02 Septambra, 2010 15:57
Sakan-jaoridira !!!!!!!
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Etsy sy eroa ][ (3) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Mahatsikaiky ahy ity tantara niseho tany Angleterre ity. Narian'ilay vehivavy mpandalo tao anaty fanariam-pako ilay saka !!! Nahita ilay izy aho dia tapaka ny tsinaiko, aza taitra ianareo izay tia saka eto, fa maro ny antony nihomehezako :
- sendra vehivavy adala ilay saka
- lasa adala koa izay ilay saka, afaka teo ny adalàny
- iza koa ary no nahita naka io vidéo io, sao mba namboarina ilay izy ohatra hoe au profit an'i société protectrice des animaux
- ...... mety ho mpamosavy manary sikidy, hoy ny gasy LOL
- mety nitalaho azy ilay saka hoe : "ario aho, ario aho", tonga dia nisy poubelle teo dia nalefan'ilay ramatoa (parodie), LOL
Rehefa navoakan'ilay tompon'ny vidéo tamin'ny youtube io sary io hoe sao misy mahafantatra ilay ravehivavy, dia nisy tokoa, ary lasa nalaza ilay ramatoa. Saingy ny tsininy dia tena nisy nitandroka ny ainy ka lasa nahazo protection spéciale ny polisy izy. Be moa ny olona tany no tsy faly tamin'ny fihetsiny.
Fa ny tena mahalasa ny eritreritro rehefa mahita zavatra toy itony dia hoe tena avo toerana noho ny ain'olona ve ny bibikely toy itony e ? Misy mantsy ny olona mitady fahatsaram-piainana any an-toeran-kafa, dia rehefa raofin'ny polisy dia alefa any anaty sambo na tonga dia anaty fiaraminidina avy hatrany, na ... sns, nefa toa tsy misy miraika ny olona mahita izany amin'ny feo aman-jery, fa rehefa bibikely toy itony ve dia tena misy ny resabe hoe nijaly ilay sakakely e, matiko ilay olona iny nanao izany e, tsy misy fo ilay vehivavy e, ... Ts ts ts, betsaka ny olona marary fadiranovana nefa tsy misy mihetsika mba hanisy sira azy ireny ny olona. Misy sary iray izay tonga ato an-dohako, tonga tao anaty boatimelako : zazakely maity hoditra tena mahia kely efa taolana sisa mifono hoditra, miankohoka noho ny tsy fahazoany hanina sy aina intsony na mety efa miala aina, misy vautour etsy akaiky miandry izay hahalasanany sisa, voalaza fa namono tena ilay journaliste naka ilay sary (asa aloha raha marina) fa dia naninona no tsy nisy nihetsika nanao izay ahitana io ankizy io nandefasana fiaramanidina vonjimaika hamonjena ny ainy iray. Indrisy !
Be hoy aho ny biby manan-danja noho ny olombelona e !
Aoka aloha haka tahaka kely fa tsssss :
** Tsy mety kosa izao ry Kdaomba a a !
01 Septambra, 2010 19:16
Masinina siramamy
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Etsy sy eroa ][ (4) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Ela aho no tsy niblaogy teto na dia maro ary ny tiana ho ambara. Anisany ity milina iray ity, tamin'ny fahagola andron'ny fanjanahantany nefa mbola azo ampiharintsika malagasy ihany noho ny antony maro, ary matoa nampiasaina tamin'izany fotoana izany dia satria tena nanome vokatra tokoa. Fangalana ranona fary izy ity, hanaovana siramamy. Koa raha toa ka mety hahasoa dia raiso. Tany amin'ny musée aloha no nangalko ilay sary e, nefa tena mbola tsara. Isika ary moa mbola mampiasa sarety koa. Nahita kely toa io aho teny an-tsena ary dia teo ry zalahy no maka ranona fary amidy, fa mandeha herin'aratra ilay izy, mitovy mihitsy ny système. Gaga sy variana daholo ny vazaha nahita ilay izy !
09 Aogositra, 2010 08:14
Aody ry Analamanga
Nampidirin'i kdaombaramita, Sokajy [ Tahiry tsy adino ][ (24) Hametraka hevitra ] | [ (0) Verindrohy (trackback) ]
Indreto sary vitsivitsy itako tetsy sy teroa, ahatsiarovana ny fahiny, misy moa azo t@ izaho mbola tsy teraka koa aloha e. Ilay loharano ao Faravohitra moa dia izao aho vao mahalala ny fisiany nefa aho nianatra tao amin'ny Lycée Jules Ferry, taiza ho aiza ary izany ? Itanareo ao koa angambany ny tranonareo t@ izany, ny làlana izan-karazany. Jereo tsara anie ! Mbetika koa aho toa mahita ny sarin'ny dadanay sy ny mamanay teny Antanarenina. Ankafizo e !
Vita tompoko ô !
















































