia manararaotra ity gripa mahazo ahy ity aho anoratako eto : satria misy ny fotoana, ary mba tsy hatoriako fa te-hatory foana aho. Ny zavatra ho lazaiko eto anio, dia zavatra vao itako 5 andro izay, ary nahavariana ahy. Itony finday itony anie ka tena mahavita zavatra betsaka mihitsy ankehitriny e. Mitselatra kely fotsiny dia ahitana vaovao ao anatiny. Amin'ny fomba ahoana nefa no itselarany ? Amin'ny alalan'ny antsoina hoe FLASHCODE. Teknolojia kely vaovao tsotsotra nefa itako betsaka no ilàna azy, indd rehefa miantsena. Izao ary ilay izy : 

Ilay FLASHCODE dia code-barre 2D nataon'ny Association Française du Multimédia Mobile, araka izany dia eto France no misy azy. Ny mpikambana ao anatiny dia Bouygues Télécom, Orange, SFR, GESTE ary i ACSEL. Ao amin'ny flashcode izany dia misy zavatra kely efajoro kely be dia be mitambatra, toy ny itanareo eto ambany, afaka vakian'ny finday izay manana famakiana azy. Io famakiana azy io dia application kely afaka télécharger-nareo amin'ny Mobile Market ary mila installer-na, misy ny finday efa misy azy io avy hatrany. Betsaka ny sita internet ahafahana mi-télécharger azy io, arakaraky ny finday io, ohatra iray ITY, fa ny tsara dia ao amin'ny Mobile Market etsy ambony voalazako no akàna azy satria fantany avy hatrany ny momba ny findainao (Androïd, Iphone ...) ary finday misy fankàna sary ihany no mety aminy.

Ny ampiasana azy io dia betsaka, ary efa azo ahitana io izao ny entana rehetra ireo vita frantsay (farafaharatsiny) : 

- afaka mahita avy hatrany amin'ny tranokala ianao mikasika ilay produits eo anatrehanao raha tiana ny ahafantatra bebe kokoa azy (io dia rehefa miantsena eny amin'ny grandes surfaces). 

- afaka mandefa SMS na MMS na courrier mails ianao (izay mbola tsy nandramako)

- afaka manao carte de visite ianao : apetraka amin'ny taratasy avy aminao na ny orinasanao. Efa ahitako izany ny amin'ny relevé de Sécurité Sociale saingy tsy manome ny antsipiriany satria personnelles daholo ny ao anatiny, fa manome ny numéro an'ilay taratasy fontsiny, interne angamba no ampiasainy azy.

- mijery musique avy hatrany

- afaka mampahafantatra ny blog-nao na site-nao ianao : ity izao ny ahy

Flashcode du blog de Kdaombaramita 

Misy karazany izy io : akoatra ny ahy eto ambony (mety ho QR Code na Datamatrix) dia misy koa ny toy ny code barre kely izay, tsy ilay aampiasaina eny amin'ny caisse (iny mandeha ihany saingy alefany amin'ny google ianao mijery ilay entana) fa tena hafa mihitsy, kelikely toy ity forme voalazako ity ilay izy ary tsy misy numéro, saingy tsy nety nahavaky mihitsy aho na iray ary, maninona angaha.

Fa kosa rehefa nandramako, ireo fanafody izay ahitana flashcode dia tsy mamoaka ny momba azy noho ny antony efa fantatrareo angambany : tsy afaka ny hanao dokotera tenany ny olona.

Betsaka ny azo ampiasaina azy noho ny fivoaran'ny finday fa vitsivitsy ihany ireo voalazako etsy ambony ireo. Ary tsy maintsy connecté ianao rehefa mampiasa azy mba anomezany anao ny valiny ao anaty tranokala.

"Alika ny vazaha mopera" !

altaltaltaltaltalt

Ilay amin'ny sary voalohany : où est l'intrus ?

Sary farany : aiza izany toerana izany, ary mbola misy ve ilay volamena ao ? Oviana indray ny teny malagasy no misy teboka 2 eo ambony "e" ? Ah ah ah !

Sary fahadimy : kahie "Akanga" sy kahie "Omby" no tadidiko.

...... Ry neny ô, Bakomanga ô !!!!!

Rehefa tonga ny fotoam-panadinana dia samy manao izay mety hahazoana naoty be indd ny mpianatra, indd eny amin'ny anjerimanontolo. Teny ny tenako tamin'izay, ary dia misy ny mampihomehy mihitsy. Ao ny mianatra alina, io koa moa no fotoana mangina indd, sady tsy misy asa hafa atao, koa dia mikotrana mafy ity ranamana. Iny ny anao vavy mipoitra avy any vao masila, bongo sy mbola mena maso. Mifampitantara daholo moa raha vao mifankahita ny maraina, fa ny azy dia hoe : "kay, tena pôripôrina mihitsy aho izany !", entina ilazana io hoe nanao révisions be izy tamin'ny alina, tsy taitra koa ilay namana iray etsy namely mafy namaly hoe : " ie, vao itako mitsy ianao dia fantatro hoe pôripôrina !", tapaka ny tsinainay avy teo, nitono tena toy ny lalitra nisotro menaka matsiro ! Tsy azoko mihitsy hoa ilay olona miteny² foana momba ny tenany toy ireny hany ka nifoteran'ny teniny ! 


Iny indray ny namana iray avy tany, ilay eny Ankatso koa moa tsy hay be ihany fa milenodenoka be ny bozaka, mahafinaritra ery ny mankeny sy mamindra eny amboniny, DEGS io, ilay ianao variana mandeha sy miresaka iny mamindra eo amboniny, no indro nisy nanitsaka "tsilo malemy" ngezabe ! Sosotra aok'izany ny anao lahy, "lelike, iza koa ary ny olona manao itony ety ? " . Io kosa aloha dia tena découvert be mihitsy izay olona nametraka azy teo fa dia asa loatra izay tena pas-ny, tsy nisy nahita ary ve ? Hoy ny sasany hoe mpams no manao ireny !!!!  Tsy azoko loatra ilay izy raha olona normale mantsy. Fa dia hany heriko namaly moramora ilay namana aho hoe "ka maika ary izy koa !" - "Ka na maika ary ve dia eny no ametrahana ireny ? tsy ho itan'ny rehetra ? " ..... tsy azoko mihitsy tokoa hoa le olona e !


Dia gaga indray ny tena, nahita vorona tsara tarehy izay, tsy afaka nanidina intsony fa tratra atoandro angambany. C'est la perfection comme oiseau quand on l'observe de près, ny lokony, ny .... tout ! Nefa dia aratsiana satria toa @ alina izy no miriaria. Namandry mpams hono. Vorondolo io. Dia variana daholo ny mpianatra nitangorona nijery ilay izy, tsy azoko loatra ilay olona. Dia hoy ilay ankizy vavy iray izay nijery azy fa tena tsy azoko an-tsaina mihitsy ny manjo azy niteny hoe "din, te-handoa be aho izany !" mijery azy  izy io ary tena manao paozina olona te-handoa tokoa !!!! Dia tena mankadoa tokoa ve ny mijery vorondolo e ? ce n'est qu'un oiseau !!! Tsy azoko veroka mihitsy ny eo amin'ny toerany, nijery  koa aho fa tena ontsa ny foko nahita ity biby tsy afaka nanidina fa tratra atoandro torahan'ny olona vato, vorona toy ny rehetra io. Tsy azoko mihitsy hoa ilay olona.  


An an an, de nandalo kely ny fahatsiarovako fa betsaka ny tsy azoko itako maso. Mba niova kely ny fomba fanoratro androany.

Aleo aloha asiana diam-penina kely eritreritra mandalo eto anio. 

 

Kamo be aho androany hiasa, kamo ary kamo tena kamo. Tena nanazatra loatra ilay WE lavabe teo sady ny ahy nisy mariazy naleha tamin'ny zoma hariva dia efa hatrany no nanomboka. Asa raha toa ahy ianareo fa amin'izao androna krizy izao dia miandry ny fidinan'ny "bourses" ambany hatrany aho ahitako izay vokany eo amin'ny fiainako andavan'andro, h@ izao aloha mbola mandeha² tsara ihany. Asa mety ho avy indray ve ny guerre mondiale atsy ho atsy ? Toa misy feo kely miteny ato anatiko hoe hivadika ny glaoby, i Afrika no mety hisondrotra moramora eo miampy ireo tany hafa nivoatra be (Brésil, Inde, "URSS", Chine, ... sns)tato ho ato fa vita hatreo ny amin'ireto G8 ireto. Tsy haiko hoe amin'ny fomba ahoana fa miandry hatrany aho. Krizy, krizy ary krizy toy ny hakamoako androany ity e ! hay, ny mahatsara ilay krizy dia mampihena ny vidina lasantsy dia mba ..... mitohy ny fitsangatsanganana raha vao misy azo aleha !!!!!   

 

Lasa aho aloha fa tara sao mihinan'ny fatiko eo aho ..... rariva manampy raha tsy reraka loatra. Tsss, kamo aho izany leity e ! Mazotoa ianareo ka. Atao ngôdangôda ilay soratra dia toy ny hoe be lazaina aho androany, ah ah ah Cool (itony émoticons itony koa dia mbola tsy niampy foana nefa mba efa nivoatra ity blaogy.com ity, pffff)

 

Ho anareo izay mitady batterie kely androany ity misy ROHY dia vakio na henoy.  

Kdoambita ! 

 

(Tandremo fa mamindra ity an !)

(Io fa tsinjoko hisy hiteny eto hoe "mazotoa kdaomba a" ! Asa raha handaitra fa dia misaotra mialoha e, ah ah ah)  

  

Gaga ny tena mahita anareo namana mahita lazaina foana eto an. Azo lazaina ho lany bala ihany aloha i Kdaomba na dia tsy misy fotoana firy aza noho ny asa. Zavatra 2 no tantaraiko eto, tsy dia ho lava fa natao ampuakarana e, sady @ finday ity ka mety ho b diso. Lasa ary :
1/ Henoko t@ radio omaly fa hitsangana ny trano avo indd eto @ Oseana Indiana. An'i Orange izy io, ka aiza hoy ianareo no hisy azy ? Eny an-tanindrazana e ! Faly ny saina no lasa ihany ny eritreritra hoe : ho betsaka indray izany ny asa omena ny malagasy, hiena kely indray ny tsy an'asa. Mahafaly ! Saingy mino aho fa ho ao Tananarivo ny hisy azy io, toerana efa misy structures ilain'ny mponina. Dia mampitaha hoe iza no betsaka kokoa ny zavatsoa azo : io ve sa ny nampanofa tany t@ andron'i Ra8 ? Io tany io mantsy ankalamanjana ka voatery manamboatra tanàna sy ny structures rehetra izay mpmboly, mandroso ny tantsaha mahita fahaiza-miasa vaovao, no misy ny rehetra ny toerana musy azy, misy asa koa fa tsy voatery hiakatra an-tanan-dehibe vao mahita, ny hopitaly sy ny sekoly tsy maintsy mitsangana koa. Nefa dia nofehezina @ ilay teny mamparary fon'ny malagasy ilay izy rehefa tsy nohalalinina hoe "mivarotra tanindrazana". Nefa zao ilay tanindrazana mipetraka mangadihady ao, toa ny hafa aza no manararatra ao tsy misy miteny. Fanondranana an-tsokosoko no betsaka. Asa raha hainareo ny tantaran'i Honk-Kong : 99ans no nindraman'ny anglisy azy, efa tapitra ii fepotoana io izao ary jereo hoe manahoana izy zao. Tsy manome tsiny aho satria frantsay no fitaratra tao an-tsain'ny malagasy, koa dia naleony tsy nomena. Leom-boan'anana ny malagasy. Aleo iny any fa asa raha mbola hisy ny opportunités toy izany na tsia.
2/ Fotoanan'ny sôsety zao. Tena tsara tokoa izy ireny fa maivana, misy otrikaina bdb (potassium ...), tsy matavy nefa mora feno ny vavony rehefa mihinana azy, sady be rano (gorgé d'eau). Mampahia no tiako lazaina. Ritina, atao gratin, afangaro @ hena, atao lasary, alona muaraka @ sakay, atao bolety miaraka @ fromage endasina .... Matsiro foana. Azo atao koa ny mi-raper azy atao amin'ny tarehy (masque) rehefa hariva fa manadio hodi-tava. Ny raviny moa dia @ ilay itiavana azy mihitsy : atao ro na ritina mety daholo, tsara tokoa. Ny tahony maina no tsy mbola itako fa henoko hoe mety rariana anaovana harona, ny italiana no mampiasa azy ataony hoe "sac italien" (moa izy izay ?). Akoatra izany dia mora ambolena ny sôsety, ary mandady be : manome vokatra bdb rehefa fotoanany ary azo anaovana trano fialokalofana @ taninandro ao ambaniny, mahafinaritra. Izay ny @ iny koa dia mambole sôsety fa tsy anenenana e ;)

Soava tsara daholo hoy i Kdaombaramita.

Io angambany no teny mety ho dikany amin'ny teny gasy fa tsy tiako ho hitan'ny "fitadiavana" ilay izy. Mba tena mba mila hevitra kely aho izay mahafantatra ny azo atao rehefa te-haka ny connexion-na wifi ny olona manodidina, fa toa mety "hono". Mba tena nampihomehy koa ity zavatra iray itako ity. Mba tena nila ilay valiny koa aho fa feno mihitsy ny any ampiasako nefa izaho tsy te-haka "mpampanofa", mihidy daholo anefany ireo manodidina. Dia efa drodoka iny izao hariva nody izao, nitaditady tato hoe ahoana dia ity no itako voalohany, fa tena tapaka ny tsinaiko nahita ireto valiny napetrak'olona. Adala kely ihany aloha ilay nametraka fanontaniana fa amin'ny site tsy tokony nametrahana azy no napetrany e, nefa dia ampahatsorana io ary tsy misy mahita, izay tsy manandrana no tsy hahazo. 

.... mbola eto ampitadiavana aho izao fa raha misy mahita dia mba anipazo ny namana e Foot in mouth 

Ho any Antsirabe, sa Toamasina sa  Vangaindrano ianao ? Akipio ny maso dia henoy ity hira ity fa lasa lavitra tokoa ny saina mitaingina ilay masinina. miteniteny mihitsy ilay gidro anaovan'il leiry azy ka no ! 


‘Nde hiblaogy kely aloha fa tssss !

Dia sondriana aho nahita ity mariazin’i William sy i Kate tany Angletera ity, tsara endrika tokoa razazavavy toy ny nahita an’I Barbie sy Ken aho nahita azy ireo. Fa dia nahasondriana koa ny zavatra rehetra manodidina ilay fanambadiana :

- tena faly aok’izany ny anglisy, nanao fety be tokoa ny rehetra na tany an-tany lavitra ary, ary natao andro tsy niasana moa io andro io, nefa tsy misy andro tsy fiasana izany amin’ny kalandrie anglisy hono, mbola nitohy izany ny alatsinainy manaraka.

- voalaza koa fa nanao fanekena an-tsoratra I Kate, fanekena alohan’ny mariazy, fa raha hisy ny fisarahan’izy mivady any aoriana any dia tsy mahazo alàlana hitaiza ny zanany izy fa tsy maintsy ny mijanona @ i William ireo zanany

- I Pippo koa dia nampitodika ny rehetra koa fa sady tsara tarehy no akanjo tsotra fa mihaja no nianjaikany. Nahatonga resaka be hoe : mety raha mba io koa no ho vadin’ilay Harry zandriny lahy. Ity farany ity koa moa efa nisôdisôdy tamin’io andro io. Efa mifanamby indray ny anglisy hoe io indray no mariazy manaraka. Lasa nalaza tampoka ikala.  

- be moa ny fanamby t@ io mariazy io, ka anisan’ny nampihomehy ahy ilay hoe : “afaka 10mn dia ho resin-tory ao ampiangonana ity vadin’ny mpanjaka vavy Elizabeta”, ha ha ha, mahita atao mihitsy ireto anglisy ireto ka !

- nahatsikaritra koa aho fa tena olona milamina ny anglisy, nahita ireo vahoaka marobe mitanjozotra nankeo anoloan’ny lapa, milamina tsy misy mifanosika, rehefa hoe mijanona dia mijanona daholo fa tsy misy mihoatra ireto miaramila mihitsy na manosika azy ireo …. Aiza re izany raha any amin’ny tany hafa e, na ireo mpanao gazety frantsay ary gaga hoe tsy eto France no hanao toy izao

- efa hita taratra izao fa tsy miraharaha fiandrianana intsony ny andriana rehefa manambady, efa nisy fivorian’izy ireo momba izany moa, ireo andriana eoropeana izany, ary tapa-kevitra ry zalahy fa tsy hanao izany intsony satria mety tsy ahita vady tsara. Roturière moa izany no iantsona ity fianakavian’I Kate ity. Asa raha mbola misy izany any amintsika na ahoana, ho sarotra tokoa ve ?

 

Fa resaka hafa indray, vaovao nanintona ny saiko : maty I Ben Laden. Dia androany nahare tamin’ny fahitalavitra aho fa halefa any anaty ranomasina ny fatiny !!!! Odry, dia tena fiantsiana ady mihitsy izany kosa klé ! Dia hoy aho hoe ho raikitra izany ny ady ary dia ho avy Jesosy LOL ! Fantam-poko fatam-pirenena moa fa mpampihorohoro (terroriste) izy io ary “wanted” efa ela. Dia hoy aho anakampoko hoe : tsy izy irery no terôrista fa i Frantsa koa tena terôriste-n’i Afrika, moa tsy marina ve izany e ? Firy ny olona maty niaro ny taniny sy mahantra sy very asa … sns noho ny politikana halatra izay ataony nefa dia nikipian’izao tontolo izao maso satria afrikana mahantra ireny tsy manan-danja, INDRISY ! Mbola hanontaniana ireo mpitondra ireo ny aina nafoin’ireny olona tsy manan-tsiny ireny.

 

Izay aloha ny anio fa dia soava tsara daholo ry mpandalo rehetra eto amin’ity blaogiko ity.

 

 

Mampahatsiahy ity hira eto ambany ity ity pistily kely napetrak'olona teo ankilan'ny famohana ny fiarako teo amin'ny parking iray tamin'ny alatsinainy 11/04/11, itako nony tafaverina avy nividy ny nilaiko aho. 

Oh la la, fa ny ahy indray dia tsy misy iantsoako hoe : "ampio aho Jesosy ô" fa tonga dia hainareo ny valiny ! 

 bitsika fitia

 

BITSIKA  FITIA (Razafimahatratra René)

Te-hanontany anao ry olona iny
te-hibitsika fitia ny ato an-tratrako
aza heverinao adala aho
raha namboraka izany
fa fitia te-hifampomba hatrany hatrany(2 fois)

Tsy hasandratro vola tsy asandratro harena satria ny fitia

tolotra anjara nomena ho ahy sy ho anao ho doria 
ka ny foko ato anaty ho atolotro ho anao
mandra-maty toa lamban’akoho aina no fetra

Na dia miteny @ fitenin’ny olona sy ny anjely aza aho
kanefa tsy manam-pitiavana dia tsoriko aminao
zava-poana e (2 fois) satria izaho sy ianao
olombelona mitafy nofo ihany

- te-hanontany anao ...
te-hibitsika fitia..
....
fa fitia te-hifampomba hatrany hatrany.
....
....

zava-poana e (2 fois) satria izaho sy ianao
olombelona mitafy nofo ihany
olombelona mety tsotra ihany...

(Izay misy manana io hira io dia mba iangaviako hanome ahy ny mp3, misaotra mialoha) 

Fetiko androany, no sady fitsingerenan'ny fotoana nidirako nanao ity blaogiko ity. Tamin'ny 2008 aho no tonga teto ary tapa-kevitra tamin'izany fa hanokatra blaogy na dia mbola tsy nahalala izany ary, io itanareo etsy ankilany io ireo volana nodiaviko teto ary dia mbola hita tsara eo ny martsa 2008. Izany hoe nanao fanomezana ho ahy aho no nanaovako ity blaogiko ity tamin'izany. Mbola mipetraka tsara izy ity, ary maro ireo namana virtoaly lasa nifanerasera amiko. Misy koa ireo izay tsy hita matetika eto intsony noho ny anton-draharaha sy ny adidy maro sy ny fisian'ilay fb sy ny twitter sy ny sisa. 

Tsy dia misy ambara firy aho anio satria mafy tamiko ny asako androany, ary mbola niandry ahy koa ny raharaha tato an-tokantrano. Ny andro moa efa crizy rahateo ka manao izay mety. Reraka mafy ny tenako eto ampanoratrana nefa tsy tiako handalo fontsiny ity andro iray anio ity na izany ary, manoratra eto foana aho rehefa 28 mars isan-taona.

Izay ary aloha ny androany, asa raha mbola ho hitako ity afaka 20 taona any fa dia mahareta ny aina ary samby tsara daholo.alt

Manohy ny resak'i Simp amin'ilay hoe "andao ho fenoina ny voambolana malagasy aho" eto. Herinandron'ny teny malagasy hono any amin'ny fb, efa itako io talohan'ny nialako tany (sao misy milaza indray eo fa hay mitsikilo any aho, ha ha ha), fa tsy tafa any intsony aho dia eto no anehoako ny ahy.

Ny ahy indray ny mba tiako ho asiana fanagasiana dia ny mikasika ny "ordinateur", efa nisy siosion-dresaka ihany izy ity taona 2 na 3 lasa izay tany amin'ny fifanakalozan-kevitra (forum) moov tany. Tsy haiko aloha na efa nisy voambolana vaovao mikasika ireo fitaovana @ ordinatera toy ny : souris, écran, clavier, unité centrale, ordinateur portable ...... sy itony momba ny téknolojia vaovao mivoaka toy ny : tabs, Ipod, Ipad, mp3, lecteur dvd ..... Tsaroako fa raikitra ny resaka tao amin'ny forum tamin'izay fa nisy olona tao nilaza fa mpiasan'ny académie malagasy (moa ?) ka naka ny hevitry ny olona manome teny vaovao mikasika ny ordinatera, dia ny natolotro momba ny écran tamin'izay dia hoe tarazava, izany hoe fitaratra+mazava no nakambana, ny souris dia totozy ihany, nefa mety misy tsara noho io ohatra hoe "biby maloto" LOL ! 

Ny curseur ohatra dia atao hoe : maivana, sa maninona mihitsy moa raha atao hoe tsirelanja satria tsy heno akory ny lanjany nefa dia mora afindra, LOL, unité centrale : foibe mpiketrika na koa hoe fiketrehana, clavier ohatra dia hoe tendry, ....

Anareo ny ambiny raha misy teny itanareo fa mety hanendrena ireo fitaovana ireo, dia ho itantsika eo fa hahafinaritra ny mahita teny malagasy fahiny mipoitra moramora ampiasaina amin'ny zava-baovao ankehitriny.  Be mantsy ny tenindrazana izay tsy hay intsony ny mampiasa azy na tsy fantatra intsony ny fisiany nefa maro ny mitaraina fa tsy ampy ny voambolana malagasy hanehoana hevitra.  

----------------------

Fa izany eo ihany fa ity anaran'ny blaogiko KDAOMBARAMITA ity no tiako asiana teny kely satria voambolana malagasy koa izy ity no nalaiko : 

kidoana (fototeny "doana") + varatra + mita : misy diso kely izany ilay Kdaombaramita anaran'ny blaogiko fa tokony hoe KIDOAMBARAMITA no tena teny malagasy, fa tsy maninona fa efa io anarana io no ahafantaran'ny be sy ny maro ny blaogiko.

Dia ny mahatonga ilay hoe KIDOAMBITA aorian'ny ilay teny kidoambaramita dia satria : 

kidoana + vita izany hoe vita ilay feo nikidoana be teo. 

Fa io teny io dia entina ilazana ny feon'aponga tany fahiny midobodoboka, hany ka entina manaraka ny fidoboky ny aponga ireo teny roa ireo matetika.

KIDOAMBARAMITA   KIDOAMBITA !!!!!!

Nalahelo mafy aho nijery ity blaogiko faharoa ity : http://rasoamalagasy.blogspot.com/, nahare ireo hira fahiny mandeha tao. Nitady sary tato anaty solosaina aho fa tsy nahita amborahako ny fahatsiarovako an'ilay tanindrazako. Tsaroako tampoka ilay alakamisy hariva fihainoko ny tantara ho an'ny ankizy rehefa amin'ny efatr'ora. Dia teo koa ilay hira milamina ahatsiarovako ny bà-kira malagasy. TE-HODY  kely aho hijery ilay ambanivohitra malagasy !!!!!! Nefa raha izao aho no lasa any tsy ho tafaverina vetivety !!!!! Henoy kely anie ilay hira ao dia ho hitanao. 

 

'Zany eo ihany fa dia mahavariana ahy loatra ity sary fahiny iray ity. Tena mbola toy ny zazakely ilay sipa nefa jereo ity hafalian'ilay rangahy mpiampofo azy haka azy ho vady, mahalasa sain-dratsy ..... asa fa dia maso mijery ny ahy. Dia ireo manodidina koa misy azo lazaina, ha ha ha !

(Adinoko ny milaza fa 'fifamofoana' io sary io)

Fifamofoana fony fahazanatany 

Mba lasa ny saiko fa mandreraka le dechetterie aty @ misy ahy fa tsy mety mandray menaka nanendasana. Nefa tsy azo ariana anaty fanarian-drano koa anefa satria mandoto ny tontolo iainana hono. Ny fiarako koa anefa tsy mety le mandeha @ menaka ! Akory atao hoy Rasaraka ?

Tapaka ny hevitro fa ho dioviko izaho ihany ny menaka nanendasako sakafo dia hampiasaiko hanendasako ihany, sady mahazo tombony aho, tsy mandoto, no tsy miala vola. Nijery nety dia nahita hevitra ! Izao ary ilay anaovany azy :

- tatavanina @ lohana paompy ny menaka nampiasaina mba ho afaka ireo poti-kanina may. Ny ahy eto dia ilay fanatatavanana plastika miaraka @ kaftiera no ampiasaiko.
- maka ilay fanatatavanana kafe jetable ireny indray ary dia apetraka ambony entonnoir io, dia alefa ao ilay menaka tetsy ambony. Haharitra kely ny raharaha eto fa tsy maninona. Averina indroa ity dingana faharoa ity dia hahazo menaka madio toy ny vao avy novidiana hono.

Asa fa mbola tsy nanandrana aho, fa itako fa ho mety ! Farafaharatsiny mba tsy manimba tontolo iainana, satria hono raha araraka @ tany ny menaka dia afaka 400 taona vao azo ampiasaina ilay tany, izany hoe tsy ekolojika ny menaka raha ariana ! Ary azoko raha tsy mety mandray ny déchetterie. Ny menaka fiara ihany no raisiny aloha h@ izao.

Ouf, tafablaogy an-telefona ihany ! Kdoambita !

Mitovy amin'i Pissoa aho : tena tsy mety tafa intsony ny hamoaka lahatsoratra fa tena tery ny fotoana. Hany hery dia mametraka hevitra etsy sy eroa rehefa mba misy fotoana kely iny. Izany Fb izany moa dia nilaozako malakolako. Ny namana virtoely, misy miteny²  foana tsy mamely, hevitra zara raha misy dikany no hiampiresahana lavabe ... rehefa tonga ny sérieux nefa toa tsy hita izay alehany, mijanona no namana virtoely. Leo be izaho, efa manomboka tsy mamely ilay izy. An an an, aleoko ny asako no hataoko tsara amin'izay fa afaka aloha iny ny aretina iray. Raha sanatria ka manina any aorinana any dia mety hiverina hijery kely fontsiny angambany. Fa aleoko mangina hatreo. Ity blaogy ity no hatao fanalan'andro fa mila ho jerena any aoriana any izay fotoana nandalovako. Misy namana virtuely ihany koa eto, fa eto mba lahatsoratra lavalava misy isainana no vakiana sy hifampidinihana.

Izay no ela fa dia miroso ny fiainana.  

Ity dia fanandramana mandefa lahatsoratra @ phone ataoko. Asa, ny blaogy no hilaza azy. Tsara andro anio na dia misy cyclone ary ao amin'i Océan Indien. Irina mba tsy hanimba zvt betsaka eto Madagasikara fa hampitombo vokatra ny orana haterany. Ilaintsika malagasy izany. Irina hifarana koa ny rivotra politika nandrava fiainana betsaka ka nampilatsaka antsika tao anatin'ny lavaky ny fahantrana migodàna. Revirevy ve ny faniriako ? Zay ilay izy e !

sary tabilao... Faly aho mahita fa tena mahay zavatra ny malagasy. Itony no tena sady fahatsiarovana tsy mety maty no ahitana ny talenta eny an-toerana, ary entina mandravaka ny fitiavan-tanindrazana. Matetika izy ireny dia varotana mora anefa. Varotana mora satria tsy maintsy mihinana mba ho velona, fa tsy velona mba hihinana. Raha mandalo eny Analakely eny ianao dia hahita ireo olona mpahay hosodoko, manatona anao mba hividy ny zva-bitany. Entana nandaniany andro maromaro, fotoana sarobidy satria asa voakaly tsara no mivoaka avy eo, nefa kosa dia mora ny vidiny. Mora hoy aho satria ohariko @ "euro" sy ny mitovy lanja @ taozavatra toy ireny aty ivelany. Rehefa tsy mividy ianao dia tanarahany satria fantany fa tsy dia lafo aminao ilay izy. Ny mampalahelo ahy matetika dia latsaka ambany be tokoa ny tomba-bidy no iafarany satria mamelona vady aman-janaka izy ireny. Tsy ratsy mihitsy ilay izy akory anefa ka hoe izay no vidiny, fa ny fahantrana mahazaka maniraka. Fetsy ve izy ireny hoy ianao ? Tsy izay no ilazako azy fa "may vola", iza no tsy mila manana io betsaka na dia efa manambola aman-karena ary ny olona ? Saingy ny azy ireny dia saika ny hanina androany tadiavina androany, hanina rahampitso : rahampitso vao mitady ... mafy anie izany ! 

Ankehitriny, aiza ho aiza izany izao ? Vao maika latsaka ambany ny fari-piainan'ireny sarangan'olona ireny satria na izaho tompontany ary dia tsy te-hitodi-doha ho any aloha noho ny zava-misy any ankehitriny. Misy ihany angambany mitovy hevitra amiko, ary misy antony maro hafa koa arakaraky ny tsirairay. Misy ihany no tonga aloha, saingy nihavitsy izy ireny, nefa ireny no fihinanan'ny malagasy, ny fizahan-tany no anisan'ny tena mampandeha ny taozavatra malagasy sy antom-pivelomany.

Malahelo ny fo satria nohetraketrahana tsotra izao izany fiainan'olona izany. Vahoaka maro no mitaty ny ngidin'ny tsy fieritreretana, noho ny fitiavantena samirery !!! Menaka 1 litatra sy bodofotsy isan'olona ve hahavelona malagasy ? Hahasolo ny fidirambola lasa tapaka tanteraka ! Indrisy ny mpanjanatany @ lafiny maro ô, tsy hiantso tody aho fa hoy ny fiteny hoe : "Andriamanitra tsy andrinareo andrinay ihany". Ary "ny soa atao levenam-bola, fa ny ratsy atao : loza mihantona" ! Ka hoy aho hoe : "boribory ny tany no sady malama maina".

Ampiko kely hoe sao dia mba tokony hajanona @ izay ity ambo-po diso tafahoatra ity ka hitodi-doha mijery ireo mahantra izay aseho isan'andro anaty gazety ? Ny tena ataoko hoe "politikam-pirenena" dia ny fahaizana mandray sy mamakafaka ny hevitra ka mampihatra izany ara-drariny entina hanasoavana firenena sy ny mponina eo amboniny, na hevitra avy aiza io na hevitra avy aiza. "Atsipy ny tady eny an-tandrok'omby, ary atsipy ny teny any am-pon'izay mahalala". 

test

 

Androany no mitsingerina indray ilay fotoana nizarako ny fanahiko tamin’ny olona iray. Fotoana aman-taonany maro izay no lasa …

 

Tao ny nangidy izay niarahana nizaka, fotoana tsy adino satria nanefy anay teo amin’ny fiainana sy ny tokatrano. Fotoana nanamafisana ny fifandraisanay koa, satria ankehitriny dia toy ny voavakiko tsy an-kijery izay ao an-tsaina raha mahita zavatra iray izy, ary izy koa dia mitovy eritreritra amiko, mahagaga ! Ankehitriny dia isaoranay koa ilay Nahary noho ireny fotoan-tsarotra ireny, satria nankahery sy nanome toro-hevitra ary indrindra nitantana hatrany izy noho ny fahatokisanay Azy.

 

Tao koa ny fotoana mamy izay tsy adino, silaky ny aina telo no hanohizanay izao fifankatiavanay izao. Akoatra ny teny mamy sy ny fifaliana niarahana nigoka dia fahasambarana tsy hay lazaina no iainanay. Misy foana ny fotoana maloka, fa toy ny semban-drahona ihany izany : mandalo !

 

Nanefy ny toetrako koa ny tokatranonay : azoko kokoa ilay teny hoe “mandefitra”. Tsy hoe mandefitra voapotsika sy voahitsakitsaka akory, fa mandefitra ampilaminana, mandefitra raha toa ka tsy ahitana vokany tsara na mandefitra mba tsy hisian’ny romoromo … na dia manana ny marina ary dia rehefa tafavoaka ny hevitro dia izay no zava-dehibe, hoe fantatra ny tiako ho lazaina. Tsy eo aminay ihany no hampiharako io toetra io fa eo amin’ny manodidina ahy koa. Samy manana ny heviny mantsy ny olona ka tsy hanery ny hafa hanaiky ny hevitro aho, raha tsy hoe izaho no hiaran’ny rihitra avy eo tsy araka ny nanampoizako azy. Eo aho vao tsy manaiky mihitsy raha izay indray.

 

Izany no ela, fa anio ato aminay : andro mamy, androm-pitiavana, androm-pahasambarana, androm-pifaliana !!!!!!!!!!!!!!!! 

 

 

Efa ho tapitra ihany ity ny volana nefa izaho tsy mbola be tantara ohatran'ny hafa teto .... sahirana mafy ! Andraso ary fa zavatra hafa² no resahiko eto : nandeha nandevina t@ izay, ary lasa ny resako tany anaty fiara. 

- izahay malagasy rehefa misy maty dia miari-tory 2 alina dia matetika ny andro fahatelo vao halevina, raha tsy misy olona na zavatra andrasana

- hay, dia ahoana tsy simba ve ilay faty ?

- misy "formol" hatsindrona dia izay  no mitahiry elaela ilay izy. Ny aty aminareo tena mampahatahotra mihitsy rehefa misy maty fa tonga dia ny ampitso dia alevina. 

- ie, izany daholo, efa vonona daholo ny papiers sy ny pompes funèbres 

- de ahoana moa izany raha toa ka miverina aina tampoka ilay olona ? sady tsy misy zavatra atsindrona mihitsy ny anareo fa "lit froid" no itahirizana azy. 

- asa aloha, en tout cas tsy mbola nahare aho hoe velona indra ilay olona ! 

- ka na velona azy izy, iza moa no hahita azy any ambany tany any intsony fa dia maty ihany izy tsy misy manavotra

- ssss, tsy eritreretina izany e ! 

Izao mantsy ilay izy izany rahefa tena mihatra : androany maraina ianao miresaka @ olona iray, mety ho namana io, ary ny hariva izy maty ohatra tamin'ny 16h. Ny ampitso aho mandevina azy à 15h ! Tena namplahelo mihitsy ilay notantarain'ilay namako ahy hoe nitaraina narary ilay vehivavy mpiara-miasa taminy ny maraina, ny hariva izy maty, ary ny ampitso hariva ihany dia nalevina. Ny vadiny t@ izay nitomany tery am-bodihazo, very fanahy mbola velona.

Asa raha efa henonareo ity tantara ity niseho tany Dago : nisy nandevina ny fasana iray, ary nony novohaina ilay fasana dia nisy olona nitakoko teo amoron'ilay varavaram-pasana tao anatiny, toa faty nivaha, ary efa maina, anareo ny maminany ny zava-nisy. 

T@ dadanay maty dia toy ny niditra voatanany ilay molony ambany iny, izany hoe toy ny mbola nisy force afaka nitana ilay molony, fa nony voatsindrona ilay "formol" dia itako nipotsaka ilay molotra !!! Mbola koditra aho mieritreritra azy hoe sao mbola tsy maty tsara ary izy tamin'iny ? 

Tantara hafahafa. 

 (ny anareo ve rehefa mi-rectifier lahatsoratra dia miova ho azy ilay daty raha tsy mitandrina ? tena décalée 1 mois mihitsy)

 

Sendra nandeha hiditra banky aho eto France dia nahita malagasy nivoaka avy tao, menamenatra ery izy nefa tsy nahoako. Nahoana izy no menatra ? Satria avy nanadio ilay banky ny nialany tao. Izany hoe menatra izy satria “mpanadio trano” ny asany !!!!!

 Aty  amintsika dia tsy ny olona rehetra no miasa manadio trano fa matetika “mpiasan-trano”, hainareo angambany ny lanjan’ilay asany rehefa voateny io teny io. Matetika izy ireny dia olona nalaina avy any ambanivohitra, ankizy tsy mahalala ny momba ny aty an-drenivohitra mba ho mora baikona, na ohatr’izany …. Ambany ny karama satria na voafetran’ny lalàna ary ny tokony ho karama ambany indrindrra, dia vitsy ny manaraka sy  mankato izany fa manao izay tsy hialan’ny vola am-paosiny betsaka loatra noho ny halafon’ny fiainana. Ny fitaizana malagasy dia mbola zanaka an-trano ny ankizy rehefa mbola tsy manambady, io ihany angambany aloha no fomba andaozana ny ray aman-dreny ara-dalàna hatramin’izao, akoatra ny fianarana lavitra izay ny ray aman-dreny ihany no miantoka azy.

 Fa nony nahita ny fianana aty ivelany aho dia nalahelo nahita ilay olona menatra nivoaka ny banky. Satria mbola nihevitra izy angambany fa mbola ho toy ny fijery any Dago ihany ny fahitana azy aty raha manao mpiasan-trano. Nefa diso ny heviny fa toy ny olona manana ny hajany rehetra izy amiko satria manana asa, ny andro efa sarotra rahateo vao mahita asa izao. Ny karamany dia voafaritra tsara ara-dalàna tsy misy voambaka mihitsy na ny andaniny na ny ankilany, ary mamelona tsara ny vady aman-janany ara-dalàna izy rehefa atao ny kaonty. Amiko dia toy ny olona rehetra izy.

 Matetika maro ny mihevitra fa rehefa manao “serveur”, na “femme de ménage”, na “livreur”, na ... (misy hafa maro fa ireo no ato an-dohako aloha) dia ambany izay ianao rehefa mandeha ny fosa aty an-tanindrazany, misy mihitsy ny sahy miteny aty hoe “livreur anie ny asan’iny e”, “mpiasam-bazaha” …. sns. Ny tsy fantatry ny aty Dago dia na livreur ary izy, dia mahazo vola afaka miaina tsara. Matetika moa dia ny mpianatra no tena manao io asa io aty satria tsy afaka miahy azy ireny intsony ny ray aman-dreniny noho ny fidangan’ny vola aty ivelany miohatra amin’ny vola gasy, izy ireny indray ary no mandefa vola ho an’ny fianakaviany aty. Sady izao koa e : rehefa afaka bac ny ankizy dia mandeha mandao na alefan’ny ray aman-dreniny miaina irery mitady vola no sady mianatra, miantoka ny fianarany izy izany. Tsy mahamenatra izany rehefa tsy asana makorelina na trafiquants no ataony amiko …. izany hoe tsy mivari-lavo (ataoko fa tsy misy ray aman-dreny maniry ny zanany hanao ireo asa roa farany ireo eto an-tany !)

 Koa tsy mampaninona ahy ny mahita gasy manao femme deménage sy livreurs … sns aty satria io ahafahany miahy ny retraite-ny sy ny fianakaviany. Raha toa ka sanatria very asa izy na tapitra ny CDD dia ny faharetan'iny fotoana niasany iny no ahafahany mahazo indamnités de chômage amin'ny ASSEDIC maharitra volana maromaro : mandray vola izy na eo ampitadiavana asa ary aloha. Ireo izay manana asa maharitra amin’io moa, CDI, dia misy tena manana trano milay be mihitsy. Efa nahita izay tranga izay koa aho tany Australie : mpiavy italiana izy mivady efa nipetraka ela tany, ary efa antitra, mpanadio trano ny asany nefa dia kirana be aho nahita ny tranony sy ny 4X4-ndry zareo !

 Izay ilay izy, samy manao izay ahatafitany am-panajana io ka tsy arahina hamohamo na esoeso raha toa ka mitovy asa amin’ny ambany karama indd aty Dago ny olona mipetraka any ivelany. Tsy mitovy ilay fari-piainana. Izaho efa niteniteny foana koa mantsy fahiny mahita ireo gasy tonga avy aty ivelany ka niteny hoe : ”nanao mpiasam-bazaha”, kay ilay izy asa mitombona tsara kay. Tsy mbola maty ilay fiteny Malagasy hoe : “aza manao ory hava-manana”.

 PS : Efa ela aho no saika hiresaka ny momba io fa izao vao nisy fotoana, ary tsy mitifitra an’iza na iza aho sao dia misy miakatra tosi-drà indray eo an Tongue out

... il neige sur mon blog ! Super. Ary ny "toerana fandrindrana" mikorontana aok'izany, asa raha toy izany koa ny anareo fa lasa hafahafa be ! Tsy misy fanamboarana soratra (police) intsony etsy ambony etsy !!! Nakaiza ary i Hery sa lasa nanao vakansy niaraka aminy koa ity tantara manga ity ? Sa mety nokaon-doha any ho any ve i leiry ? Ho avy ny noely, ingahy be noely nefa mbola tsy nanoratako hoe inona no hovidiako ho ahy fa izaho koa mbola zazakely. Androany ilay zanako efa nitondra kilalao nozaraina ho azy avy any ampianarana sahady. Tadidiko aho fahiny nentin'ny dada sy i mama mijery "vitrines" rehefa manatomotra toy izao ny faran'ny taona, faly ery rehefa harivariva iny mahita ireo jiro miloko isan-karazany eny Analakely indrindra indrindra rehefa harivariva. Asa ny anareo .........

 

 

.... izay fa tafaverina amin'ny laoniny, ouf ! Na izany ary anefany dia focer-ny atao janvier 2011 foana ny daty raha tsy mahatsikaritra rehefa mametraka lahatsoratra Undecided na mikitikitika lahatsoratra efa mipetraka, jereo anie !

Mbola tsy ampy azy ireo ihany ity nanokatra blaogy anaovany pub eto ity, sy ny fanoratana tsy mety tapitra amin'ny fametrahana hafatra fa dia mbola nahita fika ihany ry lelikam... tato ho ato ary dia tena gaga aho fa tafapetraka soa aman-tsara ilay izy. Sosotra mihitsy aho Izao no ataony ka asa ny anareo raha mba tratrany fa tena nidonàka aho : naveriny nosoratana re ireo hafatro any amin'ny lahatsoratro isan-karazany dia amin'ny farany asiany lien misy ny pub-ny !!! Ary dia tafapetraka sy mivoaka soa aman-tsara tokoa moa izany ataony izany. Izany hoe ilay nomerao tamin'ny nametraka hafatra iny no notsaingohany dia tafapetrany, fa tsy haiko hoe amin'ny fomba ahoana no nanaovany izany ka aza anontaniana ahy !!!! Efa be ihany moa ireo hafatra voasakana fa @ ity indray mitoraka ity izy dia tena itako ho mahery vaika mihitsy. Asa mety tokony soloina ve ny fomba fametrahana hafatra amin'ity blaogy.com ity fa tena ho be ny ho voafitaka izany ato ho ato !!!! Asakasakareo fa izaho aloha efa mivezivezy eto ihany izao tato ho ato satria tiako ity blaogiko ity, tiako ho hita h@ farany ny fandehany.  
 
 

Mila tohanana ny toy itony, manohana ny mahantra sy ireo kamboty, mampianatra sy manentana azy ireo mba hiasa ary manome fianarana koa.
Azonareo jerena ny tranokalany ato : 
 
http://villagedelajoie.servhome.org/ 
 
Marihiko fa vao haingana no notafihina andian'olona mirongo fiadiana ny tranon'ireo olona mpitaiza ireo, ao anatin'io toerana fitaizana io izany. Nisy poa-basy tamin'izany. Voalaza fa jiolahy sy miaramila niala tsy voafehy no nanafika tao miaraka amin'ny basy nangalariny tany aminy. lasany daholo ny télé, vidéo, informatika, téléphone sns ... Lasa daholo ny fitaovam-piasana am-birao rehetra. Soa aloha fa tsy nisy aina nafohy. 
 
Ny mampalahelo dia izao : "toe-tsaina". Olona manampy ny mahantra ve no robaina toy izany e ? matoa ianao mangalatra dia mahantra, nefa dia maninona no mifanitsaka ? Tena latsaka ambany tokoa ilay toe-tsaina raha izany. Tsy mahagaga koa moa fa ny mpitarika dia olona mpangalatra sy mpamono olona, ka aiza ireo foza naterany no ho tsara ? Nalahelo mihitsy ny foko teo am-pandrenesana izany tantara izany. 
 
Ka izao, nangataka ireto olona ireto mba HIVAVAKA ho azy ireo satria an-dohalika ny ranom-bary, kivy tokoa ny saina rehefa ny zavatra nanaovana tahiry maharitra ela no nisy vokany nefa norobaina (azonareo jerena ny zavatra tafatsangany tamin'izany). Tsy azo eritreretina ny tahotr'ireo zaza notezainy tamin'izany : ny olona miahy azy no misy manafika ! Tsy hoe olona nanao ratsy akory anefa ny tenany fa olona tsotra te-hanampy ny mpiara-belona aminy. Raha misy moa ny te-hanampy ara-bola ho an'ity "Village de la joie" ity dia efa natolotro io ny site-ny ka afaka mi-contacter azy mivantana ianareo. misy koa ny fanampiana azo atao, dia ny "volontariat". Koa raha misy azonareo atao dia aza misalasala.  
 
Izay no izy koa dia soava tsara daholo. Misaotra anareo izay hanampy sy mivavaka ho azy ireo. 
 

 

 

Jereo h@farany fa ho gaga ianao fa mahalasa saina.

 

INDRISY …..!

Alahady ny andro voalohan’ny taona tamin’izay. Koa dia nangina ny maraina fa sasatry ny nanao fety ho fanaovam-beloma ny taona sy ho fiarahabana ny vaovao 2010 ny rehetra. I Ketaka moa tafody tao an-trano tokony ho tamin’ny 5 ora maraina naterin’i Harena sy i Tsiry. Reraky ny alina ka tonga dia nidaboka natory avy hatrany vao tonga tao an-trano rehefa somary avy nijery fitaratra nieritreritra hoe : “ohatran’izany bikako niaraka tamin’i Harena teo ?”.

 

            Adino koa ny nanapika ny finday ka dia ny antso no nanaitra azy rehefa tokony ho tamin’ny mitatao vovonana iny :

- allo ? hoy ny feony mbola matory

- mbola matory angaha ndry izany ? hoy I Harena nanontany. Nanao ahoana ny havizanana ?

- hay ve ianao e, tsy maninona fa mbola matory aho no naneno. Efa natory tsara aho aloha ka, fa ahoana ?

- Ketaka,tadidinao moa ilay dadabenay noteneniko anareo hoe mipetraka any Tuléar ? Maty androany maraina tamin’ny 10 ora izy.

- Izany ve ? Mamangy amin’ny fahoriana Harena. Dia ahoana no ho ataonareo ?

- izay indrindra no iantsoako anao. Handeha ho any anio I Dada sy I Neny ka voatery hiaraka aminy aho, mba tia ahy tokoa izay dadabenay izay. Handalo aty aminao aho rehefa avy eo alohan’ny handehananay.

- hay, miandry anao aho ary e, hoy ny valiny somary nalahelo

Niomana haingana I Ketaka, nanamboatra endrika mbola bongo mason’ny fiaretan-tory. Fa maika koa anefa hahita ity olon-tiana handalo, satry foana tsy hisaraka isaky ny mifankahita, satry foana hifankahita rehefa misaraka ….

Tonga sahady I Harena, injao ren’i Ketaka miarahaba tratry ny taona ny ray aman-dreniny ao ambany ao.

- Ketaka a, ao ny sipan-dry, hoy ny feo kelin’i Fanilo niantso azy moramora tao an’efitrano.

- mba tian-dry ve izy io ry Fanilo ? hoy I Ketaka nitsapa an-jandriny mody nananihany

- hmmm, dia hivady ve ianareo ? fanontanian-jaza nefa madio.

- mbola tsy fantatra izany ry Fanilo a, fa hatramin'izao aloha mbola tsy misy resaka izany.

- Ketaka a, hoy rainy, misy mitsidika indry fa avia e ! Sady misy vaovao koa re fa faingana e !

- Manahoana I Harena. Sady natolony ny tanany tsy sahy nanoroka azy teo imason’ny ray aman-dreniny.

- manahoana ny havizanana ry i Ketaka ? Izaho salama tsara, fa araka ny nolazaiko anao dia handeha anio ho any Tuléar izaho sy I Dada sy I Neny fa maty I Dadabe. Navelan’ny ray aman-dreniny irery tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny izy roa, toa azony an-tsaina ny zavatra tadiaviny. Vao dify izy mivady dia nifamihina izy roa.

- maharitra hafiriana any ianareo kay ? Malahelo anao sahady aho izany.

- vao voalevina ny razana dia hiakatra izahay. I Tsiry hijanona eto Antananarivo ihany.  Tokony eo amin’ny folo andro eo ho eo angambany. Aza malahelo fa hiantso anao matetika aho, na hifandefa hafatra isika an !

- eny e, tsy maninona fa adidy tsy maintsy atao daholo izany. @ firy ianareo no manainga ?

- ie, handeha mihitsy aho izao. Fa izao, inty misy rojoko apetrako aminao, ahatsiarovanao ahy. Dia etsy ianao alaiko sary amin’ny findaiko hataoko fijerijery eny.

- misaotra Harena. Alaiko sary koa ianao raha izany ka.

Dia nivanivany nifampaka sary teo izy roa, malaina hisaraka nefa dia voatery ifandao ka maso manganohano no nilaozan’i Harena. Hany heriny namboraka ny tao am-pony izy : “Ketaka, tiako ianao, hiverina tsy ho ela aho fa aza malahelo an !” . Natodiny ny lohany dia lasa koa izy sao tsy tafala teo anilan’ilay tiany.

 

            Nisosa ny andro, ary variana tamin’ny fianarana I Ketaka. Ary tonga ihany ny hafatra avy amin’ny Harena nandrasany mafy dia mafy : “Miala aty izahay” . Nidoboka ity fo keliny, nihiratra ny endriny fa ho afaka ora vitsy sisa, hirahira no tao an-tsainy. Ny androtr’io tena amin’ny trano famakiam-boky no naneno ny findainy. I Tsiry no niantso azy tao.

- manahoana I Ketaka ? aiza ianao izany ?

- hay, manahoana I Tsiry ? ela izany tsy niresahana izany, tamin’ny réveillon isika no nifankahita farany. Ka ahoana, raikitra ihany ilay handeha hanao tennis isika rehefa tonga I Harena ? Vitaiko daholo anio ny fianarako dia lasa isika telo,sa ahoana ?

- Ketaka a, ianao irery angaha no ao sa miaraka amin’olona ianao ?

- Izaho irery ka, mianatra aty amin’ny trano famakiam-boky mantsy aho izao. Fa ahoana ?

- Ketaka a, misy vaovao ity, mipetraha aloha ianao dia lazao ahy hoe aiza ianao izao.

- fa misy inona e ? vaovao ahoana ? tsara sa ratsy e ?

- mampalahelo ry i Ketaka a, hoy i Tsiry tsy nahatàna ny tomaniny intsony. Efa tetsy Antsirabe ry zareo. Nefa dia nisy loza nahazo azy ireo fa nivadika ny fiara nitondra azy.

- an ? dia ahoana ? tsy misy naninona ?

- Ketaka, tsy naninona I dada sy I neny fa mbola eny amin’ny hopitaly fontsiny izy ireo  miandry an’i Harena

- fa ahoana? maninona I Harena no andrasana, fa angaha naratra ?

- tsy mbola hay ny mahazo azy, fa tsy mahatsiaro tena fontsiny izy izao aloha. Mety misy maratra azy any anaty lohany any hoy ny dokotera. Lazao ahy hoe aiza ianao fa alaiko any dia mandeha miaraka mijery azy eny amin’ny hopitaly isika.

Kepoka tsy nahateny I Ketaka segondra maromaro. Fotoana vitsy taorian’izay dia indro izy roavavy nandeha niakatra ny tohatry ny hopitaly maika ery hijery ilay olon-tiana sy anadahy.

 

            Maloka i Ketaka, toa nitamberina tao an-tsainy ireo ora farany nifanaovany veloma, ilay sary nalainy sy ny hanihany nifanaovany teo am-pakana izany, ary …… ilay rojo. Niezaka niantso an’I Harena izy nahita azy teny amin’ny hopitaly, toy ny fanaony rehefa misy marary tsy mahatsiaro tena mba hiverenan’ny sainy, nefa dia toa very maina izany. Tsy namaly I Harena. Mba hanaitra azy dia noresahiny ny fotoana farany nihaonany :“tadidinao ve ny noteneninao ahy farany ry Harena ? Ketaka, tiako ianao, hiverina tsy ho ela aho fa aza malahelo an – Mifohaza Harena a, efa tafaverina ianao !” Nanganohany indray ireto dobo kely roa, ka naleony nangina aloha, nofihininy mafy ny tanany sao mba misy valiny, nefa toa lasa lavitra amin’ny torimasony ity tovolahy, reraky ny dia sy ny loza nahazo azy angaha.

 

            Nandeha ny volana, nefa dia mbola natory foana I Harena. Toa kivy ireto dokotera, na I Ketaka mpianatra ho mpitsabo ary nanaraka akaiky ny fahasalamany fa toa tsy nisy fivoarana firy loatra. Ity fo koa nalahelo mafy mahita ity olon-tiana tsy afaka mamihina sy miresaka toy ny taloha. Tsy nitsahatra nivavaka ho azy koa izy etsy an-daniny :“Andriamanitra mahay mandahatra ny zava-drehetra ka ny tsy hain’olombelona hain’Andriamanitra”.  Asa, nataon’ilay Avo indrindra ho azy ve ity olon-tiany marary mafy ity ka ho fitsapàna ihany izao ? Sa ho fisedràna ny tena fitiavany ? Na koa … mety tsy ho izy no nitana ilay taolan-tehezan’I Harena ? "ASA" no valiny. 

 

            Efa ho roa taona izao no narary tsy mahatsiaro saina eny @ hopitaly izy. Mpitsabo manokana ny momba ny olona voan’ny loza mitranga no nantsoina nitsabo azy. Ary toy ny misy fanantenana ihany no fijery omen’io dokotera io. Mety ho fahatairana no mety hanaitra azy hoy izy. Koa iresaho matetika izy fa mety hampiverina ny sainy ny mandre ny zava-misy resahinareo.

 

            I Ketaka kosa, vita fianarana ihany. Naka safidy ny handeha hanohy any ampita. Eny, te-hanadino ny fahoriany sy ny alahelony an’I Harena izy, nefa toa tsy mety. Koa dia nanapa-kevitra ny hiala ao Madagasikara hanalavitra azy aloha. Ny hariva mialoha ny handehanany no tonga nitsidika farany izy, eny fa na dia tsy ren’ilay malalany aza izany fanapahan-kevitra izany :

“ Harena,ianao moa dia tsy mety mifoha e, efa ela anie ianao no natory e ! Izaho ary efa nahavita ny fianarako dia ilaozanao matory fontsiny eo, tahaka’izay mba samy efa dokotera isika. Harena, mbola tiako foana ianao. Tsy misy olon-kafa afaka haka ny toeranao ato am-poko. Tazomy mafy ny tànako raha renao izany lazaiko anao izany Harena. Fa izao : handeha hanohy ny fianarako any ampita aho. Rahampitso aho no hanainga. Renao ve izany e ? “ ……. Injay toa reny namihina azy ny tànany taorian’io. Taitra I Ketaka “ fihino indray hoe ny tànako raha renao izany lazaiko izany ? “ Injay toa somary nihamafy ilay fihina nataon’I Harena. Nojereny ny milina ka miakatra tokoa ny tsosi-dràny ! “Harena sokafy ny masonao anie hijery ahy e ! Mifohaza amin’izay e!“ Toa nipendrapendrana moramora ilay maso te-hisokatra, niantso ilay dokoterany I Ketaka. Maso efa nisokatra kely no novantanin’ity farany ity.

 

  Niverina nifoha i Harena iray andro mialohan’ny handehanan’I Ketaka hanohy fianarana any am-pitan-dranomasina. Niantso an’i Tsiry izy ilaza vaovao, ary tonga avy hatrany ny fianakaviany nahare izany vaovao mahafaly izany. Nanazava azy ireo ny fandehan-javatra teo I Ketaka, ary dia nisaotra azy ny ray aman-drenin’i Harena. Fantatr’izy ireo tsara ny fahendren-drazazavavy sy ny fitiavany an-janany lahy, koa dia nitso-drano sy nampahery azy amin’ny fianarana no nataon’izy ireo, nanome toky koa ny hanome vaovao tsy tapaka azy momba an-janany. Nifamihina teo izy no tonga nilaza vaovao ny dokotera hoe afaka mijery azy ianareo, fa mandeha tsirairay. Nandeha nijery azy ny ray aman-dreniny aloha, I Ketaka no namarana :

- Manahoana I Harena ? hoy I Ketaka nitsiky fatratra nahita ireto masony roa nibanjina azy!

- manahoana tompoko, no valiny

(Hatory kely kosa aho fa toa lavabe ny redirediko izany androany an, amin’ny manaraka e!)

 

... manja koa izany raha sipa an ! (ilay mihira io)
Gravy koa izay mba nahazo ahy omaly izay marina, fa aleoko apetrako ho tantara eto mba ho tsarovana. Niala tao an-trano aho nandeha nanatitra mpianatra, ary itako fa feno tickets nividianako entana ny kitapoko, navoakako ireo dia lasa aho. Izay tena nilaina no nasitrika. Dia avy eo nisy dia lavitra naleha ! Lavitra tokoa ilay toerana satria ary amin'ny 60 kms ary. Tonga tany ary dia hoe haka vola aloha amin'ny banky, hay moa tapitra omaly ilay validité-na carte bancaire taty amiko nefa tsy mbola tonga ny manaraka azony nanao grevy ny mpiasan'ny paositra !!! Pooaahhhh, mandreraka koa ity fanjakana ity, manao izay tsy itiavan'ny mponina azy ! Iny mbola tsy olana fa dia aleo ary mampiasa chèquier hakana vola, hay moa tafavoaka niaraka tamin'ireo taratasy kely bdb tany an-trano ity chèque !!!! Ny andro io efa manatomotra ny mitatao vovonana. Aleo ary aseho ilay CB lany andro hakana vola miaraka amin'ny CI, tsy mety io hoy ilay kala sady manana blème informatique aho hoy izy fa mandehana any amin'ny agence-nareo maka, ilay antsoina hoe agence anay io mbola any amin'ny 27 kms. Lasa ary nandeha haingana alohan'ny 12h sao mihidy koa io. Tonga tany : tsy mandeha ny serveur nationale hoy ry zareo tany, vao teo no tapaka. Kay kay kay, tonga ny tamin'ny 12h, nosavaina ity paosy tsy nisy vola fa natambatra ireo madinika varahina mena ka nahazoana 1€25 ihany, ny tena tsy dia nisakafo firy tamin'ny maraina. Ha ha ha, arahabaina ianao ry Leader Price fa hanavotra ahy amin'ny mofo sy sardines anio !!!!! Saingy ny olana efa nitatao tao an-doha dia efa tsy nisy lasantsy firy ny fiara, efa nirehitra ny tabilao nilaza fa efa ambivitra ny ainy raha tsy omena rano izy !!!!! Nohanina ampilaminana ihany ilay mofo kely aloha, ho an'olon-droa io an .... ! Dia ny nahamaika dia nihaodihaody teo anoloan'ny banky teo ihany niandry ny fivohany ! Kanjo dia tonga ihany ny ora fivohany, ary dia nandeha ihany ilay foutu serveur !!!! Saingy dia ni-rater ny dia tokony natao aloha, no voatery nody mialoha ihany satria tsy maintsy nanatratra ora niverenana !!!! Pfff, aza manody hoy aho e !!!  

 
Dans un AIRBUS A380, le commandant de bord dit à ses passagers :
- C'est votre commandant qui vous parle.
Nous perdons de l'altitude et nous n'avons pas assez de carburant pour atteindre notre destination. Donc, nous allons larguer hors de l'avion tous les bagages.
L'avion regagne de l'altitude.

Une demi-heure plus tard, l'avion reperd de l'altitude et la voix du commandant se fait encore une fois entendre dans les hauts parleurs :
- C'est votre commandant qui vous parle. Nous perdons encore de l'altitude et nous ne pourrons pas atteindre notre destination sans jeter quelques passagers hors de l'avion. C'est une mauvaise solution, mais nous allons le faire d'une manière honnête et démocratique. Nous allons utiliser l'alphabet.
Commençons par la lettre A :
Y-a-t-il des Africains, des Antillais ? Personne ne répondit.
Y a-t-il des Blacks ? Toujours pas de réponse.
Y a-t-il des gens de Couleur? Toujours pas de réponse.
Mais, à l'arrière de l'avion, un petit garçon demande à son père :
- Papa, tu m'as toujours dit qu'il fallait être honnête. Tu es d'Afrique et Maman des Antilles nous sommes Black et donc des gens de Couleur.
- Oui, mon fils. C'est vrai. Mais aujourd'hui nous sommes des Nègres et s'il le faut nous serons Zoulous ... 
 
 

Entretien d'embauche

Trois personnes sont convoquées pour un entretien d'embauche en Angleterre. Arrivés au test d'anglais, le recruteur leur dit:

"Faites une phrase avec les 3 mots suivants: green, pink, yellow."

C'est d'abord le Belge qui se lance:
"I wake up in the morning, I eat a yellow banana, a green pepper and in the evening I watch the Pink Panther on TV".

C'est ensuite au tour de l'Allemand:
"I wake up in the morning, I see the yellow sun, the green grass and I think to myself: I hope it will be a pink day".

Enfin, le Français s'avance et dit:
"I wake up in ze mornink, I hear ze phone: green.....green...green...I pink up ze phone and I say "Yellow?"...

 

Un couple de parisiens décide de partir  en week-end à la plage et de descendre au même hôtel qu'il y a 20 ans, lors de  leur lune de miel. Mais, au dernier moment, à cause d'un  problème au travail, la femme ne peut pas prendre son  jeudi. Il est donc décidé que le mari prendrait  l'avion le jeudi, et sa femme le lendemain. L'homme arrive comme prévu et après avoir  loué la chambre d'hôtel, Il se rend compte que dans la chambre, il y a un  ordinateur avec connexion Internet. Il décide alors d'envoyer un courrier à  sa femme. Mais il se trompe en écrivant  l'adresse. C'est ainsi qu'à Perpignan, une veuve qui  vient de rentrer des funérailles de son mari mort d'une crise cardiaque  reçoit l'email. La veuve consulte sa boîte aux lettres  électronique pour voir s'il n'y a pas de messages de la famille ou  des  amis. C'est ainsi qu'à la lecture du premier  d'entre eux, elle s'évanouit. Son fils entre dans la chambre et  trouve sa mère allongée sur le sol, sans connaissance, au pied de  l'ordinateur. Sur l'écran, on peut lire le message  suivant : 
 

" A mon  épouse bien-aimée,
 
Je  suis bien arrivé. Tu  seras certainement surprise de recevoir de mes nouvelles maintenant et de cette  manière. Ici, ils ont des ordinateurs et tu peux envoyer des messages à ceux que tu  aimes. Je viens  d'arriver et j'ai vérifié que tout était prêt pour ton arrivée, demain  vendredi. J'ai hâte de te revoir.  J'espère  que ton voyage se passera aussi bien que s'est passé le mien. 

PS: Il n'est pas nécessaire que tu  apportes beaucoup de  vêtements, il fait  une chaleur d'enfer ici ! "

 

The end .....

 

 

  
 

Mahatsikaiky ahy ity tantara niseho tany Angleterre ity. Narian'ilay vehivavy mpandalo tao anaty fanariam-pako ilay saka !!! Nahita ilay izy aho dia tapaka ny tsinaiko, aza taitra ianareo izay tia saka eto, fa maro ny antony nihomehezako :

- sendra vehivavy adala ilay saka

- lasa adala koa izay ilay saka, afaka teo ny adalàny

- iza koa ary no nahita naka io vidéo io, sao mba namboarina ilay izy ohatra hoe au profit an'i société protectrice des animaux

- ...... mety ho mpamosavy manary sikidy, hoy ny gasy LOL 

- mety nitalaho azy ilay saka hoe : "ario aho, ario aho", tonga dia nisy poubelle teo dia nalefan'ilay ramatoa (parodie), LOL 

Rehefa navoakan'ilay tompon'ny vidéo tamin'ny youtube io sary io hoe sao misy mahafantatra ilay ravehivavy, dia nisy tokoa, ary lasa nalaza ilay ramatoa. Saingy ny tsininy dia tena nisy nitandroka ny ainy ka lasa nahazo protection spéciale ny polisy izy. Be moa ny olona tany no tsy faly tamin'ny fihetsiny. 

Fa ny tena mahalasa ny eritreritro rehefa mahita zavatra toy itony dia hoe tena avo toerana noho ny ain'olona ve ny bibikely toy itony e ? Misy mantsy ny olona mitady fahatsaram-piainana any an-toeran-kafa, dia rehefa raofin'ny polisy dia alefa any anaty sambo na tonga dia anaty fiaraminidina avy hatrany, na ... sns, nefa toa tsy misy miraika ny olona mahita izany amin'ny feo aman-jery, fa rehefa bibikely toy itony ve dia tena misy ny resabe hoe nijaly ilay sakakely e, matiko ilay olona iny nanao izany e, tsy misy fo ilay vehivavy e, ... Ts ts ts, betsaka ny olona marary fadiranovana nefa tsy misy mihetsika mba hanisy sira azy ireny ny olona. Misy sary iray izay tonga ato an-dohako, tonga tao anaty boatimelako : zazakely maity hoditra tena mahia kely efa taolana sisa mifono hoditra, miankohoka noho ny tsy fahazoany hanina sy aina intsony na mety efa miala aina, misy vautour etsy akaiky miandry izay hahalasanany sisa, voalaza fa namono tena ilay journaliste naka ilay sary (asa aloha raha marina) fa dia naninona no tsy nisy nihetsika nanao izay ahitana io ankizy io nandefasana fiaramanidina vonjimaika hamonjena ny ainy iray. Indrisy !

 

Be hoy aho ny biby manan-danja noho ny olombelona e !

Aoka aloha haka tahaka kely fa tsssss :

** Tsy mety kosa izao ry Kdaomba a a ! 

 

 

    

                             

Ela aho no tsy niblaogy teto na dia maro ary ny tiana ho ambara. Anisany ity milina iray ity, tamin'ny fahagola andron'ny fanjanahantany nefa mbola azo ampiharintsika malagasy ihany noho ny antony maro, ary matoa nampiasaina tamin'izany fotoana izany dia satria tena nanome vokatra tokoa. Fangalana ranona fary izy ity, hanaovana siramamy. Koa raha toa ka mety hahasoa dia raiso. Tany amin'ny musée aloha no nangalko ilay sary e, nefa tena mbola tsara. Isika ary moa mbola mampiasa sarety koa. Nahita kely toa io aho teny an-tsena ary dia teo ry zalahy no maka ranona fary amidy, fa mandeha herin'aratra ilay izy, mitovy mihitsy ny système. Gaga sy variana daholo ny vazaha nahita ilay izy !

Indreto sary vitsivitsy itako tetsy sy teroa, ahatsiarovana ny fahiny, misy moa azo t@ izaho mbola tsy teraka koa aloha e. Ilay loharano ao Faravohitra moa dia  izao aho vao mahalala ny fisiany nefa aho nianatra tao amin'ny Lycée Jules Ferry, taiza ho aiza ary izany ? Itanareo ao koa angambany ny tranonareo t@ izany, ny làlana izan-karazany. Jereo tsara anie ! Mbetika koa aho toa mahita ny sarin'ny dadanay sy ny mamanay teny Antanarenina. Ankafizo e !

 

                                                                                                                                           Vita tompoko ô !

Tsy haiko raha manjo anareo ity mpahazo ahy ity. Rehefa misy zavatra itako ahatsiarovako ny taloha dia tena manao "retour vers le passé" ny saiko.

Ohatra hoe misy hira izao, hira tena tiako be mihitsy tamin'izany fotoana na nanamarika ny fiainako, dia miverina mitamberina daholo ao an-tsaiko ireo fahatsiarovana mahafinaritra rehetra, toy ny tsy mipaika tany ny tenako fa lasa, mandrevy ny itako fahiny ! Nisy izao tao amin'ny Fb tao, nisy vidéo napetrak'ilay namana iray miaraka amin'ny hira, fa t@ ireo sary hoy ianareo dia tena nisy zavatra tsaroako tampoka : harivariva tany Madagasikara fahiny. Asa raha mahatsikaritra ianareo fa misy ny hariva toy ny menamena volo daholo ny jerena rehetra noho ny tanamasoandro, dia vao nahita ilay izy ny saiko tonga dia nilamina be nahatsiaro ireo fahiny fony aho tao an-tranon'i Dada sy Mama mitazana eo an-davarangana. Dia iny, nanidina indray ny saiko nanao tamberina. Ny mahatsara ilay izy aloha dia mba ny zavatra tsara matetika no miverina moramora ary indrindra mampifaly saina, fa ny zavatra ratsy dia tsy misy firy. Toe-javatra efa aman-taonany maro io tsaroana io. 

Dia hoy aho hoe : mety hisy ihany ve ny masinina hahavita hampandeha any amin'ny fahiny e ? Asa any aoriana any, fa dia hisy ny higoka ny mamy raha izany tokoa no ho tanteraka. Ny masinina tadiavin-dRaolombelona koa moa dia ahafahany manova ny ankehitriny mihitsyIzaho moa dia mahatsapa izany fontsiny aloha h@ izao @ alalan'ny hira sy ny jery. Mbola manidina kely fontsiny nefa mamy e ...... manonofy tsy mikipy/matory angambany no tena azo ilazàna azy !!! 

Raha ny zavatra mahasosotra indray dia zavatra vao haingana no tsaroana ! Mampiteny irery mihitsy hoe tahaka izay nataoko izao, na novaliako hoe, na ...... Io indray dia misy olona mitovy amiko ary gaga aho fa olona tsy misy ifandraisany amiko mihitsy ny toetrany anefany an, fa sendra tafaresaka izahay indray andro hoe tena mampiteny irery mihitsy ilay izy. Nihevitra mantsy aho hoe sao nivadik'atidoha, hay mpanjo ny olona izany ity tranga ity.

Miasa loatra hoy aho ilay saina, mandeha haingana ny fotoana ka ny taloha no miverimberina ao an-tsaina tiana hiainana maharitra. Matetika ny tokony atao tsy vita mampimenomenona.

Tsetsatsetsa tsy aritra iny ry zareo fa toy ny mangina ny blaogy tato ho ato nefa ny zavatra tiana ho lazaina betsaka. Mbola ho avy i Ketaka fa ny fotoana itendrena masinina no tsy misy ! Soava daholo e !

 

Ho antsika izay manan-janaka sy mahatsiaro ny tany @ tanàna dia ity misy fanaovana azy haingana sady tsy mila mividy lafarina sy atody sy ny sisa, tsy mila mamolavola, tsy manodina masinina : 

 

Pour 4 personnes 

Préparation: 10 min. 

Cuisson: 15 min.

 

Ingrédients :

250 g de nouilles chinoises aux œufs

1 cuillerée à soupe d'huile d'arachide

 

1- Laisser tremper les nouilles dans de l'eau froide 30 minutes, ou jusqu'à ce qu'on peut les détacher les unes des autres. Ensuite, bien les égoutter, les arroser d'une cuillerée à soupe d'huile d'arachide et mélanger.

2- Dans une friteuse, porter sur feu vif 1 litre d'huile d'arachide à 200°C. Y plonger 1/4 des nouilles, laisser frire quelques secondes, jusqu'à ce qu'elles cessent de siffler et de gonfler.

3- A l'aide d'une passoire, retirer immédiatement les nouilles et les laisser égoutter sur du papier absorbant.

4- Terminer la cuisson du reste des nouilles.

5- Dresser les nouilles frites sur un grand plat.  Servir.

 

Remarques :

1. Les nouilles frites peuvent se manger comme amuse-gueule, ou comme accompagnement de n'importe quel plat à la place du riz. Mais le plus souvent on les combine avec un plat sauté, par exemple Crevettes aux petits pois, Boeuf aux oignons, Poulet aux amandes, Calmar aux haricots verts, etc. Dans ce cas, on dispose les nouilles frites sur le pourtour d'un grand plat, et on verse le sauté au milieu du plat.

2. Les nouilles chinoises sont très longues et de ce fait symbolisent la longévité. Il est donc de bon ton de ne pas les couper.

 

Mazotoa homana ô Money mouth

 

Variana aho namaky indray ny lahatsoratr'i Simp  izay ela tsy hita teto niresaka hoe inona no hira nanaitra anao folo taona miakatra lasa izay ? Dia hoe nahita ity hiran'i Tempo Gaigy ity koa aho  : ranomaso efa ritra (raha afaka 10 taona dia mety ho io indray no ho lazaiko anao eto ry Simp), noheveriko ho "Tiko foana ianao " no lohateny t@ voalohany dia io no nahatonga ilay lohatenin'ity lahatsoratro ity satria tiako foana ireo hira taloha nanamarika ny fahatanorako (itako fa tsara na izany ary ny hiran'ireto mpihira ireto rehefa nozohiko tao amin'ny iotoba). 

 

Ny ahy TIAKO FOANA ireo hira tamin'ny andron'ny DISCO ! Tadidiko tsara ny lamaody tamin'izany fa fitafiana telo manao totohotra : pataloha disco, lobaka lava asiana pull na gilet teo amboniny, miaraka @ fandihy disco sy ny volo mitovy @ i Travolta ! Dray dray dray, fatratra tokoa ! Ny hira amin'io anie dia : "ah ah ah ah staying alive, staying alive" ......... tsy ratsy tokoa moa ireny bàn-kira ireny leiretsy e ! Fa ny mpihira tiako indd dia ry Bee Gees kosa aloha e, tena reviko mihitsy ny "How deep is your love, Night fever, More than a woman, You should be dancing, Love so right, sns ", misy ilay iray miaraka amin'i Céline Dion any Immortality " no lohateny tena favy be koa na dia taty aoriana ary no nivoaka. Ny mpihira niara-nivoaka taminy aloha koa tsy ratsy mety ho tsaroanareo angamba ry ABBA (io ilay fahatelo tsy tadidiko ary @ hafatra ho an'i Simp ary) sy ry Boney M ... na ity farany ity koa ary tsy ratsy azony lahateny tao anaty Baiboly kristianina no ankabeazany nataony hira, fa aoka fontsiny koa rehefa mahita ilay rangahy mandihy² fatratra ery, mbola itanareo tsara ny fahaizany tamin'izy nandalo taty Dago ireny fa tena mbola raitra na dia efa nandroso ihany aza ny taonany 60 ! Manaova sport ihany ry zareo a, mba mbola ho reharehan'ny zafikely rehefa 60 ans mandihy² miaraka aminy Cool sao voan'ny "coup de vieux" toa an'i Simp rehefa kelikely ka mahatsiaro ho antitra tampoka teo, tandremo sao miakatra ny tosi-drà an'i toi an Kiss !

 

Asa mety handalo eto i Claudine, Liva, Suzy ary Fenomanana, Francine, Lydia namako niara-nianatra nandihy disco tamiko fony izahay teny amin'ny CEG Nanisana, ilay nianatra nandihy teo an-davarangana ! ............Mety handalo eto koa ary i leiry kely t@ izany dia mety ho tonga saina hoe fantatro daholo ireto ankizy voalaza ireto fa naman'i ..... noho izany fantatro i Kdaombaramita, "La terre tournera sans nous" par Alain Barrière raha tadidinao raha toa ka sendra mandalo eto ianao, tantara izany zalahy e ! ha ha ha !

 

Tiako foana ilay hirako ireny e !!!!!!!! 

LOL LOL LOL LOL LOL LOL !!!!!!!  J'étais dans un lieu public ce matin et tout le monde rigolait en disant : "Allez les bleus " , n'est-ce pas ? Heureusement que je n'ai pas regardé jusqu'à la fin, j'aurais perdu du temps !!!!! Je soutiens le Brésil (j'éspère que ikala Maeva est dans le parrage) ! Préparez vos valises les bleus, vous serez rayés de la liste bientôt ! 

Point final ! iiii haaaan an !

Aleoko mamaky ity lahatsoratra malagasy iray ity fa nanaitra ahy tokoa sady nampihomehy ahy, tandremo ho antsika izay mamaky ity fa mamaky fontsiny hoy aho an  ! Nefa raha misy manaraka moa ilay torohevitra dia mba tantarao eto ny fandehan-javatra tao . Hafa kely loatra mantsy ilay fiteny ny zava-misy amiko malagasy efa tsy nahazatra ahy ny mamaky teny gasy toy izao h@ izay koa dia gaga :" hangovingovitana " hono  ! Sao voapetaky ny anarana ianao rehefa avy eo hoe : iny i NGOVITRA, ha ha ha !  

 

Hay dia ity koa no mahavariana ahy :" fiankinana amin’ny vata fampangatsiahana. Ahazoana fahafinaretana tsara ny fahatsapana ny hatsiaka ao anatiny " , tsy haiko aloha fa rehefa tsapaiko ny ivelan'ny ny frigo ato an-trano dia mafana e ! Asa, ianareo angambany no afaka hanamafy io voasoaratra anaty gazety io, ivelany no voalaza ao.

 

Akoatra izay ilay resaka milina fanasan-damba, LOL, simba eo io fa ! Fa raha tena te-haka ilay faratampony @ fahafinaretana izany angambany dia aleo mividy ilay manodina 1000trs/mn ireny an ! Mihovitrovitra mihitsy amin'izay , ianareo roa fa kosa mila manasa lamba foana ve ? Koa tsy ho loza raha vao mahare ilay milina mandeha ao an-trano, tonga dia miala any ? ha ha ha ! Eritrereto anie anie ity tranga iray ity e, hoe mody i ramatoa avy niasa, i rangahy @ io ao an-trano efa ...  ( "ataoko mamay iny androany !"), indro misy lamba mihodina tampoka, nefa tsy fomban-drangahy ny mba manodina lamba, dia tonga dia kôpy ianao ! Tsy ratsy ! Fomba iray handrisiana ny lehilahy hanampy ny vadiny io, fa ny tambiny no tsy ho laitra, ha ha ha  !

 

Farany mba misy afaka manazava ahy ity toe-javatra ity ve : "... mampitombo ny ambiansy ny fandefasana ny ranon’ny paompy " ? 

 

Mazotoa homana daholo ary e, betsaka ny desera azo hanina ao an-dakozia indrindra @ izao bonne fête papa izao, LOL ! 


fetin'ny reny, arahabaina ianao !Ilay reny nidongiana, nitosiana,

tsy nitsahatra nahavatra nampinono.

Na dia maro adin-tsaina mankarary. 

Teo ianao nanome rotsy, 

nampangina, nanambitamby, nanafosafo. 

Na dia be ireo ditrako izay nataoko,

be koretaka any aho ! 

Ianao tsy nibedy, 

fa azonao avy hatrany 

izay rehetra tao am-poko. 

Anjarako anio,

ny mamoaka teny mamy mankasitraka anao, 

teny tsotra nefa

vokatr'ilay foko kely be fitiavana,

                                                                                                                 " TIAKO IANAO RY NENY ! " 

                                                                                                                        (Kdaombaramita 29 mey 2010)

http://secretebase.free.fr/complots/techno/bluebeam/bluebeam.htm : aleo ho fantatra ihany ny ho fanenjehana mahery vaika atsy ho atsy hatao eran-tany ... 

http://www.chemtrails-france.com/qu_est_ce_que_c_est/index.htm : ahatsiarovako ilay "Enquêtes impossibles" nojereko tamin'ny tv izy ity. Documentaires mampiseho ny enquêtes hafahafa ilay izy ary Pierre Bellemare no mi-animer azy amin'ny chaîne NT1. Ilay izy dia izao :tanàna kely tany USA avy orana, saingy tsy orana no nilatsaka fa "gel", izany hoe il pleuvait du gel !!!! Ka izay nahakasika ilay gel dia marary ! Saika tapitra narary daholo ny olona tao aminin'ilay tanàna kely moa. Ilay orana hafahafa moa dia niverina in-4 (moa izay izay ?) tao anatin'ny 2 herinandro, dia avy teo tsy niverina intsony. Fa araka ny enquêtes dia tsy fantatra mihitsy hoe ahoana marina no nahatonga ilay izy fa ny analyses natao dia nahitana bacteries mahery vaika tao anatin'ilay "gel" !!! Toa manome ny valiny ity chemtrailsa araka ny eritreritro. Sao mba itanareo eny amin'ny lanitr'i Gasikara eny ny toy itony fa mahalasan'eritrritra ! 

 

http://www.lepost.fr/article/2009/04/05/1484121_le-monde-selon-mosanto.html : tsy mbola nojereko ity films ity fa efa itako ny momba ilay Monsanto ato sy ny sites mitantara ny zavatra ataony. Mampivarahontsana ! 

Mazotoa daholo ! 

 

Koban-dravina
Tsy koba intsony no anaran'io fa :
soa ! 
... raha ilay takariva an-tanin'olona iny aho. 
Takariva an-tanin'olona
 
... Any ho any, izay ireo havako, 
manina azy any aho,
Ireo any malalako.
Iza re no hafarako, 
teny fohy hoe : 
"malahelo ka vangio, 
aza ariana lahy, fa mba tsiditsidio !" 
Miova loko izay jereko raha lavitra anareo,
ny alahelo anie
... 
 
(OssY) 
 

FARAN'NY TAONA TAMIN'IZAY ...

 

Tonga ihany ny krismasy 2009. Somebiseby ery ny rehetra niakanjo vao, hamonjy fivavahana. Andro malaza tokoa mantsy izany eo amin’ny malagasy kristianina. I Ketaka koa niakanjo mainjaika ara-damaody, miloko fotsy misy bokotra maity sy fehitratra maity koa, ny bikany koa manifinify rahateo ka nanendrika azy ery izany. Jejo ery ny anao vavy mihodikodina eo anoloan’ny fitaratra rehefa avy nanao lokomena tsy nandoko ireo sisin’ny masony, ravahan'izato volo lava ka dia soa aok’izany. I Fanilo kosa etsy akaikiny faly @ izato akanjo midoroboka miloko mavokely, ny volo voahaingo voninkazo. 

 

- Tsara ve izaho ry i Ketaka ?

 

- Ie, tsara mihitsy sady mahafatifaty kely toy ny zanak’andriana ! 

 

- izaho koa izaho rehefa lehibe hitovy amin’i Ketaka lasa tsara tarehy

 

- f'angaha indry izao moa ratsy tarehy ? ha ha ha 

 

- ohatran’ny somary mitovy amin’i dada ny endriko fa tsy mitovy ny an’i Ketaka ka! 

 

- tsy maninona re izany fa izay no mahazanak’i dada andry e ! Tsy ny endrika ihany no mahaolona fa ny hatsaram-panahy koa. Na tsara tarehy ary i Fanilo ka ilay olona ratsy fanahy be tsy mba tia hantra ireny dia lasa ratsy ho azy. Andraso aho aloha hiantso an’i Harena hiarahaba azy tratry ny krismasy. 

 

Naneno ny finday nefa toa tsy nisy namaly : “Efa lasa any ambanivohitra namonjy fivavahana niaraka amin’ny fianakaviany izy izay”. Nipika sary tamin'ny findainy izy mba ho fiarahabany, hajejoana koa no betsaka, dia nalefany sady nasiany hafatra hoe : "tratry ny krismasy Harenan'ny foko"  

 

- andao amin’izay sao tara fiangonana isika r’ankizy a ! hoy ny reniny nivoaka nytrano namonjy ny vadiny efa tongotra mby an-dakana ao anaty fiara.

 

 

 

 

Afaka herinandro dia higadona tokoa ny faran’ny taona. Roa andro taorian’ny krismasy no nifanao fotoana nihaona tao amin-dry Ketaka ny mpiara-mianatra : Lalaina, Solo, Tiana,ary Harena, izay vao nifankahita indray ireto mpifankatia. 

 

- niantso anao aho tamin’ny krismasy maraina fa tsy namaly ianao, hoy I Ketaka mantsy an’i Harena vao nahita azy,

 

- adinoko ny namahana ny findaiko dia tsy nandeha intsony ny maraina tsy ampy intsony ny tao anaty vaton’aratra. Misaotra @ ilay hafatra, sady nipika maso an'ila azy i Harena nitsiky,  

 

- ka inona no hataonareo amin’ny herintaona ? hoy i Tiana nanontany ny rehetra

 

- Tena mbola tsy haiko izay ho hataoko, efa nangataka hanao stage any amin’ny hopitaly any Fianarantsoa aho fa any koa ts’inona ny ray aman-dreniko, avy  eo aho miverina eto

 

- izaho dia hanohy ny etsy amin’ny hopitaly Andrianavalona fa tiako ilay eny, hary fitaovana ry zareo, hoy i Solo

 

- dia ho tafaraka foana izany isika roa ry i Solo, hoy i Lalaina, milay akiaizany fa mba tsy irery aho.

 

- ny ahy indray raha mba fantatrareo moa ity zavatra nataoko ? Nanao fifaninanana hiditra hanao “hôtesse de l’air” aho, itako hoe tsy sarotra ihany aloha ilay izy fa dia be dia be ny mpifaninana e ! hoy i Ketaka

 

- inona a a ? hoy izy efatra niara-niredona

 

- an an an, mba efa faniriako hatrizay ny hanao io dia nataotaoko tany fontsiny e! ha ha ha ! mba hijereko ny laharako mihoatra amin’ny hafa fontsiny.

 

- nefa koa tsy ratsy fa mahita tany maro no tsara karama an ! hoy i Lalaina 

 

- dia tsy hahita anao eny Ankatso intsony aho izany raha voaray ianao ? hoy i Harena sady lasa saina

 

- ô ry Harena a, tsara ihany tokoa anie io asa io e ! izany hoe tsy misy ifandraisany amin’ny fianarana ataony ankehitriny fontsiny e ! Ny dokotera koa anie efa feno.

 

- tsy dia mirona any loatra aloha ny saiko izao re ! hoy i Ketaka. Fa dia mitohy koa ny ahy eny amin’ny Hopitalin’i Soavinandriana e !

 

- ny ahy indray dia mety hidina kely any Toamasina aho amin’ny janoary io, handeha hijery an’i dadabenay any fa efa ela izahay no tsy nihaona. Efa antitra ihany izy ka aleo manararaotra mba mitsidika azy sady tena tia ahy izy izay. Afaka miaraka aminay sy i Tsiry i Ketaka raha te-handeha.

 

- mino aho fa tsy ho afaka sady tsy hamela ahy hiaraka aminao any an-tany lavitra any koa ny ray aman-dreniko.

 

- eny ary e ! Fa izaho manana fandaharana amin’ny faran’ny taona raha afaka ianareo : dia hisy alin-korana ao an-tranonay any Analamahitsy. Koa dia manasa anareo aho ho tonga, afaka mitondra olona iray avy ! Indreto ny karatra fanasàna, koa dia manantena ny fahatongavanareo namako aho, hoy i Harena

 

- andao ho any daholo e, hoy i Ketaka, raikitra an ?

 

- raikitra ! hoy izy rehetra nanaiky avy hatrany. 

 

 

 

Tonga ny faran’ny taona, somebiseby ery izay olona rehetra hita eny an-dàlana vonona ny handao ilay taona 2009. Indro zatovo 2 mifampitantana eny an-dàlana, toa mandinika azy ireo daholo izay mifanena aminy. 

 

- tiako tsy hifarana intsony ny fotoana toy izao ry i Ketaka

 

- izany ve ? Rahariva ihany anie isika dia hifankahita indray e !

 

- eny e, ka tsy izany anie no tiako ho lazaina e ! Sady norohan’i Harena ny takolany tandrify azy.

 

Tamin’io alina io no nifankahalalan’i Ketaka t@ ireo ray aman-dreniny izay tsapany fa tia azy koa. Rehefa samy avy nifampiarahaba tratry ny taona ny olona rehetra tonga tao @ ity lanonana, dia nandeha nisinda tany amin’ny efitra iray izy roa. Dina sy toky no nifanomezan’izy ireo tany ?

Ho vakianao amin’ny manaraka ny tohin’ny redirediko LOL !

 

Mirary paska sambatra ho anareo ! Mbola hiverina aho fa lasa hanao WE aloha. Ny hafatro dia ity efa ato amin'ny facebook ity :

" Jésus Christ fut crucifié à la croix pour nos pêchés, nous sommes libres d'accepter ce geste pour nous, un geste qui reste valable même pour nos agissements actuels "

Manaova fety tsara daholo.

Bisoux

 

 

Nirina

mirehitra ny tél an'i tsiry ?

11:34Tsiry

voaraiko lé sms

 

nenà ty mande 24h/24 ka!

11:35Nirina

dray ! 24/24 ? sao dé ... e ?

11:35Tsiry

sao dé in?

11:35Nirina

efa adala e ? iza no iantso alina eo ?

:)

11:36Tsiry

:D ka ndr1ndr1 refa misy pangalatra miaodiaody ao an tokotany dé mi-bipanay ry Hery

11:36Nirina

de ahn no ataonareo ?

11:38Tsiry

an an an mteny amin dry tonton sy ry Bera fotsiny dérzareo no mjery ka!

za ve ijery eo ts ho torana? ahahahaha

11:39Nirina

ary ra mirongo fiadiana ?

le mpangalatra ?

11:41Tsiry

ie ndray mande iry tao nisy efa ho 4 dahy nitondrakalach miits

dé taitra lé panofa tranon dry zareo ao atsinana dénanapoaka basy

dé lasa rzareo ntsoka

dé bar tary ambanin Rasalama tary ndray no notafiany

11:41Nirina

kôzy ve ?

11:42Tsiry

ie

11:42Nirina

mampatahotra be aty izany !

notafihiny tamin'ny basy ve ?

11:42Tsiry

ie

11:42Nirina

ahn no ataony @ zany?

mamono olona mits ve ry zareo refa mitifitra ?

11:43Tsiry

ie

refa manakatsakana azy dé vonoiny

dé ny itako ndray mande zay kou

teo am tam 23h teo ho eo

naheno olona mirodorodo be za dé nijery teoambaravarakely

dé nahita efa ho 8 lahy mitondra basy ny sasany démitondra sabatra ny sasany

nidiko aingana ny rideau

:D

11:46Nirina

:(

ratsy be izany klé !

11:47Tsiry

ie dé vo maika amzaocrise zao!!!

dray dray dray, ts azo laizina

11:47Nirina

nde ikarakara sakafo za aloha.

11:48Tsiry

ok ary e!

:D

11:48Nirina

izaho ary efa nahita mpangalatranitady ny tao anaty caisse tao amin'ny magazin in1 andro tany France, niarakaamin'ny basy izy 2 lahy ! tena tsss !

lasa adala ilaycaissière

nipararetra

11:49Tsiry

ka na ny polisy sy ny miaramila aza anie dé miraytsikombakomba am dry zareo e!

na mahita olona manendaka aza rzareo dé jereny fotsiny

11:50Nirina

ie, zay ilay tgv e ! mahatonga ny miaramilampangalatra daholo

ny mpitandro ny filaminana tsy misy lanjany tsony

11:51Tsiry

IE TENA ZAY MIITS

 

 

Amiko io andro io dia milaza zavatra lehibe foana, satria ny andron'ny fitsingerenan'ny andro nahaterahako, tamin'ny 3 ora maraina hono aho no tena teraka nefa dia ny 28 mars no voapetraka tany satria andro alina ilay izy dia tsy nisy nanampo ny ora Cool Angaha tsy nitombo ranon'orana indray ity izaho hoy ianao !!!

Ary indrinda fitsingerenan'ny andro nisian'ny vonoan'olona tao Madagasikara, olona nitady ny fahafahan'ilay tanindrazako tao Moramanga ! 

Ankehitriny anefa dia toa mbola mifikitra foana ilay firenena France mitady ny harenan'io fireneko io. Ary ny tena loza aza dia tsy miraharaha ny fahorian'ny hafa na misy vonoan'olona mahatsiravina aza ny vokatra ataony, nefa dia hoe mandala ny "droit de l'homme" hono ! Ny tena mampivanaka ny saiko dia ireo olona mpiray tanindrazana amiko ampiasainy satria matin'ny vola ka manao tsinontsinona ny hafa sy ny tanindrazany. Aza adino fa taratasy fontsiny ianao no vazaha fa ianao maity foana aminy na dia mitovy hevitra aminy aza, ilay antsoiny ary ambadika ary hoe "nègre" ! Ary ny fotsy mahay manao politika fa ianao "nègre" dia mitovy lanja @ alikany fontsiny, rehefa tsy mahavita azy aoriana ao dia atsipiny toy ny lamba malotony !

Koa dia mieritrereta fa matoa ianao tsy mbola maty dia mbola mandàla ilay "fihavanana" ramalagasy, miezaka ny handamina manitsy anao, fa raha izao no mbola tsy tonga saina ianao dia mety ho ny tamin'ny 1960 no hiverina hahatonga saina anao sy ny fianakavianao izay ho voaripaka !

Eritreritra lalina mandalo !!!!!  

Izao ary no asa nalaiko tamin'ny "mon nouveau chéri" tato !!!! Sady faly koa aho fa nahazo ilay lasitra vita gasy. Efa ela no naniriako ny hanana fa saingy ny mpitondra no tsy nisy. Vao tonga ary izy tato dia nosantariko tamin'ny ramanonaka midonaka ! Efa ela tokoa no tsy nohanina izany koa dia ampifaliana no nanaovako azy, sady tsy sarotra. Misaotra ilay olona nitondra sy ny mpandefa aho fa tena mahomby ny fiaraha-miasa, LOL ! Jereo ity hatsarany anie e ! Mmmm, tenda-kanina be aho amin'izao ! 

Ny hanampiako azy dia hoe : "manasa hihinana ô" Money mouth Tsaroako daholo ianareo eto ampijerena ity fa fantatro fa milendalenda daholo ! Hi hi hi ! Jereo eto ambany anie ny ramanonaka vao maraina e : tsy misy atakaloko izao ! Tsy mamely ny croissant anareo sy ny pain aux raisins sy ny viennoiseries rehetra ireny e ! Gasy ihany ho aho ny anay malagasy araka ny hiran'i Bouboul ! MIAM ! Tandremo sao misy tezitra eo an Tongue out

 

Ny nataoko manaraka izao dia mokary, ....................... mmmmmmmmmm ela no tsy nihinanako izany !!!!! Laughing

NB : Raha misy te-hihinana toa ahy dia taper-o ao amin'ny youtube ny anarana mofo gasy rehetra tianareo, hatramin'ny koban-draviana ao daholo, fa ho gaga Surprised ianareo hahita ilay olona manao azy ao Laughing sady tsy sarotra ny manao azy.

MAZOTOA DAHOLO Ô ! 

Holà, je suis une femme amoureuse en ce moment. En fait, je l'ai été mais plus encore aujourd'hui Kiss ! Enfin, vous vous rappelez de mon billet intitulé : " Je cherche un nouveau petit chéri " ? Eh ben, je l'ai vraiment trouvé. Il n'est pas seulement un petit chéri mais un véritable petit bijoux ! Ha ha ha !  Il est sophistiqué, il est très sensible (qualité que cherchent certaines femmes), très distrayant et me comble de bonheur, et surtout qui me fait dormir très tard parfois quand "il s'occupe" de moi Embarassed Hummm, c'est un véritable petit malin aussi car il sait même accaparer le coeur de mon mari et le rend insensible à la jalousie, il arrive même que celui-ci soit son invité d'honneur ! Ha la la, quelle pagaille il sème à la maison là ! Tout le monde est attiré par son comportement instinctif et en plus il est franchement beau. Il a un grand demi-frère aîné qui lui ressemble un peu, un fils de "Ramaka", mais pour moi, le proverbe malgache peut expliquer cela : " Ny soa fianatra mahavokatra" ! Quel rapport ? Ce frère est élégant (c'est peut-être la mode sûrement !), très beau aussi et son look fait tabac partout, il fait l'intéressant et a un caractère particulier à couper le souffle : trop dépensier !!! Bon, pas de "be kabary", je vais vous montrer la photo de mon chéri. Une remarque : il n'est pas encore allé au marché, mais ça ne va pas tarder, tout le monde en parlera quand il le touchera j'éspère. Ne vous etonnez pas s'il sort déjà avec moi, je suis parmi ses 100 premiers favoris et j'en suis fière ! COUCOU, il est là ! Vous n'avez qu'à taper son prénom sur internet et vous ferez mieux sa connaissance Cool

 (VALIO hoy ilay ranamana iray izay, i i i i i i HAN !)

 

Atolotra ho antsika androany 8 mars ity hira ity ho fankasitrahana antsika.

 

 

 DAME,

Dame, je suis ton chevalier dans une brillante armure et je t’aime
Tu as fait de moi ce que je suis et je suis tien
Mon amour, il y a tant de façons par lesquelles j’aimerais te dire « je t’aime »
Laisse-moi te serrer dans mes bras pour toujours
 
Tu as fait de moi un tel idiot
Je suis si perdu dans ton amour
Et oh, nous sommes faits pour être ensemble
Ne croiras-tu pas en ma chanson?
 
Dame, pendant tant d’années, j’ai cru que jamais je ne te trouverais
Tu es venue dans ma vie et m’as rendu entier
Laisse-moi pour toujours me réveiller et te voir à mes côtés chaque matin
Laisse-moi t’entendre me murmurer doucement à l’oreille
 
Dans mes yeux, il n’y a personne d’autre que toi
Il n’y a pas d’autre amour comme notre amour
Et oui, oh oui je te voudrais toujours près de moi
Je t’ai tellement attendue
 
Dame, ton amour est le seul dont j’ai besoin
Et à côté de moi, c’est là où je veux que tu sois
Parce que mon amour, il y a quelque chose que je veux que tu saches
Tu es l’amour de ma vie

 

 

 

Bonne journée e ! 

Mahatsikaiky ahy ity notantarain'ny namako ahy ity fahiny fa mbola tonga ato an-tsaiko foana ilay izy matetika. Mety hahatsiaro ahy izy raha mandalo eto mahita ity. Izao ary ilay izy.

Nisy bandy namany izay hono nanana sipa. Taty aoriana dia tsy te-hiaraka taminy intsony ilay sipa io, nefa leiry mbola tara be mihitsy. Dia nitalaholaho teny ny bandy mba hijanonan'ilay sipa hiaraka aminy : 

- Inona no tianao ataoko na omeko anao mba tsy hisarahantsika ary e ?

Namaly an'avona i rakalakely nahita lazaina tampoka, zavatra tsy azo eritreretina ny navaliny azy :

- Volamena iray gony !

Sadaikatra ihany leiry satria valin-teny tsy azo tanterahina mihitsy ity nomena azy, koa dia any heriny mba ho fara-doboka nataony dia namaly izy hoe :

- Raha mba soloina fasika ve ilay atao anatiny tsy mety ?

Ilay namako io nitsikanikany nitantara ahy ilay izy t@ izany, fa rehefa nodinihiko ilay izy dia tena nampihomehy tokoa Laughing ! Ataoko fa nilaozan'olon-tiana ihany ilay bandy no niafarany raha izany.Cry

Angano angano, arira arira, fa zava-nisy io ! 

 

Misaotra anareo aho fa nandrombaka ny "PRIX SHOAN" (coup de coeur public '09). Raha vao nanokatra mail vao maraina dia ity no hafatra tonga tao : 

Ce matin, j'ai reçu ce courriel : 

 

Félicitations vous êtes officiellement le Best of Malagasy Blogs dans la Catégorie Coup de Coeur (prix Shoan). Le jury a largement sélectionné votre blog pour la qualité de la rédaction et l’engagement de l’auteur. Nous vous encourageons à poursuivre votre excellent travail et remercions vos lecteurs pour leur soutien. Des informations concernant les prix (très modestes!) vous seront acheminés d’ici peu. 
Bon BOMBS!
Au sujet du Prix Shoan : http://www.bestofmalagasyblogs.com/prix-coup-de-coeur-prix-shoan/ 
 
 

Mankasitrana anareo sy ny hafatra ary ny fifaneraserana aminareo aho na dia tsy mifankahafantatra ary isika. Amin'ny mahasamy malagasy antsika no ifandraisana ary tohizantsika amim-pifanajana ny tsirairay izany. Fifaliana, teny tsotra, eritreritra mandalo, fahatsiarovana, fifampitantarana fiainana no eto koa dia malalaka ny sehatra ho antsika tia fihavanana, fifandraisana. Tohizantsika ny mahamalagasy antsika na dia eran'ny vazan-tany ary ny tsirairay. 

Mahazo toraka bà kely daholo izay mandalo eto any ho any Kiss 

 

Je vous suis reconnaissante d'avoir voté pour moi, de vos passages et de nos échanges sur mon blog même si on ne se connaît pas personnellement. Continuons de partager la joie, la vie, des petits mots simples, des souvenirs, des pensées en flash et cela dans le respect de chacun. Certains sont loin de la terre de nos ancêtres, mais les blogs (entre autres) sont là pour nous rappeler le "Fihavanana" (lien d'amitié) notre coutume précieuse malgache  Cool 

Biz à tout le monde.

 

KDAOMBARAMITA

teraka mba hahantra izy itony Hevitro irery ity, nefa mety hisy hitovy hevitra amiko ka mametraka fanontaniana koa. Isan’ny kaontinanta lehibe indrindra ny misy afrikana. Afrika izay misy ny isan’olona mahantra be indrindra @ lafiny rehetra eto amin’ny gilaoby koa. Maity hoditra ny ankamaroany. 

Eny mahantra ny tany misy ny afrikana. Tsy nivoatra ve ilay toe-tsaina fahiny, sa dia voazanaka daholo ny olona tao ka zatra nentina fa tsy mba nitarika ? Na misy ary ny mpitarika dia mivilana ny fitondrany azy, misy ilay maka be foana ho azy manokana ao aoriany ao ary mampiasa herisetra tsy hay tohaina. Marina fa ny fanjanahan-tany dia halatra tanin’olona no dikany, nefa azo lazaina fa nitondra zava-tsoa ihany izy io toy : ny fahadiovana, ny fomba fiasa, ny teknolojia. Nanandevo izy ireny fa nampivoatra ny toerana nisy azy koa : nanamboatra tanàna, nampianatra nikojakoja, sns. Fa injay nony lasa izy ireny ka mba nitondra ireto tompon-tany fa e e e, tsy tafavoaka e : potika daholo izay efa mba voavoatra tsara. Azoko an-tsaina aloha hoe tsy fitiavana ilay mpanjanaka no nanapotehina izany, nefa adalàna ihany koa satria mijanona hoan’ny tompon-tany izay navelany teo ! 

Ny mahagaga dia tsy ny ao Afrika ihany no milalotra ny fandrosoana, fa saika ireo tany misy olona maity hoditra rehetra dia saika toy izany avokoa. Tsy zarizary ny fari-piainana, tsy mba nahay naka tahaka ireo “mazava” amin’ny teknolojia sy ny foto-pisainana ! Lafo be ilay teknolojia, ka na lafo ary dia nahay nampiroborobo ny misy teo amin’ny taniny ireny olona ireny vao nahazo vola koa, naninona ary no tsy mba nanao izany ny afrikana ? Na atao ary hoe mba lasa mpangala-tahaka tsotra izao toy ny ataon’ireo kely maso ireo. Toa mifamono no tena hainy, ny mifanenjika @ basy sy ny lefona ! Marihiko fa misy ireo tany izay ao Afrika mandroso tokoa, toa an’i Algerie, Maroc, Egypte, sns … izany hoe ireo izay ao Afrika avaratra. Misy solika ireo hoy isika, nefa tsy ny solika ihany no mety mampanan-karena fa ny fahaizana mamolavola ny harena misy eo aminy koa. Ohatra koa ny fambolena, ny any Europe ny mamboly sy miompy no foto-piveloman’ny olona any, ny oram-panala anefa mamely saika mandritra ny taona. 

Moa ve ny toe-tany no tsy mahatonga ny olona hiasa tsara ? TSIA ! Tsy itako izay ifandraisany afatsy ny hakamoana satria mampatoritory fotsiny ny hafanana ! Moa ve ny lokon’ny hoditra no mety mahatonga izany ? MAIZINA hoy ny samy maizina aty an-dafy !!! Mety ho izay angambany ilay antony : pepo ny saina, maty lolo dia hoe tsy mety hahavita ny vitan’ny mazava mihitsy ve ? Nefa maninona ireo maizina aty ivelany no misy betsaka matsilo saina sy lasa lavitra noho ireo mazava aty ? Misy koa moa izy ireny rehefa lasa matsilo saina mandao ny taniny. Dia mifandripaka ao ny sisa, mifamono fa tsy mba mifanavotra ! Samy tia kely ary ny mpitondra dia mampiasa tsy ara-drariny toy ny mpanjanatany ! Maizina e ! Manginy fontsiny rehefa tsy miady an-trano dia tonga ny loza voajanahary, toy izao mahazo an’i Haïti izao ! Toa tsy ho tafakatra mihitsy rehefa dinihina e ! Ny an’i Madagasikara moa dia ny rivo-doza no tena mpahazo azy, misy faritra avaratra iny no tena voa matetika nefa soa fa tsy nampalavo ny voly vanila  izany.   

Ka hoy aho hoe : tsy fitiavana ny hivoatra ve, sa tsy ampy teknolojia (io aloha marina), sa tsy be harena ankibon’ny tany na karakaina loatra ilay toerana, sa ahoana ? Ny tena itako miharihary aloha dia sady efa mahantra matin-kanohanana ny maity amin’ny taniny no sady mbola mifandripaka toy ny valala an-karona. Tena tsy haiko hoe nisy inona ary no niseho tany aloha tany, raha tsy hoe ozona angaha ! Amiko, ny fambolena sy ny fiompiana dia mety hahatafita tsara ireny tany ireny raha mahay mampiasa ny teknolojia avy aty ivelany satria tsy nandroso ilay nentin-drazana h@ izay, manginy fontsiny ny harena an-kibon’ny tany. Fa ny tena fototra iaingany dia ny FOTO-PISAINANA no mila amboarina. Mbola ho avy ve ilay maraina ho an’ny taranaka any aoriana sa voaozona hahantra mandrakizay ireo maity @ taniny ?  

Farany asa raha efa itanareo ireto horonan-tsarimihetsika ireto fa ahitana ilay toe-tsaina maizina : Seigneur de la guerre (“Lord of war”) sy Blood diamond. Mila matanja-tsaina mijery azy, ao ilay foto-pisainana maizina !

Mba nifoha maraina aho, nikarakara sakafo alohan'ny handehanana. Natokona ny laoka, ary natao anaty 'cocotte minute' mba halemy. Teo ampiandrasana izany dia nijery blaogy aloha ! Kinanjo variana teo ! Tsy tsaroako hoe naharitra no nijanonako teo, ka nony nandeha hijery ilay laoka aho dia SETROKA BE NO TAO AN-DAKOZIA !!!!! Ny olana dia io no mety hatao laoka farany tao anaty frigo ry reto a, izany hoe voatery hiantsena aho izany anio ! Nefa rehefa miantsena raha zavatra kely no kasaina ho vidiana, atsasaky ny caddie no mivoaka ao ! Loza be faharoa ! 

'Ty blaogy-blaogy ity kay ahitan-doza ... Sealed aleo asiana fisainana fa tssss ! Sosotra aho izany, aleo tsy aseho an-drangahy aloha fa asa fontsiny !

Misy fanontaniana faharoa izay nanitikitika ny saiko efa ho 3 andro izay : fotoana maro no laniantsika eto ary misy ary ireo tahiry izay irina tsy ho lefy dia apetraka eto toy ny manao diary. Rahatrizay, mety ho foana ve ity blaogy ity ? Amiko mantsy mety ho jereko rahatrizay izy ity ahatsiarovako ny hatanorako sy ny nataoko fahiny. Ka raha afaka 20 taona, mety mbola ho eto ve izy ity sa ho lefin'ny teknôlôjia vaovao ka ho foana izay voasoratra eto ? Asa ! 

Tiako ity hira ity, ankafizo anie e, 
 
 
 ......... tsara, mandrevirevy mihitsy aho mihaino ilay gitara !
 
undefined 

 

- Aiza izy teo ?

- Hi hi hi, lasa niakatra any ambony any !

- any ambony any ?

– ie, itako niakatra ny tohotra teo ko !

- Hi hi hi, mihinan’ny fatiny ny any ambony any izany, sady nitokiky izahay !

 

Feo : PAN !VLAN ! BADABOUM ! KDAOMBARAMITA ! KDOAMBITA ! ............ velona ny vely kibay any ambony !

 

- Hay fa inona koa ary izany ! sady manoaka io aho mahare fanaka mikisakisaka sy tongotra mihazakazaka @ 3 ora maraina !

- izay ilay voalavo fa tratra ! hoy ny feo teo akaikiko

- grrrrrrrr ! ha ha ha !!!! Money mouth

 

 

Hafa indray ity :

- hay, taitra be aho fa nifanena tamina voalavo tao an-tohotra

- ie izaho koa mpifanena aminy rehefa maraina be iny izy midina avy any ambony any

- toa ilay vary amin’ny gony anie no handehanany ao e !

- ie, itako ireny kiloadoaka amin’ny gony ireny fa efa rovitra ilay izy

- dia angambany izy matory ao amin’ny lamba ao koa rehefa avy eo dia iny mody maraina iny ! ha ha ha !

- sady rehefa harivariva manidy trano iny aho no mifanena aminy, mba samy mitsamboatra izahay rehefa mifanena ao an-tohotra fa angaha tsy mampihomehy !

- tandremo ny manopa azy ireny anie fa tena manimba zavatra be mihitsy rehefa opaina hono!

- aiza koa, tena mba minomino foana tokoa ianareo izany koa ! Voalavo ve hahalala izay voalazan’olombelona e !

- eny ary fa ataovy koa.

- “R'ilay  voalavo alika maty tsy vanona ity a, matesa faingana” Cool…. Ho hita eo anie rahampitso ary e !

Maraina ny andro, naka akanjo aho ho pasohana :

- andray Surprised, tena rovidrovitra daholo ireto akanjo r’itony e !

- aiza ? ……….. io ary ilay nanopa voalavo omaly ! efa nolazaiko fa be kizitina, izao no vokany ! Undecided

Dia hoy aho hoe handeha hijery ny blaogy sao mba misy hafatra, na rehefa tsy misy dia aleo mametraka bonne année ho anareo tsirairay na tsy hisy valiny ary fa maimai-poana.

 

Tamin’ity indray alina ity dia nahafinaritra ahy ny fety. Tetsy andaniny moa dia ny sakafo no tsara ary rehefa nataoko ny kaonty dia toy ny tena mihoatra ny vola naloako ny sakafo naroso, fitiavana izany hoy aho. Tetsy ankilany kosa dia nanaitra maso ireo hazavàna sy ny firefodrefotry ny afomanga isaky ny tendrombohitra misy tanàna maro no nanaitra ny maso, ary ny oroka sy ny firariantsoa samy hafa nomen'ny rehetra nony tonga ny taona vaovao. Manampoka izany ny hira sy ny dihy fa samy mpianakavy moa no tafahaona koa dia ny masoandro "mihiratra" no mampalahelo, na ny marina dia ny havizanana no nandroaka nody fa raha ny sitraky ny fo dia ny hijanona no tao an-doha, eo koa ireo ankizy efa reraky ny nilalao ka aleo ny làlana mody no nasiana olona. Ny taona vao ? Ny ampitso no hilaza azy ka anararaotako eto ny hanome tsodrano ho anareo rehetra mba ho tsara ny ho avy @ ity taona ity.

 

Fa talohan’ny nandehanako dia nisy film  "Au commencement” mitantara ny tao anaty Baiboly nanaitra ahy nojereko, asa raha fantatrareo ny tantaran’ny mpirahalahy Esaü zokiny sy i Jacob zandriny. Nangalatra fizokiana i Jacob. Izany hoe : nialona ilay zandriny fa toa nanana préférence tamin’ny zokiny ilay rainy, normale satria zokiny i Esaü. Rehefa narary be ity rainy ka efa jamba dia niantso an’ity zokiny fa hanome tsodrano azy. Nefa talohan’izany dia nirahiny hihaza ilay zokiny. Teo no nampiavaka ilay tantara : nahafantatra izany ity reniny koa dia nanome hevitra an’i Jacob haingana mba handrombaka ilay tsodrano ho azy fa tsy ho an’ilay zokiny, ka naniraka ity zanany lahy faharoa mba haka ilay biby ao an-tokotany mody hatao hoe io ilay haza, ary dia ni-déguiser azy ho toy ny zokiny. Nandaitra tokoa ny hevitr’ity reniny, ka lasan’i Jacob ilay tsodrano. Nony tonga ilay tena zokiny niaraka tamin’ny haza vao tonga saina fa nomen’ilay rainy an’ilay zandriny ireo teny mamy tokony ho azy !!!!!!! Hasosorana moa ny azy izany, satria niteny ity rainy fa efa lasan’i Jacob ilay tsodrano ary tsy mety haverina intsony na annuler-na ! Ilay iraika lahy amin’izany dia nampadosirin'ny reniny lavitra haingana avy eo natahotra ny valifatin'ny rahalahiny.

 

Eny hoy aho, hoy ny fomba Malagasy “ny tso-drano zava-mahery” !  Tsaroana tokoa rehefa misy kabary (fanambadiana, hasoavana, … sns) dia voateny foana io teny io. Mahazo daholo na ny kely na ny lehibe. Vao kely  dia efa mahazo daholo avy amin’ny ray aman-dreny. Hay izy ireny tsy mety annuler-na intsony izany raha araka ny baiboly. Eto aho dia mahatsiaro ireto zanako aho hoe aleo omena tsodrano hatrany, tsy hialam-bola no sady maro an’isa ! Fa izao kosa aloha e, nony nojerena ny tantaran’i Jacob taty aoriana dia toy ny nanody azy ny nataony satria na teo ary ilay tsodrano azony dia tratran’ny "tournant" ihany leiry (vakio Genesisy 29:14). Taty aoriana izy dia voafitaka tokoa ary nahatsiaro ny ratsy nataony, tapaka ny tsinaiko t@ ilay tantara. Fa zava-mahery ilay tsodrano satria misy fiantraikany eo amin'ny fiainanana tokoa ilay izy, hita ny fahatanterahan'izany aty aoriana.

 

Ka aleo ry zareo dia tsy hiloaka zavatra tsy mety ny vava fa sao ahitana angano ho an’ny ho avin’olona sy ny taranany. Matetika mantsy rehefa sendra voan’ny olona dia manopaopa mihitsy, nefa mpanjo ny rehetra ny tezitra fa aleoko “tsy manozona” ! Raha  toa moa efa misy ozona voateny dia ny mi-annuler ilay ozona eo anoloan’Andriamanitra no tena mandaitra. Tsy afaka manova ilay olona niteny raha araka ny tantara, fa kosa ny tsy hain’olombelona hain’iza moa ho ny teny ?

 

Ho famaranako azy dia mirary anareo taona vaovao feno fahasambarana aho :

- tsy ho ao anatin’ny olana ara-bola fa na misy ary izany dia mba irariako manokana ny isian’ny vahaolana aingana na amin’ity janvier iny ary,

- ny tsy salama moa irariako ny hahatanjahany aingana,

- ny tsy an’asa kosa dia hahita asa tsy ho ela,

- ny malahelo hahita fahafaliana hamenoana ny banga,

- ny ory hahita fitoniampo,

ny mpianatra ahavita soa aman-tsara ny fianarany ka ho tafita amin'ny ambony indrindra, ho tonga olo-manga feno fahamarinana,

- ary indrindra ny tena firariantsoa vokatry ny foko dia ny ahitan’ny Malagasy masoandro mihiratra indray eo amin’ny fiainana andavan’andro. Hifanatitra sy hifanaja ny lehibe sy ny tanora ao anatin'ilay nosintsika.

 

Aza manana ahiahy ianareo fa araka ilay tantara eo ambony dia ny ratsy atao loza mihantona, ny tany no tsy asian-dratsy ny lalao mbola ho ela. Ary Andriamanitra tsy andrin’ny hafa andrintsika ihany, sa ahoana ?  

 

AOKA ALOHA

 Alahady maraina tamin’izay. Raha mbola teo ampihomanana handeha hivavaka i Ketaka, dia naneno ny finday :

- allô ?

- manahoana i Ketaka ? I Harena ihany ity.

- Hay, manahoana ianao. Tsy mbola hariva anie ny andro e ! hoy i Ketaka nananihany. Sa misy fiovam-potoana ?

- an an an, mba te-hahazo vaovao vao maraina avy aminao aho. Tsy dia nahita tory loatra aho alina nieritreritra anao, tsara tarehy anie ianao ity e !

- hayyyy, ianao koa dia manatsafa loatra, toy ny rehetra ihany aho re ! Miala tsiny fa tsy afaka ny hitafa ela aminao aho fa efa miandry ahy ny ato an-trano fa handeha hivavaka izahay.

- eny ary e, rahariva an ! tsy andriko ery izany hiara-hitsangatsangana aminao izany. Veloma I Ketaka.

. . . . . . 

Injay nisy nandondona tao ambaravarana, reniny no namoha :

- manahoana tompoko, ao ve i Ketaka izay ?

- Iza moa ianao raha tsy mahadiso ? Izaho no reniny

- I Harena tompoko.

- Hay, ilay hiaraka aminy ho eny Ivato ? Andraso fa antsoiko izy, mandrosoa ianao dia mipetrapetraha ary aloha.  

- efa ity aho ry mama. Izy no Harena iray kilasy aminay, ary izy no ray aman-dreniko.

- faly mahafantatra, hoy rainy, fa aiza ianao no mipetraka ?

- Any Analamahitsy tompoko, fa ny raibeko no mipetraka efa elabe etsy Andravoahangy ambony eo akaikin’i “Tsiro”, ilay trano biriky menamena. Dia any aho no mody mandritra ny herinandro rehefa fotoam-pianarana

- Hay ? Sao ingahy Rabesata no anarany ?

- izy indrindra.

- hay zafikeliny ise e ! ise ve izany zanak’i Voahangy vavitokany e ? Mpiara-milalao aminay izy iny fahiny, hoy rainy.

- Voahangy tokoa no anaran’ny reniko. Hay mifankahalala ianareo ?

- ie, nisy fotoana izahay mpiray tanàna teto no niara-nilalao dia rehefa harivariva mandeha mividy gilasy ery amin’ny “Fleur de neige” ery Ampandrana. Nahafinaritra tokoa I Voahangy fa tia namana sy sariaka.

- dada, mila mandeha izahay fa tokony ho tonga eny Ivato amin’ny 3 ora.

- eny ary e, aza alim-pody loatra ihany na izany ary. Mitandrema tsara amin’ny fifamoivoizana fa be ny olona @ izao krismasy efa manakaiky izao.

- eny tompoko, aza matahotra ianareo.

Dia lasa nandray fiara ireto tanora. 

- hay, tsy nampoiziko indray iny hoe mifankahalala ny ray aman-drenintsika, hoy i Harena. Misy ho tantaraina amin’ny neny iny an !

- izaho koa mba gaga !  

- natory tsara ve ianao tamin’ny alina ry Ketaka ?

- ie, natory tsara aho ka, hoy razazavavy nanafina ny fahafaliam-pony sy ny fanontaniana niboiboika tao an-tratrany saika tsy nahandrasany ilay fotoana.

- izaho tsy natory firy anefa nieritreritra anao, hoy ny valiny sady nitsiky nangalam-pijery azy. Saika hiantso t@ finday mihitsy aho saingy efa tara loatra!

Dia nitohy resaka fianarana ny namenoana ny dia, ary betsaka tokoa ireo hevitra nifandraisany. Samy miomana ho mpitsabo moa izy ireo koa  dia tsy nahagaga raha nahita resahina ny momba izany.

. . . . . . 

Nony efa tafainga ny fiaramanidina dia nandeha nisotro zava-pisotro izy roa :

- misy olona miaraka aminao ve izao ry Ketaka ? sao dia misy mahita ka sao ahitàna angano

- tsia re ry i Harena a, ianao no asa, sao dia lazain’ny olona fa miaraka isika.

- maninonamoa raha lazaina ary fa miaraka isika ? tsy mampaninona ahy aloha e !  Fa tsy manana sipa izany aho ka. Vao mitady, hoy izy nibanjina azy.

Niondrika i Ketaka nahare izany, nidoboka ity fony no somary menatra izy.

- Ketaka, menatra angaha ianao ?

Tsiky no nasetrin’i Ketaka izany, sady nangovitra ny tanany.

- mbola tsy fantatrao ihany ve ry Ketaka fa . . . misy olona miaraka amiko izao ?

- Hay ? ka sao dia ahitan-doza ary fa aleo tsy be mpahita toy izao e ! Na ireo namanao teo azy toa nanontany maso anao daholo nahita ahy koa !

- Ketaka, tsy mampaninona izany. Sady noraisiny ny tanan’i Ketaka no notazoniny. Misy olona miaraka amiko eto akaikiko izao. Sady efa ela no nandinihiko azy, fa izao aho vao afaka miresaka malalaka aminy. Fantatrao ve hoe iza izany e ?

- eny e, izaho irery no eto akaikinao izao, hoy ikala nihomehy. Izaho anie tsy mbola mahay tsara ny momba anao e. Mpiray kilasy isika no niara-nijery sinemà omaly dia izay.

- Ketaka a, mbola tsy dia hariva loatra ny andro fa raha tianao dia afaka ny mandehandeha miresaka ery amoron-dranon’Ambohibao isika na folo minitra fontsiny ary.

- . . . . 'ndao ary e, hoy i Ketaka somary nihaotratraotra ihany, nefa nanaiky nony nieritreritrafa mifankahalala ny ray aman-dreniny.

Afaka 15 minitra dia tonga teny amoron-drano izy roa, betsaka ihany ireo olona no mbola manararaotra ny harivariva manjono sy mbola tsy maika ny hody.

- Ketaka, efa fantatrao ny anabaviko. Akoatra izay dia efa niaraka tamin-javavavy izay aho teo aloha, eny e, raha azo lazaina ary hoe niaraka izahay satria tsy naharitra akory ny fiarahanay. Tokony ho 1 volana teo dia niaraka tamin’olon-kafa izy, ary nilaza tamiko ny marina. Izaho koa moa tsy dia niraika loatra taminy ny fitiavako ka tsy nampaninona ahy.

- fa rehefa ahoana dia miraika ny fitiavanao ry Harena ? ary manao ahoana izany ?

- Ketaka, misy zavatra mampanintona ahy aminao, sady nanakaiky ny tarehiny izy, efa ela no naniriako ny ho eo anilanao toy izao. Tsy tsapanao ve izany e ? Ketaka a . . . . . . 

Nanoroka azy moramora teo amin’ny molony izy, toa nanaiky norohany koa i Ketaka, ary dia hoy ny eritreriny hoe : “miaraka izahay”. Naharitra segondra vitsivitsy izany ka raha tsy voadona ilay fandefasana kapila mangirana nandefa ilay hira hoe : “Endless love” no nampisaraka moramora azy ireo.

 

Nitokelaka izy roa, hoy i Harena :

- misy ahatsiarovana izao fotoana izao izany hira izany.  

- Harena, tsy mbola niaraka tamina tovolahy izany aho.

- matokia ahy ianao fa tiako ny manaja olona

Nifamihina indray izy roa, toy ny vetivety, nefa ny andro efa nanomboka ho maizina.

- andao isika hody fa efa miandry izay i dada sy i mama.

- eny ary e.

Nizotra moramora namakivaky ny vahilava, nihazo an’Ambohimanarina sy Ankazomanga. Faly ery ny maso nijery itony jiro miloko maro manaingo ny sisin’arabe sy eran’ny mpivarotra. Efa akaiky ny krismasy tamin’izay.

- Ketaka, matoky izay voalazako ve ianao e ?

- eny, matoky aho, hoy izy nitsiky malefaka, nifandray indray ireo tànana tao anaty fiara. Fa izao : ny fiaranarako dia tsy ho ataoko ambanin-javatra na dia eo ary ny fiarahantsika, tiako ho tafavoaka ho dokotera aho ry Harena, izay no kinendriko eo amin’ny ho aviko.

- ho avintsika izany ry Ketaka. Izaho koa te-hamita ny fianarako. Aza manana ahiahy ianao fa tsy hanakana ny dianao aho akory. Vao maika ary ho tafara-dia isika satria mitovy ny atao, iza mahita any aoriana any !

Tonga sahady teo Mahavoky ny fiara.

- Ianao izany hody any Analamahitsy izao ?

- ie, tsy maintsy mody any aho fa mbola any ny fitaovako sy ny fitafiako amin’ity herinandro ity.

- Harena, rahampitso indray isika mihaona ny Ankatso an ! veloma ianao

Tsy naharitra i Harena fa avy hatrany dia nanoroka azy sy namihina azy alohan’ny handehanany :

- Ketaka a, tsy andriko ny rahampitso ahitana anao.

Lasa i Ketaka nody moramora sady nikopa-tànana azy tery lavitra tery. Ny finday no nanaitra azy vao niditra ny trano :

- manahoana indry ry Ketaka, i Lalaina ihany ity e.

- inona akia no vaovao a ?

- any amindry izao no misy ? nanao ahoana ny sinéma ?

- tsara ka, mandehana anie jereo e !

- an an an, tsy izay no tiako ho lazaina akia !!! Ianareo sy Harena ?

- hay indry ity koa mba tena te-hahalala be ka ! nahafinaritra akia izy sy ny anabaviny a ! Dia androany izahay niaraka teny Ivato nanatitra ny namany.

- dia ahoana ?

- izao ary e, sady nihomehy kely i Ketaka, miaraka izahay !

- miaraka a ? mifampisipa ve ?

- eny akia!

- fa ahoana no anaovandry izany ? f'angaha . . . . . 

- mifankatia akia izahay a, raha tiandry ho fantatra bebe kokoa akia dia nifanoroka izahay androany.

- io akaikiko io i Solo e, renay daholo izany akia. “Beau couple“ kosa ianareo roa koa !  

- ny fianarako aloha akia izao no tsy tiako atao ho ambanin-javatra. Rahampitso hariva ilay hiaraka hianatra isika telo an, aza adino ! Sady hikarakara ny dossiers any amin’ny hopitaly koa sao tara loatra.

- eny ary akia. Rahampitso miresaka bebe kokoa !

- Veloma akia.

Roa herinandro taty aoriana an-katoka ny krismasy. Nitohy ny fiarahan’i Harena sy i Ketaka, mifanao fotoana mianatra koa. Ary lasa mpinamana izy efatra mianadahy. Talata ny andro ary teo ampiandrasana an’i Solo sy i Lalaina i Ketaka sy i Harena tao Andravoahangy ambony. Injay niantso i Solo nilaza fa tsy ho afaka fa voatery miandry trano, ary toa nanambara koa fa mety tsy ho tonga i Lalaina fa toa milaza marary. Niantso i Ketaka naka vaovao momba an'i Lalaina :

- efa amin’ny 2 ora sasany anie izao e, tamin’ny 2 no fotoana sao adinondry

- tsy ho afaka ny ho tonga aho akia, efa teny an-dàlana aho no niverina fa mahatsiaro ho fanimpanina, voan’ny gripa.

- hay, aza manam-be ary akia. I Solo koa tsy ho avy fa efa niantso teo. Izahay sy I Harena irery izany sisa. Makà aina tsara akia fa efa akaiky koa ity ny fety a ! Avelako ary indry hiala sasatra e !

Nilaza ny vaovao tamin’i Harena i Ketaka nony avy eo. Ary dia niezaka nianatra izy roa.Tokony ho efa tamin’ny 4 ora teo dia nanomboka efa reraka ny sainy ka nandeha ny karajia sy ny tokelaka. Ary dia tapa-kevitra fa hajanona aloha ny lesona. Rehefa samy nihomehy teo dia niafara tamin’ny fanorokoroka. Toy ny natao ho azy ireo irery koa ny trano fa nifanojo tamin’ny nandehan’ny raiben’i Harena tany ambanivohitra. Nanafosafo ny endriny ery i Harena no nandinika azy.

- tsy mbola nahita tovovavy tsara endrika toa anao aho ry Ketaka, sady norohany indray.

- Harena

- ahoana izay ? 

- sao lasa lavitra lahy izao ataontsika izao, fa andao hivoaka, sady efa hiverina koa izay ny dadabenao.

- dadabe tsy miverina raha tsy rahariva ka, izay no nahatonga ahy niantso anareo hianatra ato an-trano androany, tsy ho voahelingelina. Matahotra ve i Ketaka ?

- Harena, hainao ny tiako lazaina. Na izaho na ianao mety samy tsy hahatohitra ny fankam-panahy.

- Ketaka, ateriko ianao rehefa avy eo. Tsy mbola ho tonga izao i dadabe.

Nosafosafoiny ny volon’i Ketaka sady nifanoroka izy roa, nangoro vitsika i Ketaka. Tovovavy tsy mbola nahalala fitiavana izy, nakafy ny safosafo sy ny oroka nataony. Nibitsika moramora tao an-tsofiny i Harena nanambara zavatra mbola tsy reny hatramin’izay niarahany :

- Ketaka, tsy mbola nitia olona toa anao aho, ary mbola tsy nanao toy izao tamin’olon-kafa afa-tsy ianao

- Harena, nefa nilaza tamiko ianao anefa fa efa niaraka tamin’olona teo aloha

- eny e, fa hoy aho taminao fa “raha azo atao hoe niaraka ary” satria tsy naharitra ela izany, tsy nikasika azy toy izao aho, ianao no olona voalohany ataoko toy izao

- Harena, izaho koa tsy mbola nanaiky nataon’olona toy izao raha tsy taminao.

Nangina ho azy ny molotr’izy roa sady nifanena indray. Injay toa namaha ny bokotr’akanjon’i Ketaka i Harena no taitra tampoka ikala.

- Harena, tsy mbola vonona aho. Nataoko ho an’ny vadiko ny fahadiovako.

Sady natosiny moramora ny tanany.

- eny ary fa hanaja anao aho. Marina ny teninao.

Samy tsy nisy niteny, re nanidina ilay lalitra tokana, toy ny samy menatra. Harena no namaky ny fahanginana voalohany :

- aza matahotra ianao fa na ny ray aman-dreniko koa ary mananatra anay ny momba izany. Eto aho vao mahatsapa fa sarotra ihany ilay mitandrina, tsy araka ilay hafatra fontsiny. Handao haka rivotra handehandeha isika roa.

eny, izay no mety angamba ! 

Indreny ny olona mitanjozotra avy niasa, mamonjy mijery bazary noely. Nanararaotra koa izy roa nifampitantana tsy ho tafasaraka. Toy ny vao maika nanamafy ny fitiavany ny hevitra nomen’ny ray aman-dreniny azy ireo momba ny fiarahan’ny tanora. Nampirimin’i Ketaka tsara tao anaty kitapony indray ilay karatra misy soratra “aoka aloha“ nozaraina ho an’ny tanora. Ary dia tsiky no nasetriny ny eritreriny niteny hoe : "soa ihany" nony tao am-pandriana izy. Tsy adinony ilay hira fony izy nifanoroka voalohany, ka nohenoiny teo ampitadiavana torimaso.    

mofo mamy noely
... io ho aho no vitako natolotra andro noely e, tsotra ihany ny manao azy ireny kay !

Io sisa no isan'ny andro dia tonga ny andro krismasy andrandrain'ny maro. Andro natao ahatsiarovana ilay nahaterahan'i Jesosy Kristy tonga hanavotra ny mpanota teto an-tany ho an'ny kristianina maro ny 25 desambra. Amin'ny hafa kosa dia natao fanaovana fety, fifanolorana fanomezana, fanomezana fahafahampo ny ankizy ao anaty lainga hoe ingahibe Noely no nanatitra teo. Misy koa anefa ny mipitrapitra satria tsy manana atoraka ny ray aman-dreniny, na kamboty, na tsy ao anaty ny finoany fontsiny izany. Ny tena mampalahelo moa dia ny mahantra, ary mahalasa saina ahy matetika hoe dia ahoana tokoa moa izany ? Ny efa itako teny Analakely ohatra dia milalao valala kely izy ireny, izay dia efa mahafaly ny fony. Ny ahy izay manoratra kosa h@ izao dia mbola fanontaniana mipetraka. Matetika koa anefa dia tsy mampaninona ahy na dia tsy mahazo ary aho satria faly ery ny foko rehefa mahita ny zanako manokatra ireo fanomezana natolotray ho azy sy ny fisaorany anay avy eo. Efa zava-dehibe ho ahy ny fifaliana eo anivon'ny fianakaviako. Hay, misy fanontaniana izy izany angambany hoe fa firy taona izy ireo ? Ao anelanelan'ny 4 sy 15 taona ary 3 no isany. Fa saingy dia tsy nofahananay lainga momba an'i ingahibe noely mandalo, lazainay azy ireo hoe "olona mi-se déguiser ilay ingahibe noely ". Dia izahay no ifaliany fa tsy ny zavatra tsy misy. Nahatsiaro ilay tantara aho hoe nodarohan'ny ankizy ilay ingahibe noely taty aoriana fa mpandainga, ary avy eo tsy nahatoky ny ray aman-dreniny intsony ireto ankizy taty aoriana. Izay ny amin’iny fa dia mirary fahasoavana ho anareo rehetra amin’ity faran’ny taona ity aho, veloma ny aina hahatratra ny taona 2010 ka hiara-paly indray ny Malagasy rehetra. Ny faniriako dia ny hahatapitra izao krizy any Madagasikara izao, ka hitohy hazava indray ilay efa mba jiro nitsilopy tsy hita hatry ny ela teo aloha. Enga anie ka ho fampandrosoana tanindrazana tokoa no iarahan’ireo ankolafy telo ireo fa tsy politika hifandrombaka toerana hanapotika firenena indray no miandry. Koa maninona tokoa moa raha izay vavaka izay no ataoko fanomezana ho ahy ? Satria hoy ny teny hoe : “ny finoana dia mino izay zavatra angatahina na dia mbola tsy itan’ny maso ary” , koa dia MINO aho fa hilamina ny tanindrazako. N’est-ce pas que c’est un beau cadeau ? Koa dia matezà ao anatin’ny fahasalamana ny aina hahita izany aoriana kely ao.

<<< MANAOVA KRISMASY SAMBATRA DAHOLO >>>

 

Mon premier est un liquide

Mon deuxième est un liquide

Mon troisième est un liquide

Mon tout est un liquide 

JE SUIS ............ 

 

 

Andramo ITY dia ho hitanao 

fa hihomehezan'i Ketaka ianao ! 

 

JhonnyEisy, dia hoy aho hoe mba misy ho tahafina ihany izany ny frantsay atsy ho atsy !

Gaga aho mantsy rehefa ilazan-janako fa anaty portables ny mpianatra rehetra hono ny hiran’i Mickaël Jackson !!! Nefa dia tsy génération-ny ilay izy fa dia entin’ny notoriété fontsiny ireto mpianatra dia lasa tia ny hiran’io mpihira iray nalaza io. Asa, tamin’ny androko no tena nalaza ary izy io, izany hoe génération-ko, nefa dia ny ankizy aty aoriana indray no mahalala azy bebe kokoa ankehitriny h@ nahafatesany. Ny nahasosotra ahy aza dia nolazaina fa pédophile io olona io, nefa tia ankizy ! Ny any amin’ny Bekintana moa efa tena mandeha be ny fanelezan-kevitra  @ fomba rehetra, ka na dia olona sendra nikasika anao izao ary ka tianao ho toriana mba hahazoana vola dia anananao zo. Noho izany araka ny hevitro dia noharatsiana io olona io t@ izany, resaka nivoaka kely iny !!!!!

Fa izao, ny amin’ny frantsay indray izao no tiako lazaina. Dia hisy olona efa patrimoine nationale tokony hankalazaina dieny mbola velona izao, satria efa tsy ho ela raha ny fihevitro azy dia ho lasa io olona io. Tsy iza izany fa Johnny Halliday. Voalaza fa niditra hopitaly izy io, misy cancer de colon ary noesorina izany. Fantatra tsara fa tsy mora ny fanarahana aorian’io fandidiana io fa tena mafy be, hainareo ilay hoe chimiothérapie ? tsy maintsy misy io, ary ny taona efa mandroso ihany ! Vao itako teo mantsy fa vao tafavoaka ny coma ileiry, ary tena ambany ny morale-n'ny vadiny. Be mpakafy ny hirany indrindra ireo hirany taloha tian'ny zokiko toy ny : "Retiens la nuit", "L'idole des jeunes" ary koa rehefa mihira ilay "Diego libre dans sa tête" an'i Michel Berger izy tena milay be ! Nandia générations maro tokoa, tsy tamin’ny ahy ihany aloha fa indrindra tamin’ny teo alohako, ka noho izany dia tena be mpitia tokoa io olona io. Eny fa na amintsika gasy ary ilay izy saika any Dago no hanatanteraka ny concert-ny farany nefa tsy tafa indray noho ny fahasalamany sy ny zava-misy any dia itiavantsika azy izany. Ka asa, mba hisy rehareha eran-tany koa ny frantsay rehefa avy eo, haka tahaka toy ny tamin'ny M Jackson. Dia hisy koa ve ny hi-se déguiser tahaka azy toy ny itako tany Dago nanao ny fomba fiakanjo sy fomba fihira ary fandihy e ? Asa raha mbola velona any ilay adala mitondratondra gitara tao Analakely milaza hoe Johnny hono izy :)) Dia izaho koa angambany no hameno ny hirany atsy ho atsy amin’ny portable, na dia efa misy vitsy² ihany ary amin’ny k7 ato an-trano. 

Làlam-piainana daholo izany ka nahalasa ny saiko. Koa dia tahotra ny maty no hanongotsongoana ny velona, ary tombon-dàlana ny azy fa ny làlana iraisana ihany. Tsy hisy hiaina mandrakizay eto an-tany akory. Na izany ary dia maniry fahasalamana hatrany ho azy aho.

FITIAVANA SA FIHETSEMPO MANDALO ?

Zoma alina tamin’izay, efa manomboka ny faran’ny herinandro, nefa mbola hianatra i Ketaka ny sabotsy maraina. Koa tsy naharitra h@ 11 ora sy sasany izy fa vao vitany ny lesona momba ny lalàna dia natory avy hatrany izy, mbola hianatra vao maraina. Rehefa avy nanapika jiro izy dia indro nitamberina tao an-tsainy ny resany tamin’ny namany teny an-dàlana, momba ilay trano misy matoto etsy Ankadifotsy. Manangatra tokoa moa izy io araka ny tantaran’ny maro, ary nanamafy izany ny fitantaran’i Lalaina  :“ny rihana voalohany no tsy azo ipetrahana mihitsy, indrindra amin’ny alina fa raha matory ao dia eny an-tokotany no mifoha maraina, izany hoe misy mibata eny hono”. Natahotra mafy ikala nieritreritra izany, ny andro alina rahateo koa dia norakofany lamba lohany mba hanafana azy haingana ahitany torimaso. 

Feo niantso tampoka no nanaitra azy nony efa tamin’ny 3 ora maraina. Nitomany ity zandriny ka nifoha izy nampangina azy :

- Ketaka, Ketaka, aza ilaozana aho fa matahotra !

- ssss, mangina fa maninona ianao ?

- aza ilaozana aho fa matahotra

- manonofy ianao fa matoria. Eto akaikinao ihany aho fa tsy lavitra e !

Rendriky ny torimaso indray ity zaza nangina tampoka, tena tao anaty nofy tokoa. Ity zoky vavy kosa niverina naka torimaso koa. Injay anefa nisy nandehandeha tao an’efitranony. Feona dia tongotr’olona mandehandeha manao kapa “scoubidou”. Tsy misy manana ireny anefa ao an-trano. No tao anaty aizina koa ilay izy. “I Mama na I Dada angambany izany nahare an’i Fanilo nitomany teo, nefa toa tsy fombany ny mikiraro ao an-trano”. Rehefa nieritreritra kely izy dia raiki-tahotra ka nasitriny ny lohany tao anaty bodofotsy. Tsy sahy nitsikilo intsony izy. Afaka 5 minitra teo dia tsy nahare inon’inona intsony izy. Navoakany moramora ny lohany tao anaty aizina, nosokafany tsirairay ny masony, ka … injay feo nandondona mafy ny rindrina teo akaikiny avy aty anatiny no henony ary io misy vaingan-javatra boribory maitimaity mivezivezy eo amin’ny rindrina manome ilay feo.

- “Tena matoto ity”, hoy izy anakampo.

Saika hiantsoantso mafy :

- “Dada a aa !”, nefa tsy tafavoakany ny feony fa toy voahidy mafy ireto molony roa, toa tsy hainy ny nanokatra azy na dia nampiasa hery ary izy. Tsaroany tampoka ilay teny tamin’ny toriteny tany ampiangonana hoe : “antsoy Jesosy @ androm-pahorianao fa hamaly anao izy”

-  “Jesosy ô, ampio aho, reseo io matoto io Tompo ô” , hoy ny vavaka tany an’eritreriny … Poa toy izy dia nijanona tokoa ilay dobodoboka ary nanjavona ilay zavatra.

Mbola tafatory kely izy nony avy teo mba hamono eritreritra hiatrika ny andro vaovao. Nefa tsy naharitra ela izany fa voatery nahandro vary sosoa sy nanendy kitoza izy ny maraina atao sakafo.

Rehefa tafahomana, izy dia nifanena tamin-dreniny :

- maika aho fa tara, toa efa nifoha i Fanilo ao raha tsy diso aho

- fa nisy inona retsy iny maraindraina iny no nitomany ilay zaza ?

- nanonofy ratsy fontsiny izy angambany, ho tantaraiko aminareo ny nahazo ahy rehefa tafaverina aho, fa lasa aloha sao tara, "bonne journée" mama sy dada. Efa ao ny sakafo maraina.

Raha teny ambony fiara fitaterana izy dia nitady izay zavatra hanalany andro @ ity sabotsy ity. Tapa-kevitra ny anao vavy fa “hitsaty” @ ireo namana amin’ny internet, manantena ny ho tafaresaka amin'i Marina, Beby, Raedy na i Maeva. Nikasa hijery sary mihetsika koa anefa, asa raha mba misy namana afaka miaraka.

- manahoana i Ketaka, injay feo nanakatra hiresaka aminy

- manahoana ianao, hoy izy nitsiky t@ ilay tovolahy iray kilasy aminy teo akaikiny

Tovolahy tsara endrika, ranjanana, zarazara hoditra, mirijarija fitafy, maotina nefa sariaka i Harena.

Dia nitohy ny resaka :

- inona no vaovao ? Hainao ve fa nivoaka androany ilay film 2012 ? niresaka be avy hatrany.

- tranon-tsinemà aiza no misy azy ? izany ve tsy ilaharana be ! hoy i Ketaka

- izay aloha e ! Izaho hijery hiaraka amin’ny anabaviko rahariva, mbola misy tapakila famandrihana iray aty amiko raha hijery ianao.

- an an an, izany mandeha irery izany tsy laitrako kosa ka !

- ka miaraka aminay anie no tiako lazaina e ! Sady nitsiky i Harena nijery azy nanontany.  

- tsy mahasosotra ny anabavinao ve izany ?

- ka saika ho an’ny namany io toerana io fa tsy afaka tampoka ilay olona dia niteny ahy izy mba hitondra namana. Tsy maninona re izany e, mahafinarita anie ny zokiko e, ho hitanao rehefa miresaka aminy ianao. Sady mba te-hahafantatra bebe kokoa anao aho fa efa volana vitsy ihany izay nahairay kilasy antsika izay nefa toa mbola tsy nisy fotoana nifankahalalantsika hatramin’izay.

- izany tokoa moa ? eny ary e, amin’ny firy ny fotoana ? ary aiza ny ilay sinemà ?

- etsy amin’ny KANTO ilay izy, tsara raha eny no mifankahita rahariva amin’ny 3 ora sy sasany.

Toy ny olona efa nifankahafantatra h@ ela ireto tanora roa, tonga dia niara-dàlana sy tafara-nipetraka tamin’ny dabilio iray fa efa nanomboka ny fampianarana. Faly ery i kala nahita handaniana faran’ny herinandro aloha fa be loatra izay lesona izay, i Harena koa jenitra sy faly tafara-dàlana tamin’ity tovovavy mahafatifaty …

Tonga ihany ny mitatao vovonana : 

- rahariva ary e, hoy ity tovolahy nanafatrafatra ihany sao diso fanantenana

- eny ô, misaotra mialoha

- Ketaka a, sao hody hiaraka aminay indry fa misy toerana iray ato anaty fiara ? hoy ny feon’i Lalaina sy i Solo etsy niandry azy.

- an ? ie, ho avy tokoa aho akia fa efa noana izany. Rahariva Harena a, mazotoa homana e !

- misaotra e !

Tao anaty fiara : (tohiny)

Mofo mangahazoInona hoy ianareo fa tsy raikitra ny mofo mangahazo tamin'ny week-end. Sady variana nanjaitra akanjo ihany io. Nifampitadiavana niaraka tamin'ny kafe fa angaha tssss .... aoka fontsiny hoa, resin'iny indray ny viennoiserie-mbazaha efa makaleo ! Tongue out Asiana sambôsa kely indray @ ity herinandro ity dia lasa izao e ! Jenitra i Rasoa mitopatopa @ akanjo vao ! Kiss
Ketaka

Continuerai-je encore quelques années avec lui ? Franchement, je sors avec lui depuis 5 ans et je suis fatiguée. Mais j’ai été fidèle.

Il guette mes enfants depuis la classe de 6ème. De nos jours, quand on arrive au collège, les parents nous offrirent une montre-bracelet ! Mais là, c’est lui que j'envoie direct ! Est-ce que c’est une bonne chose ? Sûrement, les appels au secours, ou les cahiers oubliés ... il assure. Ou pourquoi pas des mots doux pour les parents quand ceux-ci sont fatigués, bref, il rassure quand même ... Mais il a ses mauvais côtés aussi, tel que le magnétisme, la dépendance, etc … Je parle du tél-portable ! Qui d’autre ?

Pourtant, ben oui, je l’ai acheté pour l’anniversaire de ma fille car l’offre était très alléchante : pour l’achat d’un tél-portable avec engagement de 1 an, un deuxième de ton choix est offert pour 1 euro de plus (avec engagement aussi bien sûr). A l’époque, j’ai « gagné » un SAGEM My V76 pour un euro, qui était pas mal, et qui est toujours pas mal jusqu’à maintenant … la preuve !!!!! Il a une bonne sonorité pour moi qui aime la music, les photos sont à 1,3Mpx, j’ai rajouté 1Mo de carte mémoire qui n’est pas rempli ! Oui oui, je l’utilise pourtant ! Et en plus, le son d’appel est un sifflement agréable plein d’entrain, comme si quelqu’un de bonne humeur m’appelle quand ça sonne Cool Seul bémol : je ne peux pas faire des enregistrements de plus de 10 secondes : oui, en vidéo ou en vocal, grave !

Mais depuis que Mr IPhone a fait son apparition dans ce monde, je me suis dit que ce serait mon prochain compagnon de poche. Je suis allée voir tous les différents opérateurs récemment, il y en a 2 : l’IPhone tout court et IPhone 3S (si je ne me trompe pas), je ne sais pas la différence sauf au niveau des prix. Le deuxième est un peu plus cher. Je n’ai que 2500 pts ce qui correspondent à 27 euros de réduction pour un engagement d’1 an et 37 euros pour 2 ans avec mon opérateur, vraiment ils prennent les gens pour des cons ou quoi : une différence de 10 euros te fais ch.. une année en plus ! Et puis, comme je ne cause pas beaucoup il m’arrive de me faire bouffer une bonne partie de mon crédit qui est de 19 euros actuellement, car je ne les finis pas, seuls les crédits non consommés des 2 derniers mois sont reportables, le reste, pfffiiiouuut, rasés ! Un inconvénient : tous les forfaits sont au-dessus de 41 euros avec IPhone.

Rasoa

Et là, je réalise que je ne peux pas l’avoir ! Je me demande quel est son équivalence avec d’autre marque, il n'y a pas que Apple qui a la technologie très avancée. Je suis sûre qu’il y en a d'autres qui sont mieux. Ah, comme j’aimerais changer ce futur ex-petit-chéri. Il est temps de nous dire au revoir. Je veux un nouveau-chéri ! Peut-être il changera mon caractère moins bavard, mais ce qui est sûr je surferai et bloguerai avec n'importe où ! Ma fille m’encourage à en acheter malgré tout. Ah, les enfants pensent qu’il y a un pied d’« argentier » dans notre cour !

Et là, je suis en stand-by ! Undecided

(Ho gaga i Ketaka raha mandalo eto)

 

Aiza

Taiza ary aho no nanao vakansy ? Fantarao ve io toerana io e ?

Gasikarako

 
 
Tsy misy mahalaza ny alaheloko. Any ilay taniko, misy ireo havana tiako sy lalaiko, toerana nitaizan'i Dada sy i Mama ahy, nahitako masoandro, nilalaovako t@ ireo namako fahiny ary toerana nandrotsirotsian'ireo zokiko ahy. Tany koa no nahitako ilay olon-tokana eo amin'ny fiainako. Tsy misy atakaloko azy, fa ny fitadiavana no mahazaka maniraka. Tsy mahafafa ny fitiavako ny halavitan-tany, raha tsy nisy azy dia tsy malagasy aho.  GASIKARA : mirakitra fahatsiarovana mamy maro ato am-poko ianao, ilay diary tsy nosoratako fa nitahiry ho ahy. Mirary anao ho sambatra aho, tsy ianao no ratsy fa ny vola ! Veloma indrindra amin'ireo havako rehetra any, tsy manadino hono hoe ity foko na dia lavitra àry !  Cry

SAIKA VOATETIKA I KETAKA

     Andro vitsivitsy taty aoriana. Nody atoandro hisakafo tany an-trano izy. Toy ny  mahazatra moa dia mody haingana mba ho tafaverina haingana, mba tsy ho tara any ampianarana sao hindrana lesona amin’ny namana indray ny hariva ! Dia indro nisisika ho tafiditra amin’ny fiara fitanterana indray. Tafiditra ihany ny anao vavy t@ ity indray mitoraka ity, tsy dia be ny ankizy nody moa no niafiany tao koa. Olona telo izy no nidina, niala teo Andravoahangy ambony, teo ampitan’ny Sekoly Rasalama. Nisongona azy ireo ilay fiara fitaterana lasa, mbola feno be ka mino aho fa nisokatra daholo izay ny mason’ny olona na lahy na vavy tao anatiny nahita an’i ramatoakely.

             Tampoka teo, injay feo niantso azy :

- Eee, azafady anie akia, misy tataka be ny patalohan-dry aoriana, hoy ity tovovavy iray.

- An ? Aiza izany ? hoy izy sady niezaka nijery sy nitsapa.

- Eto, sady noraisin’ity niantso ny tanany napetrany teo amin’ilay faritra nisy loaka.

Hay tena tataka tokoa ilay pataloha. Saingy tsy tata-jaitra na rovi-damba akory, fa ……… hita be izao fa nisy nanataka tamin’ny "Gillette".

- Misaotra akia, hoy i Ketaka sady akona.

Akona tsy noho ny henatra ihany, satria tena teo amin’ny tandrifin'ny ny fitombenany ilay izy ka tazana koa ny nanolo sosona ilay pataloha. Akona fa rehefa nitamberina tao an-tsainy dia tsaroany fa olona iray avy no teo alohany sy tao aoriany tao anaty fitaterana, sady lasa eritreritra ihany izy hoe : “Soa fa tsy ny tenako no voaratra tao ! Asa izay nanjo raha izay no zava-nisy ! Ary maninona koa moa ny olona no misy ratsy toetra toy izany ? Dia tena misy tokoa ny marary saina mianatra eny Ankatso ve ? Faly ery ve izay ilay olona io nitazan-davitra ahy e ? Asa lahy !“ hoy izy anakampo. Dia iny i Ketaka nanao dia tongotra maika, sady nanakona ny taoriany tamin’ny kitapony.

                        Nony hariva efa folak'andro iny, tokony ho tamin’ny 4 ora teo ho eo, tapitra ny taranja tokony natrehiny androany. Iny izy nanatona ireo zatovo namany vitsivitsy niresaka tamin’izy ireo. Nifanao fotoana moa ireo hoe handeha tongotra hody dia mba miresaka eny an-dàlana eny no mba miala amin’ny mahazatra kely ny saina efa reraky ny fianarana. Eny ary fa dia raikitra ny hody tongotra.

Kli … kli … kli … naneno ny finday  :

- allo ? Mama ?

- izaho ihany ity e ! Aiza ho aiza indry izao e ?

- efa hody aho fa somary tara kely fa handeha tongotra hiaraka amin’ny namako aho

- tokony @ firy indry no tonga mba asaiko miantsena kely hatao sakafo androany hariva fa tsy afaka aho fa somary reradreraka kely izany !

- vao miala aty izahay izao, fa inona anefa no tokony ho vidiana ary e ?

- saika hoe vary amin’anana izao no manafana tsara @ izao ririnina izao e !

- hay, tena tiako izany ry mama. Andraso fa vidiako aty ny fangaron’anana : anamamy, anatsonga sy anandrano moa ?

- ie izay mihitsy, sa vidiandry any rehefa mandalo ny tsenan’i Besarety indry ? Dia aza adino ny mividy voatabia iray toko, ny tongolo maitso moa efa misy ato an-trano.

- tsy misy adino ve izany ry mama ô ?

- inona indray moa no tokony ho adino eo ?

- ny hena atao aminy e !

- indry ity koa mba tenda-kanina mihitsy kah ! ha ha ha ! angaha ny ntaolo voatery mihinana hena @ vary amin’anana izany ? indrindra rehefa hariva fa mavesatra ny hena !

- hay y y y, mama koa, hoy ny feony niangoty, asio hena re azafady fa mba reraka koa anie izahay ankizy amin’ny fianarana e !

- an an an, efa misy saosisy ato ary e, raha tiandry dia hanendy kely vitsivitsy aho hatao laoka ary e !

- hay, vao maika tsara ! misaotra mama an ! aleo fa karakaraiko izany rehetra izany raha reraka i mama ary e.

- hay, miandry andry ary ny raharaha ato e ! rehefa avy eo retsy e !

         Nitsiky I Ketaka nanapika ny findainy nitodika niresaka tamin’ireo namany. Samy niresaka ny laoka tena tiany sy ny fikarakarana izany moa izy ireo nanalàna ny dia. Ny an’i Tiana henakisoa sy vorontsiloza fatao andro fety hono, ny an’i Solo kosa ny “hors d’oeuvre” no tena hankafiziny indrindra rehefa iny mangatsiatsiaka avy nivoaka ny vata fampangatsiahina iny ilay izy, ary ny an'i Lalaina ron’akoho sy sakamalaho no tena ahazoany aina rehefa reraka iny fa ahatsiarovany ny fahazazany teny ambanivohitra. Ny an’i Ketaka moa dia efa fantantsika fa ny saosisy nisaotsaorany ny reniny teo !!! Teo Betongolo teo amin'ny "Infirmerie de garnisons" no nivily làlana i Tiana fa any Avaradoha no mipetraka ka nihazo ny toby miaramila R3A iny no làlany. Izy sy ireo namany sisa kosa nanohy hatreo Besarety teo akaikin’i mpivarotra “Tselatra”, ity roa vavy namany moa etsy Ampandrana no nody, ary i Ketaka nandeha niantsena araka ny hafatry ny reniny avy eo alohan'ny hodiany etsy Mahavoky.

         Vao tonga tao an-trano izy dia ny hikarakara sakafo no vaindohan-draharahany. Io reniny mijery tranokala avy namaky ny “bolongan’i Jentilisa” fa tia manaraka politika koa mantsy izy.

- avia indry raha hijery ity, hoy reniny nahita an-janany tonga

- aiza ? noheveriko ho blaogin’i Jentilisa anie no fijerin’i mama, hay i Kdaombaramita ? Ie, efa fijeriko matetika io ka, misy mahaliana ihany indraindray !

- vao avy namaky ny Maresaka Veto mihitsy aho io, mahaliana tokoa ilay iakalahy io raha hamoaka hevitra ka ! I News2Dago koa tsy ratsy ny heviny.

- marina mihitsy izany, tena natao ho an'ny mpanaraka politika an. 

- fa jereo ity poezia kely "Fiadiana tsara indrindra" napetrak'i Kdaombaramita ity anie, mahafinaritra ery ! Hoy reniny. 

- ary efa itan'i mama ve ilay lahatsoratr’i Kdaombaramita mitondra ny lohateny hoe “Ianareo lehilahy ireto tena tsss … !” fa mahatsikaiky tokoa ilay tantara sy ny fifanakalozan-kafatra e, vakio anie ! Fa lasa aho aloha hikarakara sakafo avy hatrany dia mba malalaka rehefa avy eo.                

          “Notetehiny madinika ireo anana avy nosasana, ireo voatabia telo sy ny tongolo maitso koa, novoasany ny silaka tongolo gasy roa dia nototoiny t@ laona vato. Avy eo nendasiny aloha ny voatabia, narahiny tongolo maitso sy ireo voatoto, ary rehefa afaka dimy minitra teo dia narotsaka ireo tetik’anana mba ho mendy miaraka, nasiany atsasaka "omby volamena". Tsy dia nataony masaka loatra ireo na izany ary fa manjary maty ny otrik’aina entiny. Nataony ambony fatana ny saosisy avy notsindrotsindromina t@ sotro rovitra mba hivoaka tsara ny saosy alohan'ny anendasany azy. Natokony ny vary, ka rehefa masaka dia nafangarony @ anana @ izay, ary rehefa nangotra-tokana dia novonoiny ny afo. Ny sira, iny moa dia samy eny an-dovia moa no samy manisy ny azy, fa araka ny hafatry ny dokotera dia tsara kokoa ny sira manta noho ny mihinana sira masaka”. Matsiro tokoa izany vary amin’anana sy saosisy @ andro hariva an !!!

         Rehefa vita izany dia nandeha nisaika mba hanala havizanana izy, no indro koa niditra ny trano ny rainy. Tafahaona izy efa-mianaka kely ny hariva teo ambony latabatra no samy nitantara ny zavatra itany avy ny androtr'io. Gaga sy sosotra ery rainy nahare ny nanjo ity zanany vavimatoa tao anaty fiara fitaterana. I Fanilo zandriny moa efa nanomboka nihidy ireto dobo kely roa ka tsy naharitra nihinana tsindri-tsakafo fa nobataina nankany am-pandriana fontsiny no niafarany.

         Vita ny sakafo ary iny I Ketaka namonjy ny fandriany ao an’efitrano misy ny zandriny izay efa nanidina ny lanitra fahafito, nianatra lesona h@ iraika ambiny folo ora alina.

 Tafandria mandry kosa ary ianareo izay mamaky ity redirediko ity ô !!!   

 

(Hahita ny tantara kelin’i Ketaka ianao eny antsefatsefany eny rehefa tsy mahita soratana i Kdaombaramita. Izy ity dia fanazarako ny tenako manoratra @ teny malagasy fontsiny) 

 NB : Aza adino ilay lalao BOMBS 2009 Kiss

 Lakalaka ihany lahy ity tontolo izay ombàna ; FITIAVANA

Be ny zava-mampanahy sy ny olana ho vahana,

Koa fidio 'zay fiadiana tsara indrindra eto an-tany

Mba hamela fitsikiana ka hanala ny tomany. 

 

Fiadiana avy ao am-po : io no azo ampiasaina

Hitadiavana ny soa sy fifaliana ho zaraina.

Hamamiana tsisy farany ho fiainanao, rahavana ;

Kanto loatra ny anarany : io no atao hoe "Fitiavana"

 

(Benjamina RAZAFINJATOVO 1988) 

 

NB : Ho porofo dia tsidio E T O : lakalaka ny fiainana ! Mahagaga ny fitiavana !

         I Ketaka dia itony zazavavy jejojejo itony Kiss, manao fitafy manara-damaody. Izay andalovany ny tovolahy miherika avokoa, maniry na dia ny hiresaka aminy fontsiny aza sao mba tojo izay taolan-tehezany izy ireny ! Izy moa mpianatra teny amin’ny ambaratonga ambony teny Ankatso. Azo lazaina fa be namana sy tia mivazivazy, tia misariaka amin’olona. 

 

TENA NAMANA

         Tonga ny hariva amin’ny 6 ora sy sasany. Indro nivoaka ny efitrano fianarana izy, toy ny rehetra. Efa maizina ihany moa ny andro satria ririnina t@ izay. Namonjy ilay toerana fiantsonan’ny fiara fitanterana ramatoakely. Efa bebe ihany ireo zatovo no niandry  teo. Tsy ampy ireny fiara ireny rehefa mirava faobe toy izao ny mpianatra eny Ankatso. Koa azo an-tsaina fa rehefa misy iray miala any dia ifanenjehana ny ho tafiditra ao anatiny, maika ny hamonjy ny tranony avy moa ka tsy misy mifanome tsiny intsony. Anisan’ny mba nifandrombaka ny ho tafiditra koa i Ketaka tamin’ity indray mitoraka ity. Kinanjo moa sady nikisaka moramora ilay fiara fitanterana, ka ny tovolahy be sandry no nahazo vahana. Koa dia mazava ho azy fa niala maina izy. Io izy tafajanona, toa niondrikondrika irery tao anaty aizina. Niantso ireo namany toa nitady fanampiana .......... Hay nisy nanitsaka ny kirarony havanana, ka tafala teny an-tongony, maity ny lokony ka sarotra ny nahita azy tao anaty aizina. Niarahan’ireto zatovo vitsivitsy nitady ka indry tery lavidavitra tery no indro hita ihany. Nisaotsaotra ery ikala no sady niaraka nivanivany izy rehetra avy eo. Mana-namana tokoa i Ketaka manampy amin’ny fotoan-tsarotra!

 

(Hahita ny tantara kelin’i Ketaka ianao eny an-tsefatsefany eny rehefa tsy mahita soratana i Kdaombaramita. Izy inty dia fanazarako ny tenako manoratra fontsiny fa tsy hoe mifaninana amin’ny kalaza toa an’i Maeva74 ankafiziko indrindra akory Tongue out) 

Arahaba ririnina ny tovolahy !Nalahelo ery ity foko, 

nahita ilay hakivianao, 

toy ny olona voafitaka.

                         Vao nahazo kilalao anefa, 

                         toa nihiratra ity endrika ! 

Toa adinoko avy teo 

fa hay efa lehibe ianao, 

mahay mitaingina bisikilety !

                         Andro iray  lehibe iny anaka,

                         andro nahalehilahy anao, 

                         efa sitrana ny fery. 

Mahombiaza eo @ fiainana rahavako .... Neny tia anao.

Vitsivitsy ihany ireto fa be no mbola tsy tadidiko :

TSY TIAKO NY :

-      Rehefa misakafo dia mandeha mafy be ny télé. Tena tsy henoko mihitsy ny tsiron-tsakafo fa any loatra ny loha. No sady aleoko miresaka ambony latabatra fa eo no hahenoko ny zava-miseho rehetra mahazo ny fianakaviana.

-      Mifanena amin’ny olona be maro nefa voatery manao “bisous”  azy rehetra. Aza mba tonga @ ora farany mialoha fanatrehana fivoriana ihany fa tena leo mitodika ankavia sy ankavanana ny loha in-…….dimapolo ohatra Innocent !!!

-      Miaritra mihaino olona miresaka nefa tena tsy any mihitsy ny fironan’ny saiko. Nandeha nody aho avy nianatra indray mandeha ohatra, tafara-dàlana t@ ilay namako (izay miseho ho snob be) mitantara ny fiainan-dry zareo, izay tena tsy alehany ho an’ny gasy tsotsotra. Tsy nisy azo nialàna fa dia ny hany nataoko dia tsy nihaino azy fa nataoko radio teo fontsiny fa zavatra hafa no nalehan’ny saiko nandritra izany. Soa fa izaho no nivily làlana voalohany t@ izay !  

-      Ilay nividy kapila tena izy (original)  misy tantara gasy, ary tsy vita h@ farany ilay tantara fa tapaka, tsy voasikotra tsara ilay kapila … ! Anatra ho an’ny manaraka fa tsy nety nivoatra mihitsy ilay Malagasy @ “vita gasy” h@ izao hay ! 

-      Fomban’ny lehilahy gasy any @ tanàna rehefa mahita vehivavy dia mikitika fa tsy mba mijerijery fontsiny ! Tena rikoriko mihitsy ianao rehefa tratran’izay, tsy inon’inonao ve dia kitihina, efa tsy valahara mihitsy ny toy ireny ! Koa dia miovà toetrany lahilahy gasy ô !

-      Ilay manofy zavatra mampitahotra ahy. Tsy vitan’ny indray alina ihany fa mitohy ilay izy ny alina manaraka na aty aorina. Ny nanjo ahy ohatra dia mandeha amoron-dranomasina aho kanjo niakatra tampoka ny ranomasina dia nihazakazaka aho miala haingana, nefa tratra ihany ! Miverimberina io ! Tena sorena mihitsy rehefa mifoha.

-      

GAGA AHO ANKEHITRINY : 

-      Fa tena havanana miteny anglisy andavan’andro ny tanora Malagasy, tena midoka azy ireny aho. T@ izaho nandalo tany Dago farany, dia variana mihaino ireo zaza 11 sy 12 taona miresaka @ io teny io. Fa hay ve tsy ny frantsay ihany no teny vahiny e ! T@ fotoan’androny mantsy dia io frantsay io no toy ny teny faharoa fampiasa tao Madagasikara. Nanomboka oviana ary izao ? 

-      Nefa kosa, ho setriny dia itako ho tena lasa nalefaka ny fahaizana teny Malagasy indrindra rehefa manoratra. Manginy fontsiny moa noho ny fahatongavan’ny finday vao maika lasa very ny atsasa-manila. 

 

                                                                      Mbola betsaka ny mahalasa saina e !

 NB : tsidio koa I T Y

 

Odryyy, fa dia gaga aho androany fa mba “nominé” na nisy nifidy ho anisan’ny blaogy gasy tsara hono ity blaogiko ity, ilay fifaninanana BOMBS 2009 e ! Dia izao no hitako tao hoe “sady mahafinaritra no mahatsikaiky koa e !” no fahitan’ilay olona nifidy azy. Misaotra azy indrindra aho nanome fankasitrahana. Ary manainga anareo izay mba mankasitraka koa izay vitako eto aho mba hifidy ahy koa e ! Asa raha haharitra h@ farany fa dia tsofina rano izay tratra farany e ! 

 

Izany eo ihany fa be izay kidaladala voasoratro teto izay, tena niainana anefany an, sy ireo izay tena "sérieux"  notantaraiko teto Kiss hay ve … izy ireny e ! Hum ! Tato ho ato anefany anie aho tsy nahasoratra fa dia mijerijery ny an’ny sasany eny fontsiny ! Maro ireo hevitra tiako avoaka fa mila “mi-filôzôfa” be dia kamo aho. Ny fiainana any Madagasikara, ny fiaraha-monina sy ny kolotsaina malagasy sy ny sisa moa no tena tiako avoaka araka ny fijeriko azy ankehitriny aty ampita. Mbola hamoaka aho fa andraso aloha, fijery hafakely ny ahy ka mila manomana tsara ny mpamaky izay ato an-tsaiko aho mba tsy hanaitra azy ireo.

 

Akoatra izay dia ezahiko atao teny malagasy ny lahatsoratro matetika fa io no hany voatanako nahazoako naoty ambony tany ampianarana fahiny. Sarotra ny teny Malagasy ary tena misy fitsipika mamehy azy ka dia ampihariko hatrany io satria mbola tadidiko tsara, raha tsy nisy fiovany angaha taty aoriana ny fitsipika. Ampiarahiko izany ny fampiharana ny fomba fametraka ireo  maripiatoana isan-karazany (teboka, faingo, sns …) satria ao anaty asan’ny tena ny fanajana ny fampiharana azy ireny. 

 

Izay aloha ny androany fa dia manantena antsika handray anjara hifidy ahy e Wink ! Oadray, androany aho vao nandinika ity fifaninanana ity marina ! May ny endim-boanjo e ! Mahatsikaiky.

 

Kdaombita !  

 
Avy aiza daholo isika malagasy jiaby mandalo eto e ?  Finaritra mahafantatra izay toerana misy anareo, dia asio tantarany kely rehefa mametraka hafatra.
 
" Izaho avy ao Antananarivo, fokontany Mahavoky, manelanelana an'i Besarety sy Andravoahangy, tao no teraka. Rehefa talata no tsenan'i Besarety, ary rehefa alarobia ny an'Andravoahangy. Dia tsy misy olana fa na misy ary ny delestazy ka tsy azo antoka ny vata fampangatsiahana, dia iantsenako matetika io Cool . Misy ny rehetra iny faritra iny ry zareo a ! "  
 
Tohizo ny tolona ry malagasy havako fa aza manaiky lembenan'io firenena mpanatsatoka antsy ny mahantra io !
 
 

Ireto lohateny rehetra itako androany 28/09/09 teo amin’ny takelaky ny blaogy.com :

-       Tsarovy (Dadarabe)

-       Angatra manangantra (Mitoraka blao)

-       Alika mivika (Blaogy RTN)

-       Tenenina foana fa eee (News de Dago)

-       Naka aina kely (Tsiky dia ampy)

-       Gasy mora ambakaina (tsetsatsetsa tsy aritra)

-       Vavaka maraina (Pitou mi-blaogy)

-       Sary nalainay  teo Analakely (Radotiana)

-       Rado ilay fitiavako fahiny (Blaogin’i Maeva74)

-       Andrekakiko ô, ireto izy (Kdaombaramita)

-       Taranaka mora jonoina (TAranaka mora jonoina)

-       K’aiza e (Blog deChryss)

-       Mandrahona ny ho eny Ambohitsorohita ny 25 (Maharesaka veto)

-       Satria namako ianao (Fanhaiky)

 

Natambatro anaty fehezanteny hanome dikany "mety hampihomehy" ary izy ireo ka ity no azoko :

 

" K’aiza e  ireto taranaka mora jonoina : nalaina sary teo Analakely ireo gasy mora ambakaina mandrahona ny ho eny Ambohitsorohita ny 25 sept, toy ny alika mivika. Efa tenenina foana fa eee,  dia aleo tohizana foana ny vavaka maraina fatao. Manangatra foana ny angatra na dia efa notenenin’i Rado ilay fitiavako fahiny aza izy ireo hoe : “ Tsarovy fa namako ianao ! “ 

Andrekakiko ô ireto izy, naleoko naka aina kely aloha !

 

...... teniteny fahatany ! Foot in mouth

 
........ inay aho zanako !
Mba tiako ity hira ity ! Sao mba misy afaka manome ilay tonony e ? Nohiraina tao ampiangonanay ny refrain an'izy ity taona maro lasa izay : " je suis béni ", dia gaga aho mahare ny nanohizan'ireto mpihira ireto azy, toa haïtiens no fahitako azy ireo e ?  
Inty indray zava-niseho tany Suisse taona maromaro izay, tiako ho fantatra ny fahitanareo azy. 
Very ny finday an’ilay olona, andao antsoina hoe Ravery ilay olona io. Ka nandeha nankany amin’ny mpitandro ny filaminana nitory fa i Rahely mpifanolo-bodirindrina aminy no nangalatra ilay izy. I Rahely moa dia vehivavy resin’ny fiainana, ka mifoka daina ary matetika dia tsy mahatsiaro saina loatra, izany hoe efa fantatry ny manodidina izy no sady tsy dia azoazon’ny mpiara-monina noho izany. Tonga ary ny polisy indray hariva nandodona tao amin’ny Rahely, ka izy efa “ manidina ” iny no namoha varavarana. Nitondra azy avy hatrany niala ny tranony nankany amin’ny paositry ny polisy izy ireo, ary dia voatana tany ravehivavy. Nanontany izy ny ampitso nony nahatsiaro saina hoe : “ te-hahita an-janako aho “, nefa dia tsy noraharahian’ireto polisy io fangatahany io. Nandeha ny andro maromaro, ary 8 andro vao nandalo ny anadahiny nijery azy teny. Nanontany ramatoa hoe : “ any aminao ny zanako izao ? “ nefa “ tsia “ no valiny. Teo vao nanantona ny “ assistante sociale “ ity anadahiny nanontany, ary teo vao taitra daholo nandeha nijery tao an-trano. Indro ilay zazakely 18 volana maty teo am-pototry ny varavarana, maty déshydraté fa fotoanan'ny hafanana moa tamin'izay. Teo vao niteny ireo mpifanolo-bodirindrina hoe nahare zaza nitomany nikiakiaka mafy fa samy tsy nisy taitra azony efa mpahare izany avy ao amin-dry Rahely izy ireo. An’iza ary ny tsiny ? Misy olona maro be ao anatin’ny tantara nefa dia indrisy fa namohy ny ainy ilay tsy manan-tsiny. Tena tantara marina izy ity, ary ho lazaiko anareo eto ihany ny voaheloka. Ahoana no fahitanareo azy ? Ny hany azoko ambara aminareo fontsiny dia hita ihany ny findain'i Ravery fa tsy nisy nangalatra akory !!!!


Mbola mpianatra teny amin’ny lycée razazavavy, kilasy 1ère angaha moa izy izay, nefa efa nanana fofombady. Nifankatia tokoa ireto voromailala ireto, ary niteraka. Tian’izy roa ireo ny zanany, ary nanomezan-drazazalahy toky rakalakely fa ho mandrakizay ny fiarahany. Inty ny hira nampifamihipihina azy roa raha teny ambony fiara, nifampitositosy ery nahare ilay izy, na izaho ary mahatsapa fa malefaka sy tsara ho an’ny mpifankatia tokoa ity hiran’i Jean Freddy " NY ANJARANTSIKA ROA " ity. 
 
Antenaiko tsy ho very, fa hitohy                                                                
Sy ho avy, anjarantsika roa 
Ny masoandro no milaza fa 
mbola hisy sy ho avy, 
anjarantsika roa

ref : 
Ela moa no tsy nahita anao e 
Ka manantena sady miandry akia 
Ela no te-ho eo anilanao e, satria : 
Mbola ho avy, anjarantsika roa (2X)


Ny ampitso no efa iny manambara fa 
Tsy ho nofy, anjarantsika roa
Mba tsinjovy irony andro fa voafidiny
Sy tantanany  
anjarantsika roa 



Feno 18 volana ilay zazakely botrabotra tokoa, sady nahafatifaty ery. Nitoe-jaza indray ny reniny. Amin’ny mahatanora azy anefa no sady mbola nanohy fianarana izy, dia naleony nisafidy ny mbola tsy hanampy lovia iray ambony latabatra. Koa dia noesoriny ity zaza. Tsy fantatro hoe firy volana no efa tao an-kibo. Tsy notantaraina satria zavatra mahamenatra izany any an-tanindrazana. Kinanjo, nivadika ny vintana. Tsy dia olona mpahay azy loatra no nalehan-dry zareo, nefa vita ihany ny notadiavina. Tsy dia salamalama ity razazavavy taorian’izay fisehon-javatra izay. Ary dia nentina tany amin’ny hopitaly ihany rehefa afaka 2 andro tsy netinety. Nampalahelo fa teny ambony fiara teny an-tsandrin’ilay fofombadiny no nandaozany azy sy ny zanany. Tara loatra ny nahatongavany teny amin’ny toeram-pitsaboana fa efa be ny rà very !!!! 

Nampalahelo tokoa ilay tantara. Ary tsy adinoko mihitsy izay zava-niseho izay fa nangalako anatra teo amin’ny fiainana. Dimy volana taty aoriana dia nifanena tamin’ilay tovolahy aho, mbola tao anatin’ny alahelo tokoa ny endriny, nefa atao ahoana fa izay no anjara sy lahatra. Tsy ho tanteraka intsony ity hira “ Ny anjarantsika roa “, kalom-pitia niboiboika tao am-pon'izy roa.
 
 
Hoy ilay olona namana izay taty aoriana hoe : " raha misy ny olona mandao antsika ety an-tany dia eritrereto ho toy ny lasa nandeha fiaramanidina an-tany lavitra izy, saingy tsy afaka mankany ianao satria tsy mahavidy ny saran-dàlana izay lafo tokoa. Hanampy hampionona ny fonao izay ". 
 
 
Antenaiko fa efa nihodina ny tany ... misy ambany sy ambony. 


Ity indray no fahitako azy ry Dadarabe :) 

Ny endrikao soa, nampikandrakandra                                                                 ao izy izay angambany
Ireto masoko ankiroa.
Ny tsikinao mangataka, ny ho arahi-maso
Tsy hita teo intsony.
Ny feonao malefaka, rehefa mihirahira
Fandreko mampangina.
Ny fofonao manitra, toa miantso nofy
Mampandefa embona.

Nakaiza re ilay malalako mangina 
Tahiriko ato am-poko ?
Moa tsy nifanena ve ny nofinofintsika
Nataoko hiara-dia ?
Indrisy, varavarankely mihidy
No mampipitrapitra
Ireto loharano roa
Maniry hahita anao.

Antenaiko tsy ho ela
Dia hiverina indray ilay fitazana. 
Miverena akia 
Manirery ‘ty foko
Izay efa fantatrao rahavana.
Miandry indray ilay tsiky,
Hitopy aty amiko
Manambara f'efa ... ahy ianao.

(Kdaombaramita 31/08/09)

                                                                                                                    Soja malagasy BIO no ts'isy OGM
Inty ilay voan-dàlana ary ho an'ireo izay nanafatra e ! Cool                              
Nahita ity dia nanamboatra ilay ronono "salsa" (azo asiana vanila raha tiana) sy "tofou" (izay tsapako fa lafo tokoa rehefa itako eny amin'ny mpivarotra) aho. Tena itako :                                                

- tsotra,                                                         
- matsiro, 
- tena maivana,
- nefa mahavoky tsara
- sy manome hery. 

Raha mazoto ianao dia io ny recette. Bon app !
Tsaroako ilay fotoana iray hanambara amin'ny ao an-trano fa nisy olona iray nifidy ho taolan-tehezany aho ary handao azy ireo ! Taona maro lasa izay no niseho ny tantara ! Saikatra aho, nefa tafavoakako ihany ilay izy. Ny tena moa efa maty ray aman-dreny t@ izay koa dia ireo zoky no nilazana ity vaovao, raha vazaha aho dia tena rakatra mena tanteraka angambany ny endriko. " Hanambady izahay, hoy aho ", izay no itako nilazana azy. Itako toa akona ihany ireto zoky, izaho koa nalahelo ny foko satria handao azy ireo tanteraka. Tao anatin'ny 20 andro no nikarakarana azy ary tanteraka soa aman-tsara ! Madama aho tao anatin'ny 20 andro monja. Resin'ny fitia ihany taty aoriana ilay mbola rohy tao anatiko tamin'ny fianakaviana izay nitaiza ahy mandra-panambady ahy !  Izay monja !

Tonga ny fialan-tsasatra ity. Hisinda kely koa i Kdaombaramita. Nefa tsy mitovy aminareo. Ianareo hiala voly, izaho hanao raharaha mafotaka : mameno baoritra, dia ampidirina anaty fiara fitanterana, dia mandeha lavitra be .... tssss hainareo ny tohiny :( Tsy ho moramora ny azoko ilazàna azy e ! Asa, inty sisa no farany hametrahako lahatsoratra aloha fa afaka andro vitsivitsy indray vao ho tafaverina. Asa raha hahita izany hoe faritra rakotry ny wifi izany eny an-dàlana eny ka hanokatra internet mba hahazo ilay ranony, fa dia ho hita eo. Ny mpanome ranon'aina azy itony koa moa maharitra vao mahazo valiny araka izay ilaina, koa dia miandry ny fahatapahan-kevitry ry zareo @ fotoana izay heveriny ho mahamety izany. Dia hifanoratra eto ihany isika raha tahiny ka mahita omem-potsiny eny aho :)

 

Eny ary, koa dia mahazoa fahafinaretana daholo ianareo izay mandalo eto, aza adino ny mametraka hafatra fa mahafinaritra foana ny mahita olona mitsidika ity blaogiko ity, tsy adino ny hanihany na tsy mifankahalala ary isika na mifampitra hevitra fontsiny dia efa mahafaly ... Raha toa ka mametraka hafatra ianareo, ka lavalava ilay voasoratra na mety ho nijanona ela teo ianareo dia mety ho mafimafy kely ny fandavorariana izany. Hafatra kely ho an'izay mbola tsy mahalala : alohan'ny hametrahana ilay hafatra dia ataovy copier aloha ilay hafatra, tsindrio ny bokotra F5 (actualiser), dia avy eo ataovy coller, dia fenoy ny sisa dia alefaso avy hatrany, dia izay ! Tsotra foana fa aza misahotaka :)

 

Hira tonga ato an-tsaiko tampoka :

 

" Ento aho hanaraka anao,

hifalifaly sy hilalao,

hitazana ny fahitanao,

madio sy tsotra re ny fiainana ! "

 

(Del Orchestra)

 

Soava daholo ô !  

'Zao ve de mbô tiko ? Ts' za alo e ! 
 Ikala jejo ity.
Nandeha izahay tamin’ny sabotsy fa nisy olona ho jerena. Nipaozipaozy ery niala ny trano re ity izaho. Làlana teo amin’ny 1h15 no novakiana tamin’ny fiara, maika ery hahita izay hasehon’ilay olona. Tonga tamin’ny toerana nifanaovana fotoana. Niala ny fiara, jenitra ery. Kinanjo nibolisatra kely ny tongotra somary nivadika kely. Ny kapa nanaovana toy ilay skobido ireny, fa endriny mihaja araka ny lamaody ankehitriny. Tapaka re ity izy e !!!!!!!!!! Nihezaka ny namindra fa tsy nisy fanafodiny e, ilay tahony iray avy aty havanana no nanondrana moa. Hany hery dia niteny moramora hoe ; “tapaka ny kiraroko, fa aleo hajanoko any anaty fiara” (Hi hi hi, mihomeheza e !). Dia lasa nijery izay zavatra ho jerena ihany moa nandeha tongotra no niafarany. Fa ny tena olana dia nony niala avy eo nandeha nijery kiraro tany amin’ny mpivarotra : somary lavitra ihany ny parking nasiana ny fiara. Niala nanao dia tongotra tao anaty fiara fa tsy sahiko nirahina koa ity olona niaraka tamiko sao tsy araka ny tiako no entiny miverina. Oaina be e ! Nitsaitsaika mandeha mba tsy ho hitan’ny olona, nefa inona no teo fa feno embouteillage ny làlana ka toy ny hoe nijery ny tongotra ny olona no fahitako azy, sady ilay rehefa mijanona kely ny fiara mamela anao hiampita no tena tsy tantiko. Ha ha ha, aza manody marina !

Inty misy tagy kely ho anareo izay mazoto : hanagana saina ve ianao @ izao 26 juin 2009 izao sa tsia ? Lazao ny antony  tsara  (bon côté). Ny ahy eto ambany anombohako azy. 

Atsangako ny sainam-pireneko :

- Tsy hoe akory fankasitrahako ny fahantrana eny an-toerana 

- tsy hoe fandalako ny halatra, ny vonoan'olona, ny tsy fanajana lalàna, ny fampitahorana, ny habibiana, ...

- tsy fanekeko hoe mbola ambany ziogan'i Frantsa ny tanindrazako fa efa mahaleo tena tanteraka 

Fa satria :

" tanindrazanay Malagasy i Madagasikara,

ka hajaiko sy lalaiko"

 

 Dada ……  ho fahatsiarovana ny soa vitanao taminay.Dada fony tanora

Dada olon-tokana, masoandro amam-bolan'ny fiainako. Tsy mitandro hasasarana tsy mety valalanina satria mitsinjo an-janany.

Dada be fitiavana, jiro nanazava ny fiainako, niafy dia niafy ianao nanao izay azonao natao. Isaorako eto ny anaranao.

Ref : Ianao indrindra no nampianatra ahy, hiatrika ny fiainako any aoriana. Niaritra ny mafy ianao tsy hisy hahasolo ny anaranao hitoetra ao am-poko ny fitiavanao. Fitia tsy manam-petra, ny fiainanao rehetra. O ! ry Dada ô, Tena tiako ianao.

Dada olon-tokana, masoandro amam-bolan'ny fiainako, nitaiza sy nanalokolo eny, na dia fotsy volo, ‘zay nataony vokatry ny fo.

Dada be fitiavana, jiro nanazava ny fiainako, nananatra, nampianatra, nikolokolo fatratra. Fitiavana tsy takatry ny loha


(Bodo)

Miarahaba anareo ray rehetra izay mandalao eto, mahità ny soa rehetra ho an'ny fianakaviana mba ho reharehan'ny ankizy sy ny reny.  

Fetin'ny reny ...

NY LAMBANAONY LAMBANAO MIKOPAKOPAKA

Fa tsara sy mahate-ho tia ny lambanao mikopakopaka,
Toa miantso manao hoe avia ny lambanao mikopakopaka,
Ny fihetsikao malemy paika, tsy miraika, toa tsy maika,
Ny fitafy tsy misy haitraitra tena raitra ka manaitra ô !
Tena kanto, eny, kanto aoka izany ny lambanao mikopakopaka,
Ka nambabo ny foko avy hatrany ny lambanao mikopakopaka.

Ny akanjonao tsara didy, tarafin’ny elonao mena,
Mihatsara sy mitombo vidy ravahin’ireo volamena.
Manendrika anao avokoa, nefa asa ho aho, Ramatoa

Dia tonga ny lamaody vao nanampy ny nentim-bahiny,
Nanaraka izany ianao, ka hita fa tsy nisy tsiny.
Kanefa ho famenon’izany : ny lambanao teo ihany.

(H. Ratsimbazafy)                                        

                                        ....... ho fahatsiarovako an'i mama. 

Aiza ny fahendrena e ? Dia tena sahy tokoa izany ankizy fa na dia mbola tsy hary hozatra tsara ary ny tenany dia nahavita zazakely. Dia gaga ny tenako nahita ity tovolahy kely 13 taona (12 ans et quelques), tena mbola zaza tokoa ny mijery azy, mbola milalao kanety e, nefa dia rain-jaza fa vao teraka tamin'ny 09 février 2009 teo ny sipany izay 15 ans (14 ans et quelques). Dia manontany ny tena hoe tsy nahay nitaiza ve ny ray aman-dreny sa dia jilajila sahady ny ankizy ? Jereo anie ny sary e ! Aleo mitandrina ka, mbola aiza ity fiainana ? Jereo eto 

 

Mahavariana sa mahatsikaiky sa …. Inona re no ilazako azy e ? Ity zava-niseho tetsy @ nosy La Réunion ity. Niseho an-tsary hono i Jesosy !!!! 

Tao Cambuston, faritra atsinanan’ilay nosy misy ny vohitr'i Saint-André, ny tantara no niseho : misy fiangonana katolika iray malaza tokoa @ io toerana voalazako io. Niseho an-tsary tamin’ny
fiketronan’ny lamba fiankin-tsezan’i môpera ny endrik’i Jesosy hono. Tamin’ny fotoanan’ny karemy moa izy io koa, zoma hariva 13 marsa 2009 t@ izay. Nidonàka tokoa ny olona, ary tonga marobe nilahatra poa toy izay no niafarany nandrina ny 2 andro. Satria ny sabotsy alina dia nanjavona ilay sarin’endrika, tsy nisy intsony. Ny nahagaga anefany dia indro niverina ihany ilay sary ny alahady harivan’io (moa izy izay ?). Ny môpera katolika teny an-toerana moa dia nanamafy fa hafatra avy @ i Jesosy io. Rehefa jerena kosa aloha ilay izy dia manome endrika ny mahita azy. Dia tapitra iny ny alahady, fa nanjavona ilay sary, izany hoe : “déplié” ilay lamba.

 



Vao tamin’ny 1er mai teo indray, nisy nahita indray ny endrik’i Jesosy ihany, hono tany amin’ny fiangonana katolika any Trois-Bassins, faritra andrefan’ilay nosy indray. Mora kokoa ny ahitana azy amin’ny fakan-tsary telefaonina. Mandresy lahatra ihany ny mahita ilay sary satria manome endrik’olona tokoa ilay izy. Ny kreôla moa mora minomino foana izay koa dia mandaitra be ny toy itony. Poa toy izay koa dia tonga maro ny olona, saingy t@ ity indray mitoraka ity dia noesorin’ilay môpera mpitondra ilay fiangonana nahitana ilay misary endrika ilay izy satria tsy nahatokisany ny zava-niseho.

 



Lasa ny saiko hoe :
- misy olona mahay manamboatra “ pliures à distance ” fatao amin’ny lamba any ho any angambany ve ? 
- sa fifanojoana mahatonga finoanoam-poana ? 
- fa nahoana koa moa no voatery ho endrik’i Jesosy ilay izy fa tsy endrik’olon-kafa ? Na endrik’i Ingahibe Noely, na mety ho endrik'i satana mihitsy ary satria io koa dia mahay maka ny endriky ny maro ? H@ izao mantsy dia mbola tsy nisy na manam-pahaizana ary nahay namoaka ny tena endrik’i Jesosy, h@ izay dia endrika noeritreretina avokoa no itantsika etsy sy eroa dia manjary hoe rehefa mitovy @ iny endrika iny dia Jesosy. Na izahay ary moa rehefa mahita olona be volombava sy maka endrik'olona malemy fanahy somary lava volo dia velona ny hoe : “ohatran’i Jesosy” !!! 

 
Efa atsy ho atsy no haniry nify ny akoho satria misy nify ilay alika ! Jereo itony izy na ny akohovavy manan-janaka ary mahavatra manafana ny zanaky ny hafa razana aminy. Efa hanome  Undecided....... lesona antsika ny biby Yell......... atsy ho atsy .......... angambany ! Dray dray dray,  tsy ho hitako anie izanySealed.
 
Bla bla bla : mety ilain'ny Hery ilay hira "cot cot cot" fa mandaitra be, mahafatifaty. Sarobabay, izay voa aza tezitra ô Money mouth! 

08/04/09

(18h10) : Bola grèv be aty izao. Karama fonksionera tsy misy fa ny an'militera no vonjena

(18h25) : Miasa. Tapaka ny karama vo tsy miasa, grevy mand fona samedi tena b olon, orana aza maly mbola b olona, bank central aza zao migrev, tsy avelany mivoaka ny DG fa maaz menace, za zao no iainana

 

20/04/09

(18h11) : Omena akanjo miaramila ny olona karamaina d alefa mitifitra olona milaatra milamina de Alin Ramaroson nomibaiko azy mande 4x4

(18h19) : Andefasana bombe lacromogen 4 atrany @ opitaly HJRA

(20h24) : Atrany @ EPP Tanimbarinandriana darofana bombe

 

23/04/09

(19h28) : D notifirina sy nenjeena atrany atrano ny grevist androany, d novakin TGV ny banky central

YEAAAAAAAH, iza no nivavaka ka ketraka amin'izao zava-misy eo amin'ny firenena izao ? Aza kivy fa tsy ho ela dia hisy valiny ny vavaka natao ! Tena mitsinjaka mihitsy aho mahare ity hira ity. TSY HO ELA HOY AHO E .... ! Inona no nataon'ny zanak'israely rehefa mandeha an'ady ? Mihira fiderana an'Andriamanitra ! Koa iza no mafy noho ilay Nahary izao tontolo izao na naka fanafody tetsy sy teroa ary ? HE HE HE ! Anay ny tantara e ! Anay i Madagasikara milamina sy ao anatin'ny fandrosoana, ary ny ara-dalàna e !!!! Henoy kely ilay hira aloha fa tena milay : la la la la la la la la ..... Miala any ny revanche e !!!!! (tsy mbola tara raha misy te-hiova hevitra miaraka aminay fa lany ny vola). Mankahery anareo aho hanohy ilay vavaka efa natomboka fa Andriamanitra manana ny fotoany izay tsy haintsika fontsiny, derao hatrany Izy @ zava-miseho rehetra. Mazotoa daholo e !

Miaritra kely fa efa akaiky e !Iza no mahazo karama be indrindra ?

 

 

Ho anareo ‘mpiandry’ : tsy antsointsoina fontsiny @ izao anie Andriamanitra e. Mino va ianareo fa tena avy Aminy ireny fandrobana ireny, ankasitrahany ireny ? Gaga aho hoe handeha hamaky trano ny hafa dia ianareo no mialoha làlana mivavaka ! Dia hoe “@ anaran’i Jesosy, … “ . Mba mieritrereta fa ny Fanahy Masina mahita ny ataonareo, ary fantatrareo tsara fa mandàla lalàna ny baiboly : raha kristianina ianao dia tokony hanaja ny lalàna, voateny ao anaty Baiboly izany ! Ho tsarain’ilay Avo Indrindra antsoinareo isan’andro ianareo fa mitandrema ihany fa tsy ho ela izany ! 

Ho anareo manam-boninahitra ambony amin’ny miaramila sy ny mpitandro ny filaminana manan-tsaina : malahelo tokoa ny fo @ izao toe-draharaha izao. Nefa ve dia olona vitsy ao amin’ny Capsat dia afaka nandroba ny fandriam-pahalemana eto @ firenena manontolo izay napetraka taminareo ? Moa ve ireo olona ireo no tena mitondra ny hevitra rehetra ka dia ekena daholo izay ataony fa malemy saina ny sisa ? Ary izahay vahoaka Malagasy nanakarama anareo izany mba ahoana ? Tsy mba misy mpanohana ve fa latsaina amin'ny fijerena fontsiny ? Satria izay manana ny miaramila no matanjaka ! @ izao fotoana izao dia miseho ho matanjaka ireo olona manjakazaka ireo satria tsy misy manohatra azy ary ny antenainay mba hiaraka aminay nampivandravandra, ary manao izay tiany atao. Nefa dia miaramila vatany daholo ny habetsahany ary indrindra tsy mety voafehin’ireo mitondra azy ary ! Ampio izahay Malagasy fa ianareo no andry iankinanay sy ny firenena, tsy ekenay izao fandrobàna, fampihorohorona, fisamborana manam-pahefana ambony sy ny fanaovana bodongerona fanjakana izao, fampinanana maloto olom-pirenena, fanitsakitsahana lalàna izao. Tsy izao no démokrasia tadiavinay, ary tsy te-hiaina ao anaty fiainan-jiolahy izahay satria tsy mbola any @ Afobe i Madagasikara akory ka ny devoly no mampiodina azy.  

Potika ny firenena ary afa-baraka eo anatrehan’izao tontolo izao ilay nosy malaza. Tsy voaambina intsony ny fiandrianany fa resin’ny vola sy ny olom-bitsy ary ny valifaty ny ao anatiny. Misy resaka vola izy ity, misy resaka harena ankibon’ny tany, koa raha hanampy anay ianareo dia apetraka ankilany ireo na tsara sy betsaka ary. Tsy mahavidy ny tena maha-olombelona ireo, fa ny olona tsy vanona no manaiky resin’ireo. Tahirizo ny maha-olom-banona antsika. Aza hamidy ny tanintsika, ny ain’ny malagasy mpiray tanindrazana, ny fiandrianantsika, ny fihavanantsika … ireo izay mahamalagasy antsika.

Ho tahian’Andriamanitra indrindra ianareo miaramila tonga saina izay tonga manampy anay tena vahoaka maro an’isa tsy manaiky ny fangalarana ny safidinay.

Misaotra betsaka tompoko.

Dadany ka izao an : 

 





 

                                   Tsiaro iray ilay nanokafako ny masoko                                                          
Teo an-tratran'i mama, tanaty tsikin'i dada.                              
Andro tokana tsy mety hadinoina 
No mitsingerina anio. 

Taona maro no nilefa, fahendrena no mitombo
Miampy hatrany be fiavy.
Ny volo miova loko, tsiky no hasetry izany satria
Fotoan-dehibe manan-danja no nodiavina..

                                  Eny, firy taona no ho tratra izay homen’ilay Nahary,
                                  Ekeko foana, tokana io manan-jara.
                                  Izy no nanome, Izy no mbola haka : hanararaotra aho izany
                                  Fa tsy hisy intsony indray andro any ity tamberiko.

                                                                                                                                        Nirina 28/03/2009

 

 

Vao haingana tamin'iny volana febroary lasa iny no tovolahy kely 12 taona no teraka, itanareo amin'ny lahatsoratro mitondra ny lohateny hoe : "Lehilahy 12 taona nefa dia ..." etsy aloha. 

Inty indray dia any Brésil no miseho ny tantara : Andriamanitra ô, zazavavy kely 9 taona indray no bevohoka ! Bevohoka kambana ! Voalaza fa ny raikeliny 23 ans no nanolana ity zaza fony izy h@ 6 taona. Ankehitriny dia mitaraina ilay zaza fa marary vavony. Nony nentina tany amin'ny dokotera dia hita fa mitoe-jaza kambana efa efa-bolana !!! Fa dia mankaiza ity tany ity no zazakely no vetavetaina toy izany ? Inona no fahafinaretana azo amin'ny zazakely, fa dia tena marary saina matoa mahavita izany. Tena lehilahy tsy valahara, ny biby no mitovy lenta aminy ! Ny mampalahelo anefa dia tian'ny renin'ity zaza 9 taona esorina ireto zaza izay efa lehibe tokoa (4 mois) ao an-kibony no sady etsy andaniny dia tsy fantatra na hahazaka hitoe-jaza h@ farany ity zazakely noho ny hakeliny loatra, loza mitatao ho an'ny fahasalamany. Mipetraka amiko ny fanontaniana hoe : 

- efa olona hary tanteraka anefa ireto zazakely
efa-bolana ao an-kibo dia ho vonoina ve ?

- mampalahelo anefa koa ity zazavavy kely 9 taona dia hiteraka, tsy mahalala inon'inona, nefa moa tsy maintsy hiteraka ihany izy na ahoana no fomba hivoahan'ireo zazakely ireo na ahoana

 Aina 3 izany no misy ho ratsy fiafara raha atao ny kaonty. Ontsa tokoa ny fo amin’ny mahareny ahy : “zazakely voatavo tsy mifandraka” ve no vetavetaina toy izao, ary koa efa tena olona tanteraka ireto ao anaty kibony.

Lesona tsoahiko amin’ity tantara ity dia hoe : aleo henoina ihany ny zaza rehefa miteny, mino aho fa mba efa noresahiny tamin-dreniny na tamin’olon-kafa tany ho any fa tsy noraisina ho tena izy ny tenin-jaza, na mety ho lasalasa eny ary ny vavany rehefa milalao. Maniry koa aho raha maniry ny hahatanteraka io sazy 15 taona an-tranomaizina (na mihoatra ary vao maika tsara !!!) ilay lehilahy tsy olom-banona no iantsoako azy fa ny mifanohitra @ izany. Marihiko fa ahihiana efa nanao ity fomba ratsiny ity tamin’ilay zokin’io zaza io koa ity lehilahy ity, handicapée moa io zokiny io.
 

Jereo eto

Izay voa (vangio ato) manodidina ka dia hihodidina ary aho ...  

Mino ilay tokana nahary izao tontolo izao : Andriamanitra
Mino ny zanany lahy tokana fa Mpamonjy

Mino aho fa Andriamanitra mahery
Ireo no loharanon’ny fotom-pinoako


Tia vady
Tia zanaka
Tia
zava-maneno
Tia
mihira
Tia ny anatra nomen'i Dada sy i Mama
Tia manao sakafo na voatery ary
Tia mananihany
Tia mitady vahaolana
Tia informatika
Tia namana virtoaly
Tia milomano
Tia mitsangatsangana
Tia mitaingina fiaramanidina (mampihomehy be ity iray ity :))
Tia maka sary (indd rehefa adino ny fakantsary !!)
Tia mamaky zavatra insolites 
Tia mifalifaly

Tsy mihafahafa
Tsy miaingitraingitra
Tsy manadino an’i Madagasikara
Manana blaogy faharoa mitondra ny anarana hoe Rasoa Malagasy
Ny teny anisan’ny tiako indd dia vakio ity
 

 

Iza ary no andeha ho tagger-na ? Blaogy vitsy² mbola tsy fantatro no apetrako eto, koa dia tohizo re raha azo atao e, mba te-hahalala anareo izahay :

- Blaogy RTN

- FANHAIKY 

- Dadarabe "hiaraka handresy" 

- Harry blog's 

- Blaogin'i ontsy 

- revirevy 

 

 ... MANKASITRAKA MIALOHA Kiss

 

Il était une fois à l'entrée des artistes, un petit garçon blond au regard un peu triste, il attendait de moi une phrase magique, je lui dis simplement : si j’étais président.

Si j'étais président de la république, jamais plus un enfant n'aurait de pensées tristes : je nommerai bien sûr Mickey premier ministre de mon gouvernement … si j'étais président

Simplet à la culture me semble une évidence, Tintin à la police et Picsou aux finances, Zorro à la justice et Minnie à la danse, est-ce que tu serais content … si j'étais président

Tarzan serait ministre de l'écologie, Bécassine au commerce, Maya à l'industrie
Je déclarerais publiques toutes les pâtisseries, opposition néant … si j'étais président

Si j'étais président de la république j'écrirais mes discours en vers et en musique, et les jours de conseil on irait en pique-nique, on ferait des trucs marrants … si j'étais président

Je recevrais la nuit le corps diplomatique dans une super disco à l'ambiance atomique, on se ferait la guerre à grands coups de rythmique, rien ne serait comme avant … si j'étais président

Aux bornes des fontaines coulerait de l'orangeade, Coluche notre ministre de la rigolade, imposerait des manèges sur toutes les esplanades, on s'éclaterait vraiment … si j'étais président

Si t'étais président de la république, pour nous tes petits copains ce serait super pratique, on pourrait rigoler et chahuter sans risque … si t'étais président

Je serai jamais président de la république, vous les petits malins vous êtes bien sympathiques, mais ne comptez pas sur moi pour faire de la politique ! Pas besoin d'être président de la république pour aimer les enfants

 

Mails vao azoko izy ity ka tsara mba vérifier-na ihany ry fanjakana fa mijaly ny vahoaka :

 

2000 hommes izahay, mandeha par groupe de 10, na 15 na 20. Mamaky izahay ,mamotika hatramin’ny farany, mandroba ny foule avy eo. Izay milaza fa tsy TGV dia darohanay, eny Ampefiloha no tena tobinay. 4×4 roa no mandeha rehefa mikisaka i Andry, ny iray misy ny essence fandorana. somary mifoka kely izay matahotra, rehefa atahorana hamely ny Miaramila selon ny resnseignement dia mitsondrano fotsiny i Andry fa tsy mankany. Nolazaina anay fa Cousin-ny Andry ny Général Faly Rabetrano ka tsy misy antahorana ny @ EMMONAT REG. Telomita sy ny Aeroport d’Ivato sisa tsy vitanay, Telomita moa iarahana @ Rolland Ratsiraka, fa nohon’ny olana teo @ izy roalahy dia niato io. Izao dia ejehina aho satria nitaky ny volako; Raha tsy mino ahy ianao dia mankanesa eo Ambohijatovo, Ambanin’ny OMNIS isakin’ny alohan’ny Miting fa ao no fizarana ny vola. Tsy nisy ny Miting Alakamisy sy Zoma fa nakambana Asabotsy ny fizarana ny vola fa efa nihena be niolona ny Atalata sy Alarobia.Ny tenue tratra ny teny Itaosy ka tsy afaka nanao io izahay ny sabotsy
Madio ny saiko zao fa nilaza ny zavatra rehetra tato ampoko zah. Afaka mamono ahy ialahisany izao; fa tsy hamonjy ny fihaonana, fizarana armes, any @ Alain intsony zah, n’inoninona ataonareo ahy. Anjaranao ry fanjakana sisa no miaro ny ainay izay miala tsy ho TGV intsony, raha vitanao io dia maro ny miala ao sady ny vola efa mihena sy tsy hita.
Signature illisible 

Rehefa manjono izy mahay
Rossy no kakana ampiasainy
Na zaza ary tsy hananany antra
Ny olom-bitsy lazainy vahoaka,
Dia izy ireo no fampiasany
Hanatanterahany ny teti-dratsiny
Mba ho “sorona” hanome ny ainy 
Izany hono no mba : “demokrasia”-ny.

Rehefa raikitra ny fifandirana
Izy anie mandeha irery
Ny vady aman-janany afeniny
Ary izy tia mitazan-davitra
Dia iny ….. , lasa mitsaoka.
Avy eo mody mitomany
Ranomasom-boay izany
Nahoana no tsy mba nitomaniany
Ireo izay maty efa kilany ?
Mahay miatsaravelona tsihy

Lian-drà ilay lehilahy
Herim-boto no ampiasainy
Satria tsy diplôma am-paosy
Tsy tena fantatra izay tiany
Resahina izy toa mivilana
Ny ho filoha no mba reviny
Nofinofy redirediny
Zatra an’ny dada mpanana
Ka tsy maintsy azony hono io
Na hamonony vahoaka aza.

Aoka izay ry ireto fa tssss …. rikoriko aho marina ! Tsy poezia fa ankamantatra.

Ahoana hoy ny fitenin-drazana
- Olon-tokana tsy mba vahoaka : mitarika izany ara-matematika fa raha 5000 olona tsy mitondra ny hafatry ny vahoaka malagasy rehetra.
- Ny hendry mody voky, ny adala manesika ihany : aleo mifidy ny fahendrena na nanao adalana ary.
- Ny mita be tsy lanin’ny mamba : hevitra diso (itako t@ fahitalavitra) satria mihinana ireo izay malemy sy taratara ny mamba rehefa mita rano ny daholobe, koa dia tsy mbola tara izao ho anareo izay te-hiova hevitra sao lasa sorona amin’ny manaraka.
- Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina, koa dia miandry ny fivadiky ny tantara, boribory ny tany e !
- Andriamanitra tsy tia ratsy, nefa betsaka ny ratsy ary rehefa tsy azo ampitandremana dia anao ny maka anatra ho anao. Nefa raha ny ratsy no nofidinao, koa dia miandry anao ny RATSY ...... (tsy ratsy) !
- Andriamantra tsy andrinareo, andrinay ihany : koa dia aza mitsahatra mivavaka !!!


 

AZA MANARAKA AN'I ANDRY TGV INTSONY FA ASAINY MAMONO NY HAVANAREO IANAREO ! IZY MIHINANA SAKAFO MATSIRO FOANA AO AN-TRANO, SADY MANAN-KARENA KOA ANIE IZY INY E !

Amin'izao toe-draharaha misy an-tanindrazana izao, dia lasa ny saiko hoe :

 

- Iza ary no mety tena afaka hitondra ny firenena raha tafala eo Ravalomanana ?

- Iza no ao ambadik'i Andry ?

- Iza no antenain'ny vahoaka ?

 

Mba omeo anarana hoe aho ry zareo fa tena very ny saiko ? Biby tsy misy lohany anefa tsy mandeha. Ilay zalahy kely io tsy mbola ampy taona hitondra firenena sy tsy mbola matotra fa manao zaza tsy nahazo kilalao dia tezitra. Ary ilay efa eo toa manao izay saim-pantany sady tsy mety ator no tsy mahalala ny tokony atao anefany. Fa ny tsy fantatra dia hoe izay ilay fahatelo ao am-badika ? Sao dia misy saka manao tampody miverina ary ao ? Ahiko mafy ho diso fanantenana ramalagasy atsy ho atsy ! 

 

Misaotra anareo izay haneho hevitra eto, nataoko izy ity mba hahafantarana ny zava-miafina nefa mibaribary fa tsy hay lazaina. 

1 - Rehefa jerena kely, nefa madity mandreraka ?

2 - Rehefa mandeha eny valo no isany nefa tokana ihany ?

3 - Maizina nefa toa matanjaka ?

 

...... raha mbola mahita hafa ianareo dia tohizo rehefa itanareo ny valiny. 

... mazotoa e !!!!!
 
 
 
 
 

Mahafinaritra ahy ny nijery ny fety noely tao Antananarivo an-tsary. Na ireo sary fontsiny ary dia milaza zavatra satria afaka nifaly ny olona na dia tao anaty fahasahiranana ary. Izaho manokana aloha raha tamin’ny andronay dia faly na dia mijery fontsiny ary, ilay atmosifera mihitsy no miteraka zavatra na tsy mandray anjara ary. Ary mahita fiilina foana ny gasy na dia tsy ary fitaovana ary, toy ny manezy ahodina tànana : ny sôvaly deboa, ny kodiarana goavana fitaingina, ny fiara kely mihodina ho an-jaza, … voa indray ny jirama t@ iny. Ao koa ny nanovana ny lalamben’Analakely ho toerana fandehana tongotra fontsiny. Dia feno sary mahafinaritra ilay sita itako : fiara, elikôptera ary fiaramanidina kely mampifaly ny ankizy, fitaingenana lamasinina kely maginy fontsiny.. Hatramin’ny volombavan’i dada koa ao manome enerzy, ny fiankaviana isan-toko tonga miaraka toy ny toerana fanamafisana rohim-pihavanana, … ets. Raha miakatra ambonimbony ianao dia tonga eo @ zaridainan’Ambohijatovo ahita ireo karazan-dalao fahita amin’ny kazinô fa ankalamanjana, tsy hita izay maharatsy azy ! Toa nisy fiovana be any Dago izany, enga anie ka hitohy ny toy izao fa tsy ho rendriky ny politika ambony latabatra fontsiny ny fiainan’ny malagasy !

Akoatra izay dia mahafinaritra koa ny nijery ireo sary tamin’ny fifaninana maka sary ny fiainana andavanandro malagasy. Tena misy sary tsotra nefa milay e ! Izaho koa mantsy tia makamaka sary izay, ka dia mba nankafy aho mijery ireto sary vitsivitsy voaray nahazo loka !

Oadray manina aho izany ry zareo mahita izao !        

 Aza alefa lavitra ny saina e Laughing ! 

 

 

   
  
 Miarahaba anao tratry ny
taona vaovao 2009 aho.
Hitondra fahasoavana,
fifaliana, vola, vaha-olana,
fahasambarana
ho antsika tsirairay avy izy ity.
 
Ary indrindra mirary fitahian'i
Tompo Nahary an'i Madagasikara
sy ny malagasy rehetra aho. 
 
 
 
 
 
 
 
 

Cher fils,

Je t’écris ces lignes pour que tu saches que je t’écris. Alors, si tu reçois cette lettre, c’est qu’elle est bien arrivée. Si tu ne la reçois pas, tu me préviens pour que je te la renvoie. Je t’écris lentement parce que je sais que tu ne lis pas très vite.

L’autre jour, ton père a lu que selon les enquêtes la plupart des accidents arrivent à 1 km de la maison, ainsi nous nous sommes décidés à déménager plus loin.  (tohiny)

Raha te-hitafasiry amiko ianao dia tongava fa ato aho h@ 15 desambra  

Ny ahy raha vao misy coupure de courant eo ampihinanan-kanina dia tsy mandeha amin'izay laoniny ny tanako mihinam-bary na dia misy diavolana ary, lasa any akaikin''ny sofiko ny sotro knou ! Enga anie tsy ho tapaka ny courant amin'ny krisimasy. Mahatsiaro ilay poezian'i Pissoa aho mantsy.

 

... resaka mandalo e ! 

« Un coeur joyeux est excellent pour la santé ... » Proverbes 17.22

Née avant l'invention du téléphone ou la construction de la Tour Eiffel, Jeanne Calment est morte à l'âge de 122 ans après avoir connu 27 présidents français et être entrée dans le livre des Records en tant que la femme la plus âgée du monde. Quand on lui demandait quel était le secret de sa longévité, elle répondait : « Savoir rire ! » La médecine a prouvé que le rire fortifie notre système immunitaire, fait baisser notre tension artérielle et neutralise l'apathie causée par la dépression. La Bible a raison : " un coeur joyeux est excellent pour la santé ". 


Dans les Ecritures, le vin représente la joie et le premier miracle de Christ a été de changer l'eau en vin, le meilleur qu'ils n'avaient jamais bu. Jésus est un créateur de joie ! Alors comment cela se fait-il que nous n'en manifestions pas plus ? Jésus a dit : « Je vous ai dit ces choses, afin que Ma joie soit en vous, et que votre joie soit parfaite » (Jean 15.11). Comment pouvez-vous affirmer que vos péchés ont été pardonnés, que Dieu dirige votre vie et vous protège, et que, après votre mort vous irez Le rejoindre au paradis, tout en affichant jour après jour une mine aussi désespérante qu'une grappe de raisin desséchée ? Paul était tellement rempli de joie qu'il amena à Christ les gardiens de sa prison et qu'une communauté chrétienne vit même le jour dans la « maison de César » ! (Philippiens 4.22). Votre attitude quotidienne aura davantage d'impact sur votre entourage que votre théologie. Quand les autres vous verront vous réjouir dans les moments difficiles, ils se demanderont quel est votre secret. Ils penseront : « J'ai vraiment besoin de ce qui le rend aussi heureux et deviendront plus réceptifs à la vérité de Christ. Le bonheur que propose le monde est conditionné par les circonstances de la vie, tandis que la joie est le résultat d'un choix qui nous fait dépasser ces circonstances. La Bible dit : « La joie du Seigneur sera votre force » (Néhémie 8.10). La joie est ce qui vous pousse à aller de l'avant, et le Seigneur en est la source. Alors, votre coeur est-il joyeux ?

                                                                                                                              (Tiré de Sa Parole Pour Aujourd'hui du 08/12/2008)


Somebiseby izany saina, falifaly 'zato fo, f'io ilay hazo nandrandraina, fa efa tonga ao tokoa. Miandry sisa izay atolotra, eo am-pototr'ilay hazo, faingana tonga r'ilay andro, andron'ny NOELY soa.

 

 

 

Inty indray no nampifaliana ankizy natao gateau d'annif, mora atao no mahafaly ny ankizy any ampianarana, mba jenitra ery ny anao ! Azo esorina koa ilay alu dia rakofana chocolat alohan'ny hametrahana ny haingokaingony.

 

Alahady hariva fiala-tsasatra, avy orana, matroka andro. Ny zavatra tiako rehefa toy izao dia ao anaty bodofotsy mafana. Niezaka natory ary aho avy nisakafo atoandro io, nefa tsy nety nikipy ity maso re. Nitamberina tao an-tsaina daholo ireo natao fahiny tamin’ny mbola kely. 

Rehefa alahady voalohany dia any ambanivohitra mivavaka maraina any dia hariva vao mody. Raha tsy izany dia matetika dia mandeha mitsangatsangana izahay ao an-trano, tonga hatrany Ambatofotsy atsimo, na manodidina mitovy halavirana toy izany. Sady manararaotra miantsena io, mividy ny entana varotana eny an-tsisin-dàlana eny. 

Fa raha sendra ilay tsy mivoaka iny kosa aloha dia ny lalao eny an-tokontany no atao. Nitamberina tao an-tsaiko ny lalao fanaoko taloha : dimbazà , sabaka, zedelastika, sôtaôtera, tsobato, fangalam-piery, zedekapôka, manao kilalao ... sns. Ary inty iray ity tsy dia fanaoko fa rehefa hoe raikitra io no ataon’ny hafa dia mijery fontsiny aho : "tantara-tantara" no iantsoanay azy, asa raha hainareo ilay manoritra trano amin’ny tany dia vatokely no atao olona ary ampitenenina. Tsy alahady ihany akory no fanovanay ireo fa ny alakamisy hariva sy asabotsy manonolo. Hany ka rehefa asaina mody aho ny hariva² dia tsy maharay tena intsony eo ambony latabatra, nefa asaina misakafo mialoha io, fa mikipy ho azy fontsiny ny maso sisa ! Fa taloha koa rehefa hariva mafana iny dia raikitra ny hoe andao hividy gilasy etsy Ampandrana, dia lasa daholo, na kely ary ny anjaran’ny tsirairay dia faly ery miara-mihinana sy niaraka nandeha tany.

Zavatra iray nahafinaritra ahy koa dia rehefa harivariva iny, ka nahazo naoty tsara tany an-tsekoly, dia entin’i dada sy i mama mandeha etsy Andravoahangy (tsy lavitra anay mantsy io toerana io) dia ividianany zavatra kely fampaherezana ! Tsy ratsy an ! Faly ery ny tena fa tena tia ireo ray aman-dreny. 

Fa efa ho 1 volana latsaka moa izao dia ho tonga ny noely, dia io indray dia tena hafa kely mihitsy fa finaritra ery mandeha mivoaka eny an-tsena, indrindra any Analakely ! Kilalao izany, mitsiriritra, sady efa mijery² ilay kiraro sy ny ravin-damba hatao akanjo ho vidiana ! Tsy maintsy hiakanjo vaovao sy tsara mantsy @ krismasy any ampiangonana ! Dia mararaotra io fotoana io koa mijery izay kilalao tiana ho vidiana @ ilay noely, inona moa fa tsy dinety sy saribakoly matetika ! Dia variana koa mahita an’i Jacques Dallès : manao Père Noël mandalo @ fiara sy mizara vatomamy. Matetika teny Antaninarenina no fahitako azy. Koropaka moa ny olona rehefa sendra azy. Ary ny Mpitsoka mozikan’ny Gouvernemanta koa etsy an-daniny, matetika eo Antaninarenina eo foana koa. 

E e e, tsy adino koa ilay rehefa alakamisy hariva misy angano kely, misinda daholo aloha ny lalao rehefa @ 4 ora sy sasany, samy mamomjy ny any an-tranony avy. 

Fa dia tsy itako intsony ireo kilalaoko nony taty aoriana, very daholo na tsy haiko ve ? Dia tsy hay e, ny fahatsiarovana mipetraka na dia tsy hita intsony ary ireo kilalao sy ny namana tamin’izany fotoana. Nisy iray t@ izy ireo izao nodimandry tamin’ny volana mey teo, nalahelo ery ny fo na dia efa ela tsy hita ary izy talohan’ny nandehanany. 

Izay ilay fiainana e !
 

Tapitra aloha iny tag momba an'i Afrika iny. Fa izao : hoy ny fiteniteny aty an-tany lavitra hoe : 

Relax Max,

Tranquille Bill,

Cool Raoul.

Fa hoy aho hoe mba tena nivaky loha aho nanova io blaogiko io ka izao aho vao mampiasa ireo fiteny ireo mahita ny zava-bitako. Hi hi hi, nataoko ity post ity mba hahitanareo azy sy mba hametrahanareo fitsikerana mety ilaiko na mety tsy ilaiko koa. Atao ahoana e, misy ny azo raisina misy ny tsy azo raisina fa tsy maninona fa mametraha ihany hafatra dia ho hitako eo ! Tsy masiaka aho akory fa mananihany re !  " MILAY VE ? " 

Notsongaina tao anatin’ny maro @ blaogy.com aho koa dia manaja ny safidin’i Jentilisa ary hanohy ity lalao momba an’i Afrika ity. Ataoko teny Malagasy ôfisialy satria afrikana gasy aho ary mbola mahatadidy ireo fitsipika rehetra momba izany. 

Ny tonga avy hatrany ato an-doha aloha vao miresaka an’i Afrika dia FAHANTRANA. Tsy midika fa mahantra daholo ny tany ao Afrika fa ny ampahany lehibe @ io tany io dia mahantra BE mihitsy. Teo ampijerena fahitalavitra aho no mahita zazakely 2 taona mitomany, ary hoy ny teny mitantara hoe : “ Iza no olona mba afaka miandraikitra ny tadiavin’ity zaza ity izao ? ” satria amin’ny tany miady no misy azy. Latsaka ny ranomaso satria vao lohahevitra teo alohan’ity dia mikasika zazakely, ary satria reny ny tena dia malahelo. Na dia ny mijery ireny zaza eny amoron-dàlana ato Tananarivo renivohitra ireny apetraky ny reniny hangataka ary dia ontsa ny fo. Maro ny zava-misy mampalahelo iainan’ny ankizy afrikana, nefa dia tsy hita fa hany mba mampionona ny foko dia hoe : “Mbola ho avy ilay maraina”. 

Ahoana anefa (tohiny)

Maditra, mpandazalaza, mihanta, be tomany, mafy loha, mandreraka, ... nefa dia : mahafatifaty, lalaiko, tsy foiko. Raha hendry ianao sombinaina, tsy misy maha-ory ireo havizanana mampitaraina, tsy tsapako akory. Satria hendry ianao sombinaina, izaho manantena fa manana olona azo antenaina.


Manahoana daholo e ! Henoko tamin'ny radio vao teo fa "journée internationale de la gentillesse" anio. Dia misy ny olona izay nalaina feo tamin'ny radio milaza ny nataony : 

- J'ai emmené des croissants pour mes collègues ce matin, hé hé hé !

- J'ai donné 2 euros à un sdf, ce n'est pas beaucoup mais c'est déjà pour s'acheter un café 

- C'est pas fatigant ? hoy ny mpanontany. Valiny : "Oui, sourire avec tout le monde fatigue le visage, mais je me reposerai demain !" (tapaka ny tsinaiko) 

Izaho kosa izao vao nahare ity andro ity h@ izay niainako ary itako fa tsara. Tsy fantatro izay mbola hataoko fa dia efa reko izao, na dia rahampitso ary tsy maninona fa hoy ny vazaha hoe : "Mieux vaut tard que jamais". Soa aloha fa mba gentille tamin'ny tenako aho nividy zavatra niriko h@ izay, sady efa feno kilalao eny amin'ny magasins ! ha ha ha ! (Inona ary izany hoy ny sasany ?).

Fa ny anareo : inona no mba mety hataonareo izao na dia tara kely ary tsy maninona e ! Raha nisy olona nahasosotra tany ho any dia mba zakaina ny @ ity indray mitoraka ity dia hadinoina noho ity andro voatokana ity e, samy hahasoa ny andaniny sy ny ankilany izay e ! Sa ahoana ?

Izay ary, mazotoa daholo ô ô ô ! 

"BISOUX SPECIAUX" androany ho anareo rehetra Kiss 

Mahafinaritra fa mba nitsangatsagana harivariva omaly dia mahita izao. Asa na izao no atao hoe tatamo na voahirana, tsy haiko loatra ny manavaka ireo. 

 

 

Veloma hono hoe, mampamangy any ho any, ny fitadiavana mahazaka maniraka. Lavi-kavana mantsy izahay reroy, manimanina ny akany tiana tsy fohy.

Dia manal’azy ity miresaka amin’ny mpiray tanindrazana eto ity. Lany eto anoloan’ny tarazava ny ora, ary raha atambatra dia efa mahavita andro maromaro. Faly ery ny ratsana toy ny misy masony tsirairay avy manindry ireto bokotra mamoaka soratra. Dia amboamboarina eto izay felana efa vonona voatolotra, mampihaingo araka izay mety sisa azo atao, na dia ovaovaina loko eo ary dia atao ampy, hi hi hi !  

Dia variana tokoa mamaky ny hevitra maro sy mamoaka mba hitovy amin’ny besinimaro. Indraindray dia misy ny teny fihaviako tena izy, nefa mbola mila fanitsiana. Misy ny “fiteny finday” no hita, hi hi hi, tsy maninona fa rehefa fantampatatra izay tiana ho lazaina dia izay, hi hi hi ! Io ary fa misy mamay an, tandremo ny tosidrà re ! Any moa misy ilay iray izay tena tsy laitra akisoka mihitsy
Money mouth, ho hitanareo eo izy e, fa milay ka !  

Ny mampihomehy matetika dia rehefa varibariana mamoaka ilay hevitra, be koa ny mpamaky varimbariana mametraka ! Misy ireo nanindry bokotra an’arivony maromaro dia isa vitsivitsy no mifanandrify. Ny mpahazo tsindraindray dia hoy izy roa vavy hoe : “andao ka”. Dia mipetraka ihany ny fankasitrahana mba ho fampaherezana. 

Fa ny tena mahasosotra dia rehefa mba vonona ny hiteny ianao dia tapenan’ny Nety maso, tsy mahazo mijery eto hono !!!! Dray dray dray, ny sasany efa manindry in-5 mbola eo ihany no eo. Rehefa sokafana anefa ny fandrindrana dia io eo, miteny irery ianao hoe :” misy mazoto be izany !”, hay ilay teo ihany no teo. Akoatr’izay io koa misy masinina mametraka vaovao ratsy, soa ihany !

Manal’azy hoy aho izy ity, mandany andro fa faran’ny herinandro. Amin’izay koa mbola manginy fontsiny dia tsy miasa hono nefa efa tsy miasa androany, voa daholo ny mpiasa 5 andro rehetra tamin’ity indray mitoraka ity. Koa samia manao izay mety ary e ! 

Kdômbitah  



Hono ho aho ry zareo mba te-hahalala aho : inona tokoa moa no tena atao hoe MIFOSA ?

- Miresaka zavatra ratsy momba ilay olona ve ? raha misy ratsy tokoa ary ilay olona dia ahoana ? ary misy ilay ratsy matoa mifosa iretsy ... 

- Dire tout haut ce que les gens pensent tout bas ? Tokony ho fantatr'ilay resahina ihany anie ts'inona e !

- Mitakoritsika ny ataon'ilay olona ve ? Maninona no manao izany raha tsara no ataony ? 

Tsy dia azoko loatra ilay hevitra raha toa ka milaza ny marina ny resaka any ambadika. Sa mbola misy fanampiny azonareo tenenina ampiarahina ohatra ve ? 

Hihomehy ianareo tantaraiko ity. Tao Antananarivo faran'ny taona t@ izay ! Nandeha nijery² teny Analakely teny ny tena moa. Mifanototra ny olona mikarakara fety faran'ny taona. Sendra ilay làlana teritery iny aho sy ilay olona niaraka tamiko, dia tafasaraka izahay. Nisy olona maromaro nanasaraka anay. Inona hoy ianareo ? Injay reko taorianako nisy nikitika moramora sady somary nisafosafo ny tapako ambany, eo @ ilay faritra mamoafady ! Nitodika aho, inty lehilahy no taorianako. Saika andeha hitabataba azy aho fa nieritreritra kely dia naleoko tsy niteny fa efa sarotra ny fiainana !

Izao ny antony : rehefa nojereko tsara ity lehilahy izay mody tsy taitra taorianako nikitika ahy ity, dia nisy olona nifampitantana taminy nanaraka azy, mino aho fa vadiny ilay izy ! Tsy izay ihany fa nisy olona hafa taorian-dry zareo nifampisarika t@ ilay ramatoa : zanany vavy somary efa teo amin'ny 13 na 14 taona teo !!! Nodinihiko tsara izy mba ho hitany ny masoko nivandravandra azy, izy mody maty etsy toy ny tsy nanao inon'inona ! Fa dia mba tsy hisian'ny ady mivady sy hanala baraka azy @ ity zanany kely, mba manan-janaka ihany ny tena, dia nalefako nihoatra ahy ry zareo sady niandry ilay olona niaraka tamiko aho.

Ô rey olona e, ianareo lehilahy itony dia tena tsy mahay mipetraka mihitsy marina. Mba ampirimo iny tànana iny rehefa mba miaraka amin'ny vady aman-janaka, indrindra mba omeo ny hajany izy ireo ! Hajao koa ny tenanareo sy ny tokatranonareo !  

Mba sendra vonona hijery sarimihetsika iray tato an-trano izahay t@ alahady alina lasa teo. Tsy vao sambany aho akory vao nahita sarimihetsika fa inty indray mitoraka ity dia mampatahotra : tsy ilay tantara namboarina ireny fa tena zava-nisy daholo no tao anatiny. Izany hoe tena tsy nisy natao fandikana ilay izy fa tena niainana ny nojerenay. Vao haingana ilay tantara anefa fa tsy hoe tamin'ny andro fahiny akory.

 

Mikasika ny fiainan'olona mbola tsy azon'ny sivilizasiona anaty alan'i Amazonie moa ilay izy, ka tena hafa ilay fiainany ! Sady manginy fontsiny dia mbola mihinan'olona mbola manta izy ireto fa tsy mbola mahandro sakafo. Mamono olona @ fomba mahatsiravina isan-karazany izy ireto. Misetrasetra zazavavy izy ireto. Miaina eny ambony hazo izy ireto. Mamono zaza vao teraka izy ireto, sns. Aoka fontsiny fa ny fandehan'ny tantara dia tena tsy nampoiziko. Toa raha tsy diso aho dia vao haingana no nisy fiaramanidina nanidina iny faritr'i Amazonia iny nahazo sary ireto fokon'olona miaina anaty ala tsy mbola voazaha. Angambany ireny ilay izy. Tao anatiny tantara dia nampiseho habibiana ratsy koa moa ireto fotsy hoditra sivilizé nandeha tany ka niharan'ny vokatry ny natao tsara ! 

 

Nefa na dia tena nampihoron-koditra sy naharikoriko aza anefa dia tena nampi-te-hijery h@ farany ilay izy ! Niafarany dia vitako ihany ilay izy, ary dia nisalebolebo aho tamin'ny farany. Ny tena loza dia tena tsy nahita tory aho fa tena voadona mafy loatra ilay saina, eny mila mafy saina tokoa ny mijery ilay izy, ka nihodikodina tao am-pandriana tao foana fa niverimberina tato an-doha ireo sary mahatsiravina. Efa tamin'ny 5 ora maraina aho vao natory moramora, nefa tsindrian-daona ihany na dia izany ary tao anaty torimaso, mbola nitaitaina fatratra. Fa dia mbola h@ izao aho mbola lasa saina foana ary tsy te-hijery sary @ fahitalavitra misy ireny ambanivohitra ireny aloha fa mbola miahiahy. Aleo omeko anareo eto ihany ny lohatenin'ilay izy sao misy te-hahita ianareo na misy efa nahita : "Cannibale holocaust". Mazotoa e !

 

Hay toy izany no fandehan'ny fiainan'ny zanak'olombelona taloha ! Loza be ! Tsy mahagaga raha mbola misy ny vonoan'olona sy ny habibiana isan-karazany. Nefa moa ve toy izany ihany ny endriky ny habibiana sa misy endriny vaovao ankehitriny ? 

I Soa kelin'i Dada sy i Mama
 

(Tiako be ity lahatsoratro iray ity dia averiko eto indray na dia efa tamin'ny volana jolay ary !) 

Fony mbola tanora saina, rehefa mitso-drano ireo nahitana masoandro, na tsy voateniny daholo ary ireto teny ireto dia tsapa fa tao anatin'ny tiany ho lazaina daholo. Rehefa miatrika fiainana vao tena mahatsapa azy fa eo ampihainoana azy matetika tsy takatry ny saina mihitsy. Henoy tsara anie rehefa miteny izy ireo fa mifono zavatra lalina ny resaka ataony :


Tsofina rano ireo sombin'ny aina mba ho tafita amin'ny ambony indrindra. Ho olon-kendry sy marina koa, ho reharehan'ny fianakavina sy ny tanindrazana. Ho arahin-jazalahy sy zazavavy, ary ho fenitry ny tanora ankehitriny. (tohiny)

Mba tena nahatalanjona ahy koa ny zvt itako tany Dago farany. Faran'ny taona 2006 t@ izay ary nandeha nanao ttsy teny Anosy aho. Niditra ity birao iray fa tonga ny anjarako fa efa niandry elaela tao ihany aho. Olona 2 no miasa amin'io birao io ary latabatra 2 izany no tao. Ny latabatra voalohany dia misy ramatoa efa bebe taona ihany ary machine à écrire éléctronique no ampiasainy, ny faharoa misy ordinateur ary tovolahy no miasa eo. Ilay ramatoa no tena mandray olona, fa ilay tovolahy kosa mandeha² etsy sy eroa fontsiny. Nefa inona hoy ianareo ? Isaky ny misy olona tonga dia misy zavatra taper-na lavabe foana, la même chose ! Nefa ilay ordinateur iray etsy tsy miasa fa mirehitra fontsiny. Ny filaharana lava ary nefa entre 9h sy 11h ihany no fandraisany olona. Tena lasa ny saiko hoe vita vetivety izy ity raha mampiasa ordinateur satria ilay anaran'olona fontsiny no ovana dia ny texte ambiny tsy misy miova. Ilay olona @ birao iray etsy tsy mihetsika, fa mivoaka sy miditra miresaka etsy sy eroa, nefa matoa misy io ordinateur io eo dia afaka mampiasa io izy ary mahay, itako ihany izy nikitika teo ts'inona.

Ô rey olona e, dia tena bloqué sy tara amin'ny taratasy atao amin'ny machine à écrire isika ! Ary betsaka ny olona tsy tonga saina mba hifanampy mba handrosoan'ny firenena. Izay koa angambany rehefa mpiasam-panjakana ve ? Na izany ary dia midera ilay ramatoa aho satria vitany araky ny fotoana vitsy nomeny ireo taratasy nilaiko, ary tsy nisy risoriso mihitsy izany an !

Misy ny olona miasa tsara, ary misy ny olona tsy tia miasa ! Fanetriben'ny firenena ny tsy fifanampiana eo amin'ny mpiara-belona indrindra amin'ny mpiray birao ! Mandany volam-panjakana fontsiny ! Izaho no eo amin'ny toeran'ilay tovolahy dia manampy aho satria tsy tiako ny mipetrapetraka, ary satisfaction ho ahy ny mampiasa io ordinateur io sy ny mahazo ny fifalian'ny be sy ny maro indd ny manampy olona ! Asa aloha e ! 

Efa mirefarefa 
sy tsy ho tana ny hazavàna 
Antananarivo no tsara trano ka vakiniadiana no sola vatony.
Ventso ihany sisa 
no voatanisa fa tsy tamàna 
Tsaroako indray e 
Ny any aminay 

Ireo vorona mody e 
misodisody mikopaka eny 
Ampombaiko veloma 
fa tsy hay antsoina 
i Kaky sy i Neny 

Toa hitako sary eto anoloana 
mijinja vary eny am-pamoloana 
Ny nanovo rano 
miloloha siny 
mitantara angano 
toy ny fahiny 

Manako moramora 
toa manakora ny rian-drano 
Ny nofy eny manga 
ny maso foana manganohano 
Singany irery ts'isy mpijery 

Erika mifafifafy ny onja mihamafy 
manao patrakala 
Sarin'ny foko ao anaty 
toa tsy mahatanty 
fa lavi-malala                                                        
(Bouboul) 

- maninona izao ianao io no mitsidika eto nefa tsy mametraka hafatra ?

- maninona no tsy mety hametrahana hafatra any amin'ny hafa nefa efa nanoratra bdb aho tany, lazainy fa tsy mahazo alalana hijery eto hono aho

- very maina ny hery matetika rehefa tsy mandeha @ tokony ho izy zavatra nandrasana ny natao sa ... ahoana ?

- tsy maintsy miasa ve na kely aza ny karama ?

- ahoana koa ny manaraka, dé ahoana dé ahoana koa ny manaraka ...

____________________ 

29/09/2008 : Tohizako kely eto ilay izy fa toa tonga tsikelikely ilay DIA ambiny.

- DIA ... ho mafy ny zavatra ho hitako rahampitso. Toraho " MAZOTOA " raha hitanareo ity alohan'io andro io e Wink ! Fa koditra e ! Hi hi hi !  Ny anareo ve ho mora sa ho sarotra toa ny ahy rahampitso ?

'Lay ô ô ô, siokan'ny Surprised manina ... 

 ... aoka fontsiny ny androany @ voanjobory sy saosisy Tongue out

Ahoana tokoa moa izany ? hi hi hi Surprised  
Inona no nanaovana ireo hoy ianareo ? Mahita atao mihitsy ny olombelona ka !
 
 
 
 

Journal d'aujourd'hui : furax la mama, pourquoi ?

Ce lundi, comme son mari travaille, je me suis permise de proposer à ma voisine de l'emmener chez le médecin car son fils avait de la fièvre, Je les ai emmené à la pharmacie après pour que l'enfant reçoive les soins nécessaires rapidement. Là, ça passe ! 

Le mardi suivant, la même voisine vint chez moi et taper fort à ma fenêtre. J'ai couru pour voir ce qui se passe car c'est la première fois que j'entend quelqu'un m'appeller par mon nom si fort dans mon quartier !

- Qu'est-ce qu'il y a ? 

- Mon fils (un autre qui a 15 mois) a ingurgité de WHITE SPIRIT !

Là, j'ai sursauté pour aller voir. Il n'a rien, mais sent le liquide très fort. J'ai dit d'appeler le 18. Pas de téléphone fixe chez eux. Nous avons appelé avec le notre. Et finalement le 15 lui a dit de l'emmener à l'urgence pour être obsérvé pendant quelques heures. Du coup et sécouée par l'évènement, je me suis proposée de l 'emmener tout de suite à l'urgence. Tout est normale, n'est-ce pas ? Le mari dit qu'il allait les rejoindre à l'hopital, alors je les ai déposés à l'urgence en leur disant que si son mari ne sera pas arrivé ou retenu au travail, je viendrai les chercher pour rentrer. 1h 30mn plus tard, l'hopital m'appelle pour me dire de venir, donc le mari n'est pas venu ! Ce n'est qu'en route pour la maison que ce dernier téléphone pour demander où sont-ils car il est dans le parage de l'hopital (pourtant son lieu de travail est à 10 kms, disons à 5 mn de l'hopital). Et finalemet ils se sont retrouvés chez eux ! Là, ça passe !

Mais ce matin, ce que je craignais est arrivé ! J'ai ramené sa fille de l'école qui est dans la même classe que la mienne, la maîtresse est absente. Et là, la fameuse voisine a l'audace de me demander si je pourrai l'emmener voir le prêtre ce mois-ci, juste pour lui donner le nom de baptême de son enfant qui va être communiée (je ne connais pas trop ces trucs catho !!!), je te donnerai de l'essence a-t-elle dit ! Je lui ai répondu de téléphoner si ce n'est que ça. Mais j'ai vu rouge dans ma tête car :

- Elle me considère comme un taxi Undecided   

- C'est bête dans sa tête si c'est comme ça ce qu'elle déduit de ces service d'urgence Innocent

- Je lui ai donné l'impression de quelqu'un qui peut la véhiculer n'importe où comme si je n'ai que ça à faire Yell!

Hafahafa itony olona itony ! Je vais mettre le point sur le i ! Et je crois que je vais prendre mes distances. Furax la mama ! Sealed

Ahatsiarovako ny fahazazako ity hira ity, fa tsara tokoa. Tena mahavit'azy ilay logiciel ka !

 

ICE :

Les ambulanciers ont remarqué que très souvent lors d'accidents de la route, les blessés ont un téléphone portable sur eux. Toutefois, lors des interventions, on ne sait jamais qui contacter dans ces listes interminables de contacts.
Les ambulanciers ont donc lancé l'idée que chacun d'entre nous rentre dans son répertoire, la personne à contacter en cas d'urgence sous le même pseudonyme.
Le pseudonyme international connu est « ICE » (In Case of Emergency). C'est sous ce nom qu'il faut entrer le numéro de la personne à contacter, utilisable par les ambulanciers, la police, les pompiers ou les premiers secours.
Lorsque plusieurs personnes doivent être contactées on peut utiliser ICE1, ICE2, ICE3, etc.
Facile à faire, ne coûte rien et peut apporter beaucoup.

 

AVC : 

Cela peut servir ! Prenez quelques minutes pour lire ceci et peut-être sauver une vie .....et contribuer à faire connaître le danger que représente l'Accident Vasculaire Cérébral.
Lors d'un barbecue, Julie trébuche et fait une chute. Elle affirme aux autres invités qu'elle va bien et qu'elle s'est accrochée les pieds à cause de ses nouveaux souliers.
Les amis l'aident à s'asseoir et lui apportent une nouvelle assiette. Même si elle a l'air un peu secouée, Julie profite joyeusement du reste de l'après-midi... Plus tard le mari de Julie téléphone à tous leurs amis pour dire que sa femme a été transportée à l'hôpital....Julie meurt à 18h. Elle avait eu un Accident Vasculaire Cérébral lors du barbecue. Si les personnes présentes avaient été en mesure d'identifier les signes d'un tel accident, Julie aurait pu être sauvée.
Un neurologue dit que s'il peut atteindre une victime d'AVC dans les trois heures, il peut renverser entièrement les effets de la crise. Il affirme que le plus difficile est que l'AVC soit identifié, diagnostiqué et que le patient soit vu en moins de trois heures par un médecin.
Reconnaître les symptômes d'un AVC : Poser trois questions très simples à la personne en crise :
1  - lui demander de SOURIRE.
2  - lui demander de lever LES DEUX BRAS..
3 - lui demander de PRONONCER UNE PHRASE TRES SIMPLE (ex. Le soleil est magnifique aujourd'hui).
Si elle a de la difficulté à exécuter l'une de ces tâches, appelez une ambulance et décrivez les symptômes au répartiteur.


Voilà des choses à savoir qui peut sauver des vies.
 

Toa tsy mety misy lasa ny messages bdb nalefako valin'ilay "mitady feom-behivavy" izany fa mba jereo e ! tena efa bdb mihitsy no nosoratako tao fa asa ise raha miasa be loatra Foot in mouth angambany !!! Cool 
Tsotra dia tsotra ny hafatra : manaova vakansy tsara dia tantarao eto @ izay ilay tena nahaliana anao tany ! Tena mba hahafinaritra ny fitantarana isan-karazany ho hitako eto angambany raha samy mitondra ny anjara birikiny. Izaho moa tsy nandeha fa dia ny fitondrana ny ankizy tsindray² no atao eny amoron-dranomasina. Variana aho androany nahita ilay "bateau de sauvetage" niala ny port handeha hamonjy olona nefa ny ranomasina tena nanonja aok'izany, nahatratra 5 m ny onja, fa tafita ihany aloha leiry teny ambonin'ireo vagues ngôzabe. Nahatsiarovako ilay film iray nisy ilay pelletier maty daholo ny tao anatiny, mbola tsy nalaza i Georges Clooney t@ izany nefa tao anatin'ilay film izy. Nony niverina ilay sambo avy eo dia niandry tery amin'ny large elaela tery aloha niandry ireo onja hitony, kanjo indro naka verilina ny niafarana, môtera à fond, ary dia nanaraka avy aoriana ilay onja mafy be mihitsy. Indro fa tafita soa aman-tsara ilay sambo kely. Nahavariana e ! avy eo re tamin'ny vata fandraisam-peo teny am-podiana fa maty niaraka t@ alikany vehivavy iray raha nandeha namonjy ny alikany lasan'ny onja ! Danz ny fitiavana alika fa namoizana aina izany ! 
Toa hevitra tsara indray ity hoe ny friandises no taxer-na be ! Tena MANAIKY be mihitsy aho fa tsy ny PPN akory no fantsihina nefa atao mivandravandra isan'andro hoe : " Evitez de manger trop gras, trop sucré, trop salé " sy ny hoe " Manger au moins 5 fruits et légumes tous les jours ". OUF, ..... un soupçon de sagesse!  

Ho anay tsy nandia tany betsaka, dia ny tv no atao mahamay ! Eo no hitsidihina ny toeran-kafa ary variana tokoa : Ushuaïa, Iles .. était une fois, J'irai dormir chez vous etc. (tohiny)

Mety resaka science (eritreretiko hoe éléctricité) ilay izy fa izaho efa nahita ity zavatra ity : rehefa matory amin'ny alina ka pihina ny jiro ary ao anaty aizina, ilay mbola tsy mahita tory iny fa mivadibadika dia mahita zavatra lavalava kely toy ny tapa-kahitra manify tokony mirefy eo amin'ny 2 cm eo ho eo, mitselatra aingana be mihitsy ary miloko maitso. Tsy mbola matory amin'io an, fa ilay izy tsy mety jerena maharitra fa rehefa sendra azy dia mahita. Ao an-trano mihidy io fa tsy eny hanabakabaka akory, ary tsy matetika ilay izy. Efa nahatsikaritra io ve ianareo ?    

Nankaiza daholo ireo "mpibadabada efa zatra" eto amin'ny pejiko ? Toa an-dry : Ikalamako, Pissoa, Lalasoa, Tokinao, Simp, News2dago, Lhltrs, Maintikely, Johary, ... sy ireo mpandalo mamela hafatra. Inty hira namelan-kafatra ho anareo mpitsidika eto, dia araho sioka, tandremo ny manadino solonify ka rivotra no hifofofofo Surprised :  

Rakoto "mafy loha" (Ny Railovy) (tohiny)

La différence entre un défi et un projet c'est qu'on peut se réaliser par le projet. Réaliser un projet est parfois un défi. Un défi qu'on lance à soi-même peut se métamorphoser en projet. Le défi fait appel à la spontanéité, le projet à la réflexion. On peut planifier un projet, pas un défi. On doit être audacieux pour relever un défi, courage et tenace pour un projet.

 

BON COURAGE à tous, que vos projets soient réalisés !

 

Mandeha mivavaka,

Misakafo tsara ny atoandro,

Matory kely manao sieste,

Mitsangatsangana miova rivotra kely,

Mijery film mahafinaritra ... !!!

Dia ny ampitso hiatrika ilay herinandro vaovao indray velom-bolo tsara ! 

Sa ahoana ?

Kbômbitah

 

Tandremo sao manaonao foana eto imasoko eto fa itako eto amin'ny écran daholo ianareo rehetra ireo an ! Tandremo dia tandremo mihitsy.

Valin'ity sujet nataon'i Simp ity no soratako eto anehoako ny hevitro .

 (tohiny)

Aneth : aide à soulager les gaz intestinaux.
Basilic : détruit les radicaux libres, favorise la digestion, calme et inhiberait même la croissance des tumeurs cancéreuses chez les animaux. Qu'en est-il des hommes?... Enfin, écrasé et appliqué sur une piqûre d'insecte, il diminue la démangeaison.
Camomille : anti-inflammatoire.
Ciboulette :  (tohiny)

Kiiiii, tena te-hihinana trondro endasina aho izany ! Ilay trondro madinidinika fahita any Dago ilay atohitohy eny an-tsisin-dàlana ireny !  (tohiny)

 

 

Mère,

 

J’ai de toi une image

Qui ne vit qu’en mon cœur

Là, tes traits sont si purs

Que tu n’as aucun âge.

 

 

Là, tu peux me parler

Sans remuer les lèvres

Tu peux me regarder

Sans ouvrir les paupières.

 

 

Et lorsque le malheur

M’attend sur le chemin

Je le sais par ton cœur

Qui bat contre le mien.

 

 

                                                    Maurice Carême

 

 

Aza adino ambony afo intsony ny sakafo fa karakarao tsara. Aza ilaozana mijanona ela eto anolon’ity nety ity no mety ho marina kokoa Cool ! ha ha ha ! Mahakamo be ny mahita azy maity be avy eo sady ianao efa noana be iny Foot in mouth  tena sorena mihitsy rehefa tratran'izay Sealed ! Mbola hanadio vilany koa manginy fontsiny Undecided!

Fa izao misy fika : raha misy sakafo may miraikitra ny vody vilany dia izao no anaovana azy mba hampiala azy. 

- En émail : asiana sira betsaka sy rano ary avela hilona iray alina. Rehefa avy eo dia ampangotrahina io ranontsira ao anaty vilany io dia sasana amin'izay rehefa zaka ny hafanana, na matimaty ary tsy maninona. 

- Raha vilany tsotra : asio rano sy vinaingitra mitovy habetsahana, avela ao io mandritra ny alina fa ho hitanao fa mora kikisana ireo sakafo may miraikitra rehefa maraina.

- Raha nandoro kaserôla kosa ianao dia raraho vovoka karibônetra dia avelao hilona ora vitsivitsy dia sasao toy ny mahazatra avy eo

Mazotoa manasa ô, aza manao “voky Money mouth izy dia natory” ô ! 

 

 

 

 

 

 

 

 

Hélas, je ne l'ai jamais vu Undecided

Androany aho nanao pikinika niaraka tamin'ny olona tao ampiangonanay. Maro tokoa ireo sakafo hita tany toy ny : civet de canard, saosisy sy pitipoà (ny ahy), carry "baba figue" , rougail tamarin pimenté, gateaux isan-karazany ! Androany aho ry zareo vao nihinana izany carry baba figue izany. Inona ary izany ? "Carry" moa ny dikany amin'ny tenintsika dia laoka, araka ilay hira hoe : carry langouste, avec piment vert ... etc, tadidinareo ? Fa ilay antsoina hoe "baba figue" no tsy haintsika : izy io dia ilay vonin'akondro, aty misy mivarotra eny an-tsena. Asa raha tadidinareo rehefa manome voankazo ny akondro dia ery amin'ny tendrony ambany misy voniny miendrika fo ary volomparasy no lokony. Aty dia tapahina io ary atao laoka, sady @ izay koa mitombo tsara ilay akondro. Tetehina madinika izy io ary ritina amin'ny henan-kisoa fumée asiana saosy voatabia miaraka @ sakay be tsy masiaka ireny ! Tsara ka, nisy izao teo an-tokontaniko teo dia mba naka koa aho ho andramako ny fanaovana azy fa efa hita iny izao fa matsiro. Mbola tsy hitantsika izany ô ? Betsaka ny azo hanina fa mbola tsy fantatsika gasy nefa ahitana azy ireny marobe any amin'ny tanàna.

 

Kdômbitah 

Un couple de parisiens décide de partir en week-end à la plage et de descendre au même hôtel qu'il y a 20 ans, lors de leur lune de miel. Mais, au dernier moment, à cause d'un problème au travail, la femme ne peut pas prendre son jeudi. Il est donc décidé que le mari prendrait l'avion le jeudi, et sa femme le lendemain. L'homme arrive comme prévu et après avoir loué la chambre d'hôtel, il se rend compte que dans la chambre, il y a un ordinateur avec connexion Internet.  (tohiny)

Nandray taxi (R5 efa "reraka be") tetsy Belaire izahay ho any Vavambiby (anelanelan’I Soarano sy ny tohatohabaton’Ambondrona). Ny amboteiazy eto Ampandrana moa tsy hay lazaina intsony ka dia lasa ny tantara mahonenan’ity saofera. Satria tsy ho afaka hanodidina ary Soarano anoloan’ny Pochard hono izy fa tena tena mandany esansa no mbola ho mafy koa ny amboteiazy mandra-pahatonga any fa dia hapetrany etsy @ tohatohabaton’Ambodrona hono izahay. Izao ilay tantara : (tohiny)

Ny hiran'izy ireo no niangaly ny anganontsika rehefa alakamisy hariva taloha !

Misaotra an'i Johary manokana aho ! 
 
 

Resabe ankehitriny ny hoe hisy crise-na vary hono izao atsy ho atsy fa mbola tsy mbola tonga aty ny fiantraikany, ka hisondrotra 2 na 3 avo heny ny vidiny tsy ho ela.  (tohiny)

  Lasa ny saiko, mitamberina ny fahiny !!! Variana aho mahatsiaro ilay boky nahafinaritra ahy ny namaky azy satria feno tantara maro nitaiza tao anatiny.

  Niatomboka tamin'ny boky tany amin'ny kilasy ambany indridnra ary tena nalaza tokoa : " LALA sy NORO " ! Ha ha ha : " milalao lolo i Lala ... " dray dray dray, misy ilay sarina zazalahy kely milalao lolo ngôdabé !!!!! Tandremo letsy ! Iny ve tsy hanaikitra ? (tohiny)

Iry tendrombohitra tomandavana, soa malomaloka mavamavana, topazo maso fa raha tazanina, manerinerina mahamanina, izay tsy ho manina hoy aho mandainga, fa olon-te hody ka te-hanainga.

Irony aviavy toa maro taroka, mahate-hipetraka hialokaloka, tsy mba arovana tsy mba ambenana, kinanjo atonina itombenana, ny maso mijohy toa patrak'ala, ka  vao tafatombina dia miala ....

Ity ilay tohiny fahatelo fa i Pissoa no nampitamberina azy tato an-tsaiko :

Ity rivodrivotra an-tanin'olona, mitsoka maraina toa mitambolona, hariva ny andro vao mba miritsoka, kanefa malefaka mahaditsoka, raha ny maso no ditsoka leoko ihany, fa ny fo re no ditsoka ka tomany !

                                                                                                                                                                    Ny Havana Ramanantoanina

Any ianao izay ry taniko !
Kdômbitah

Tonga tao anaty boîte à mails-ko ity koa zaraiko aminareo satria MAHAVARIANA, MAMPALAHELO ary MAMPITANDRINA antsika mpitondra fiara. Moramora ihany rehefa mitsondra io fatritramby misy kodiarana io isika e !

Kdômbitah  (tohiny)

Asa, mety misy azo ampidirina ho teny ôfisialy malagasy ve izy itony satria misy ny tena efa fampiasa andavan'andro, sady ny teny anie mivoatra koa. Misy kosa anefa ireo tsy mety satria manapotika ny teny malagasy tsara rafitra toy ny " fahafinaretana (fafiny) ", fa ireo teny vaovao no tena tiako ho lazaina. 

Milay = favy : tsara ----> tsy fantam-pihaviana

Raitra = tsara

Manal'azy : stress ve no esorina ?     (tohiny)

Kdômbitah !

                
TENINDRAZAKO

Ilay teny, tenindrazako
Dia haiko tsy nindramiko
Nanaovana ny lelako
Ka haiko tsy avelako


Lalaiko f'io ny teniko
Iombonako amin-dreniko
Tsy afaka ao am-bavako
Mambabo ny fitiavako

 
Vao vaky ny fibadako
Teo an-trotron'i dadako
Dia io no nisantarako
Ny angolam-pahasambarako

 

Fiteny aombiazako
'Lay teny soa an'ny razako
Nanaovana ny fiainako
Namboatra ny fisainako.
   

Kdômbitah !

Iza no mahatdidy ity toerana ity ?
Efa tamin'ny 1974 aho no tany nefa mbola itako ao foana io baobab io t@ izaho nandalo tany tamin'ny janoary 2007.
Firy taona ary izy io ?
Kdômbitah

Ahatsiarovako ilay any aminay e ! Indrindra rehefa tonga ny hoe " litchis de Madagascar " eny amin'ny mpivarotra lehibe ! MIAMMMM ! Fantatrareo moa fa ny manga ny voankazo mahazo ny laharana faharoa tena be mpihinana indrindra eran-tany aorian'ny akondro ?

Kdômbitah !

Hafa kely amiko ny andro anio. Nijohy efa ela ny ranon'orana.  Ary dia mbola nitombo izy androany, nitombo ranon'orana iray ! Tsy hitako anefa izay niova teo !  Na ny tato an-trano ary tsy nisy nahatsapa io fijojon'ny orana io ! Nefa mofomamy no tokony arosony ho ahy farafaharatsiny !  (tohiny)

Sendra nijery télé aho androany, reraka io harivariva io. Nalaina daholo ireo telekômandy mba tsy hifidrafindrana raha ilaina. Inona hoy ianareo no niseho : nanindry mafy ery aho, tsy niova ity fandaharana, nony elaela teo vao nijery aho, inona ary no nitranga ? ............... Raha misy mahazo an-tsaina izay antony dia milazà fa HAFAHAFA ilay izy Innocent

Kdômbitah.

Ity trangan-javatra iray ity no mba manitikitika ny saiko. Resaka ankizy izy ity ka manahirana ihany satria tsy zanakao no manao azy fa an'olona. Aty andafy mantsy dia tazaina libre ny ankizy, hany ka tsy ananany intsony ny fahalalam-pomba, tsy manaja olona fa dia manao izay tiany.

 (tohiny)